FIADANANA, FIHAVANANA
Malalaka be ny hevitr’ilay teny hebreo hoe shalôhm, izay nadika hoe “fiadanana”, “fihavanana”, na “mandry feizay.” Midika hoe tsy fisian’ny ady na korontana izy io (Mpts 4:17; 1Sa 7:14; 1Mp 4:24; 2Ta 15:5; Jb 21:9; Mpto 3:8), salama, tsy misy maninona (Ge 37:14), mahasoa (Ge 41:16), fisakaizana (Sl 41:9), ary “daholo.” (Je 13:19) Eirene kosa ny teny grika mifanitsy aminy. Malalaka be koa ny hevitr’io teny grika io, ary mety hidika hoe fahatsapana ho metimety, famonjena, firindrana tsara, ankoatra an’ilay heviny hoe tsy fisian’ny ady. Ahitana an’io teny io koa ao amin’ilay teny fanaovam-beloma hoe “mandehana soa aman-tsara”, “mirary soa”, izay mitovitovy amin’ny hoe ‘hahita soa anie ianao!’—Mr 5:34; Lk 7:50; 8:48; Jk 2:16; ampit. 1Sa 1:17; 20:42; 25:35; 29:7; 2Sa 15:9; 2Mp 5:19.
Tsy mahalaza ny tena hevitry ny hoe shalôhm ny hoe “fiadanana” na “fihavanana”, ka ny teny manodidina no ahalalana izay tena heviny. Ny hoe avela handeha “soa aman-tsara [shalôhm]”, ohatra, dia mety hidika hoe alefa tsy misy romoromo, tsy atahorana hosakantsakanan’ilay mamela handeha. (Ge 26:29; 44:17; Ek 4:18) Inona kosa no dikan’ny hoe miverina na tafaverina “soa aman-tsara [shalôhm]”, ohatra hoe avy tany an’ady? Midika izy io hoe nandresy ary tsy naratra. (Ge 28:21; Js 10:21; Mpts 8:9; 11:31; 2Ta 18:26, 27; 19:1) Midika ara-bakiteny hoe ‘manakory ny fiadananao?’ ny hoe ‘salama ve ianao?’ (Ge 29:6; 43:27) Ny hoe “mitady izay hahasoa [shalôhm]” dia midika ara-bakiteny hoe ‘mitady izay hiadanana.’ (De 23:6) Lazaina hoe maty “amim-piadanana” ny olona iray raha efa tratrantitra vao maty, ary maty moramora fotsiny na koa tojo an’izay niriny vao maty. (Ampit. Ge 15:15; Lk 2:29; 1Mp 2:6.) Milaza ny faminaniana fa ‘hangonina any amin’ny razany’ i Josia “amin’ny fotoana mampandry feizay [shalôhm] ny tany.” Midika izany fa ho faty alohan’ilay loza hamely an’i Jerosalema izy. (2Mp 22:20; 2Ta 34:28; ampit. 2Mp 20:19.) Resahina ao amin’ny Isaia 57:1, 2 fa mahita fiadanana ny olo-marina rehefa maty satria maty tsy nahita loza.
Mahita fiadanana. Andriamanitry ny fiadanana na filaminana i Jehovah. (1Ko 14:33; 2Ko 13:11; 1Te 5:23; He 13:20) Avy aminy ny fiadanana (No 6:26; 1Ta 22:9; Sl 4:8; 29:11; 147:14; Is 45:7; Ro 15:33; 16:20), satria vokatry ny fanahy. (Ga 5:22) Izay mihavana amin’Andriamanitra ihany àry no manana ny tena fiadanana. Simba ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra raha manao fahotana lehibe izy. Mety hikorontan-tsaina izy, noho izany. Hoy ny mpanao salamo: “Na hatrany amin’ny taolako aza dia tsy misy fiadanana, noho ny fahotako.” (Sl 38:3) Tokony ‘hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara’ àry izay mitady fihavanana sy mitandro izany. (Sl 34:14) Tsy hisy mihitsy ny fiadanana raha tsy eo ny fahamarinana. (Sl 72:3; 85:10; Is 32:17) Tsy misy fiadanana àry ho an’ny ratsy fanahy. (Is 48:22; 57:21; ampit. Is 59:2-8.) Manana fiadanana kosa ny olona mahafoy tena tanteraka ho an’i Jehovah sy tia ny lalàny (Sl 119:165) ary mankatò ny didiny.—Is 48:18.
Tsy nihavana tamin’i Jehovah Andriamanitra na ny Jiosy na ny tsy Jiosy, tamin’i Kristy Jesosy tetỳ an-tany. Nandika ny lalàn’Andriamanitra ny Jiosy ka niharan’ny ozona voalazan’ny Lalàna. (Ga 3:12, 13) “Tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra [kosa ny tsy Jiosy], teo amin’izao tontolo izao”, satria tsy nifanaovan’Andriamanitra fifanekena. (Ef 2:12) Samy afaka nihavana tamin’Andriamanitra anefa na ny Jiosy na ny tsy Jiosy, noho i Kristy Jesosy. Hita tokoa izany rehefa niteny toy izao tamin’ny mpiandry ondry ny anjely, rehefa teraka i Jesosy: “Fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.”—Lk 2:14.
