Ny fitiavana, “fatorana mampiray tanteraka”
“Nefa, ambonin’izany rehetra izany, mitafia fitiavana, satria fatorana mampiray tanteraka izany.” — Kolosiana 3:14, MN.
1. Nahoana moa ny baiko omena ao amin’ny Kolosiana 3:14 no tena zava-tsarotra amin’izao androntsika izao?
EO amin’izao tontolo izao misaratsaraka sy feno fankahalana, ny baiko omen’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra (ao amin’ny Kolosiana 3:14, MN) ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia tena zava-tsarotra. Toy izao izany baiko izany, izay toa tsy azo tandremana: “Ambonin’izany rehetra izany, mitafia fitiavana, satria fatorana mampiray tanteraka izany.” Na dia izany aza dia misy manaraka ihany io didy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io, ary izany dia ho voninahitr’Andriamanitra.
2. Inona no toa mampiray an’ireo Fiangonana isan-karazany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ka noho izany dia anisan’ny inona ny fivavahana lazaina fa kristiana?
2 Tsy azo lavina fa tsy misy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana io fatorana mampiray tanteraka io, dia ny fitiavana, satria izy voazarazara ho Fiangonana an-jatony maro mifandrafy izay tsy mitovy dia tsy mitovy ireo zavatra inoany sy arahiny. Ho voamarika fa ireny Fiangonana ireny dia toa manana fatorana mampiray ihany, dia: ny fiarahany manohitra ny kongregasiona kristian’ny olon’i Jehovah, dia ireo vavolombelony nanolo-tena sy vita batisa, ary ny fankahalany azy (Isaia 43:10, 12). Amin’ny fanehoana fankahalana sy fanoherana toy izany, ireny Fiangonana ireny dia mampiseho fa izy dia anisan’izao tontolo izao eo ambany fanapahan’i Satana Devoly, “andriamanitr’izao tontolo izao”. (II Korintiana 4:40. Izany indrindra no nambaran’ilay Mpanorina ny kristianisma. Tao amin’ny lahateny farany nataony ho an’ireo apostoliny nahatoky taorian’ny niaingan’i Jodasy Isikariota mpamadika, dia izao no nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo: “Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo. Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatratreo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” — Jaona 15:17-19.
3. Inona no fanontaniana mipetraka raha ny amin’izay iharan’ny fankahalan’izao tontolo izao?
3 Rehefa heverina amin’ireo tenin’i Jesosy ireo, dia ara-dalàna ny hahatongavan’izao fanontaniana manaraka izao ao an-tsaina: Antokon’olona ara-pivavahana inona amin’izao andro izao no ankahalaina sy iharan’ny fahatezeran’izao tontolo izao, anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana? Ny Tantara, indrindra fa nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia hanampy ny mpandinika marina rehetra hamantatra azy tsy mety hisy fahadisoan-kevitra.
4. Olona iza no iantefan’ny baikon’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3:14, ary izany no hany Rain’ireny olona rehetra ireny any an-danitra?
4 Raha vao mamaky ireo teny voalohandohany nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kolosiana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mahafantatra fa mahakasika azy ireo mivantana izao didiny izao: “Mitafia fitiavana, satria fatorana mampiray tanteraka izany.” Nanomboka ny taratasiny toy izao tokoa ilay apostoly: “Paoly, Apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny olona masina any Kolosia: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika.” (Kolosiana 1:1, 2). Iza àry no Rain’ny kristiana voalohany rehetra tany Kolosia, any Azia Minora, any an-danitra? Tsy iza fa ny Rain’ilay Mpitarika ara-panahy, Jesosy Kristy, izany hoe ilay Andriamanitra “Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra” “Izay atao hoe Jehovah”. — Salamo 83:18.
5. Tokony ho mpivavaka amin’iza moa ireo nanoratan’i Paoly ny taratasiny, ary ahoana no nampisehoan’i Jesosy sy ny apostoly Jaona izany?
