SIMEY
(Simèy) [mety ho fanafohezana ny hoe Semaia, izay midika hoe “Nandre (Nihaino) i Jehovah”].
1. Zanakalahin’i Gersona (Gersoma) ary ny anarany no voatonona faharoa. Zafikelin’i Levy i Simey. (Ek 6:16, 17; No 3:17, 18; 1Ta 6:16, 17) Nisy fianakaviambe levita maromaro avy tamin’i Simey.—No 3:21-26; 1Ta 23:7, 10, 11; Za 12:13.
2. Robenita iray nanana taranaka nantsoina hoe Bera, izay mpiadidy nataon’i Tilgato-pilnesera sesitany. Antsoina koa hoe Tiglato-pilesera III io mpanjakan’i Asyria io.—1Ta 5:1, 4-6.
3. Levita Merarita.—1Ta 6:29.
4. Levita Gersonita ary razamben’i Asafa.—1Ta 6:39, 42.
5. Benjamita iray nanana zanakalahy (na taranaka) sivy nonina tao Jerosalema. Lohan’ny fianakaviambe ireo zanany ireo. (1Ta 8:1, 19-21, 28) Azo inoana fa izy ilay lazain’ny 1 Tantara 8:13 hoe Sema, izay anisan’ny lohan’ireo fianakaviamben’ny mponina tao Aialona.
6. Simeonita iray, zanakalahin’i Zakora. Nanana zanakalahy 16 sy zanakavavy 6 i Simey.—1Ta 4:24-27.
7. Iray tamin’ireo rahalahin’i Davida.—2Sa 21:21; jereo SAMA No. 2.
8. Taranak’i Gersona avy tamin’i Ladana. Nisy telo tamin’ireo zanany lahy (na ny taranany) lohan’ireo fianakaviambe levita, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.—1Ta 23:8, 9.
9. Lehiben’ny fizarana fahafolo nisy Levita mpitendry zavamaneno. Zanakalahin’i Jedotona i Simey.—1Ta 25:1, 3, 17.
10. Mpiandraikitra ny tanimboalobok’i Davida. Ramatita i Simey.—1Ta 27:27.
11. Olona tsy nivadika tamin’i Davida Mpanjaka, ary tsy nety niandany tamin’i Adonia mpandrombaka fahefana. (1Mp 1:8) Toa izy ihany ilay Simey voatendry ho lehibem-paritra namatsy sakafo an’i Solomona Mpanjaka, ka ny faritanin’i Benjamina no niandraiketany. Zanakalahin’i Ela izy.—1Mp 4:7, 18.
12. Benjamita avy any amin’ny tanàna kelin’i Bahorima. Zanakalahin’i Gera i Simey ary havan’i Saoly Mpanjaka. Nitana lolompo tamin’i Davida izy, na dia taona maro taorian’ny nahafatesan’i Saoly sy nanesorana ny fanjakana tamin’ny ankohonany aza. Nanampatra ny hatezerany efa nokoboniny hatry ny ela i Simey rehefa nihaona tamin’i Davida sy ny olony, izay nandositra avy tany Jerosalema noho ny fikomian’i Absaloma. Nandeha tandrifin’izy ireo i Simey, teo atsinanana kelin’ny Tendrombohitra Oliva, ary nitora-bato sy nanipy vovoka tany amin’izy ireo sady nanozona an’i Davida. Niera tamin’i Davida i Abisay mba hamono an’i Simey, nefa tsy nety i Davida. Angamba izy nanantena hoe havadik’i Jehovah ho fitahiana ny ozon’i Simey.—2Sa 16:5-13.
Nody i Davida, taorian’izay, ary nivadika ny rasa. I Simey no voalohany nitsena azy tamin’izay, niaraka tamin’ny Benjamita arivo lahy. Niankohoka teo anatrehan’i Davida izy ary nifona noho ny ratsy nataony. Saika hamono azy indray i Abisay, nefa nosakanan’i Davida indray. Nianiana mihitsy izy hoe tsy hovonoina i Simey. (2Sa 19:15-23) Nanafatra an’i Solomona anefa i Davida talohan’ny nahafatesany hoe: “Amin’ny fandatsahan-dra no hampidinanao ny volofotsiny [ny an’i Simey] any amin’ny Fasana.”—1Mp 2:8, 9.
Nampiantso an’i Simey i Solomona, tamin’izy vao nanomboka nanjaka. Nandidy azy izy mba hifindra tao Jerosalema, ary tsy hiala tao mihitsy raha tsy te hovonoina ho faty. Nanaiky i Simey. Telo taona tatỳ aoriana anefa, dia niala tao Jerosalema izy mba hitady ny mpanompony roa, izay nandositra tany Gata. Ren’i Solomona izany ka hoy izy tamin’i Simey: “Nahoana ianao no tsy nitana ny fianianana natao teo anatrehan’i Jehovah?” Nasain’i Solomona novonoin’i Benaia àry i Simey.—1Mp 2:36-46.
13. Levita iray taranak’i Hemana. Anisan’ireo nanamasina ny tenany sy nanampy tamin’ny fanadiovana ny tempoly i Simey, raha vao lasa mpanjaka kelikely i Hezekia. (2Ta 29:12, 14-16) Mety ho izy ihany ilay No. 14.
14. Levita niandraikitra sy nitahiry an’ireo fanomezana sy ampahafolon-karena nentin’ny vahoaka tao amin’ny tempoly, tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia. I Simey no mpiandraikitra lefitra. (2Ta 31:11-13) Mety ho izy ihany ilay No. 13.
15. Razamben’i Mordekay ary avy amin’ny fokon’i Benjamina.—Es 2:5.
16. Rahalahin’i Zerobabela Governora ary taranak’i Davida avy amin’ny fokon’i Joda.—1Ta 3:19.
17. Anisan’ireo Levita nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ireny. Nomen’i Ezra tsiny mantsy izy ireo, satria nanambady vehivavy hafa firenena.—Ezr 10:10, 11, 23, 44.
18, 19. Israelita roa lahy, ka ny iray zanak’i Hasoma ary ny iray zanak’i Binoy. Nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ireny koa izy ireo.—Ezr 10:33, 38, 44.