SEBATA
(Sebàta).
Volana jiosy faha-11 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana, taorian’ny sesitany, fa faha-5 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana (Za 1:7; De 1:3; 1Ta 27:14), ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Janoary sy voalohandohan’ny Febroary. Tsy fantatra ny tena dikan’ny hoe Sebata.
Tao anatin’ny ririnina io volana io. Tsy nirotsaka be intsony ny orana, nefa mbola nisinisy ihany. Nidina ho 7° C teo ho eo ny mari-pana tao Jerosalema, ary 17° C teo ho eo ny teny amoron-tsirak’i Mediterane. Namony mavokely sy fotsy ny hazo amandie izay voalohany namelana tao anatin’ny ririnina, ary famantarana fa efa ho avy ny lohataona.
Tsy nisy fety tamin’ny Sebata, raha jerena ny Baiboly.