5 Araka izany, ireo nanoratana ny taratasin’i Paoly dia tokony ho mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra sahala amin’i Jesosy Kristy. Teo amin’ilay tendrombohitra nakana fanahy azy, dia nolavin’i Jesosy ny fanoloran-kevitry ny Devoly izay nanolotra azy an’izao tontolo izao manontolo raha miankohoka eo anatrehany fotsiny izy ka manolotra fankalazana azy. Nailik’i Jesosy avy hatrany ilay Mpaka fanahy tamin’ny fanononana ity baiko ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ity: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” (Matio 4:8-11; Lioka 4:8; Deoteronomia 6:4, 5, 13). Ireo mpianatra dia tokony hivavaka amin’io Andriamanitra io ihany koa, ilay nivavahan’ny tenan’i Jesosy foana, dia Jehovah (Jaona 20:17). Noho izany antony izany, rehefa nianjera tamin’ny tany ny apostoly Jaona mba hanolotra fankalazana an’ilay anjely nampita taminy ny fanambarana, dia nanohitra izany ilay anjely tamin’ny filazana hoe: “Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana.” — Apokalypsy 19:10; 1:1.
6. Taorian’ny nataon’i Babylona Lehibe moa no nanjary mbola nandodona kokoa ihany ny baiko voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 18:4, 5? Iza no nanaraka an’io baiko io ary inona no naterak’izany?
6 Rehefa niavaka tamin’ny fanaovan-javatra nanala baraka an’Andriamanitra Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, tao anatin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nanjary nandodona kokoa ilay didin’Andriamanitra voambara tao amin’ny Apokalypsy 18:4, 5 tsy toy ny tamin’ny fotoana nisehoan’ny Ny Tilikambo Fiambenana (fanotana amin’ny teny anglisy) tamin’ny desambra 1880 na talohan’izay mihitsy aza. Nilaza toy izao io baiko io: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataonya.” Ireo izay naniry ny ho ‘olon’i Jehovah Andriamanitra dia nanaraka an’io baiko io; nivoaka avy tao Babylona Lehibe izy ireo ary nivory mba hampitombo ny firaisan-tsaina kristiana sy hanitatra ny “fatorana mampiray tanteraka”, dia ny fitiavana. Nalatsany am-po ireto tenin’ilay apostoly voasoratra ao amin’ny I Korintiana 14:33 ireto: “Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana.” Rehefa heverintsika àry ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny telo arivo sy efatra alina, dia mahatsiaro tena ho voatosika hanonona ireto teny ao amin’ny Salamo 133 ireto isika:
“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina. Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny moron-tongotr’akanjony [vozon’akanjony, MN]; tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona; fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana mandrakizay.” — Salamo 133:1-3.
7. Iza moa amin’izao andro izao no manana adidy hiaro izany firaisan-tsaina izany, ary noho ny fikasana inona moa no niarovan’i Jehovah ny vavolombelony nandritra ny Ady Lehibe Voalohany?
7 Sahala amin’ny kongregasiona tany Kolosia tamin’ny taonjato voalohany amin’izay antsoina hoe andro kristiana, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia manana adidy hiaro izany firaisam-pandaminana mahafinaritra izany eo afovoan’izao tontolo izao misaratsaraka ankehitriny. Izany indrindra no hita nanomboka tamin’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” tamin’ny 1914, rehefa tafalentika tao anatin’ny ady izao tontolo izao (Lioka 21:24, MN). Nandrahona ny fisian’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy amin’ny maha-tena fandaminana kristiana ny Ady Lehibe Voalohany. Nefa mba hitoriana ‘ity vaovao tsaran’ ny fanjakana ity amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra’, dia tsy navelan’ilay Andriamanitra Tsitoha hampanjavona amin’ny tany ny vavolombelony voahosotra rehetra ireo fahavalo tafakambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy izao tontolo izao mpanompo sampy (Matio 24:14, MN; Marka 13:10). Tamin’ny 1919, taona voalohany nanaraka ny ady, dia nanafaka azy ireny tamin’ny zava-nisakana rehetra Jehovah Andriamanitra ka naniraka azy ireny hitory tany amin’ireo firenena.
8. Noho izay tsy afaka nanapaka ny firaisan-tsain’ny kristiana tamin’ny fiasana avy any ivelany, ahoana no niezahan’i Satana nanatratra ny zava-kendreny?
8 Koa satria tsy afaka nanafoana ny Vavolombelon’i Jehovah Satana Devoly tamin’ny fanaovan-javatra avy any ivelany tamin’ny alalan’ireo mpiandany aminy, hatramin’izay izy dia miezaka mandrava ny firaisan-tsainy amin’ny fomba misy fitaka kokoa, avy ao anatiny, amin’ny famoronana foto-pampielezan-kevitra ao amin’ny fandaminany kristiana. Ao amin’ny Apokalypsy 12:17, dia izao no nambara ara-paminaniana: “Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy.”
Ny toetra tokony hitana ny saintsika
9. Tokony hitandrina mba tsy hanaiky ho vonton’ny inona moa ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, ary inona no lazain’ny Salamo 91 ny amin’izany?
9 Tsy mitsaha-mitombo ny fankahalana mamonto ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Izany indrindra no nambaran’i Jesosy Kristy tao amin’ny faminaniany momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” tamin’ny filazana hoe: Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:3, 11-13). Mamindra ny fankahalana; noho izany antony izany, na dia ireo anisan’ny fandaminana hita mason’i Jehovah Andriamanitra aza dia tokony hitandrina mba tsy hanaiky ho voaloto. Ny mpanao salamo iray nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra dia mampiseho amintsika ny fomba hanalavirana izany amin’ny filazana hoe: “Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako. Tsy hatahotra ny horohoro nony alina hianao, na ny zana-tsipika manidina nony andro, na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina, na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana. Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, dia tsy hihatra aminao izany. Hijery maso fotsiny hianao, ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.” — Salamo 91:1, 2, 5-8.
10. Nahoana moa isika no ho afaka hanalavitra ny fitafitana toetra izay hahatonga antsika hitovy amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao, ary ahoana no fiheveran’Andriamanitra antsika raha oharina amin’izao tontolo izao eo am-bavahoana ankehitriny?
10 Omena antoka ny fiarovan’Andriamanitra isika, nefa tokony hanaja ireo fepetra takina mba handraisan-tsoa avy amin’izany isika. Raha halavirintsika izay rehetra mety ho fifankazarana mahafaty ara-panahy amin’izao tontolo izao marary ankehitriny, dia tsy hitafy ny toetra izay hahatonga antsika hitovy amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao na ny fankahalana mampiavaka azy isika. Ny mifanohitra tanteraka amin’ny fankahalana, dia ny fitiavana, ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Kristiny, nefa koa ny fitiavana an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana. Ny toetra izay mamela hahita an’io hatsarana io dia ilay anasan’ny apostoly Paoly nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra antsika mba hotafina indrindra amin’ny mahapianatr’i Jesosy Kristy. Raha mitafy izany isika dia hampiseho ny tenantsika eo imason’ny hafa ho toy ny minisitr’Andriamanitra “amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy”. (II Korintiana 6:4-10.) Avy amin’Andriamanitra izany fitiavana izany. Koa raha manana izany isika, izany dia milaza fa niditra hanana fifandraisana aminy isika amin’ny fialana amin’izao tontolo izao ankehitriny, amin’ny heviny hoe hatramin’izao ny fontsika sy ny fanahintsika dia tsy hifanaraka aminy intsony. Amin’Andriamanitra, dia maty izao tontolo izao sy izay anisany. Nefa kosa, isika izay mpianatr’i Jesosy Kristy, vita batisa sy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, dia velona isika eo imason’Andriamanitra. Eny, velona isika satria anisan’ny fandaminan’Andriamanitra anjakan’ny fitiavana. Izao teny manaraka izao, voasoratra ao amin’ny I Jaona 3:14, àry dia tsy tafahoatra mihitsy: “Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany.”
