Mitondra ho amin’ny fiainana ny fahalalana marina
Ilàna fahalalana ny fiainana isan’andro. Kanefa moa ve hianao mba mikatsaka ny fahalalana ilaina hahazoanao fahasambarana mandrakizay?
MOA VE HANDIDY ati-doha na fon’ny marary iray hianao raha mbola tsy nianatra ny momba ny fitsaboana mihitsy? Tsy isalasalana fa mampangovitra anao, na dia ny mieritreritra fotsiny aza fa hanao izany fandidina izany izay iankinan’ny ain’olombelona, kanefa tsy mbola manana ny fahalalana ilaina momba ny fitsaboana akory hianao.
Fantatrao fa ilàna hakingana lehibe ny asa momba ny fandidina, dia hakingana azo avy amin’izany. Ny olona manana izany fahalalana marina sy fiofanana izany ihany no afaka hahomby amin’ny fandidina sarotra toy izany.
Tsy amin’ny lafiny mikasika ny asa iray, toy ny fitsaboana ihany no ilàna ny fahalalana marina. Ilaina isan’andro izany mba hahazoanao izay ilainao. Ohatra, mety hahita mora ny asan’ny mpamily fiarakodia lehibe ve hianao raha toa tsy mbola namily fiarakodia akory na manana fahalalana ny fitsipika mikasika ny fifamoivoizana? Tokony ho fantatra aloha ny momba ilay fiara sy ny fitsipika momba ny fifamoivoizana raha te-ho tonga mpamily za-draharaha.
Mila fahalalana koa ny vehivavy mpitondra tokantrano. Tokony hahay mahandro izy mba hanomanany sakafo matsiro sy mahatanjaka, dia sakafo hankafizin’ny fianakaviana.
Tokony hahay mikarakara ny tokantranony sy ny zanany izy. Arakaraky ny fitàran’ny fahalalany no hananany fahazarana amin’ny asa ka hahatsara kokoa ny vokatra ho azony.
Eny, mba hitanana ny aina sy hiarovana azy, mba hikarakarana zavatra antoky ny aina, dia tokony hanana fahalalana.
AHOANA NY AMIN’NY FAHALALANA AN’ANDRIAMANITRA ?
Mihezaka mafy hianao mba hahazoanao ny fahalalana ilaina amin’ny fiainana sy hanalavana izany arak’izay azo atao. Nefa misy zavatra mbola lehibe noho izany, izay mety hanana hery lehibe kokoa eo amin’ny fiainana ka ilainao koa ny fananana azy. Inona izany? Ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny zavatra tadiaviny.
Tsy maintsy hahery manerana ny tany ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny farany, na inona na inona ataon’ny olona sy ny firenena. Izao no ambaran’ny Ohabolana azo tamin’ny tsindrimandry: “Maro ny fikasana ao am-pon’ny olona, nefa ny fikasan’i Jehovah no tanteraka” (Oh.19:21. AC). Miankina amin’i Jehovah ny fiainan-ko avin’ny mponina tsirairay etỳ an-tany. Mampanantena fiainana mandrakizay ao amin’ny fandaminan-javatra vaovao sy marina Izy, ho an’ireo izay tia sy manompo azy.
Arak’izany zavatra azo antoka izany, moa ve fanehoana fahaiza-mandajalanja ny fampiasana ny herin-tena rehetra amin’ny fikarohana fahalalana ilaina amin’izao fiainana izao ary amin’izany, dia tsy haharitra fito-polo na valo-polo taona ary amin’ izany, dia tsy hiraharaha akory ny fahalalana lehibe lavitra momba an’Andriamanitra sy ny fandaharany ny amin’ny hahazoan’ny voahariny fiainana mandrakizay?
Ny aina no fananana saro-bidy indrindra. Na dia amin’izao tontolo izao maha-be fanahiana aza, dia aleonao ny fiainana toy izay ny fahafatesana. Izany no maha-tonga anao hanao izay hanalavana arak’izay azo atao ny fiainanao. Nefa raha ny hanalavana ny ho avinao mihoatra ny faharetam-piainana olombelona, dia tsy maintsy avy amin’Andriamanitra. Moa tsy nanoratra toy izao va ny mpanao salamo: “Ao aminao [Andriamanitra] no misy loharanon’aina.”—Salamo 36:9.
