Ny taratasy ho an’ny Efesiana — Nahoana no nosoratana izy io?
“LEHIBE Dianan’ny Efesiana!” Alao sary an-tsaina ny teatira iray mahalany toerana dimy arivo sy roa alina, hipoka mpivavaka nirehitra fatratra sy nisafoaka izay namerimberina nitsatotsatoka an’io fehezan-teny io nandritra ny adiny roa. Eny, tena nitranga tokoa izany fisehoan-javatra izany. — Asa. 19:28, 34.
Avy taiza izany firehetana nihoapampana izany? Iza moa Artemisy? Raha ny marina, iza moa ny Efesiana? Iza no nanoratra ho azy ireo, ary nahoana?
Foibe ara-pivavahana fahizay
Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, Efesosy dia anankiray tamin’ireo tanàna lehibe indrindra teto amin’izao tontolo izao, ary tombanana ho 250 000 mahery ny isan’ny mponina tao aminy tamin’izany. Foibe ara-barotra sy ara-pahaizana nandroso izy io. Tsy ny hareny be dia be sy ny toetr’androny malefaka ary ny hakanton’ny toerana misy azy ihany anefa no nanintona ny vahoaka tao. Foibe ara-pivavahan’izao tontolo izao taloha tokoa Efesosy; afaka nirehareha izy nanana tempoly iray lehibe aoka izany ka nisaina ho anisan’ireo zava-mahatalanjona fito teto amin’izao tontolo izao.
Artemisy na Diana dia nivavahana tao amin’io tempoly narevaka io izay toa hoe nampiasana volamena mba hamehezana ny vongana marbra. Indraindray dia olona hatramin’ny fito hetsy avy ao Efesosy sy ny tany lavitra no nifanizina teny amin’ny araben’ilay tanàna rehefa naseho tamin’ny filaharambe ilay “andriamanibavy virijina”. Ny fanamboarana sy fivarotana sary volafotsin’io andriamanibavin’ny fahavokarana nanana tratra feno nono maro io dia asa nandroso tao Efesosy. — Asa. 19:24, 25.
Tao anatin’io faritra io ny lehilahy iray nantsoina hoe Paoly no tonga nitory ny kristianisma tamin’ny Efesiana. Notendren’i Jesosy ho “Apostolin’ny jentilisa” izy. (Romana 11:13.) Naorina tao Efesosy ny kongregasiona iray ka nandroso haingana. Tsy ela ireo vao niova dia nanary ny sariny sy ny bokiny momba ny majika (Asa. 19:19). Teo anoloan’ny fandrosoana haingan’io fivavahana vaovao nankahala sary io, Demetrio mpanao volamena dia nanaitra ny mponina tao an-tanàna, hany ka nikiakiaka toy izao ireo: “Lehibe Dianan’ny Efesiana!”, ka saika niteraka tena tabatabam-bahoaka izany.
Ny nanorina ny kongregasionan’i Efesosy indrindra dia i Paoly, ilay mpanoratra ny taratasy heverintsika izao. Olona teo amin’ireo firenena izany hoe tsy Jiosy indrindra, no nahaforona azy (Efesiana 3:1). Ireo izay tonga kristiana tao Efesosy àry dia niala tamin’ny karazam-panompoam-pivavahana nampietry. — Efesiana 4:17-19.
Ny fanorenana indray ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana
Nanoratra ny taratasiny ho an’ny Efesiana i Paoly fony natao an-tranomaizina tany Roma tamin’ny 60 na 61 (Efesiana 1:1; 6:20). Vao teo am-piandohan’ny taratasiny, dia nolazalazainy nifototra tamin’ny Soratra Masina ny fikasana lehiben’Andriamanitra izay mikendry ny hanorenana indray ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana. Manjary votoatin’ny foto-kevitra iankinan’ilay epistily manontolo io fikasana io.
Izao no nambaran’i Paoly: “Nampahafantariny [Andriamanitra] ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.” (Efesiana 1:9, 10). Araka ny asehon’io andinin-teny io, Andriamanitra dia manana fikasana ny hanarina ny fahavoazana rehetra nateraky ny fikomian’i Satana, eo amin’izao rehetra izao.