11. Mampiditra antsika ao anatin’ny fianakaviana inona moa ny fitiavana?
11 Hitantsika àry fa ny fitiavana dia mampiditra antsika ao anatin’ny fianakavian’ny mpirahalahy, ka Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, no zokintsika. Izany toetra kristiana izany dia fitafiana ampisehoantsika ny tena maha-isika antsika marina tokoa, tsy misy fihatsarambelatsihy na dia kely akory aza. Izany dia ny toetra ambony indrindra andidian’ny Tenin’Andriamanitra antsika mba hambolena sy hampiharina.
12. Inona avy moa no dingana tokony hatao mba hahafahana maneho izany fitiavana izany, ary rehefa tratra io zava-kendrena io, azo atao ve ny manadino ireo toetra hafa mahatonga ho afaka hanatratra izany?
12 Takatra mora foana fa ny mpianatra mankato iray dia tokony hanao dingana sasany mba hahatongavana amin’ny fanehoana izany fitiavana marina izany. Ireo izay manantena hanana anjara aminy toe-tenan’Andriamanitra any an-danitra, ho valisoa be voninahitra, dia ilazan’ny II Petera 1:5-8 toy izao: “Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana [fiaretana, MN], ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Ireo toetra tsara isan-karazany ireo izay mifameno dia tsy tokony hohadinoina rehefa nahatratra ny fitiavana, toetra ambony indrindra, ny tena. Mifanohitra amin’izany kosa, ny finoana, ny fahatanjahan-tsaina, ny fahalalana, ny fahononam-po na fifehezan-tena, ny fiaretana, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra na fitiavam-pivavahana sy ny fitiavana ny rahalahy dia tokony ho anisan’ny toetrantsika mivelatra amin’ny fomba feno hatrany. Tokony ho hita be dia be miaraka amin’ny fitiavana izany. Ireo izay manana toetoetra maharitra toy izany ihany no handray ny valisoa avy amin’ny tanan’Andriamanitra amin’ny fotoana voatendriny.
13. Toetra hafa inona koa moa no amporisihan’i Paoly antsika mba hambolena ao amin’ny Kolosiana 3:12-14?
13 Raha tiana ny hanitatra bebe kokoa ihany ny amin’izay tokony hatao mba hanantenana hahazo ny valisoa nomanina, dia mety ny hanononana eto ireo toetra tokony hotafintsika ho toy ny toetra mampiavaka ny maha-isika antsika. Talohan’ny hilazalazana ny atao hoe fatorana mampiray tanteraka, dia nanonona azy ireo i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana [fatorana mampiray tanteraka, MN] izany”. — Kolosiana 3:12-14.
Fifanoherana amin’ireo izay misaratsaraka
14. Karazan’olona nanao ahoana moa ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana talohan’ny nanarahana ny toromarik’ireo apostoly?
14 Izany toromarika nomen’ny apostoly izany dia mampiseho ny hoe karazan’olona manao ahoana no tokony ho anisan’ny kongregasiona kristiana. Teo aloha ireo dia anisan’izao tontolo izao ratsy, tsy nanam-pitiavana, niaraka tamin’ireo toetra nampiavaka azy araka ny Devoly. Karazan’olona nanao ahoana àry izy tamin’izany? Milaza izany amintsika ny apostoly Paoly ao amin’ny I Korintiana 6:9-11, hoe: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.”
15. Nahoana moa ny olona eo amin’izao tontolo izao no tsy manana “fatorana mampiray” maharitra?
15 Ho sarotra amin’olona miaina eo amin’izao tontolo izao ka maneho ireo toetoetra voalazalaza eo ambony ny hahita eo amin’izy ireo zavatra mampiseho tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena sy madio izay mety ho fatorana mampiray tanteraka sy mafy ho azy ireo. Tsia, tsy manana “fatorana mampiray tanteraka” mihitsy izy ireo. Tsy miray àry ny fitambaran’olona any ivelan’ny kongregasiona. Mety hampiray azy ireo vetivety ny tombontsoa mampiseho fitiavan-tena, nefa rehefa ela ny ela, rehefa tsy misy intsony izany tombontsoa izany, dia tsy mifampihevitra tanteraka ny olona eo amin’izao tontolo izao. Tapaka ny fatorana mampiray azy ireo. Farany, dia mifampizaka fotsiny izy ireo satria anisan’ny fitambaran’olona iray ihany ary tsy afaka misoroka ny fiarahana.