Na dia ao aza ny zava-mahatalanjona vitan’ny olona sy maha-be voninahitra azy, dia tsy afaka manalava ny fiainany tsy hanampahataperana izy. Nefa azon’Andriamanitra atao izany, ka raha manompo azy amim-pahatokisana hianao. dia hanalava ny fiainanao izy. Izao no fampanantenana nataony: “Anaka, aza manadino ny fampianarako ary aoka ny fonao hitandrina ny fitsipiko; satria hanalava ny andro sy taona iainanao izany ary hampitombo ny fiadananao”. (Ohabolana 3:1, 2). Asehon’ny Baiboly ny faharetan’ny fotoana hanalavan’Andriamanitra ny fiainana. Izao no ambarany ao amin’ny Salamo 37:29: “Ny marina hanana ny tany ka hitoetra eo mandrakizay”. Izany no fampanantenana kanto nomen’i Jehovah Andriamanitra; fiainana mandrakizay ao amin’ny tany tsy hitoeran’ny fanahiana sy tsy hisian’ny zava- tsarotra mampahory sy mampijaly mafy ny olombelona, toy ny amin’izao fotoana izao.
Ao amin’io fandaminana vaovao be voninahitra io izay hitondrana ny tanintsika, dia ho tena zavatra efa lasa ny fanaintainana sy ny alahelo izay miely hatraiza hatraiza ankehitriny. Ovana ho paradisa ny tany manontolo. Handroso ho amin’ny fahatanterahana ara-tsaina sy ara-tena ny olona ka hiravoravo tanteraka amin’ny hasoan’ny zava-boaharin’Andriamanitra, ary izany dia ho mandrakizay. ‘‘Hanao trano izy ka honina ao aminy; hamboly voaloboka izy ka hihinana ny voany; tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tanany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny fahafatesana tampoka; fa ho firenena notahin’i Jehovah izy ireo sy ny taranany. Raha mbola tsy miantso ahy izy ireo, dia hamaly aho; ary raha mbola tsy miteny izy dia hihaino azy aho.” (Isaia. 65:21-24, AC) Tsy misy olona afaka hanao fampanantenana tsara toy izany ka hanantanteraka azy, nefa manana izany fahefana izany Andriamanitra ka mampiasa azy. Moa ve tsy mitondra soa ny fahalalana ny fikasan’Andriamanitra? Ambony vidy noho izany ve ny fikarohana fahalalana amin’ny lafiny hafa?
Tsy mety raha toa manokana ny fotoananao sy ny herinao rehetra amin’ny fikatsahana zavatra tsy haharitra hianao, kanefa tsy manao na inona na inona hahazoanao izay haharitra mandrakizay. Mahatsikaiky anao ny mahita zaza manangona vola iraimbilanja vaovao sy mamirapiratra ka mamela vola madinika ariary malotoloto, satria mampiseho izany fa tsy mbola matotra ilay zaza ka tsy mahalala vidin-javatra. Nefa maneho fahalalana sy tomban-javatra ve hianao raha mandany ny herinao rehetra hikatsahana zava-tsoa miseho ivelany sy fahafinaretan’ny nofo, ka mitady hahalala ny zava-drehetra, afa-tsy izay mikasika ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra izay iankinan’ny ainao?
Tsy milaza akory izany fa tsy tokony hiraharaha ny fiainanao andavanandro hianao, satria tokony hiahy ny amin’izay ilainao, araka ny mety hianao. Nefa raha tia ny fiainana hianao, dia tsy ho variana loatra amin’ny fikatsahana ireo zavatra voatonona ireo, ka hanao tsirambina ny zavatra hafa lehibe kokoa. Ataovy an-tsaina ny tenin’i Jesosy Kristy izay nanambara hoe: “Na dia misy olona manana zavatra betsaka aza, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15, MN). Nosoritan’i Jesosy, taorian’izany, ny hamafin’io fitenenana io raha niteny toy izao izy momba ny lehilahy nanan-karena iray izay nihevitra fa nanana fananana ampy ho amin’ny andro sisa iainany rehetra: “Hoy [ilay lehilahy mpanan-karena]: Izao no hataoko: ‘Hanjera ny trano fitehirizako aho ka hanorina hafa lehibe kokoa ary hanangona ny vokatro sy ny zava-tsoa rehetra; dia hilaza amin’ny fanahiko aho hoe: “Ry fanahiko ô, manana zava-tsoa betsaka voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; miadana, mihinana, misotroa, mifalia’. Fa hoy Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao. Koa ho an’iza ary izay nangoninao? Dia toy izany ny olona izay mihary ny ho an’ny tenany hiany fa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra”.—Lioka 12:18-21. MN.
Tsy maninona izay anananao, na ho ela na ho haingana dia hifanehatra amin’ny zavatra mafy tena misy tokoa hianao: dia ny fasana. Ny harena rehetra, ny fahalalana, ny fahaizana, ny hery anananao dia tsy azo entina any am-pasana. Hitsahatra any ny fikelezan’aina sy ny fahafinaretana rehetra: “Ny maty tsy mahalala na inona na inona, (...) fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny seoly izay halehanao.”—Mpitoriteny 9:5, 10, Li.
Andriamanitra irery ihany izay Mpamorona Mpanome aina sy miahy izany no afaka hanome fomba hahafaliana amin’ny fahafatesana mampiferinaina mananontanona. Asehon’ny Baiboly anao ny fomba hahazoanao mandray tombon-tsoa avy amin’izany fandaharan’Andriamanitra izany.
INONA NO TOKONY ATAO?
Ahoana no azonao atao hanoritana fitsipi-pitondrantena izay ankasitrahan’Andriamanitra sy hitondra anao ho any amin’ny paradisany nampanantenaina? Inona no tokony hataonao hahazoana sitraka amin’ny Tsitoha?
Ny fototra azonao anorenana mba hankasitrahan’Andriamanitra ny fiainanao, dia ny fahalalana marina. Toy ny ilànao fahalalana tanteraka ny asanao mba hahazoanao antom-pivelomana sy toy ny ilàn’ny mpandidy fahalalana marina hahafahany manao fandidiana izay mety hahavonjy aina, dia toy izany koa no tokony hanananao fahalalana marina an’Andriamanitra mba handraisana tombon-tsoa amin’ny fandaharana nataony hahazoana fiainana.
Raha ny marina, ahoana moa no azonao anantenana fa ankasitrahan’Andriamanitra hianao raha tsy fantatrao izay ankasitrahany? Ahoana no ahazoanao manao izay tadiaviny raha tsy fantatrao ny tiany hataonao ?
“Ny pretra no manelanelana amin’izany, hoy angamba hianao. Manana izany fahalalana izany izy ka mikarakara izay mikasika ny fivavahana”. Nefa ny pretra ve afaka hiantsoroka izay andraikitrao manokana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Raha mpandidy kinga ny iray amin’ny havanao, dia tsy hahatonga anao ho mpitsabo mahay akory izany. Raha mpitondra fiarakodia lehibe za-draharaha ny namanao tianao indrindra, moa ve hahatonga anao ho mpamily fiarakodia kinga izany? Tsia, tsy izany. Mba hahaizanao ireny asa samihafa ireny, dia tokony hianatra sy hanao izay hahakinga amin’ny fanazaran-tena hianao.
Tsy tokony hiantehitra amin’ny tenin’olon-kafa hianao mba hinoanao fa ankasitrahan’Andriamanitra hianao, tsia, na dia amin’ny tenin’ny pretra aza. Diso ny mpitondra fivavahana hatramin’izao androntsika izao, toy ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Izao no fitsipika tokony harahinao mba hahazoanao ny fahalalana an’Andriamanitra: “Fa samy hitondra ny entany avy ny olona”. (Galatiana 6:5, MN). Afaka manampy anao ny hafa; nefa manana andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra hianao ny amin’ny fomba anompoanao azy. Tsy mety raha manilika izany andraikitra izany amin’ny hafa hianao. Raha te-hiaina ao amin’ny fandaminan-javatra vaovao sy marin’Andriamanitra hianao, dia tokony hahalala sy hitandrina ny didiny.
Noho izany, mba hankasitrahan’Andriamanitra ny fomba fiainanao, dia tokony hianatra hahalala azy aloha mba hitandremana ny didiny. Izao no nolazain’i Jesosy: “Raha te-hiditra amin’ny fiainana anefa hianao, dia mitandrema hatrany ny didiny”. (Matio 19:17, MN). Voasoratra ao amin’ny tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly, izany didy izany.
TSY AMPY NY MANANA FOTSINY NY BAIBOLY
Misy mpino milaza toy izao anefa matetika: “Manana Baiboly aho ary mamaky azy”. Tsara dia tsara izany, nefa inona no ventin-kevitra azonao tsoahina avy amin’izany famakian-teny izany? Mpitari-dalana anao ho amin’ny fiainana ve izany? Sa kosa raisinao avy ao amin’ny Baiboly izay azoazonao ary avelanao izay heverinao fa tsy ilaina?
Ny fananana ny Baiboly sy ny famakiana azy, dia tsy milaza fa tsy maintsy manatsoaka ny ventin-kevitra tsara ilaina hianao ka manao ny Baiboly no mpitari-dalana amin’ny fiainanao. Ohatra, jereo ny fampianarana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray atoron’ny ankamaroan’ny fivavahana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana. Ny mpanaraka ireny fandaminana ara-pivavahana ireny, dia manana ny Baiboly ary manaraka azy indraindray; nefa mbola mino ihany izy fa Andriamanitra iray ihany ny Ray any an-danitra, Jesosy Kristy Zanany ary ny fanahy masina. Mino izy ireo fa fony tonga tetỳ ambonin’ny tany Jesosy, dia izy no ilay Andriamanitra Tsitoha nanana endrik’ olombelona.
Nefa mety sy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ve izany ventin-kevitra izany? Nanambara Jesosy hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” (Jaona 10:30, MN). Nefa tsy tokony ho raisina amin’izany fa ilay Andriamanitra Tsitoha izy, na nilaza ny amin’izay lazaina fa olona fahatelo amin’ny Andriamanitra telo izay iray. Tsy nasehon’i Jesosy va ao amin’ny filazantsaran’i Jaona toko faha-17 fa firaisana amin’ny asa, ho amin’ny zava-kendrena mitovy no lazaina amin’izany? Vakio ireo andalan-teny ireo ao amin’ny Baibolinao ihany. Mety ho iray ihany ve ny ray sy ny zanany? Na dia zaza aza dia mahafantatra fa lehibe noho ny zanany ny ray. Jesosy aza dia nanambara hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho”. (Jaona 14:28, MN). Nefa notakonan’ny mpitondra fivavahana izany fahamarinana tsotra izany, hany ka tsy mino izany intsony ny mpamaky ny Baiboly sasantsasany. Mora dia mora amin’ny olona tena manetry tena anefa ny manatsoaka venti-kevitra momba io fampianarana io, avy amin’izao tenin’i Jesosy izao: “Tsy manao na inona na inona avy amiko aho; fa araka ny nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany zavatra izany. Ary izay naniraka ahy dia eto amiko. Tsy nandao ahy ho irery izy, satria izaho manao izay sitrany mandrakariva”. (Jaona 8:28, 29, MN). Paoly apostoly kristiana dia nanatsoaka venti-kevitra tsara, satria izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Andriamanitra no lohan’i Kristy”. (I Korintiana 11:3, MN). Arak’izany, na dia mampianatra aza ny mpitondra fivavahana fa mitovy Andriamanitra sy Kristy ary ny fanahy masina, ary Andriamanitra iray ihany izy telo, ny marina ny amin’izany dia tsy mitovy izy, fa Kristy izay Zanak’Andriamanitra dia ambany noho izy, ary ny fanahy masina, na herin’ Andriamanitra miasa dia manaiky Azy.
Nahoana anefa ny mpitondra fivavahana nahita fianarana tsara no tsy mahazo sy tsy mampianatra izany fahamarinana mazava araka ny Baiboly izany? Satria aleony ny lovan-tsofina sy filozofian’olombelona toy izay ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Ary raha misy olona mandà ny Tenin’i Jehovah, inona moa no fahendrena ananany? Tsy ny fahendren’Andriamanitra velively, satria tsy manana ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra izy; fa Satana ilay Devoly, “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao,” kosa no nanajamba ny sainy mba “tsy hahatratra azy ny famirapiratan’ny vaovao tsara be voninahitra momba an’i Kristy”.—II Korintiana 4:4, MN; Kolosiana 2:8; Jeremia 8:9.
Mampidi-doza tokoa ary ny fanatsoahana venti-kevitra diso avy amin’ny Baiboly, na ny mamela olon-kafa hanatsoaka izany ho anao. Raha mitady fankasitrahana amin’Andriamanitra hianao, nefa tsy manovo ny fahalalana marina avy ao amin’ny teniny, dia toy ny mandeha lavitra ao anatin’ny aizin’ny alina, nefa tsy manana saritany na jiro, na toy ny manipy vola madinika isaky ny tonga eo amin’ny fihaonan-dalana mba hahalalana izay lalana tokony hizorana. Vetivety foana dia ho very lalana hianao.
Betsaka ny lalana, nefa tokana no mitondra ho any amin’ny fiainana. Manondro ny “lalana mitondra ho any amin’ny fiainana” ny Baiboly (Matio 7:14). Raha mandeha amin’io lalana io hianao, dia hanampy anao hamantatra ny “zavatra rehetra”, ny fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra. (I Tesaloniana 5:21, MN.) Ho fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny lalanao izany, ao amin’ity izao tontolo izao ao anatin’ny aizina ity. (Salamo 119:105). Ny fahalalana marina an’Andriamanitra dia hahatafita velona anao amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, izay efa antomotra sy ho tampoka. Hitondra anao ho any amin’ny fiainana ao anatin’ny fandaharana vaovaon’Andriamanitra nampanantenaina sy efa akaiky ankehitriny izany. Mahafaly ny vavolombelon’i Jehovah ny hanampy anao maimaim-poana hanovo izany fahalalana mahavelona izany avy ao amin’ny Baibolinao, amin’ny fianarana io boky io miaraka aminao, adiny iray isan-kerinandro arak’izay hahafahanao.