Ny Toriteny teo An-tendrombohitra—Mba hahatongavana “ho tanteraka”, dia tiava ny fahavalonareo
Nofaranan’i Jesosy tamin’izao teny izao io tapany farany tamin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra io: “Koa tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.”—Matio 5:48.
Tsy nandidy an’ireo mpianany i Jesosy mba ho tonga tanteraka ara-batana sy ara-pitondran-tena, satria tsy azo atao izany noho isika rehetra nandova fahotana. (Romanina 3:23; 5:12) Ireo teny ireo kosa dia fampaherezana hanahaka an’i Jehovah, ilay ‘Ray any an-danitra’, sy hanatanteraka ny fitiavantsika amin’ny fanomezana azy fatra feno sy amin’ny fanaovana izay hahafeno azy, hatramin’ny fampidirana ny fahavalontsika amin’izany. Io hevitra io rahateo moa no hitantsika ho famaranana ny fitantaran’i Lioka: “Mamindrà fo hatrany, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.”—Lioka 6:36.