ONIKSA
Vatosoa tsy tena sarobidy ary karazana agata mafy. Antsoina hoe oniksa koa ny kalsedoanina misy tsipitsipika. Misy sosona fotsy mielanelana mainty, volontsôkôlà, mena, volondavenona, na maitso ny oniksa. Lasa mena matsatso ireo sosona mena rehefa voatsindrin’ireo sosona fotsy tantera-pahazavana. Mitovitovy amin’ny hohon-tanana (gr.: ônyks) no fahitan’ny Grika an’ilay izy. Efa hatry ny ela no tena tian’ny olona ny ravaka sy peratra ary vakana vita tamin’ny oniksa. Misy sosona maro loko io vato io ka tena be mpitia raha atao sokitra.
Ny “faritr’i Havila” no tena niavian’ny oniksa, taloha ela be. (Ge 2:11, 12) Anisan’ny zava-tsarobidy nataon’ny Israelita fanomezana ho an’ny tranolay masina io vato io. (Ek 25:1-3, 7) Nisy oniksa roa napetraka teo amin’ny soroky ny efodan’ny mpisoronabe, “ho vato fahatsiarovana ny zanak’Israely.” Natao sokitra teo amin’ireo vato ireo “ny anaran’ny zanak’Israely ... arakara-jokiny”, ka teo amin’ny vato iray ny anaran’ny enina. Oniksa koa ny vato afovoany teo amin’ny laharana fahefatra tamin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’ny mpisoronabe, ary voasokitra teo amin’izy io ny anaran’ny iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely.—Ek 28:9-12, 15-21; 35:5, 9, 27; 39:6-14.
Nanomana zava-tsarobidy maro hanorenana ny tempolin’i Jerosalema i Davida tatỳ aoriana, ka anisan’izany ny vato oniksa. (1Ta 29:2) Voalazan’i Ezekiela ao amin’ny hira fisaonana nosoratany, fa anisan’ireo vatosoa ‘nandrakotra’ ny fitafiana an’ohatra nanaovan’ny “mpanjakan’i Tyro” ny oniksa. (Ezk 28:12, 13) Niaiky i Joba fa tsy voavidy amin’ny ‘vato oniksa sarobidy’ sy amin’ny zava-tsarobidy hafa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra.—Jb 28:12, 16.