Nitory momba ny fiadanana na fihavanana i Jesosy sy ny mpianany, ary liana tamin’izany ny “zanaky ny fiadanana”, izany hoe ireo olona te hihavana amin’Andriamanitra. (Mt 10:13; Lk 10:5, 6; As 10:36) Nahatonga fisarahana teo anivon’ny mpianakavy koa anefa ny zavatra notorin’izy ireo, satria nisy nandray azy io, fa nisy kosa tsy nandray. (Mt 10:34; Lk 12:51) Tsy nandray azy io ny ankamaroan’ny Jiosy, ka tsy nahatakatra an’ireo zavatra “momba ny fiadanana”, anisan’izany ny hoe ilaina ny mibebaka sy manaiky an’i Jesosy ho Mesia. (Ampit. Lk 1:79; 3:3-6; Jn 1:29-34.) Noravan’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70, noho izany.—Lk 19:42-44.
Mpanota anefa na dia ireo Jiosy nanaiky ny “vaovao tsaran’ny fihavanana” aza, ka nila fandrakofam-pahotana mba hihavanana amin’i Jehovah Andriamanitra. Ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona no nahazoana izany fandrakofam-pahotana izany. Efa voalaza mialoha toy izao izany: “Nihatra taminy ilay sazy nahazoanay fihavanana, ary ny ratrany no nahazoanay fanasitranana.” (Is 53:5) Ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana no nanafoana ny Lalàn’i Mosesy, izay nanasaraka ny Jiosy tamin’ny tsy Jiosy. Afaka nihavana tamin’Andriamanitra sy tamin’izy samy izy àry izy ireo, rehefa lasa Kristianina. Hoy ny apostoly Paoly: “[I Jesosy] no nampihavana antsika, eny, izy izay nampiray antsika roa tonta sy nandrava an’ilay rindrina teo anelanelany izay nanasaraka antsika. Ny nofony no nanafoanany ny fandrafiana, dia ny Lalàna misy didy maro, mba hamoronany olom-baovao iray ho tafaray aminy avy amin’ireo firenena roa, ka hamitranany fihavanana, ary mba hampihavanany tanteraka antsika roa tonta amin’Andriamanitra ka ho tonga vatana iray isika, amin’ny alalan’ny hazo fijaliana, satria ny tenany no namonoany ilay fandrafiana. Dia tonga izy ka nitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana taminareo izay lavitra, ary fihavanana tamin’izay akaiky koa, satria amin’ny alalany no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny alalan’ny fanahy iray ihany.”—Ef 2:14-18; ampit. Ro 2:10, 11; Kl 1:20-23.
Tsy manahy momba ny zavatra ilainy ny Kristianina, satria miambina ny fony sy ny sainy “ny fiadanan’Andriamanitra”, izany hoe ilay fahatoniana sy filaminan-tsaina tsapan’izay mifandray tsara amin’i Jehovah Andriamanitra. Matoky izy ireo fa manome izay ilain’ny mpanompony Andriamanitra ary mamaly ny vavaka ataony, ka tony ny fony ary milamina ny sainy. (Fi 4:6, 7) Nampitony ny fo sy ny sain’ny mpianatr’i Jesosy Kristy koa ny fiadanana nomeny azy ireo, noho izy ireo nino hoe Zanak’Andriamanitra izy. Tsy tokony hanahy na hatahotra izy ireo, na dia nilaza aza i Jesosy fa tsy ho eo amin’izy ireo intsony. Tsy namela azy ireo tsy nisy mpanampy izy, fa nampanantena kosa hoe handefa ny fanahy masina.—Jn 14:26, 27; 16:33; ampit. Kl 3:15.
Mila arovana izany fiadanana na fihavanana misy eo amin’ny Kristianina izany. Tokony “ho tia fihavanana” izy ireo, ka hiezaka mafy mba hampisy fihavanana sy hitandro izany. (1Te 5:13) Tokony hitandrina àry izy ireo mba tsy hanafintohina ny mpiray finoana aminy. (Ro 14:13-23) Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’” (Mt 5:9; ampit. Jk 3:18.) Ampirisihina ny Kristianina mba hitady fihavanana sy hanao izay rehetra azo atao mba hihavanana amin’Andriamanitra. (2Ti 2:22; He 12:14; 1Pe 3:11; 2Pe 3:14) Mila miady amin’ny fanirian’ny nofo àry izy ireo, satria mahatonga fandrafiana an’Andriamanitra ireny. (Ro 8:6-8) Tena ilaina ny ho tsara fihavanana foana amin’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy. Zava-dehibe àry ilay firarian-tsoa fampiasa matetika hoe: ‘Ho aminareo anie ny fiadanana [na fihavanana amin’Andriamanitra]!’—Ro 1:7; 1Ko 1:3; 2Ko 1:2; Ga 1:3; 6:16; Ef 1:2; 6:23; Fi 1:2.
