NATANAELA
(Natanaèla) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Nanome Andriamanitra”].
Azo inoana fa anaran’i Bartolomeo. Anisan’ireo apostolin’i Jesosy 12 lahy àry i Natanaela. Midika hoe “Zanakalahin’i Tolmay” ny hoe Bartolomeo, ary hita ao amin’ilay anarany ny anaran’ny rainy. Nampiasa an’ilay anarana hoe Natanaela (izay tena anarany) ny apostoly Jaona, fa i Matio sy Marka ary Lioka kosa niantso azy hoe Bartolomeo. Hita fa nampiarahin’i Matio sy Marka ary Lioka ny anaran’i Filipo sy Bartolomeo, toy ny nampiarahan’i Jaona ny anaran’i Filipo sy Natanaela. (Mt 10:3; Mr 3:18; Lk 6:14; Jn 1:45, 46) Efa fahita ny olona manana anarana mihoatra ny iray. Nantsoina hoe Kefasy sy Petera, ohatra, i “Simona zanak’i Jaona.” (Jn 1:42) Tsy mahagaga koa raha nantsoina hoe Bartolomeo na “Zanakalahin’i Tolmay” i Natanaela, toy ny niantsoana ny lehilahy iray hoe “Bartimeo” na “Zanakalahin’i Timeo.” (Mr 10:46) Nandritra ireo taonjato maromaro tatỳ aoriana, dia samy nampiasain’ireo Kristianina mpanoratra na ilay anarana hoe Natanaela na ilay hoe Bartolomeo, rehefa niresaka momba azy.
Avy any Kana, any Galilia, i Natanaela. (Jn 21:2) Lasa mpanara-dia an’i Jesosy izy, raha vao nanomboka ny fanompoany kelikely i Jesosy. I Natanaela no notadiavin’i Filipo avy hatrany taorian’ny nanekeny an’ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Andao hanara-dia ahy.” Mpinamana mantsy izy roa lahy. Nanasa azy i Filipo mba ho avy ka hijery ny Mesia. Hoy i Natanaela: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?” Nandeha ihany anefa izy. Hoy i Jesosy, rehefa nahita azy nanatona: “Izany ka tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka.” Tsy maintsy ho olona tena niavaka i Natanaela, matoa i Jesosy nilaza an’izany. Nilaza koa i Jesosy fa hitany teo ambany aviavy i Natanaela, talohan’ny niantsoan’i Filipo azy. Ireo zavatra nolazain’i Jesosy ireo no nahatonga an’i Natanaela hiaiky hoe: “Zanak’Andriamanitra ianao! Mpanjakan’ny Israely ianao!” Nanome toky azy i Jesosy hoe: “Mbola hahita zavatra lehibe noho izany ianao.”—Jn 1:43-51.
Anisan’ireo apostoly 12 i Natanaela ka teo foana nandritra ny fanompoan’i Jesosy, ary tsara ofana mba hiatrika ny fanompoana amin’ny hoavy. (Mt 11:1; 19:25-28; 20:17-19, 24-28; Mr 4:10; 11:11; Jn 6:48-67) Niverina nanarato i Natanaela sy ny apostoly sasany, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nananganana azy tamin’ny maty. Indray maraina, rehefa nanatona ny morony ny sambokely nandehanan’izy ireo, dia niantso azy ireo teo amin’ny torapasika i Jesosy. Tsy nanao toa an’i Petera i Natanaela, fa nijanona tao anaty sambokely mandra-pahatongan’ilay izy teny amorony. Niara-nisakafo maraina tamin’i Jesosy sy ny apostoly hafa izy avy eo, ary nihaino tsara an’ilay hevi-dehibe noresahin’i Jesosy tamin’i Petera. (Jn 21:1-23) Niaraka tamin’ireo apostoly hafa koa izy, tamin’izy ireo nivory mba hivavaka sy tamin’ny Pentekosta.—As 1:13, 14; 2:42.