SAHAN’NY MPANEFY TANIMANGA
Tany novidin’ny lehiben’ny mpisorona tamin’ireo farantsa volafotsy 30 natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly, rehefa nanenina izy taorian’ny namadihany an’i Jesosy. Raha sekely ireo farantsa volafotsy ireo, dia mitentina 66 dolara. Novidina ilay “sahan’ny mpanefy tanimanga, mba hatao fandevenam-bahiny.” (Mt 27:3-10) Lasa nantsoina hoe Akeldama na “Sahan-dra” ilay saha. (As 1:18, 19; jereo AKELDAMA.) Efa hatramin’ny taonjato fahefatra io saha io no voalaza fa ilay toerana misolampy eo amin’ny sisiny atsimon’ny Lohasahan’i Hinoma, aloha kelin’ny hihaonany amin’ny Lohasahan’i Kidrona.
Tsy fantatra ilay “sahan’ny mpanefy tanimanga” raha sahan’olona iray mpanefy tanimanga na toerana fanefena tanimanga mihitsy taloha. Toa toerana fanefena tanimanga tokoa teo, raha marina ilay toerana lazain’ny lovantsofina. Izy io mantsy dia teo akaikin’ilay Vavahadin’ny Vakim-bilany Tanimanga resahin’ny Jeremia 19:1, 2. (Ampit. Je 18:2.) “Vavahadin’ny Mpanefy Tanimanga” no lazain’ny fanamarihana ambany pejy nataon’i J. Simons. (Jerosalema ao Amin’ny Testamenta Taloha, Leyde, 1952, p. 230) Nahitana tanimanga teny amin’ny manodidina an’io toerana io, vao haingana. Ilana rano ampy tsara koa ny fanefena tanimanga, ary akaikin’ny loharanon’i En-rogela sy ny Dobon’i Siloama ary ny rano mikoriana eo amin’ny Lohasahan’i Hinoma amin’ny ririnina ilay toerana.