RABSAKE
(Rabsakè) [avy amin’ny teny akadianina, ary mety hidika hoe “Lehiben’ny Mpandroso Zava-pisotro”].
Anaram-boninahitry ny olona ambony asyrianina. (2Mp 18:17) Hoy ny soratra iray nataon’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina: “Nirahiko ho any Tyro ny manamboninahitro, dia ny rabsak.” Hoy koa ny soratra nataon’i Asorobanipala Mpanjaka teo amin’ny takelaka iray ao amin’ny Tranombakoka Britanika: “Nasaiko nanatevin-daharana ny tafika nalefako (tany Ejipta) ny manamboninahitra rabsak.”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282, 296.
Nirahin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria ho any Jerosalema ny tafika lehibe nofehezin’i Tartana mpitari-tafika sy Rabsarisa ary Rabsake, fa izy kosa nanao fahirano an’i Lakisy, tanàna voaro mafy tany Joda. (2Mp 18:17; resahin’ny Isaia toko 36, 37 koa ilay tantara manontolo.) I Rabsake no mpitondra tenin’ireo manamboninahitra telo ireo, ary nasainy hitolo-batana i Hezekia Mpanjaka. (2Mp 18:19-25) Nijanona teo akaikin’ny lakandranon’ny dobo ambony izy ireo. Nahay teny hebreo sy syrianina i Rabsake (tsy voalaza ny anarany). Niteny hebreo izy niantso an’i Hezekia. Naniraka manamboninahitra telo anefa i Hezekia mba hiangavy azy hiteny syrianina fa tsy jiosy, satria ren’ny olona teny ambony manda ilay resaka. (2Mp 18:26, 27) Vao mainka anefa i Rabsake niteny mafy tamin’ny teny hebreo satria tiany ho kivy sy hihorohoro ny Jiosy. Nandainga izy, nanao fampanantenana poakaty, nanome tsiny, ary nanesoeso an’i Jehovah, mba hitaomana azy ireo hivadika tamin’i Hezekia Mpanjaka ka hitolo-batana tamin’ny Asyrianina. (2Mp 18:28-35) Tsy nivadika tamin’i Hezekia anefa ny mponin’i Jerosalema.—2Mp 18:36.
Noresahin’i Hezekia tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka ny fihantsian’i Rabsake, ary nisy nirahiny hanontany an’i Isaia mpaminany hoe inona no valin-tenin’i Jehovah. (2Mp 18:37; 19:1-7) I Rabsake kosa lasa haingana nankany amin’ny mpanjakan’i Asyria rehefa reny hoe niala tao Lakisy izy io ary niady tamin’i Libna. Mbola nandefa taratasy feno fihantsiana sy fandrahonana ho an’i Hezekia ihany anefa i Sankeriba na dia lavitra aza, mba hahatonga azy hitolo-batana. (2Mp 19:8-13) Nentin’i Hezekia tao amin’ny tempolin’i Jerosalema àry ireo taratasy ka novelariny teo anatrehan’i Jehovah, sady nitalaho fanampiana izy. (2Mp 19:14-19) Nolazain’i Isaia ny valin-tenin’i Jehovah hoe: “Tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity [ny mpanjakan’i Asyria], na handefa zana-tsipìka ato, na hiady amin’ity tanàna ity miaraka amin’ny ampinga, na hanangana tovon-tany hanaovana fahirano azy. Ny lalana niaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity izy, hoy i Jehovah.” (2Mp 19:32, 33) Namono miaramila asyrianina 185 000 ny anjelin’i Jehovah ny alin’iny. Lasa niverina avy hatrany tany Ninive renivohiny àry i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. Nisy namono izy tany, tatỳ aoriana. (2Mp 19:35-37) Very maina koa ny ezaka nataon’i Rabsake izay nanevateva sy nihantsy an’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona.