Inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra aminao?
“Rainay izay any an-danitra, ho hamasinina anie ny anaranao; ho tonga anie ny fanjakanao; hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany koa ho tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9 ,10, Rilliet.
1. Amin’iza no tsy misy dikany ny teny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao’’; kanefa, nahoana no tsy maintsy tarihina ny sain’ny olona rehetra handinika io vavaka io?
AMIN’NY androatokon’olona mahery eo amin’izao tontolo izao, dia saika tsy misy heviny ny teny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, satria tsy nampianatra na inona na inona azy momba izany ny finoany. Marina tokoa fa tsy mitovy daholo ny finoana arahin’ny olona, ary amin’izao androntsika izao, dia an-tapitrisa maro no milaza tena ho tsy manana Andriamanitra, ary tsy manana finoana arahina. Kanefa, na tiany na tsy tiany, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho tonga. Koa rehefa mifarana tanteraka ny fahatongavan’io fanapahana io atsy ho atsy, dia tsy maintsy hahatsapa izany ny olona rehetra. Izany no maha-zava-dehibe ny hitarihana ny sain’ny mponin’ny tany handinika io tarehin-javatra miankina amin’aina io, dieny izao.
2. a) Iza koa no mbola ilaina hatoro momba izany, ary nahoana? b) Inona no fanapahan-kevitra tsy maintsy atao dieny izao ny amin’ny fahataongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
2 Tsy ireo tsy mahalala na inona na inona momba izany Fanjakana izany ihany akory no tokony hatorotoro, fa na dia ny ankabeazan’ireo mivavaka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra koa aza, dia mbola ilaina hampianarina momba izany. Nahoana ary? Satria, mitonona ho kristiana ihany izy ary mba mangataka amim-pitiavana ny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, kanefa miteny sy miasa tsy araka ny fahatakarana ny hevitr’ireo teny tononiny ireo akory. Tsy mifanentana mihitsy amin’io vavaka io ny asany sy ny teniny rehetra. Anontanio azy ireny ange izay asehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra aminy sy ny olombelona sisa e, dia hanome valiny isan-karazany tsy misy fototra ijoroana akory izy. Kanefa, hisy vokany maro amintsika rehetra izany fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra izany. Mety hivimbina fahasoavana maro, haharitra mandrakizay ho antsika izy, ary mety hitondra fandevonana mandrakizay koa. Koa mipetraka izao ny fanontaniana hoe: Inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra aminao? Ara-dalana tsotra izao ny hitsiriritantsika ireo tombon-tsoa tsy manam-pahataperana ho antsika. Kanefa inona no tsy maintsy atao hahazoana izany? Izao ankehitriny izao isika no tokony hifidy izay hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra amintsika. Dieny izao no tsy maintsy ianarantsika mitondratena ho mendrika ny ho avy feno fahasambarana.
3.Inona no razana sy firenena niavian’ilay nampianatra ny olona hangataka hoe: ‘’Ho tonga anie ny fanjakanao’’? Ary taiza no nahaterahany?
3 Raha miteny ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia mby ao an-tsaina ny vavaka iray nangatahina amin’Ilay Andriamanitra any an-danitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao’’. Maro ny olona tsy mahalala velively fa, Aziatika iray no nampianatra io vavaka io tamin’ny voalohany. Amin’ireo sampana telo amin’ny taranak’olombelona, dia ny antoko avy amin’i Jafeta sy ny avy amin’i Sema ary ny avy amin’i Hama izany, dia avy amin’ny taranak’i Sema io lehilahy aziatika resahina io no nipoitra. Ny razambeny dia avy amin’ny Sema, ny faharoa amin’izy telo lahy zanak’i Noa izay loharano niavian’izao taranak’olombelona ankehitriny izao (Genesisy 10:21; Lioka 3:23-36). Amin’ireo ankohonana marobe avy amin’ny Sema no misy ireo Hebreo, dia ny Isiraelita na ny Jiosy. Koa io Tatsinanana, izay nampianatra ny olona hangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra io, dia Hebreo, Isiraelita na Jiosy iray. Efa ho roa arivo taona izao no nahaterahany teo amin’ny faritany romana tany Jodia, any Betlehema, dia ny tanàna izay nahaterahan’i Davida zanak’i Jese, ilay razambeny nanan-daza tonga mpanjakan’i Jerosalema.
4. Ahoana no nitondrany ny anarany ary inona no amafisin’ny anaram-boninahitra ananany hoe: ‘’Zanak’i Davida”?
4 Taloha elan’ny nahaterahan’ilay Aziatika tao Betlehema, dia efa nomen’Andriamanitra, izay ho anarany. Koa raha vao teraka ilay zaza dia nitondra ny anarana hoe: Yéchoua (hebreo) na Iésous (grika). Taty aoriana vao nanampy ny anaram-boninahitra hoe: Mesia na Kristy, ary Jesosy ny Mesia, na Jesosy Kristy no anarana nahafantarana azy. Nantsoina hoe Jesosy, Zanak’i Davida koa izy mba hanamafisana ny zo ananany eo amin’ny fiandrianam-panjakana izay nifehezan’i Davida razambeny, ny firenen’ny Isiraely fahizany. — Matio 1:1, 18-25; Marka 10:47, 48; Lioka 1:28-33; 2:4-21; Jaona 7-42.
5, 6. a) Tapaky ny lahateny inona ny vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao’’? b)ahoana no anamafisan’io Toriteny io ny halehibeazan’ny zavatra tokony ho tononina amin’ny fangatahantsika, ary ahoana tokoa no rariny raha mivavaka toy izany isika?
5 Tamin’ny lohataonan’ny taona faha-31 amin’izao fanisan-taona arahintsika izao, rehefa 31 taona Jesosy Kristy, dia nampianatra ilay vavaka fantatra mandrakariva amin’ny hoe: “Rainay any an-danitra’’ na ny “Fivavahana nampianarin’ny Tompo” izay misy ity hataka natao amin’Andriamanitra any an-danitra ity. Vitsy ny olona no toa mahafantatra fa tapaky ny toriteny malaza teo an-tendrombohitra io vavaka io, izay manomboka amin’ilay hoe: ny Fahatretrehana na ny Fahasambarana sivy. Ny voalohany dia milaza hoe: “Sambatra ireo mahatsapa ny filàny ara-panahy, satria azy ny fanjakan’ny lanitra.” Tarehin’io Fahasambarana io hafa koa no voalaza hoe: “Sambatra hianareo mahantra, satria anareo ny Fanjakan’Andriamanitra.’’ Tamin’io Toriteny teo an-tendrombohitra io ihany no nampianaran’i Jesosy Kristy ilay Lalàna Volamena iaraha-mahalala hoe: “Koa amin’izany, na inona na inona zavatra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.”
6 Ary ny momba izay rehetra ilaintsika eto an-tany, dia izao no nambaran’i Jesosy ao amin’io toriteny io: “Fa fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa mila izany rehetra izany hianareo. Koa katsaho hatrany aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 5:1-4; Lioka 6:20; Matio 7:12; 6:32, 33, MN). Arak’izany, dia nataon’i Jesosy ambonin’ny zavatra rehetra ilaintsika eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra ary nasehony ho toy ny zava-dehibe indrindra izany. Tsy nilaza izy fa tokony hikatsaka ny fanjakan’ny tany atsy sy aroa aloha, na izay hahazoana ny toeran’ny filoham-pirenena eo amin’ny Etazonia any Amerika, na ny toerana ambony hafa eo amin’izao tontolo izao no tokony ho kendrena; tsia, ny Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra no nasainy katsahintsika aloha. Mazava, arak’izany, fa ny Fanjakan’ny lanitra no zavatra saro-bidy indrindra sady ny foto-javatra lehibe indrindra. Ary izany no tokony hangatahantsika ny fiaviany, tahaka izay nampianarin’i Jesosy Kristy ireo mpianany marina hatao.
NISY FIFANOHERANA NASISIKA
7, 8. Inona avy no fanontaniana mipetraka momba ny fahatongavan’ny Fanjakana, ary hahazoana valiny marina amin’ireny. Inona no tokony ataontsika?
7 Fomba ahoana anefa no hiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra? Rahoviana izy no ho tonga hanatanteraka ny vavaka nampianarina sy naverimberin’ireo izay mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra, nandritry ny sivin-jato sy arivo taona izao? Loza, aman’atambo ve, sa fitahiana sesilany no asehon’ny fiaviany ho anao, ary inona no tokony ataonao isorohana ireo loza mahatsiravina tsy ho anao, amin’ny fahatongavany?
8 Hahazoana valiny marina amin’ireo fanontaniana ireo, dia ilaina ny andinihana azy amin’ny fampianaran’i Jesosy sy ny Baiboly izay mitambatra ho iray ihany. An-jato tapitrisany maro ny olona diso hevitra noho ireo teny nasisika tamin’io vavaka io, tsy araka ny nampianarin’i Jesosy Kristy tamin’ny voalohany. Toy izao no firindran’io vavaka io, araka ny boky sora-tanana tranainy nandikana ny Baiboly masina:
9, 10. Fa ahoana sy ahoana no firindran’io vavaka io, araka ny boky sora-tanana tranainy nandikàna ny Baiboly?
9 “Rainay izay any an-danitra, ho hamasinina anie ny anaranao; ho tonga anie ny fanjakanao; hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany koa ho tahaka ny any an-danitra; omeo anay anio ny hanina ivelomanay; ary mamelà ny trosanao aminay, tahaka ny namelanay ny anay amin’ireo anananay trosa; ary aza mamela anay ho tratry ny fakam-panahy; fa afaho amin’ilay ratsy izahay’’ — Matio 6:9-13, Rilliet.
10 Misy fananterana ny foto-kevitra ao anatin’io vavaka io hita ao amin’ny Lioka 11:2-4 izay milaza toy izao: “Ray ô! ho hamasinina anie ny anaranao; ho tonga anie ny fanjakanao; omeo anay isan’andro ny hanina ivelomanay, ary mamelà ny helokay, tahaka izay amelanay ny heloky ny namanay taminay; ary aza mamela anay ho tratry ny fakam-panahy.” — Rilliet.
11. Ahoana no nahatafasisika ny fifanoherana tao anatin’io vavaka io, ary ahoana moa izany?
11 Misy fifanoherana tafasisika teo amin’io vavaka io, raha nihevitra ny mpandika ny Soratra Masina iray fa mety ny anampiana ireto teny manaraka ireto, amin’ny tonon’ilay Toriteny teo an-tendrombohitra: “Fa anao ny fanjakana, ny hery sy ny voninahitra, mandrakizay. Amena!” (Matio 6:13, Segond; jereo koa ny fandikan-teny anglisy atao hoe an’ ny mpanjaka Jacques sy ny an’i Martin Luther amin’ny teny alemana). Koa nandritry ny taon-jato maro, dia namerimberina io vavaka io ny mponina an-jato tapitrisany ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, sady nanampy ireo teny tsy marina ireo, mba ho fehin-kevitra anomezam-boninahitra an’Andriamanitra, hono. Tsy misy isalasalana fa tsy mbola nanontany tena mihitsy izy ireny, ny antony ilazany eo am-piandohana hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, ary anambarany erỳ amin’ny faran’io vavaka io ihany hoe: “Fa anao ny fanjakana, ny hery sy ny voninahitra, mandrakizay.’’ Raha efa an’Andriamanitra rahateo ny Fanjakana na ny Fanapahana, nahoana no angatahina ao anatin’io vavaka io ihany ny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”?
12.Inona no fampiomanana tsy notandreman’ny olona, ao amin’ny Ohabolana 30:5, 6 raha nanampy ireo teny ireo izy?
12 Akory ny hadalana raha manampy ny Teny nome-tsindrimandry avy amin’Andriamanitra, mba hanatsarana na hamenoana azy! Koa rariny sady hitsiny ny anomezana ny fampiomanana toy izao, ao amin’ny Ohabolana 30:5, 6: “Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa. (...) Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny hianao ka ho hita fa mpandainga.” Tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy mbola tonga mihitsy ny Fanjakan’Andriamanitra.
13.Avy aiza no toa nakàna ireo teny nanampy ireo?
13 Ireo teny nanampy tsy an-drariny amin’ny vavaka marina nataon’i Jesosy ireo, dia toa nalaina tamin’ny teny nolazain’i Davida mpanjaka tao amin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra, ary hita ao amin’ny I Tantara 29:11. Izao no ambara ao amin’io andininy io, araka ny fandikan-tenin’i Darby. “Anao, ry Mandrakizay [Jehovah], ny fahalehibiazana, sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana; satria anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Anao, ry Mandrakizay ô [Jehovah] ny fanjakana sy ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetraa.”
14. Oviana no azo nilazana fa marina ny hoe: “Anao, Jehovah ô! ny fanjakana” ary tonon’andro inona no nanononana ireo teny ireo?
14 Tamin’ny taona 1037 talohan’izao fanisan-taona arahintsika izao, tamin’ny faran’ny fotoana nanjakan’i Davida tao Jerosalema, dia marina ireo teny voalaza eo aloha ireo. Izy no mpanjakan’ny firenen’Isiraely nisy foko roa ambin’ny folo, kanefa fantany mazava fa masoivoho olombelona hita maso, misolontena Ilay Andriamaniny ihany izy, dia Jehovah, Hay tena Mpanjakan’ny firenen’Isiraely, dia ilay Mpanjaka any an-danitra ka tsy hita maso. Ny seza fiandrianana hita maso nipetrahan’i Davida nandritra ny efa-polo taona, dia seza fiandrianan’i Jehovah, raha ny marina. Ary ankehitriny, noho ny fahanterany dia nanolotra ny seza fiandrianany ho an’ny zanany i Davida mpanjaka, dia Solomona izany, izay vao herotrerony kanefa feno fahendrena. Koa niaiky am-pahibemaso Davida fa tsy an’ny tenany na an’ny taranany akory ny fanjakana teo amin’ny Isiraely tamin’ny lahateny fanaovam-beloma nataony ho an’ny fikambanan’ny Isiraely tao Jerosalema. An’i Jehovah ilay Andriamanitra tompoin’i Davida sy ny Isiraely manontolo izany.
15. a)Nahoana ny fanjakan’ny Isiraely no fanjakana kelin’Andriamanitra tamin’izany? b) Inona avy no teny manohana izany no amin’ny Baiboly?
15 Jehovah Andriamanitra mihitsy no nanangana fanjakan’olombelona teo amin’ny firenen’Isiraely tamin’ny taona 1117 talohan’izao fanisan-taona arahintsika izao. Mbola Izy koa no nampanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny foko roa ambin’ny folo teo amin’ny Isiraely, tamin’ny taona 1070 talohan’i J. K. Koa arak’izany, tamin’ny andron’i Davida, ny fanjakan’ny firenen’Isiraely, dia fanjakana kelin’Andriamanitra teto an-tany. Amafisin’ ny andininy faha-23 amin’io toko voalaza io izany (I Tantara 29) izay mamelabelatra ny zava-nitranga taorian’ny nanoloran’i Davida ny seza fiandrianany an’i Solomona zanany malalany, arak’izao: “Ary Solomona dia nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy; nambinina izy ary nanaiky azy ny Isiraely rehetra.” Taty aoriana, raha namangy an’i Solomona mpanjaka tao Jerosalema, ny mpanjakavavin’i Sheba ka nahita ny voninahiny, dia vaky vava hoe: ‘’Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’i Jehovah Andriamanitrao!’’ (II Tantara 9:8, AC.) Mifanaraka amin’ny maha-tao Jerosalema ny seza fiandrianan’i Jehovah hita maso no nanambaran’i Jeremia amin’ny faminaniana hoe: (3:17, AC): “Amin’izany andro izany no hanononana an’i Jerosalema hoe: Seza fiandrianan’i Jehovah! Ary hivory any Jerosalema ny jentilisa rehetra noho ny anaran’i Jehovah any Jerosalema.”
16. Teny ahoana no nanomezan’i Jehovah toky an’i Davida, fa hanana mpandimby maharitra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy?
16 Taona maro talohan’ny nialan’i Davida tsy ho mpanjaka sy ny hahafatesany, Jehovah Andriamaniny dia efa nanao fanekena lehibe taminy fa, ny fanapahana eo amin’io fanjakana kelin’Andriamanitra eo amin’ny Isiraely io, dia hitoetra mandrakizay amin’ny ankohonan’i Davida ihany. Dia izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Davida mpanjaka, tamin’ny alalan’ny mpaminany atao hoe Natana: “Ary lazain’i Jehovah aminao fa hanome taranaka ho anao Izy. Ary rehefa tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ny razanao hianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao ary hampitoeriko ny fanjakany. (...) Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay, ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” (II Samoela 7:11-16, AC). Izany no fomba nampanantenain’i Jehovah ny hananan’i Davida mpanjaka iray amin’ny taranany hitoetra maharitra eo amin’ny seza fiandrianana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Zanak’i Davida no ho anaran’io mpandimby io.
NISY FAHATAPAHANA
17. Nitohy ve ny fanjakan’ny Isiraely izay nampisehoana tandindon-javatra, ary tarehin-javatra inona no omen’ny valin-teny?
17 Tamin’ny androny, dia azon’i Davida mpanjaka natao ny nilaza hoe: “Anao, Jehovah ô, ny fanjakana.” Kanjo tonga ny fotoana izay tsy nisian’ny fanjakana kelin’Andriamanitra intsony teto an-tany, tsy nisy fiandrianana ara-panjakana ampisehoana tandidon-javatra intsony teo amin’ny firenen’Isiraely. Oviana no tapaka io fanjakana io? Tamin’ny taona 607 talohan’izao fanisan-taona arahintsika izao. Tamin’io taona io mantsy, dia omen’Andriamanitra Tsitoha alàlana ireo tafika babyloniana handrava ny tanànam-piandrianan’i Jerosalema izay nisy ny seza fiandrianan’i Jehovah nipetrahan’ny mpanjaka iray razana, avy amin’i Davida. Navelany hiongana ny seza fiandrianany ary ho lasan-ko babo tany an-tany lavitra any Babylona ny sisa tsy maty tamin’ny fahirano sy ny fandravana an’i Jerosalema. Rava tanteraka io tanàna io sy ny tanin’i Joda manontolo, ka tsy nisy olona na biby fiompy intsony, na iray aza tafajanona tao. Izany zava-niseho izany no nanamarika ny fiafaran’ny fanjakan’ Andriamanitra teto an-tany. — Ezekiela 21:30-32, Li.
18. a) Rehefa tafaverina tamin’ny taniny ireo Jiosy avy babo tao Jerosalema, nahoana ireo mpitondra fanjakana no tsy mba afaka nilaza hoe: “Anao, Jehovah ô! ny fanjakana”? b) Inona no fanontaniana niseho tamin’izany?
18 Koa fito-polo taona taty aoriana rehefa tafaverina tao amin’ny tany fihaviany ireo Isiraelita avy babo, dia tsy nisy seza fiandrianan’i Jehovah intsony, azon’ireo mpanapaka ipetrahana indray, tao Jerosalema. Tsy tafatsangana intsony ilay tandindon’ny fanjakan’Andriamanitra tao Jerosalema, ary tsy nisy taranak’i Davida mpanjaka, na iray aza nanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah, toy ny solon-tenan’Andriamanitra. Nanomboka teo “ny andron’ny Jentilisa” na “ny fotoana voafetra ho an’ny firenena jentilisa” (Lioka 21:24, AC; MN). Noho izany, ireo mpitondra firenena jiosy tao Jerosalema, tao ambany fahefan’ny mpandresy jentilisa, dia tsy afaka namerina ireo teny nataon’i Davida mpanjaka tamin’i Jehovah Andriamanitra hoe: “Anao (...) ny fanjakana.” Fa tamin’ izay, amin’ny fe-potoanan’ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida momba ny fanjakana mandrakizay, ilay mpandova maharitra ny fiandrianana araka an’Andriamanitra, niseho teo amin’ny Isiraely dia mbola ho avy. Ho velomina sy hatsangan’io mpandova maharitra io indray ny fiandrianana araka an’ Andriamanitra, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy ho solontenan’i Jehovah. Mahagaga ve amin’izany raha dodona ireo Jiosy nahatoky, amin’ny fiandrasana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Haharitra hafiriana io fahatapahan’ny fiandrianana araka an’Andriamanitra io? Izany no fanontaniana niseho. Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no ho tonga araka ny fampanantenana nomeny?
19. Raha nantsoin’i Jesosy hoe: “tanànan’ny Mpanjaka lehibe” Jerosalema, nahoana no tsy ny fitondrana teo amin’ny Israely akory no tiany ho lazaina fa misy fiovana?
19 Naharitra taon-jato maro izao tarehin-javatra izao teo amin’ny Isiraely ara-nofo. Taloha kelin’ny fiatombohan’ny fanisan-taona arahintsika izao, dia teraka tao Betlehema any Jodia, Jesosy Zanak’i Davida. Marina tokoa fa izao no nambaran’i Jesosy tao anatin’ny toriteny teo an-tendrombohitra: “Aza mianiana mihitsy na amin’ny lanitra, satria seza fiandrianan’Andriamanitra izany; na amin’ny tany, satria fandiavan-tongony izany; na amin’i Jerosalema, satria tanànan’ny Mpanjaka lehibe izany.” (Matio 5:34, 35, MN). Izany anefa tsy manambara fa ny Fanjakan’ Andriamanitra, dia mitondra araka ny fahefany, ao Jerosalema. Nolazain’i Jesosy fa ny lanitra no seza fiandrianan’Andriamanitra fa tsy ny seza fiandrianana hita maso, azon’ ny mpitondra fahefana olombelona ipetrahana ao Jerosalema akory. Ary ny tany kosa, dia toy ny fitoerana ho an’ny tongotr’Andriamanitra ihany (Matio 23:22). Tamin’ny fotoana nilazan’i Jesosy ireo teny ireo, dia ila-faritany romana ao Jodia i Jerosalema sy ny tanin’ny Joda. Ary ny olona izay nitondra, toy ny governora, dia tsy Jiosy, taranak’i Davida mpanjaka, fa Romana atao hoe: Pontio Pilato. — Lioka 3:1.
20. Inona no nandrandrain’ireo Jiosy feno hafanam-po, raha niditra an’i Jerosalema Jesosy? Ary ahoana no antsoantsony nanamarina izany?
20 Nakotroka ny fidiran’i Jesosy Kristy tao Jerosalema, toy ny an’ny mpandresy an’ady, tamin’ny herinandro faran’ny fiainany teto an-tany. Jiosy feno hafanam-po maro izay nihevitra an’i Jesosy fa hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra, no nanotrona azy amim-pifaliana sady nihiaka hoe: “Vonjeo re, miangavy anao izahay, ry Zanak’i Davida! Isaorana anie Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Vonjeo re izy, miangavy anao izahay, any amin’ny Avo Indrindra!” “Vonjeo re, miangavy anao izahay! Isaorana anie Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah, eny ny mpanjakan’ny Isiraely!” “Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’i Davida raintsika!” — Matio 21:9; Jaona 12:13; Marka 11:10, MN.
21. Tarehin-javatra toy inona no tsy nahafahan’ny olona tao Jerosalema, hiteny amin’Andriamanitra hoe; “Anao (...) ny fanjakana’’?
21 Raha vao tafiditra tao Jerosalema Jesosy, dia nakany amin’ny tempoly, kanefa tsy nohosoran’ny mpisoronabe jiosy toy ny fanao amin’ny mpanjaka akory izy. Tsy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jerosalema izy, hitana ny fanjakana toy ny solontenan’Andriamanitra, ho hita maso eto an-tany. Dimy andro taty aoriana, na ny andron’ny Paska izany, dia naseho teo anoloan’ny governora Pontio Pilato Jesosy, mpitsara izay afaka hanameloka azy ho faty. Jesosy nanao taminy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao ny fanjakako, fa raha naman’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho nanohitra ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy aho. Kanefa ankehitriny, tsy avy amin’izany loharano izany ny fanjakako.” (Jaona 18:36, MN). Koa hita amin’izany fa, na tamin’ny andron’i Jesosy aza, dia tsy nisy afaka namerina ireo tenin’i Davida voatahiry ao amin’ny I Tantara 29:11 (Da) tany Jerosalema, ka hilaza amin’Andriamanitra hoe: “Anao (...) ny fanjakana.”
22. Ho amin’ny inona no nampianaran’i Jesosy ny mpianany hivavaka ao anatin’ny Rainay izay any an-danitra? Ary inona no tsy ekeny ho tononina miaraka amin’ireo fivavahana eoamin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana?
22 Izany no manazava ny antony tsy nanampian’i Jesosy ireo teny ireo tamin’ny faran’ny vavaka nampianariny an’ireo mpianany, iarahan’ny maro mahalala amin’ny hoe: “Rainay izay any an-danitra”. Fantany fa tsy ho marina izany fanambarana izany. Ary nampianatra ireo mpianany hangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, satria ilay tandindon’izany, dia efa nianjera tamin’ ny taona 607 talohan’i J. K. Amin’izao androntsika izao, ny mpianatr’i Jesosy izay nandray ny fampianarana marina, dia tsy hanampy ny mpivavaka ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, hanonona ireo teny nanampy ireo, manao hoe: “Fa anao ny hery, sy ny fanjakana ary ny voninahitra mandrakizay. Amena!” Amin’izay izy ireo dia tsy manohitra ny fangatahana ao amin’ny vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao; hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany koa ho tahaka ny any an-danitra.” Fantany tsara fa zavatra mbola ho avy ny Fanjakan’Andriamanitra.
AMIN’NY FOMBA MANAO AHOANA?
23. Araka ny hevitry ny mpanaraka ny antokom-pivavahana sasany, ahoana no fomba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
23 Fa inona marina moa no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ ny mponin’ny tany? Ary fomba manao ahoana no hahatongavan’io Fanjakana io? Raha manontany mpanaraka antokom-pivavahana iray ny amin’izany hianao, dia izao no valiny ho azonao: “Mbola afaka dimy alina taona vao ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, satria tsy maintsy mbola miandry ny hiovan’ny olona rehetra ho kristiana aloha vao ho tonga izany.” Kanefa moa mifanaraka amin’ny fahamarinana ve ny valin-teny toy izany?
24. Aiza ho aiza ny fanovàna izao tontolo izao ho amin’i Kristy, raha ny tena marika navoakan’ny diary amerikana iray no raisina?
24 Araka ny diary The World Almanac (natontan’i New York tamin’ny taona 1963, pejy faha-719, dia 904.332.500 no isan’ny olona misoratra ho kristiana. Ny diarin’ny fanisam-bahoaka, navoakan’ny O.N.U. tamin’ny volana May 1962 anefa, dia nampiseho fa efa tafahoatra sahady ny telo arivo tapitrisa ny mponina eto amin’izao tontolo izao, satria efa niisa ho efatra amby zato sy telo arivo tapitrisa ny olona tamin’izay. Nolazainy ihany koa fa mitombo efatra amby dimam-polo tapitrisa isan-taona ny mponina. Ny fandinihana tsara ireo tena-marika ireo, dia mampiseho amintsika fa ny mponina tsy kristiana dia haingam-pitombo noho ny mponina atao hoe: kristiana. Miharihary loatra fa tsy miova fo ho amin’i Kristy akory izao tontolo izao. Raha ampifandanjaina amin’ny mponina eo amin’ izao tontolo izao aza ny fitambaramben’ny kristiana anarana, dia toa mihamanify. Tsy ampy ampahatelon’ny mponina rehetra akory izy raha hisy.
25. Manao ahoana ny filaharan’ireo finoana isan-karazany raha ny isan’olona ao anatiny no ampitahaina?
25 Ny Eglizy katolika romana no maro isa indrindra amin’ireo fikambanam-pivavahana eran-tany. Araka ny The World Almanac, dia manana olona 550.350.000 ao aminy izy, mbamin’ny zaza vao mena vava vita batemy. Manaraka azy dia ny antoko tsy kristiana iray atao hoe: miozolomana izay misy olona 433.740.000. Ny fivavahana “hindoue” any India indray, dia miisa ho 335.802.500. Manarakaraka ny “hindouisme”, ny “confusianisme” izay misy olona 300.204.500. Dia ny protestanta, ny bodista, ny Eglizy ortodoksa, ny fivavahana araka ny fomban-drazana arahin’ny any Afrika, Aostralia, izany “shintoïsme” sy “taoïsme” izany, dia ny fivavahan’ny Jiosy na ny Hebreo ary ny “zoroastrisme” — ireo filaharana rehetra ireo, dia araka ny hamaron’ny mpiandany ao aminy. Farany indrindra, dia nakapoky ny The World Almanac ho iray izay manana finoana hafa tsy ao anatin’ireo, sy ny tsy mpino; ary ny totaliny dia 552.771.700, izay hita fa mihoatra be ny isan’ny katolika ao amin’ny Eglizy romana voalazab.
26. a) Manao ahoana ny fivavahana katolika romana eo anoloan’ny kaomonisma iraisam-pirenena? b) Ahoana no teny namaritan’ny mpitondra fivavahana iray an’izany, vao haingana, nikasika an’i Amerika ilany atsimo?
26 Na dia be an’isany aza ny Eglizy katolika, dia efa mihemotra ihany eo anoloan’ny kaomonisma iraisam-pirenena, fa tsy araka ny firehaky ny papa any Vatican, izay milaza fa manapaka amin’ny maha-solontenan’i Kristy sady Mpanjaka azy. Tamin’ny 14 Desambra 1963. dia nisy fivorian’ny Mpitondra Fiangonana protestanta sy ortodoksa 200, tao Mexico, solontenan’ny tany 48. Izao no nolazain’ny mpitan-tsoratra amin’ny fampiharan-dalàna, ao amin’ny Filan-kevitry ny fiaraha-miasa amin’ny finoana presbyteriana any Amerika latinac tamin’izay:
“Tsy misy manaiky intsony ny hevitry ny mpiasabe hoe: tany katolika [ny Amerika Atsimo]. (...) Naleon’ny kristiana maro, efa donton’ny fitoriana filazantsara, niendaka amin’ny Eglizy ary tonga mpitarika kaomonista.” — New York Times, tamin’ny 15 Desambra 1963.
27. Inona no azo lazaina ny amin’i Etazonia, momba ny ara-pivavahana?
27 Ny amin’i Amerika ilany avaratra indray, na dia tsy azo lazaina ho tany protestanta aza Etazonia, dia tsy ho tany katolika velively koa izy tsy akory. Ny kardinaly sy ny eveka, dia kivy amin’ny fahitana ny zava-miseho am-pangain’ny tena marika izay manambara fa ankilahila ny ho avin’ny Eglizy romana any Etazoniad.
28. Rahoviana no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no anamafisantsika izany filazana izany, na dia diso aza ny fanantenan’ny fitambaramben’ny kristiana anarana?
28 Raha ny hampiova ny olona rehetra ho kristiana no andrasan’ny mpanaraka ny fitambaramben’ny kristiana anarana, dia ho foana ny fanantenany hahita ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izao taranaka ankehitriny izao; eny, na amin’ny ho avy koa aza. Rava ny fanantenany satria niorina tamin’ny famoasan-kevitra diso momba ny Baiboly masina izy, kanefa izany akory tsy milaza fa tsy ho tonga amin’izao androntsika izao ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’izao taranaka izao mihitsy. Raha arahina ny faminaniana rehetra sy ny Fandaharam-potoanan’ny Baiboly, dia amin’izao taranaka ankehitriny izao no hahatongavan’ny Fanjakany; satria tsy miankina velively amin’ny fanovàna izao tontolo izao ho kristiana izany. Tsy voalaza mihitsy ho amin’izany fomba izany no hahatongavany (I Timoty 4:1-3; II Timoty 3:1-7; II Petera 3:3, 4, 7). Na izany aza anefa, raha tsy ho tonga amin’ny fandraisana ny fanapahana, miseho amin’ny fanovàna tsy misy ra mandriaka an’izao tontolo izao ny Fanjakan’Andriamanitra, dia fomba manao ahoana no hiaviany?
29, 30. a) Herim-panjakana inona avy eo amin’izao tontolo izao no voalaza ao amin’ny fahitana novoasan’i Daniela ao amin’ny toko fahafiton’ny faminaniany ? b) Manao ahoana no ampisehoany amin’ny sary ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ao amin’io fahitana io?
29 Raha manana Baiboly hianao, dia ho hitanao ao ny valiny, satria Boky nome-tsindrimandry avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Sokafy kely ao amin’ny faminanian’i Daniela, toko faha-7. Ho hitanao ao ny filazana ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra izay natolotra Ilay antsoina hoe: Zanak’olona. Tsy iza izany fa Jesosy Kristy, ny Zanak’i Davida, eny! ny Mpandova maharitra ny fanjakana mandrakizay nampanantenaina ny taranam- piandrianan’i Davida. Sary am-panoharana mampiseho ny herim-panjakana eo amin’izao tontolo izao aloha no hitan’i Daniela mpaminany, hatramin’ny Babylona ka hatramin’ny fitondram-panjakana ara-politika misy ny Herim-panjakana anglisy-amerikana amin’izao fotoana izaoe. Tsy mba tazan’i Daniela tao amin’ny fahitany ny fanovana milamina, tsy misy ady, ireny herim-panjakana eo amin’izao tontolo izao ireny, ho amin’ny Zanak’olona; mifanipaka amin’izany aza fa vavolombelon’ny fandevonana mahatsiravina an’ireny izy. Ary nanohy ny fitantarana ny fahitany toy izao ny mpaminany Daniela:
30 “Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina aho, ary indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nandroso hatreo amin’ny Fahagola izy, dia nampanatonina Azy teo anatrehany izy. Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompoan’ny fokom- pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra azy. Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany dia fanjakana tsy ho levona.” — Daniela 7:13,14, Da.
31. Fanjakana inona no natolotra an’i Jesosy, Zanak’i Davida araka ny fahitana?
31 Satria Jesosy, Zanak’i Davida ihany, no “zanak’olona” voalaza eto, ny Fanjakana izay natolotr’Andriamanitra, ny “Fahagola” azy izany, dia tsy hafa fa ilay nampianariny an’ireo mpianany hangataka ny hahatongavany.
32. a) Sary inona no ampisehoana ny fiafaran’ny fandaharam-panjakana ara-politika farany izay nomen’Andriamanitra Mpitsara alàlana? b) Ahoana koa ny fomba nanendahana ny fahefan’ireo bibi-dia am-panoharana ireo taminy, ary ahoana no nahazoany tombon’andro hiainana?
32 Koa inona ary no asehon’ny fandraisan’io Fanjakana io ny fahefana eo amin’izao tontolo izao? Tamin’ny fahitana voalaza etsy aloha, ilay anjelin’Andriamanitra dia nanazavazava tamin’i Daniela ny sarin’ny bibi-dia fahaefatra sy ny tandrony izay mampiseho ny fandaharam-panjakana ara-politika nomen’Andriamanitra Mpitsara, alàlana tetỳ an-tany. Ary toy izao no filazan’ilay anjely ny fianjera mitalakotroka miandry io fandaharam-panjakana ara-politika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny io: “Fa hipetraka ny fitsarana, ary hendahina aminy ny fanapahany, ka horavana sy ho levonina hatramin’ny farany izy (mandrakizay, NC).” (Daniela 7:26, Da). Izany dia manazava ny fahitana niseho tamin’i Daniela momba io biby farany na ny fandaharam-panjakana io ihany, izay novoasany terỳ amin’ny andininy faha-11 sy ny faha-12, hoe: “(...) nijery aho ambara-pamono ny biby; ary nolevonina ny tenany, ary natao tamin’ny afo mirehitra izy. Ary ny amin’ny biby sasany, dia nendahina taminy ny fanapahany; kanefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana.” Koa tamin’ny lasa, dia efa nendahina tamin’ireny bibi-dia sasany na fandaharam-panjakana ara-politika ireny, nifandimby tsirairay ny fanapahany. Marina fa “nohalavaina ihany ny andro hiainany” kanefa mandra-mpamongotra ny fandaharam-panjakana fahaefatra ihany izany, dia ny farany izay ho vonoina sy ho dorana, satria haringana amin’izay koa ireo biby sasany ireo.
33. Natolotra iadidian’iza ny fanapahana eny ambanin’ny lanitra rehetra, ary mandritra ny hafiriana, araka ny Daniela 7:27, 28?
33 Izany no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra natolotra iadidian’ny Zanak’olona sy ny mpianany mahatoky, amin’ ireo fandaharam-panjakana ara-politika eo amin’izao tontolo izao. Dia hahitana ity fanazavana farany ao amin’ny Daniela 7:27, 28 (Da) ity, manao hoe: “Ary ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra, dia homena ny firenen’ny olo-masin’ny any amin’ny toerana avo indrindra (ny Avo Indrindra, Jé). Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay; ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanao azy. Hatreo no fiafaran’izany zavatra izany.”
34. a) Iza moa ireo “masin’ny Avo indrindra’’ ary firy no isany? b) Mandray anjara amin’ny fandevonana an’ireo fandaharam-panjakana ara-politika eto an-tany ve, ireo sisa tavela ara-panahy?
34 Ao amin’io faminaniana io, ny olo-masin’ ny Avo Indrindra, dia ny Tompo Jesosy Kristy sy ny mpianany mahatoky rehetra izay miara-mandova aminy ny Fanjakana any an-danitra. Araka ny Fanambarana na ny Apokylypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly, izay ahitana fanononana maro avy amin’ny bokin’i Daniela, ny isan’ireo mpianatra izay mandova ny Fanjakan’ny lanitra miaraka amin’i Jesosy, dia voafetra ho 144.000 ihany (Apokalypsy 7:4-8; 14:1-3). Ankehitriny, dia vitsy sisa tavela ireny mpandova ara-panahy ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ireny. Araka ny rapaoro farany, dia tsy mahatratra 13.000 akory ny isany. Tsy hifandona mihitsy amin’ny heri-setra, amin’ ireo fandaharam-panjakana ara-politika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny anefa izy ireny. Jehovah Andriamanitra, ny Mpitsara lehibe, Izay miasa ao amin’ny Zanany any an-danitra dia Jesosy Kristy, nantsoina hoe: Zanak’i Davida, no hamongotra ny fandaharam-panjakana ara-politika tsy ho hita intsony eo amin’ny vohon’ny tany.
35. Zavatra inona momba ny Fanjakan’Andriamanitra no soritan’ny faharavan’ny volavolan-kevitry ny fitambaramben’ny kristiana anarana izay mikendry ny hanovana fo an’izao tontolo izao?
35 Toa zavatra hampihoron-koditra ny fiheverana izany fandringanana makotrokotroka an’ireo fandaharam-panjakana ara-politika hataon’Andriamanitry ny lanitra, amin’ireo nihevi-tena ho kristiana sy nankamamy ilay hevi-diso hahaova izao tontolo izao moramora ho kristiana ary hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hery maha-olombelona azy arak’izany. Ny faharavan’io hevitra novolavolainy io ihany koa, dia ho ampy hampangitakitaka azy rahateo. Izany dia mainka manamarina ny tsy maintsy andiovan’ny hery avy any an-danitra ny tany manontolo aloha, raha tsy maintsy ho tapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy ihany ny tany indray andro any. Faminaniana hafa maro ao amin’ny Baiboly no manamafy izany.
36. Famindra inona no voaboasan’ny fahitan’i Daniela ao amin’ny toko faharoa?
36 Andeha hiverina kely amin’ny faminanian’i Daniela ao amin’ny toko faharoa indray. Hita ao ny fanazavana nomen’i Daniela momba ny fahitany ny famindran’ireo herim-panjakana eo amin’izao tontolo izao, nanomboka teo amin’ny Herim-panjakana tranainy babyloniana teo amin’izao tontolo izao, ka hatramin’ny Herim-panjakana anglisy-amerikana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny na, ny fanekem-pihavanana ara-politika mamatotra ny Empira britanika sy ny Etazonia any Amerika ilany avaratra, mandalo any Roma izay loharano nihavian’ny herim-panjakana anglisy-amerikanaf.
37. Hanao ahoana no handravana izay sisa tavela amin’ny herim-panjakana politika nifandimby teo amin’izao tontolo izao, ary inona no sary ampisehoana izany eo amin’ny fahitana?
37 Notompoina toy ny sary sampy ireo herim-panjakana nifandimby teo amin’izao tontolo izao ireo. Araka ny didin’Andriamanitra navoaka tao amin’ny faminanian’i Daniela, dia ho levonina amin’ny fomba mahery vaika avy amin’Andriamanitra izay fara sisan’ireo herim-panjakana politika ankehitriny teo amin’izao tontolo izao ireo. Mifanandrina indrindra amin’io adin’Andriamanitra io, ilay vato niendaka avy amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, naseho amin’ny fahitana ka namely ilay sary sampy nanorotoro sady namontsamontsana azy toy ny vovoka, izay hopaohin’ny rivo-mahery ka tsy hisy hahafantarana azy intsony. — Daniela 2:1-43.
38. Inona no hasehon’ny fipoahan’ilay vato an’ohatra tamin’ilay sary an’ohatra?
38 Izao no fanazavana nomen’i Daniela, ny amin’io vato io, izay ampisehoana an’ohatra ny Fanjakan’Andriamanitra sy Jesosy ilay Mesia: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [ny filoha politikan’izao tontolo izao ankehitriny], Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa dia hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44, Da). Koa ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra, oharina amin’ny vato eto, dia tsy hafa fa ny famaranan’ady voalaza ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, dia ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” fantatra amin’ny anarana mahazatra hoe: Adin’ny Haramagedona. — Fanambarana 16:14-16, MN.
39. Inona no asehon’ny vato izay natoraka ilay sary ary oviana no namelezany mafy indrindra azy, araka ny famoasan’ny mpanao hevi-tenin’ny Baiboly eo amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana?
39 Ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, ireo mpanao hevi-tenin’ny Baiboly tahaka ny Dokotera Adam Clarke, mpanoratra anglisy tamin’ny taon-jato fahasivy ambin’ny folo, dia nivaofy io andininy faha-44 ao amin’ny Daniela toko faha-2 io, toy izao: ilay vato niendaka tamin’ny tendrombohitra no mampiseho ny filazantsara kristiana izay hamely ny firenena sy hanova fo azy. Hanjary kristiana daholo ny mpitondra sy ny entina ary hiova fo ho amin’ny kristianisma izao tontolo izao, arakaraka ny fandrosoan’ny fotoana. Arak’izany famoasan-teny izany, dia nisy famelezana goavana nihatra tamin’ny Empira romana jentilisa raha, niova ho kristiana ny emperora Constantin lehibe, ary nampikambana ny finoana tamin’izany. Nanomboka teo ny Eglizy katolika romanag.
40. Mba manao ahoana anefa ny herin’ny famelezan’ireo fivavahana no amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, ary inona no mahazo azy amin’ny anaovan’ny kaomonisma iraisam-pirenena azy?
40 Efa enim-polo taona izao no lasa atỳ amin’ny taon-jato faharoa-polo, kanefa toa mihamalefaka ny herin’ny famelezan’ireo fivavahana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana. Tsy misy filoha ara-politika miova ho katolika romana na grika akory, na hirotsaka amin’ny finoana protestanta, ka handidy ny vahoakany hanaraka izay ataony. Ny mpitondra fivavahana presbyterianah anankiray, araka ny Morning News (sy ny Times Herald koa) any Dallas (Texas) tamin’ny 2 Jona 1963 teo, dia vaky vava fa mandalo marina fitsarana, ireo fivavahana eo amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana. Hoy izy: “Mihomehy antsika izao tontolo izao. Ny tany nahavokatra iraka indrindra momba ny fitoriana filazantsara ho amin’ny fivavahana hafa eo amin’izao tontolo izao, dia teto Etazonia ihany”. Ary nankininy amin’ny tsy fahaizana ara-pivavahan’ireo mpiandany ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana izany toe-javatra izany, ka izao no fanampin-tenin’io Pastora io: “Nametraka loatra ny adidintsika maro iandraiketan’ny firenena jentilisa isika.” Aoka ho lazaina koa anefa, fa tsy izao tontolo izao fotsiny no mihomehy ny tsy fahaizan’ireo milaza azy ho kristiana, fa ny kaomonisma iraisam-pirenena koa, dia mandaroka mafy matetika ny fitambaram-ben’ny kristiana anarana etsy an-daniny, ka efa nandraingiraingy izy. Kanefa tsy heverin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana velively fa, ny kaomonisma no mety hamono hahafaty azy indray andro any.
FAMPITAHANA SY FAMPIOMANANA
41. Ampianarin’ny Baiboly va izany fanovàna moramora an’izao tontolo izao izany? Ary inona no nolazain’i Jesosy Kristy ny amin’ireo fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny fanoharana ny amin’ny farantsa?
41 Tsy misy fototra araka ny Baiboly akory mba ijoroan’ny fanantenan’ny mpivavaka amin’ny hoe: hampiova fo izao tontolo izao ho amin’ny fivavahan’ny fitambaramben’ny kristiana anarana; sady tsy misy fandinihana akory izay zava-miseho, ankoatr’izany. Ao amin’ilay fampitahana na fanoharana ny amin’ny farantsa, voasoratra ao amin’ny toko fahasivy ambin’ny folo ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, dia nampiomana rahateo ny fahavalon’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra, ny Tompo Jesosy Kristy fa, haringany amin’ny ady mahatsiravina izy. Ny Mesia mihitsy no hitarika ny ady.
42. Inona no antony nanononan’i Jesosy io fanoharana io? Ary ahoana no ampiharihoriana amin’izany fa mbola lavitra ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
42 Raha manantitra ny antony nanaovan’i Jesosy io fanoharana io, i Lioka dia nilaza izao amin’ny toko faha-19:11, MN: “Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nilaza fanoharana iray indray Jesosy satria, efa akaiky an’i Jerosalema izy ka nataon’ny olona fa hiseho tamin’izay fotoana izay ny fanjakan’Andriamanitra.” Tsy nanamafy velively ny fanantenan’ny olona anefa Jesosy, fa naharihariny kosa tamin’ ny fampitahana nataony, ny mbola mahalavitra ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana ary no nataony? Nanohatra ny tenany amin’ny andriandahy mpanakarena iray izay voatery handeha any an-tany lavitra “handray ny fahefany hanjaka” izy “dia hiverina” ho mpanjaka. Raha heverina amin’ny fiadan’ny fombam-pitaterana tamin’ny andron’i Jesosy, dia tokony ho lava tokoa ny fotoana handehanany any amin’ilay tany lavitra sy ny hiverenany amin’ny maha-mpanjaka azy. Tokony ho tsoahina amin’izany fa ho ela tokoa ny dian’i Jesosy.
43. Inona no nataon’ireo olona nankahala ilay andrian-dahv, ary inona no fomba nampiharihariana izany fankahalana izany, amin’ny fahatanterahan’ny fanoharana?
43 Nanam-pahavalo izay tsy nankasitraka ny handraisany ny fahefana anefa ilay andriandahy. Izao no lazain’i Lioka 19:14 (MN) ny amin’izany: “Fa ny vahoakany nankahala azy ka nandefa solontena nanaraka azy nitondra fiteny hoe: ‘Tsy manaiky ny hanjakan’iny lehilahy iny aminay izahay.’’ Tsy nolazain’ny fanoharana ny fiafaran’ny fankahalan’ireo tsy tia, sy izay fombam-pitondrana nampiasainy ho amin’ilay tany lavitra handray ny fahefany. Na izany aza, ho fahatanterahan’ny fanoharana, ny akabeazan’ny Jiosy dia niantsoantso hoe: “Tsy manaiky an’io lehilahy Jesosy Kristy io hanjaka aminay izahay.” Ary mba hisakanany ny hahatanteraka izany, dia nohelohin’ny Jiosy ho faty izy, ka natolony tamin’ny manam-pahefana romana tao Jerosalema ho vonoina tamin’ny fahafatesana mangirifiry teo amin’ny hazo fampijaliana.
44. Ahoana no fomba nandehanan’i Jesosy any amin’ilay “tany lavitra’’ an’ohatra, ary ahoana no nampisehoan’ireo mpiray tanindrazana taminy ny tsi-fitiavany azy?
44 Koa fomba inona ary no nandehanan’i Jesosy ho any amin’ilay “tany lavitra”, ho any an-danitra izay seza fiandrianan’Andriamanitra, araka ny filazany? Ny andro faha-telo taorian’ny fahafatesana mahatsiravina niaretan’ny Zanany, dia nanangana azy tamin’ ny maty Jehovah, ny Andriamanitra Tsitoha ary, efa-polo andro taoriana dia nakariny ho eo akaikiny izy hipetraka eo an-kavanany (Asan’ny Apostoly 2:22-36; 3:13-21). Na dia efa lasa tany amin’ilay “tany lavitra” any an-danitra eo anatrehan’Andriamanitra aza Jesosy Kristy, dia mbola nampiseho ny tsi-fitiavany azy ihany ireo Jiosy, ka nanenjika ny mpianany izay nahatoky azy. Ary izany no nampiharihariany tamin’Andriamanitra fa tsy tiany mihitsy hanjaka aminy ny Zanany.
45. Misy hafa koa va ny fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra? Ary inona no fomba ampisehoany ny fankahalany?
45 Mety ny milaza mazava fa tsy ny Jiosy irery akory no fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Mesia, satria maro mpanohitra io Fanjakana io eo amin’ny firenena eto amin’izao tontolo izao. Mihifikifika tsy mety hihaino ny hafatry ny Fanjakana lazain’ny mpianatr’i Kristy daholo ireny fahavalo ireny, sady manenjika koa aza. Aleony ireo fanapahana politika entin’olombelona eo amin’izao tontolo izao, ao anatin’izany ny fandaminan’ny Firenena mikambana izay misy firenena 113 ankehitriny, toy izay ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa inona ary no hasehon’ny fihavian’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra amin’ireny fahavalo mpanohitra eto an-tany ireny?
46. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ilay fanoharana fa hisy vokany ho an’ny fahavalony koa anie ny fahatongavan’ny Fanjakany? Ary oviana no tanteraka voalohany izany faminaniana nomeny izany?
46 Jesosy ihany no manome ny valin’izany fanontaniana izany eo amin’ny famaranany ny fanoharana ny amin’ny farantsa. Izao no teny nampilazainy an’ilay andriandahy, izay tafaverina hanjaka rehefa nahazo ny fahefana: “ Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia tariho aty ka vonoy eto anatrehako.” (Lioka 19:27, MN). Tsy misy fanovàna izao tontolo izao ho amin’ny kristianisma marina akory mety ho hita taratra amin’izany. Fandravana makotrokotroka aza no tazana miandry azy. Efa nisy fahatanterahan’io fanoharana io, tandindon’izay mbola ho avy, tamin’ny taona faha-70 amin’izao fanisan-taona arahintsika izao, tamin’ny nikomian’ ireo Jiosy tsy niova fo tamin’ny Kaisaran’i Roma ka nanaovana fahirano azy tao amin’ny renivohiny. Taorian’ny fahirano mahatsiravina, dia potika mihitsy Jerosalema. Araka ny tantara, dia Jiosy mpikomy 1.100.000 no maty tamin’izany ary 97.000 no nenti-ko babo nanompo toy ny andevo tany amin’ny faritra samihafa teo amin’ny Empira romana. — Lioka 19:41-44; 21:20-24.
47. Inona no mbola vavaky ny kristiana marobe ankehitriny, na dia izany aza no nitranga tamin’ny taona faha-70, ary raha ampitahaina amin’izay niseho tamin’io taona io, inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
47 Kanefa tsy mbola tonga tamin’ny taona faha-70 amin’izao fanisan-taona arahintsika izao akory ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra. Mbola mivavaka foana ny tena kristiana mifanaraka amin’ilay fangatahana natao tamin’Andriamanitra ao amin’ny Rainay izay any an-danitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra, etỳ an-tany koa.” Ny fandaharam-potoanan’ny Baiboly sy ny fahatanterahan’ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly eo amin’ny toetr’andro iainan’izao tontolo izao sy ny zava-miseho hatramin’ny taona 1914, dia mampiharihary fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fahatongavany dia mampiseho fandringanana makotrokotroka, lehibe no sady mahatsiravina lavitra noho izay nihatra tamin’i Jerosalema sy ireo Jiosy tsy niova fo, tamin’ny fanafihan’ny Romana azy, sivin-jato sy arivo taona lasa izay.
48. Inona no tsy takatry ny mpino ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana raha mamerina ny Rainay izay any an-danitra izy?
48 Tsy mba eritreretin’ny mpino ao anatin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana akory mantsy izay lazainy, raha manonona io vavaka io izy any amin’ny fiangonany: “Ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany ho tahaka ny any an-danitra.” Tsy azony an-tsaina mihitsy fa mivavaka hahatongavan’ny ady manetriketrika avy amin’ Andriamanitra izy, handringanana izao tontolo izao na ny fandehan’ny toe-javatra ankehitriny; eny, hamongorana na dia ny fitambaramben’ny kristiana anarana koa aza, izay andry manohana ny Firenena Mikambana no sady manana baomba karazany maro fiandry tsy hita pesipesenina sy fitaovam-piadiana hafa momba ny fandringanana. Izany no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny Mesian’ Andriamanitra ho an’ny fahavalony ao anaty sy ao ivelan’ny fitambaramben’ny kristiana anarana!
49. Inona no nanoharan’i Jesosy ny andron’ny Zanak’ olona ao amin’ny faminaniany momba ny fiafaran’izao fandehan’ny toe-javatra izao, ary manao ahoana ny habeny?
49 Tsy niteniteny foana akory Jesosy, raha naminany ny fiafaran’ny fandehan’ny toe-javatra ankehitriny izy, ka nilaza hoe: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fisehoan’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady ny lehilahy ary navoaka ampakarina ny vehivavy mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny safo-drano izay nandringanana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fisehoan’ny Zanak’olona. (...) Koa amin’izany, miambena tsy mijanona hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.” — Matio 24:37-39, 42, MN.
50. Nanao ahoana ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa ary inona no asehon’izany amin’ny mponin’ny tany ankehitriny?
50 Fampisehoana mivatravatra ny herin’ny zava-boahary eo ambany fahefan’Andriamanitra, ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa. Nanafotra ny tany manontolo izany ary levona tao ny olona sy ny biby tsy nahazo fialofana tao amin’ny sambo fiara izay niarovana an’i Noa sy ny ankohonany ary ny santionan’ny karazam-biby marobe. Amin’izao fotoana izao, dia efa tafahoatra ny telo arivo tapitrisa ny mponina eto an-tany. Koa azo oharina tsotra izao amin’izay niseho tamin’ny fahatongavan’ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa ny ra mandriaka sy ny fandringanana hitranga amin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
51. Inona avy no vokatry ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo sakaizany? Ary inona no zavatra hafa azo tsoahina amin’ny fampitahana ny andron’i Noa sy ny andron’ny Zanak’olona?
51 Fa moa fandravana sy fandringanana ihany no ho entin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny maha-fanapahana marina ny tany azy? Eny tsy misy fisalasalana no valin’izany, ho an’ny fahavalon’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra! Fa ho an’ ireo sakaizan’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa, izay mikatsaka mialoha eo amin’ny fiainany ny Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra, dia fahasambarana, fitahiana mikararana, fahafahana madiodio ary famonjena no ho vimbinin’io Fanjakana io ho azy. Tamin’ny safo-drano koa, dia Noa sy ny zanany telo lahy: Jafeta, Sema sy Hama, ary ny vadiny avy, izany hoe olona valo ihany, no voavonjy. Rehefa afaka taona iray feno tsara, araka ny fihodin’ny masoandro, dia nivoaka ny sambo fiara izy ary nanorina indray ny fivavahana marina amin’i Jehovah teo amin’ny tany voadio. Noho ny fiarovan’Andriamanitra azy, ka nahazoany tombon’andro, no nampisy antsika rehetra izao ankehitriny izao (Genesisy 7:1 ka hatramin’ny 9:19). Ary amin’izany, araka ny faminanian’i Jesosy hoe, ho tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fisehoan’ny Zanak’olona na ny Mesia. Arak’izany, dia hisy olona handigana velona izany fandripahana tsy manan-tsahala an’izao fandehan’ny toe-javatra ankehitriny izao izany, dia izao tontolo izao nanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra.
52. Ahoana no teny ilazan’i Jesosy ny fahavelomana hiampitàna izao fiainana ankehitriny izao, ao amin’ny faminaniany ny amin’ny fahoriana farany?
52 Nolazain’i Jesosy koa tao amin’ny faminaniany ny faran’izao fandehan’ny toe-javatra ankehitriny izao, fa hahatratra ny tampony indrindra ny fahoriana, mihoatra noho izany, dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandrak’ankehitriny; tsia, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy ho nisy nofo voavonjy; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” (Matio 24:21, 22, MN). Koa mazava arak’izany fa hisy velona amin’ny famaranana ny fandehan’izao tontolo izao ankehitriny, tahaka ny nahaveloman’i Noa sy ny ankohonany tamin’ny safodrano.
IREO MPANOMPO MAHATOKY
53. a) Inona no sary ampisehoana ny “olom-boafidy” ho sisa velona eo amin’ny fanoharana ny amin’ny farantsa? b) Inona no fanontaniana mipetraka momba ilay mpanompo tsy nampiasa ny farantsan’ny tompony?
53 Amin’ireo ho velona ireo, dia hisy ireo nantsoin’i Jesosy hoe: “olom-boafidy” asehony amin’ny fanoharana ny amin’ny farantsa, toy ny mpanompo mahatoky izay notoloran’ ilay andriandahy farantsa alohan’ny nandehanany ho any amin’ilay tany lavitra handray ny fahefana hanjaka. Fa tsy nankatoa ny hafatry ny tompony ny iray tamin’ireo mpanompo folo, dia hafatra manao hoe: “Mandrantoa mandra-pihaviko.” Dia nanao izay hampitombo ny farantsa natolotra azy tokoa ny mpanompo sivy sasany. Fa ilay anankiray tsy nahatoky kosa, dia nianina fotsiny ka nanafina ny farantsany tamin’ny fonosana. Tsy nahazo tombontsoa mihitsy hatolotra ny tompony izy. Koa inona no nasehon’ny fiverenan’ny tompony efa tonga mpanjaka tamin’io mpanompo tsy nahitam-boka-tsoa io, rehefa voatery hanatitra ny volany aminy izy, ka tsy nanohinana na nisy tombony koa izany? Fitahiana sa tsy fankasitrahana no hitany amin’ny fahatongavan’ny tompony? Nandray ny vokatry ny nataony izy!
54. Inona no nasehon’ny fahatongavan’ny mpanjaka amin’io mpanompo tsy nohavokatra io, ao amin’ilay fanoharana?
54 Mpanompo ratsy fanahy no niantsoan’ilay tompony azy, rehefa tafaverina hanjaka izy. Nasainy nesorina teny aminy ny farantsa, satria tsy niasa ho an’ny fanjakan’ny tompony izany mpanompo izany. Nalahatra ho isan’ireo nankahala sy nanohitra ny tompony izy, satria tsy nampiseho fankasitrahana ny mpanjaka. Niharan’ny sazy niaraka tamin’ireo fahavalo izay nasain’ny mpanjaka novonoina teo anatrehany izy (Lioka 19:13, 20-27, MN). Ao amin’ny fanoharana anankiray mitovy amin’io, dia nasain’i Jesosy natsipy “ho any amin’ ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa”, ary hoy koa izy: “Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify.” (Matio 25:24-30, MN). Arak’izany, dia tsy nitondra fifaliana na kely aza, ho an’ilay mpanompo, ny fahatongavan’ny mpanjaka!
55. Inona no vokatry ny fahatongavan’ny mpanjaka tamin’ireo mpanompo nampiasa ny farantsa noraisiny?
55 Ao amin’ny fanoharana ny amin’ny farantsa, dia nahazo tombony ho an’ny fanjakana ireo mpanompo sivy hafa tamin’ny nampiasan’izy tsirairay avy ny farantsany. Nankasitraka azy ny mpanjaka tompony ary nanolotra azy tanàna iadidiany teo amin’ny fanjakany. Tsy mendrika ho vonoina miaraka tamin’ny fahavalon’ny mpanjaka izy. Fahasoavana sy fiainana no valisoa noraisiny tamin’ny fahatongavan’ny mpanjaka (Lioka 19:15-19, 24-26). Mba hampiseho tombon-tsoa karazan’izany amintsika va re ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra ê?
56. Inona no asehon’ny mpanompo notoloran’ny Tompo, farantsa ampitomboina, eo amin’ny fanoharana?
56 Raha nandao ny tany ka niakatra tany an-danitra Jesosy Kristy, izay naseho am-panoharana amin’ilay andriandahy, dia nanolotra harena saro-bidy an’ireo mpianany aseho amin’ny sary toy ny mpanompo izay nandray farantsa tsirairay ampitomboina. Tsy dia ireo apostolin’i Jesosy Kristy roa ambin’ny folo ihany akory no aseho toy ny mpanompo amin’ny sary; eny, tsy ny fitambaran’ny mpianatra nahatoky tamin’ny androny ihany koa aza fa, ireo mpianany mahatoky amin’izao andro ankehitriny izao koa, ny mpino vita voady sy batisa izay nantsoin’Andriamanitra mba ho mpiara-mandova ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny Mesia Mpanjaka. — Romana 8:14-17.
57. a) Misy firy sisa ny mpiara-mandova ny Fanjakana mbola eto an-tany, ary ataony inona ny farantsany am-panoharana? b) Iza no nananpy ny laharany, ary inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin’ireny olona be zotom-po ireny?
57 Mbola misy sisa tavela amin’ireo mpiara-mandova ireo eto an-tany izay miasa hampitombo ny harena saro-bidin’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra, manaraka ny didy nomen’i Jesosy Kristy ao amin’ny Matio 24:14 (MN), dia ilay hoe: “Ary hotorina amin’ny tany rehetra onenana ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; avy eo dia ho tonga ny farany.” An-jaton’arivony maro ny olona hafa nanatona io sisa tavela io. Nihaino ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, dia tapa-kevitra niendaka tamin’ireo mankahala ny Fanjakana. Nampiseho ny fitiavany ny Fanjakan’Andriamanitra ireny olona be zotom-po ireny, ka nanambara izany koa no sady nanampy olon-kafa maro sakaizan’ny fahitsiam- pitondrana eo amin’ny fanjakana, hanohana sy hiandany amin’io Fanjakana io. Sitraka avy amin’ny Mpanjaka no ho azony, tahaka ireo sisa tavela amin’ny mpiara-mandova ny Fanjakana. Hiditra ao amin’ny “tany vaovao’’ izy fa tsy mba ao amin’ny Fanjakana any an-danitra tahaka ireo mpiara-mandova amin’i Jesosy ny Mesia. “Tany vaovao” voadio tamin’ny Fandringanana ny fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra izany. Toy izany kosa no hasehon’ny fahatongavan’io Fanjakana io aminy. — Apokalypsy 14:1-5; 7:4-17.
58. Nahoana no sarotra sy mahatahotra ny fotoana ankehitriny raha ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra no heverina, kanefa inona no fotoana mbola atolony ho antsika?
58 Izao ary no fotoana tokony hamaliantsika tsirairay io fanontaniana tsy azo ialana io: Inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriainanitra aminao? Tsahivina indray: fa, mety ho fandevonana miaraka amin’ny fahavalo na ho fiainana, fiadanana, fahasambarana ary tombon-tsoa sesilany miaraka amin’ireo sakaizan’ny Fanjakana no dikan’ny fahatongavan’io fanjakan’ny rariny io. Efa lava ihany izao ny fotoana nampisaraka ny fiaingan’i Jesosy Kristy, ilay Mpandova ny Fanjakana ho any amin’ilay “tany lavitra”, sivin- jato sy arivo taona lasa izay, sy ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra entin’ny Mesia efa voasandratra eo amin’ny fiandrianany. Efa nambaran’i Jesosy mialoha, fa ho tonga tampoka ny Fanjakany ary hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ireo fahavalon’ny fanjakan’ny lanitra. Tena sarotra sy mahatahotra mihitsy izao fotoana iainantsika izao! Kanefa, raha maniry marina amin’ny fontsika tokoa isika mba hivimbinan’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, fitahiana maro karazana ho antsika, dia mbola manana fotoana, izay tsy fantatsika ny halavany, hahafahantsika miala amin’ireo fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra, mba tsy hiara-maty aminy.
59. Nahoana moa no fotoana misy tombon-tsoa sesehena izao fotoana iainantsika izao? Ary inona no tokony ataontsika mba ho filazantsara amintsika ny vaovaon’ny Fanjakana?
59 Tombon-tsoa sesehena koa anefa no atolotra antsika amin’izao fotoana izao. Tanteraka amin’izao androntsika izao mantsy ny faminanian’i Jesosy, amin’ny ambaratonga ambony indrindra tsy misy toa azy tany aloha rehetra, satria torina eran’ny tany manontolo ankehitriny ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tany 194 raha kely indrindra sy fiteny 162 izao no itoriana izany amin’ny olona, ary tsy ijerena izay firazanany, na izay finoana arahiny (Matio 24: 14). Andeha hataontsika ho tsara amintsika ny vaovao mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra, hanaiky azy ho marina sy azo itokiana isika ka hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hanambara izany vaovao izany amin’ny namantsika mba ho filazantsara aminy indray koa io hafatra io. Aoka hifanampy isika ho afa-mandingana velona ny “andro famalian’ Andriamanitsika’’(Isaia 61:1, 2). Hanapaka mandrakizay ny Fanjakan’Andriamanitra izay natolotra ny Mpandova maharitra an’i Davida mpanjaka, ary ho azontsika atao ny milomano mandrakizay amin’ny fahasoavana mikararana avy amin’io fitondram-panjakan’ny Zanak’i Davida io, raha manana fanapahan-kevitra tsara isika dieny izao.
60. Inona no teny enti-milaza fa mahazo milomano amin’ny fiadanan’ny fanjakan’ny Zanak’i Davida isika, araka ny Isaia 9:5, 6?
60 “Satria zaza no teraka ho antsika, hoy ny voalaza amin’ny vahoakan’i Jehovah Andrimanitra ao amin’ny Isaia 9:5, 6 (AC), zazalahy no nomena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana: mba hanitarana ny fanapahana sy ny fiadanana tsy hanam-pahataperana. Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny fahasaropiaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.”
61. Inona no azo lazaina ny amin’ny fiadanana sy ny faharetan’ny fanjakany?
61 Alao sary an-tsaina hoe izany fiainana ho avy eto an-tany tapahin’ny fanjakan’io Zanaka lahy teraka tany Betlehema any Jodia io, efa sivin-jato sy arivo taona izay, rehefa voasandratra any an-danitra izy ankehitriny. Hiseho mendrika ireo anaram-boninahitra nomen’i Jehovah Andriamanitra azy ireo izy, dia ny hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Tsy hanam-pahataperana ny fanapahan’ny fanjakany. Haharitra ny fiadanan’ny vahoakany. Ny rariny sy ny hitsiny no hampitoerana sy hanohanana ny fanapahany. Hiova volo ho fonenana iorehana izao tany izao. eo ambanin’ny fanjakany!
62. Inona no tokony ataontsika mba hahazoantsika tanteraka ny hevitra mahagaga fonosin’ny hiran’ireo anjely, voasoratra ao amin’ny Lioka 2:13, 14?
62 Mety hiseho aminao amin’ny endriky ny fiadanana mandrakizay ny fahatongavan’ny Fanjakana izay natolotr’i Jehovah Andriamanitra ny Andrian’ny fiadanana mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra. Kanefa, dieny ankehitriny, dia tsy maintsy mivoatra hianao aloha hanaraka ny fitsipi-pitondrantena mendrika hahazoanao ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Ho azonao tanteraka ankehitriny ny hevi-dalina sady ambony dia ambony mifono ao amin’ilay tonon-kira nohirain’ny anjely marobe tamin’ny nahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra, ho olom- belona hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany ho an’ny olona be zotom- po.” (Lioka 2:13, 14, MN; Isaia 61:1, 2). Enga anie mba ho fiadanana no asehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy aminao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Dokotera Edgar J. Goodspeed dia nanao izao fanazavana izao, momba io fehin-kevitra nanampy amin’ny Rainay izay any an-danitra io. Amin’ny pejy faha-70, fehin-tsoratra fahaenina, ao amin’ilay boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe: “The Goodspeed Parallel New Testament” (1943):
“6:13. Tsy hita mihitsy na aiza na aiza amin’ireo boky sora-tanana grika tsara indrindra sady tranainy io teny amaranana ny vavaka nampianarin’ny Tompo io (Aleph, B. D. Z), ary tsy hita amin’ny fandikan-teny latina antitra indrindra koa, fa nanampy vao haingana izany, momba ny fitariham-pivavahana am-pahibemaso. Misy endrika hafa nahafantarana io, fehin-kevitra io efa tamin’ny andron’i Chrysostome, tamin’ny faran’ny taon-jato faha-IV. Teny nanampy sy nalahatra an-tsoratra hatao amin’ny fiangonana izany, ary tokony ho nalaina marina tao amin’ny I Tantara 29:11.’’
Afa-tsy izany, ny gazety atao hoe: “La Tour de Garde de Sion” (fanontàna anglisy, nivoaka tamin’ny 15 Janoary 1898, pejy faha-31, fehin-tsoratra faharoa, dia nilaza toy izao: “Fa anao ny fanjakana, sy ny hery ary ny voninahitra, mandrakizay. Amena!’’ Na dia hita ao amin’ny Fandikan-teny ampiasain’ny be sy ny maro sy ireo boky sora-tanana grika sasany aza ireo teny ireo, dia tsy hita mihitsy ao amin’ireo MSS grika “tranainy indrindra’’: dia ny Codex Sinaïticus sy Vaticanus. Koa hita fa teny vao nanampin’ny olombelona amin’ny tenin’ny Tompontsika izany. Raha ny momba ny tanintsika, dia tsy hita izay mahamarina izany nandritra ny Fotoanan’ny Filazantsara: ny fanapahana ny tany tsy an’ny Tompo: ny hery nanapaka teto an-tany tsy an’ny Tompo: ary ny voninahitry ny tany tsy an’ny Tompo akory koa. (...)”
b Araka ny filazan’ny “National Catholic Almanac’’ tamin’ny taona 1963 (Navoakan’i New York, pejy faha-375), dia tafakatra ho 558.220.654 ny isan’ny katolika romana.
c Dokotera Conzalo Castillo-Cardenas any Bocota, Colombie io niteny io, tamin’ny lahateny voalohany nataon’ny Filan-kevi-pivorian’ny mpitondra fivavahana nandinika izay hahatsara ny fitoriana sy ny fandefasan’iraka, izay tsy hafa fa Masoivohon’ny mpanolo-tsaina eokomenikan’ny Fiangonana rehetra.
d Jereo ny “Réveillez-Vous!” (fanontàna anglisy tamin’ny 22 Oktobra 1963, pejy faha-30, ka ny ilany voalohany).
e Jereo ny boky hoe: ‘’Que ta volonté soit faite sur la terre’’. toko faha-8 (pejy faha-166 ka halramin’ny faha-187 amin’ny fanontàna anglisy tamin’ny taona 1958).
f Jereo ny boky “Que ta volonté soit faite sur la terre’’, toko faha-5, lohateny hoe: “La marche des puissances mondiales’’ (pejy faha-104 ka hatramin’ny faha-127 amin’ny fanontàna anglisy tamin’ny taona 1958).
g Jereo ny “Clarke’s Commentary’’, fanontàna tamin’ny taona 1836, ny boky fahaefatra, pejy faha-3210.
h Dokotera William Benfield izany, ilay pastoran’ny Fiangonana presbyteriana voalohany any Charleston, any Virginie ilany andrefana, tamin’ny lahateny iray natao tao Dallas, teo anatrehan’ny fihaonambe presbyteriana amin’ny Atsimo.