ESPAINA
Tany anisan’ny Saikinosy Iberika eo amin’ny ilany atsimoandrefan’i Eoropa. Nikasa ny ho any Espaina ny apostoly Paoly rehefa avy nitsidika an’ireo Kristianina tany Roma, ka nanantena ny haterin’izy ireo lavidavitra. (Ro 15:23, 24, 28) Tsy fantatra raha tena tonga tany Espaina ilay apostoly na tsia. Nilaza anefa i Clément avy any Roma (t. 95) fa tonga hatrany amin’ny “farany A[ndrefana]” i Paoly, izany hoe, mety hatrany Espaina. (Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, Boky I, p. 6, “Epistola Voalohany Nosoratan’i Clément ho An’ny Korintianina”, toko faha-5) Raha tena tany Espaina tokoa i Paoly, dia mety ho tonga tany izy teo anelanelan’ny fotoana nigadrany voalohany (t. 61) sy ny nigadrany fanindroany (t. 65) tany Roma. Ny Romanina no nitondra an’i Espaina tamin’izay. Misy milaza an’i Tarsisy ho ny ilany atsimon’i Espaina.—Jereo TARSISY No. 4.