16. Rehefa tsy manana intsony izay nety ho nampiray azy vetivety ny olona eo amin’izao tontolo izao, miverina aiza moa izy ireo, ary nahoana?
16 Fanindrahindram-pirenena! Fitiavan-tanindrazana! Fitokotokoana ara-pivavahana! Fanavakavaham-pirazanana! Rehefa tairina ao amin’ny olona izany karazam-pihetseham-po miteraka fahataitairana izany ka manosika azy ireny amin’ny fara heriny, ireny olona ireny dia azon’izay heveriny ho fahatsapana adidy. Nefa rehefa dinihina dia tsy miova foana izy ireny, olombelona tia tena. Koa rehefa tontosa ny adidy, rehefa manana fahafahana izy ireny hanaraka ny faniriany sy ny fironany, dia asehony fa izy dia olona toy ny teo aloha ihany miahy ny amin’ny tombontsoany manokana alohan’ny zavatra rehetra. Noho ny nahavitany zavatra malaza teo amin’izao tontolo izao na nifikirany tamim-pahatokiana hatrany tamin’ny raharaha iray, dia misy olona manaiky izao tontolo izao, angamba hindrahindraina na heverina ho mendrika voninahitra sy laza any an-danitra. Nefa, araka ny marika omen’ny Baiboly, dia tsy azo heverina ho mendrika ny hiara-manjaka amin’i Kristy any amin’ny Fanjakan’i Jehovah any an-danitra izy ireny.
17. Inona moa no takin’ilay Fanjakana amin’izay mikatsaka azy alohan’ny zavatra hafa rehetra, ary inona no manampy azy hanao toy izany?
17 Ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy manana fifamatorana mihitsy amin’izao tontolo izao ankehitriny sy ny mpanohana azy. Raha nahita tsy fahombiazana lehibe ny amin’ny fampiraisana ny olona, ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy dia mitaky kristiana nanolo-tena sy vita batisa izay mikatsaka izany alohan’ny zavatra hafa rehetra, hany ka miasa sy manompo ao anatin’ny firaisan-tsaina izy ireo. Teraka avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra io Fanjakana io. Ny toetra manetsika an’io fanapahana any an-danitra io mihitsy dia ny fitiavana, ny fitiavana an’Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra, nefa koa ny fankahalana an’i Satana, fahavalony lehibe indrindra, sy izao tontolo izao manana an’i Satana ho “andriamanitra”. Na dia ao aza ny fiezahana rehetra ataon’i Satana mba hanapahana izany firaisan-tsaina izany, ny fitiavana avy amin’i Jehovah Andriamanitra Ray any an-danitra, dia miasa foana ho toy ny “fatorana mampiray tanteraka” an’izay rehetra mifikitra amin’ny fandaminany hita maso eto an-tany, izany hoe ny fianakavian’Andriamanitra manontolo any an-danitra sy eto an-tany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny pejy faha-6 io fanontana io dia nampiseho lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Babylona Lehibe”.
Tadidinao ve?
◻ Mifanohitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, inona no mampiray ny kristiana marina?
◻ Ahoana no iezahan’i Satana hanapaka ny firaisan-tsain’ny kristiana?
◻ Na dia ao aza ny fankahalana mamonto an’izao tontolo izao, ahoana no azontsika ‘itafiana fitiavana?
◻ Nahoana moa ny fitiavana no mampiray antsika mafy kokoa noho izay mety hampiray vetivety ny olona eo amin’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 15]
Ny kristiana dia anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy izay mifankatia ka Jesosy no zokiny.