Ny fianarana: ny fandaniana aminy sy izay entiny
HO TIANAO ve ny hananan’ireo zanakao fianarana tsara? ‘Izany dia izany tokoa, hoy angamba ny valinteninao. Manamora ny fiainana ny fianarana tsara. Manana tombontsoa maro noho izay tsy nahita fianarana firy ny nahita fianarana.’ Marina izany. Ary ny ray aman-dreny kristiana, sahala amin’ny hafa koa, dia maniry ny hananan’ny zanany ny fianarana tsara indrindra.
Fa inona no atao hoe “fianarana tsara indrindra”? Fantatry ny kristiana fa izany dia mahafaoka ny fianarana ivelan’ny fivavahana sy ny fianarana ara-panahy. Mitohy mandritra ny andro iainana rehetra ny fiofanana ara-panahy. Fa tokony ho tonga hatraiza ny fianarana tsy ara-pivavahana? Moa ve ny tanora kristiana iray tokony hianina amin’ny fianarana ambany? Ilaina ve ny manao fianarana ambony? Tsy fanontaniana mora akory izany, satria raha ahitana tombontsoa daholo amin’ny fianarana rehetra, dia tokony haloa ny vidiny. Amin’ny fomba ahoana?
Fanabeazana fototra
Ny fanabeazana ny zaza iray dia manomboka alohan’ny hankanesany any an-tsekoly. Ny ray aman-dreny kristiana malina dia mitaiza ny zanany raha mbola vao kely izy. Inona no tokony hampianarina azy? Nampahatsiahy an’i Timoty ny apostoly Paoly fa “hatry ny fony vao zaza” izy dia nampianarina ny “Soratra Masina”, izany hoe ny tapany amin’ny Baiboly nisy tamin’izany (II Timoty 3:15). Afaka mampianatra ny zanany àry ireo ray aman-dreny raha mbola kely izy ireo. Horesahiny amin’izy ireo ny amin’i Jehovah, ny amin’ny Jesosy Kristy, ny maha-zava-dehibe an’ilay Fanjakana sy ireo fahamarinana hafa ao amin’ny Soratra Masina.
Raha afaka mahazo izany fahalalana izany ny zazakely iray, dia azo antoka fa afaka manomboka mianatra sy mamaky teny izy; ary ny ray aman-dreny malina dia haka fotoana mba hampianarana azy koa izany zavatra izany. Araka izany àry, dia tokony hanomboka aloha ny fanabeazana zaza iray.
Inona no lany amin’izany? Vola kely dia kely fa mila fotoana sy fiezahana indrindra. Mendrika ny hisahiranana anefa izany. Noho ny fianarana toy izany, ny zaza iray dia afaka maneho fitiavana lalina an’i Jehovah sy mampitombo haingana ny fahaizany ara-tsaina.
Any amin’ny ankamaroan’ny tany, ny ankabetsahan’ny fanjakana dia manome fampianarana ambany ho an’ny ankizy rehefa tonga eo amin’ny fahenin-taonany izy. Ny vola lany amin’izany fanabeazana izany dia avy amin’ny hetra indrindra, nefa mbola mety handaniana zavatra hafa koa izany. Misy fitaomana tsy azon’ny ray aman-dreny fehezina, manomboka mamolavola ny fisainan’ny ankizy. Vao voalohany eo amin’ny fiainany izy izao no tafasaraka mandritra ny ora maromaro amin’ny ray aman-dreniny. Mety ho tafaraka amin’ankizy tsy nampianarina ny lalana kristiana izy, ka, noho izany antony izany, dia tokony hofantarin’ireo tsara fa tsy hadinony izay nampianarin’izy ireo azy.
Ilaina ve ny hanirahana azy any an-tsekoly? Mieritreritra izany ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Mahazo fahalalana mitatra mahafaoka lafiny maro ny ankizy. Afaka mitahiry fahalalana azo ampiharina hilainy mandritra ny andro iainany koa izy ireo. Ary, na dia mijanona ao an-trano aza izy ireo dia manana fahafahana hampiseho ny fitiavany an’i Jehovah, lavitra ny maso miambin’ireo ray aman-dreniny.
Misy anefa vidiny tsy mahavonona ny ray aman-dreny kristiana ny mando azy. Tsy mba manosika an’ireo zanany hianatra mafy loatra ka tsy hanana afa-tsy hery na fotoana kely sisa hianarana ny “Soratra Masina” na hanompoana an’Andriamanitra izy ireo. Fa nahoana? Satria na dia misy vidy sasany aza ny fianarana tsy ara-pivavahana, dia ny fianarana mifototra amin’ny “Soratra Masina” ihany no mety hahatonga olona iray ‘ho hendry ho amin’ny famonjena’. (II Timoty 3:15.) Iza no zava-dehibe kokoa: ny fanabeazana tsy ara-pivavahana izay manome fitaovana ho an’ny olona iray mandritra ny taona vitsivitsy sa ny fanabeazana izay manomana azy ho amin’ny fianarana mandrakizay?
Ny fianarana ambony
Any amin’ny tany maro, araka ny tokony ho izy, ny fianarana ambaratonga faharoa dia manarakaraka ny fianarana ambaratonga voalohany. Eo amin’io ambaratonga io, dia ray aman-dreny maro mahatsiaro fa nianatra ny raharahan’ny mpandrafitra Jesosy, no mamporisika ny zanany hanaraka fiofanana ho amin’ny asa (Marka 6:3). Fantany fa rehefa ho tonga olon-dehibe ireo dia hanana andraikitra ka izao no fotoana tokony hanombohana hanomanana azy ireo ho amin’izany — I Timoty 5:4, 8.
Manontany tena ny ray aman-dreny sasany raha tokony hitarika an’ireo zanany ho amin’ny fianarana any amin’ny oniversite izy. Nahoana izy ireo no mametraka izany fanontaniana izany? Any amin’ny tany mahantra iray, ny fianarana any amin’ny oniversite dia mety ho hita fa ny fomba tsara indrindra hahitana toerana tsara. Toa mitondra tsy fananana ahiahy ara-bola angamba izany, na mihoatra noho izany koa aza. Izao no nolazain’ny mpampianatra iray any Nigéria: “Ireo ray (...) dia maniry ny hahatongavan’ny zanany ho mpitsabo, injeniera, mpanao mari-trano, mpanoratra toe-bola, noho ny fikendrena ny hampisondrotra ny toerana ara-tsosialin’ny fianakaviany.”
Nefa moa ve izany no karazan-javatra tokony hataon’ireo ray aman-dreny kristiana eo amin’ny toerana voalohany rehefa mieritreritra ny fanabeazana ny zanany izy ireo? Maro no mieritreritra ny mifanohitra amin’izany. Aleony mihevitra fomba hafa fanomanana ny zanany ho amin’ny fiainana. Nahoana? Satria matetika ny tombontsoa amin’ny fanaovana fianarana ambony dia tsinontsinona raha oharina amin’ny vidiny tsy maintsy aloa.
Ny vidiny
Ilay gazety mivoaka isan’andro atao hoe Nigeria Daily Times dia nanisy fitenenana ny amin’ny vidiny ara-bola: “Nisy fitambaran’olona namorona hetra mavesatra; nisy ray aman-dreny namoy zavatra tsara, indraindray zavatra nilainy tokoa, raha mbola nisy kosa nandany ny ankabetsahan’ny karamany; izany rehetra izany dia noho ny fikendrena ny hanome ho an’ireo zanany, taizany sy ny tenany, ireo tombontsoan’ny fianarana ambony.”
Ho fahendrena ve ny hanaovan’ny ray aman-dreny kristiana sorona toy izany mba hanirahana an’ireo zanany ho any amin’ny oniversite? Angamba manana vola amin’izany ianao. Nefa moa ve tsy misy fandaniana hafa koa? Eny, mandrakariva. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny zazalahy iray nomen’ireo ray aman-dreniny lalana hankany Eoropa mba hanaraka fianarana tany amin’ny oniversite. Moa ve ny fianarany nitondra ho azy tsy fananana ahiahy ara-bola na nampisondrotra ny toerana ara-tsosialin’ny fianakaviany rehetra nody tany an-tranony izy? Tsia. Noho ny fitaoman’ireo “namany” vaovao tany amin’ny oniversite, dia nampiasa zavatra mahankona izy ka maty noho ny habetsahan’izany loatra. Ny tanora Afrikana hafa iray koa dia nankany amin’ny oniversite any Etazonia. Rehefa naverina tany amin’ny fianakaviany izy dia natahorana ny amin’ny sainy noho ny zavatra mahankona sy ny alkaola. Voatery nandoa lafo tokoa ny ray aman-drenin’ireny tanora ireny.
Misy ray aman-dreny kristiana hafa ao anatin’izany toe-javatra izany. Nisoratra tany amin’ny oniversite tao amin’ny taniny ihany, saingy lavitra ny ray aman-dreniny ny tanora iray. Nitsahatra tsy nanompo an’i Jehovah izy ary tsy niara-nivory tamin’ireo namany kristiana intsony. Navelany izay rehetra nianarany “hany ny fony vao zaza” ary izao dia misalasala ny amin’ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly izy.
Mampalahelo fa tsy io zazalahy io ihany no toy izany. Misy hafa koa, notezaina mba hanompo an’Andriamanitra, amin’izao fotoana izao dia evaolisionista, tsy mino an’Andriamanitra sy mpanaratsy an’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Moa ve satria diso hevitra ny Baiboly ary marina ny filozofia amin’ny andro ankehitriny? Tsy izany velively. Ny antony dia satria ireny tanora ireny niharan’ny fanafihana tsy an-kijanona avy amin’ny hevitra ratsy tany amin’ny oniversite raha mbola tafasaraka tamin’ny kristiana hafa. Noho izany, dia nihena ny finoany ary farany dia maty. Ny mampalahelo dia matetika ao anatin’izany tarehin-javatra izany izy noho ireo ray aman-dreniny.
“Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”, hoy ny apostoly Paoly (I Korintiana 15:33). Any amin’ny “campus universitaire” ny kristiana iray no mety hanana ny sasany amin’ny fifaneraserana ratsy indrindra, raha lazaina ara-panahy sy ara-pitondrantean. Ireo zava-nitranga eo ambony ireo dia manazava izay mety hitranga rehefa misy tanora tsy ampy fanandraman-javatra, lavitra ny fianakaviany, latsaka ao amin’ny toerana miavaka amin’ny fahalotoam-pitondrantena, ny fampiasana zavatra mahankona, ny fanaranam-po amin’ny fisotro mahamamo, ny fiharatsiana sy ny fiadiana. Moa ve mifandanja amin’ny vidiny tsy maintsy aloa angamba ny lazam-pianakaviana lehibe kokoa na ny fahafahana hahita asa tsara karama kokoa?
Ny fiheverana mety
Hisy hanohitra angamba fa tsy manary ny finoana kristiana na maty noho ny fahabetsahan’ny zavatra mahankona loatra daholo akory izay mankany amin’ny oniversite. Marina izany. Ny olona manana diplaoma sasany dia tonga mpikambana sarobidy ao amin’ny kongregasiona kristiana. Eritrereto anefa: ny ankizy rehetra milalao eo amin’ny arabe be mpandalo dia tsy voahitsaky ny fiarakodia daholo akory. Misy tonga eo amin’ny taona maha-olon-dehibe. Nefa moa ve na dia izany aza dia hamela ny zanakao hilalao eo amin’ny arabe be fiarakodia mandalo ianao?
Fahadisoana àry ve ny fandefasana ny zanaky ny tena any amin’ny oniversite? Anjaran’ny ray aman-dreny ny manapa-kevitra. Tokony hoheveriny anefa ny toe-javatra eo ambony. Angamba ilay mpianatra afaka monina ao an-trano sady manaraka ny fianarany. Na ho afaka honina ao amin’ny havana izay hanara-maso akaiky ny fifaneraserany izy ka hamporisika azy mafy hiantsoroka ny andraikiny kristiana. Nefa rehefa heverina ny anton-javatra rehetra, moa ve misy ilàna ny hisahiranana hanokana hery sy fotoana ho amin’ny fianarana tsy ara-pivavahana? Moa ve ny tanora kristiana ho tsara fitaovana kokoa mba hanompoana ny Andriamaniny?
Ray aman-dreny maro no mihevitra fa tsinontsinona ny mety ho tombontsoa amin’ny fianarana any amin’ny oniversite raha oharina amin’ny vidiny maharaiki-tahotra tsy maintsy aloa angamba, indrindra fa raha toa ireo zanaka ka tsy maintsy mandeha mankany amin’ny tanàna hafa iray na ny tany hafa iray ka tsy ho eo ambany fanaraha-masony intsony. Tarihin’izy ireo kosa aza ny zanany ho amin’ny fianarana asa iray. Moa ve ao anatin’ny faritry ny fampianarana ambaratonga faharoa misy fianarana asa mety handraisan’ny tanora iray fampiofanana azo ampiharina izay hahatonga azy ho afaka hamelon-tena rehefa ho vita ny fianarany? Any amin’ny tany sasany, dia misy kolejy manokana azo ianarana asa eo amin’ny herintaona eo ho eo na handalinana fahalalana ara-teknika azo tany amin’ny “lycée”.
Nieritreritra tsara koa ireny ray aman-dreny ireny ny amin’ny fomba tiany hampiasan’ireo zanany ny fiainany. Iriny hanome voninahitra ny fianakaviana ve izy ireny? Ny hahatongavany ho mpanan-karena ve no tiany? Sa ny hahafahany hikarakara an’ireo ray aman-dreniny amin’ny androm-pahanterany? Takatra fa ny fianakaviana tsy manana finoana kristiana dia manana zava-kendrena toy izany. Azo antoka anefa fa manan-java-kendrena ambony kokoa ny kristiana iray.
Nandefa izao fampitandremana izao ny apostoly Paoly: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” (I Timoty 6:9). Jesosy kosa dia nanambara hoe: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [ny Harena, MN] hianareo.” (Matio 6:24). Moa ve tsy heverinao fa ny anankiray amin’ny antony mahatonga mpianatra hanary ny finoana dia satria izy ‘manompo ny Harena’ na “ta-hanan-karena”? Amin’ny fanaovana tsirambina ny fandatsahana am-po an’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly momba ny fihetsiny eo anoloan’ny fananana ara-nofo, dia mety hanaraka fitondrantena iray sy hevitra mandrava hafa izy.
Izao no nambaran’ny apostoly Jaona: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (I Jaona 2:17). Raha miaiky ny amin’izany ianao dia hanome ho an’ny zanakao fanabeazana izay hanome fitaovana azy voalohany indrindra mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra (I Jaona 2:17). ‘Nefa, hoy angamba ny sasany, mafy ny fiainana amin’izao andro izao, ary ny tanora iray — Indrindra fa raha avy amin’ny fianakaviana mahantra izy—dia tokony hanao izay rehetra azo atao mba hahombiazana.’ Marina izany. Mampanantena antsika anefa Andriamanitra fa raha mametraka ny Fanjakany eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika isika, dia hanampy ny zavatra rehetra ilaintsika (Matio 6:33). Afaka maniry fanampiana tsaratsara kokoa noho izany ve isika?
Davida, talohan’ny hahatongavany ho mpanjaka, dia voatery niaina tamin’ny naha-mpandositra tany an’efitra. Fantany àry ny tiana holazaina amin’ny hoe miaritra fihafiana. Izao anefa no nambarany: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25). Afaka manampy antsika Andriamanitra amin’izao andro izao toy ny tamin’ny andron’i Davida, raha mametraka ny Fanjakany eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika isika.
Ny fianarana tsara indrindra azontsika omena an’ireo zanatsika àry dia tsy isalasalana mihitsy fa izay mametraka ny fianarana ara-panahy sy ny fianarana tsy ara-pivavahana eo amin’ny toerana tandrifina azy avy. Ilaina ity faharoa, nefa raha toa, mba hahazoana azy, ka tsy maintsy mamoy ny zavatra ara-panahy,dia tsy mendrika ny hatao izany. Raha ny amin’ny fanabeazana ny zanatsika, dia tsara ny manaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: “Fohy ny fotoana sisa. Hatramin’izao, aoka (...) izay mampiasa an’izao tontolo izao [ho] toy ny tsy mampiasa azy amin’ny fomba feno; satria eo am-piovana ny fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao.”—I Korintiana 7:29-31.
Ny vokatry ny fanabeazana voalanjalanja dia mahatonga ny ray aman-dreny kristiana ho sambatra. Mihamatanjaka ny zanaka eo amin’ny lafin’ny finoana, midera an’Andriamanitra izy ary manome voninahitra an’ireo ray aman-dreniny. Tanora kristiana be dia be izay voataiza tamin’izany fomba izany no mpitory manontolo andro na misionera amin’izao fotoana izao, ary mahafapo azy tanteraka ny fiainany. Mirehareha aoka izany ny ray aman-dreniny! Tena azo atao ny milaza ny amin’ireny tanora ireny fa ‘mahatsiaro ny Mpanao azy amin’ny andro fahatanorany’ izy. Asehony fa mino Azy izy ireo fa tsy izao tontolo izao. — Mpitoriteny 12:1.
Rehefa hifarana ny fandehan-javatra ankehitriny, ireo ray aman-dreny izay matahotra an’Andriamanitra dia ho anisan’ny ho tafita velona miaraka amin’ireo zanany nahazo fianarana mampiseho fitiavam-pivavahana sy voalanjalanja, izay nanao zavatra nifanaraka tamin’ny nampianarina azy. Ho tafita velona ny rehetra mba hanompo an’Andriamanitra mandrakizay. Moa ve izany no irinao ho an’ny zanakao? Raha izany no izy, dia omeo azy ny fanabeazana izay hahasoa azy mandrakizay.—Jaona 17:3.
[Teny notsongaina, pejy 10]
Moa ve ny tombontsoa amin’ny fanaovana fianarana ambony mifandanja amin’ny vidiny angamba tsy maintsy aloa?
[Teny notsongaina, pejy 11]
Ray ray aman-dreny, inona no antenainao fa hampiasan’ireo zanakao ny fiainany?
[Teny notsongaina, pejy 12]
Raha tsy maintsy mamoy zavatra ara-panahy mba hahazoana fianarana tsy ara-pivavahana, dia tsy mendrika ny hatao izany.