Tian’i Paoly ny hanararaotan’ireo kristiana tsy jiosy tany Efesosy ny hasarobidy tsy hay tombanan’ny tombontsoa nananan’izy ireo noho izy nifamatotra akaiky dia akaiky toy izany tamin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany, raha vantany vao avy nampidi-dresaka niarahaba i Paoly dia nanazava ny amin’ny fahasambaran’izy ireo. Izy ireo tokoa dia tonga anisan’ny antokon’olona nofidin’Andriamanitra “fony tsy mbola ary ny fanorenana an’izao tontolo izao” mba hametrahana azy miaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. — Efesiana 1:3-7.
Toy inona moa, raha ny marina, ho an’ireny Efesiana tsy jiosy ireny izay “lavitra” fahiny sy “tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao” ny hananana eo anilan’ny Jiosy, fanantenana ny ho tonga mpanjaka any an-danitra miaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra! Izany no “zava-miafina” ampahatsiahivin’i Paoly imbetsaka ao amin’ny taratasiny, “dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy”. — Efesiana 2:11-13; 3:3-6.
Araka izany àry, ny taratasy ho an’ny Efesiana dia mampiharihary fa Jehovah Andriamanitra dia mikasa ny hanorina indray ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana eo amin’izao rehetra izao. Raha raisina ny tenin’i Paoly, Andriamanitra dia hanangona indray “ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. Hatreo ny firaisan-tsaina dia tena tsy nanjaka teo amin’izao rehetra izao manontolo raha tsy talohan’ny fikomian’i Satana. Nefa noho ny ‘fitondran’Andriamanitra’, raha lazaina amin’ny teny hafa, noho ny fomba fitantanany na fitarihany ny raharahany, dia o tafaorina indray izany firaisan-tsaina izany.
Amin’ny fanekena an’i Jesosy Kristy ho mpanavotra azy, ‘ny zavatra izay any an-danitra’, izany hoe ny olona atsangan’Andriamanitra ho zanaka any an-danitra, ‘dia tonga iray indray ao amin’i Kristy’. Nefa araka ny fikasan’Andriamanitra dia tokony ho tonga koa ny fotoana hahatanterahan’ny dingana faharoa amin’ny ‘fitondrany’, dia ny fanangonana ‘zavatra ety an-tany’. Mitranga izany rehefa manangona ny ‘ondriny hafa’ Kristy manatrika sy nandray ny fahefam-piandrianana, manangona ireo izay ampanantenaina fiainana eto an-tany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana any an-danitra.—Jaona 10:16.
Raha nanohy namelabelatra ny foto-keviny i Paoly dia nanipika fa ny mpikambana rehetra ao amin’ny “kongregasiona izay tenany [an’i Kristy]”, dia tokony hitady fihavanana sy firaisan-tsaina (Efesiana 1:22, 23, MN). Noho izany antony izany dia tsy tokony hisy fanavahana intsony eo amin’ny Jiosy sy ny tsy Jiosy, eo amin’ny famorana sy ny tsy famorana. Ny rehetra dia tokony haniry hiasa ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana. — Efesiana 2:11.
Amin’ny fitambarany , dia intelo ambin’ny folo no ampiasan’i Paoly ny teny hoe “firaisana” ao amin’io taratasy io, izany hoe mihoatra noho ny ao amin’ny epistiliny hafa rehetra. Afa-tsy izany koa, ao izy dia mampiasa imbalo ny teny hoe “fihavanana”; io àry dia miverina matetika kokoa noho ny ao amin’ny taratasy hafa rehetra, ankoatra ny epistily ho an’ny Romana. Rehefa fantatra ny fisarahan-tsaina lalina nampisaraka ny Jiosy sy ny tsy Jiosy hatramin’ny taonjato maro, dia takatra kokoa ny ilàna hanasoritana toy izany ny amin’ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana (Asa. 10:28). Amin’izany lafiny izany, dia asongadin’i Paoly ny anjara tena lehibe noraisin’i Kristy. “Fa Izy no fihavanantsika, hoy izy, Izay naha-iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana [ny Lalàn’i Mosesy].” — Efesiana 2:14.
Aoka isika hiasa ho amin’ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina
Ireo toko telo farany ao amin’ny taratasin’i Paoly dia nivaofy raharaha hentitra sy nanome ho an’ny Efesiana torohevitra izay hanampy azy ireny hiray saina hatrany sy hihavana tao anatin’ny tarehin-javatra nisy azy. Ahoana àry no hanorenana fihavanana sy firaisan-tsaina? Mba hahatongavana amin’izany, dia mandray anjara tena lehibe ny fitiavana. Mba hampisongadina tsara io hevitra io, dia intsivy ambin’ny folo no ampiasan’i Paoly ny teny hoe “fitiavana”, “malala” sy ny matoanteny hoe “tia”, ao amin’ny taratasiny, izany hoe matetika kokoa noho ny ao amin’ny hafa rehetra. Ohatra, niangavy an’ireo rahalahiny izy mba ‘hifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana’. — Efesiana 4:2, 3.
Manohy ny teniny i Paoly amin’ny fitanisana ireo fomba anampian’Andriamanitra antsika hiasa ao anatin’ny firaisan-tsaina. Araka ny tenin’ilay apostoly, izy dia “nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, (...) mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana”. Avy eo dia asian’i Paoly ohatra ny resaka ataony amin’ny fampahatsiahivana ny fifandrindran’ny fiasan’ny rafitra samihafa amin’ny tenan’olombelona, dia fiasana ‘ampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana”. — Efesiana 4:11-16.
Tokony hohalavirintsika àry ireo zavatra manakorontana ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina, ohatra, ny lainga, ny fahatezerana sy ny hakamoana. Tsy tokony hanao teny maloto isika fa tokony hanao resaka mampandroso sy tsara. Namporisika ny halatra ny tanànan’i Efesosy, satria ny mpangalatra rehetra dia afaka niery tao amin’ny tempolin’i Artemisy mba tsy hampanahy. Izao anefa no nambaran’i Paoly: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony.” — Efesiana 4:25-30.
Tsy azo lavina fa ny fampiharana izao fananaran’i Paoly manaraka izao dia hanamora ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:31, 32.
Ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fitiavan-karena fatratra, ny fitondrantena mahamenatra, ny resaka feno fahadalana, ny vazivazy ratsy sy ny fimamoana dia samy zavatra mety hanimba, tsy ny fifandraisantsika amin’ny mpiara-belona amintsika ihany, fa ny fifandraisana mampiray antsika amin’Andriamanitra koa. Izany no antony anomezan’i Paoly izao torohevitra izao: “Ary aza miray [amin’ny olona eo amin’ireo firenena] amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa”, sy hoe: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry (...) fa ratsy izao fiainana izao.” — Efesiana 5:1-20.
Nasehon’i Paoly koa fa hahita fihavanana ireo fianakaviana amin’ny fanarahana ny oha-pitiavana navelan’i Kristy sy ny torohevitra voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hazavainy koa fa ny mpiasa sy ny mpampiasa dia afaka miara-miaina amim-pihavanana raha tsaroany ny adidiny eo anatrehan’Andriamanitra (Efesiana 5:21 ka hatramin’ny 6:9). Ankoatr’izany, dia tokony ho takatra tsara fa Satana Devoly, ilay voalohany nanapaka ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina teo amin’izao rehetra izao, dia hanohitra mafy ny fiezahan’ny kristiana hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany antony izany, izy ireo dia tokony ‘hitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra’ raha tiany ny hahatohitra amim-pandresena ny Devoly sy ireo demoniany. — Efesiana 6:10-18.
Rehefa heverina amin’ireo fampianarana be dia be raketin’ny epistily ho an’ny Efesiana, dia rariny tokoa isika raha ho velom-pankasitrahana noho ny nanomezan’Andriamanitra tsindrimandry an’i Paoly mba hanoratany azy. Mpandinika Baiboly be dia be no midera azy. Ny anankiray amin’izy ireny, ohatra, dia nanambara fa “ao anatin’ny fahafohezany, izy io dia mahafaoka ny halehiben’ny fivavahana kristiana manontolo”. Tsy vitan’ny hoe manazava ny fikasana lehiben’Andriamanitra, dia ny hanamboatra ny ratsy rehetra nandoto an’izao rehetra izao izy io, fa omeny koa ny torohevitra azo ampiharina sy fananarana maro izay manampy antsika hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba hahazoana ny fankasitrahany sy ny fitahiany mandrakizay.