Tian’ny Kristianina hihavana amin’Andriamanitra koa ny hafa. Nanao ady ara-panahy izy ireo noho izany, ka ny “fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana” no nataony toy ny kiraro. (Ef 6:15) Niady mafy izy ireo na dia teo anivon’ny fiangonana aza, mba handrava an’ireo fomba fisaina tsy nifanaraka tamin’ny fahalalana an’Andriamanitra, satria nanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra ireny. (2Ko 10:4, 5) Tsy nifamaly na nifanditra anefa ny Kristianina, na dia rehefa nanitsy an’izay niala tamin’ny fahamarinana aza. Natoron’i Paoly an’i Timoty hoe ahoana no hananarana an’ireo niala tamin’ny lala-mahitsy. Hoy izy: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, hahay hampianatra sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra, ary halemy paika rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky, fa angamba Andriamanitra hamela azy hibebaka, ka hahalala marina tsara ny fahamarinana izy. Dia ho tonga saina izy ka ho afaka amin’ny fandriky ny Devoly, izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.”—2Ti 2:24-26.
Fanjakana hitondra fiadanana. Antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana” ny Zanak’Andriamanitra, satria “ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana.” (Is 9:6, 7) Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany tokoa, dia nasehony tamin’ny mpanompony fa tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana izy ireo. Hoy izy tamin’i Petera: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Mt 26:52) Lazaina an’ohatra hoe ‘nanefy ny sabany ho angadinomby’ ny Kristianina, sady nanefy “ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.” Tsy nianatra ady intsony izy ireo. (Is 2:4) Hita avy amin’izany sy izay nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa (indrindra fa izay nataony ho an’ny Israely nandritra ny fanjakan’i Solomona) fa hanjaka ny fiadanana mandritra ny fanjakan’i Jesosy. Hoy ny Baiboly momba ny fanjakan’i Solomona: “Nandry feizay ny faritra rehetra nanjakany, na taiza na taiza. Dia nonina tsy amin’ahiahy ny Joda sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” (1Mp 4:24, 25; 1Ta 22:9) Asehon’ny andininy hafa koa (ampit. Sl 72:7, 8; Mi 4:4; Za 9:9, 10; Mt 21:4, 5) fa izany no hitranga mandritra ny fanjakan’i Kristy Jesosy, ilay lehibe noho i Solomona. Avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana” ny anaran’i Solomona.—Mt 12:42.
Hihavana ny olona sy ny biby. Nampanantena toy izao an’ireo Israelita Andriamanitra, raha nankatò izy ireo: “Hampisy fiadanana eo amin’ilay tany aho, ka hatory ianareo nefa tsy hisy hampangovitra anareo. Tsy havelako hiditra eo amin’ny taninareo intsony ny bibidia masiaka.” (Le 26:6) Midika izany fa nijanona tany amin’izay nisy azy ny bibidia ka tsy naninona an’ireo Israelita sy ny biby fiompin’izy ireo. Raha tsy nankatò kosa ny Israelita, dia navelan’i Jehovah handrava ny tanin’izy ireo ny tafika vahiny, ka hihavitsy ny mponina. Ho lasa be dia be ny bibidia, ka ho tonga hatrany amin’ny toerana nisy mponina teo aloha, ary hasiaka amin’ny olona sisa tavela sy ny biby fiompiny.—Ampit. Ek 23:29; Le 26:22; 2Mp 17:5, 6, 24-26.
Marina fa tsy nanafika an’ireo Israelita ny bibidia, araka izay nampanantenain’i Jehovah, nefa tsy hoe afaka nifehy tanteraka ny bibidia hoatran’i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo. (Ge 1:28) Asehon’ny faminaniana fa i Kristy Jesosy ihany no hifehy ny biby toa an’i Adama sy Eva. (Sl 8:4-8; He 2:5-9) Hihavana indray àry ny olona sy ny biby rehefa hanjaka i Jesosy Kristy, ilay “rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese”, ilay antsoin’Andriamanitra hoe “Davida mpanompoko.” (Is 11:1, 6-9; 65:25; Ezk 34:23-25) Amin’ny heviny an’ohatra no ahatanterahan’ireo andinin-teny farany ireo, satria tsy tena nihavana ara-bakiteny ny bibidia teo amin’ny Israely, ohatra hoe ny amboadia sy ny zanak’ondry. Midika izany fa tsy hahery setra intsony ny olona nanana toetram-biby, fa hihavana amin’ny manodidina azy izay malemy paika toy ny zanak’ondry. Hihavana toy ny tao Edena koa ny biby rehefa hanjaka i Kristy Jesosy, satria miresaka momba ny biby ny faminaniana rehefa milaza momba ilay fiadanana hanjaka eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra.