Fihetsiketsehana iraisam-pirenena ho an’ilay Fanjakana
“Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.”—Isaia 26:15.
1. a) Ahoana moa tamin’izao andro izao no nahatanterahan’ny “firenena” iray ny Isaia 26:2? b) Amin’ny ahoana moa io “firenena” io no hafa noho ireo firenena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
FIRENENA iza no notahin’i Jehovah toy izany tamin’ny fanomezana azy fitomboana isa lehibe? “Ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana [fitondrantena mahatoky, MN].” .(Isaia 26:2). Izany di any firenena ara-panahy voaforon’ireo tena kristiana, firenena nateraky ny vadin’i Jehovah any an-danitra, dia ilay “Jerosalema any ambony”, ‘natao indray miteraka’ tamin’ny 1919. Mifanohitra amin’ireo firenena amin’ny tany sy ny klerjy izay nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe Voalohany izay ny loka dia ny fanapahana izao tontolo izao, io “firenena” io dia manohana tsy misy fandikana ny fieritreretana na dia kely akory aza, manohana ilay Fanjakana mesianikan’Andriamanitra naorina tany an-danitra tamin’ny 1914 (Galatiana 4:26; Isaia 66:8; Apokalypsy 11:15-18). Jehovah dia nampiditra an’io “firenena marina” io tao amin’ny paradisa ara-panahy sy nanankina taminy asa ho an’ilay Fanjakana, adidy iray: fanaovana fanambarana farany amin’ireo firenena sy fokom-pirenena amin’ny tany.—Matio 24:14; 25:31-33.
2. Inona avy moa no antony tokony hifalian’io “firenena” io?
2 Ho fahatanterahan’ilay hira ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Isaia 26:1-6, ireo anisan’io firenena vao teraka io dia niditra tamin’ny varavarana nidanadana mba hanatona “tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona,dia Jerosalema any an-danitra”. (Hebreo 12:22.) Ireny mpandova ilay Fanjakana ireny dia manaraka amim-pifaliana izao tonon’ny hira izao: ‘Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.” ‘Nampitombo ilay firenena’ Jehovah mandra-pahatratra ny isa fenon’ireo mpikambana ao aminy. Ireny olon’ny firenena masina ireny dia mihoby an’i Jehovah ho ‘Vatolampy” sy ‘Tompony’,ka matoky fa madiva hanatanteraka ny fikasany mahatalanjona rehetra izy.—Isaia 26:15; 25:8.
3. Tamin’ny fomba ahoana moa no nanomezam-boninahitra bebe kokoa ihany an’i Jehovah?
3 tao anatin’izao taona faramparany izao, Jehovah dia ‘nanitatra ny faritry’ ny taniny teokratika lavidavitra kokoa. Nahoana? Mba hanomezana toerana ho an’ireo “zavatra faniry”,—“olona betsaka” lehilahy sy vehivavy,—avy amin’ny firenena rehetra mba ho tonga anisan’ny vahoaka voatokana ho an’i Jehovah hatramin’izao. Ireny olona ireny dia ‘mameno voninahitra ny tranony’ rehefa mba manao fanambarana ny anarany sy ny Fanjakany koa.—Hagay 2:7, MN; Apokalypsy 7:9, 15.
Nampitombo ilay firenena Jehovah tamin’ny 1982
4. a) Ohatra tsara inona moa no omen’ny Ezekiela 9:1-11 an’ireo izay mandray anjara amin’izao andro izao amin’ny asa “fanamarihana”? b) Fahafahampo inona no mety ho tsapantsika raha manao filazana amim-pahatokiana ny asantsika isika?
4 Ny Vavolombelon’i Jehovah izay manohana ilay Fanjakana amin’ny fony rehetra dia manao filazana an-tsoratra ny amin’ny asany, isam-bolana isam-bolana. Amin’izany izy ireo dia sahala amin’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra voalazalaza ao amin’ny Ezekiela 9:1-11. Ny asa nanirahana an’io dia ny fanamarihana ireo olona ho tafita velona, taorian’izany, dia nanao izao fitantarana tamim-pahatokiana izao tamin’i Jehovah izy: “Efa vitako izay nandidianao ahy.” Moa ve isika tsy faly mandre ao amin’ny fivoriana momba ny asa, fitantarana tsara dia tsara feno ny amin’ny asa ataon’ny kongregasiona ka mahafantatra fa ny filazana ny asantsika manokana, na dia azo ampitahaina amin’ny ‘farantsakely roan’ilay mpitondratena’ aza angamba izany, dia nitondra izany vokatra izany? Toy izany koa, isan-taona, noho ny filazana asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, dia heverintsika ny asa ataon’ireo amin’ny tany manontolo, ka mampahery ny milaza anakampo fa na dia tsy dia manao ahoana aza ny filazana asantsika manokana dia voafaoka ao amin’io filazana asa maneran-tany mahafinaritra io.—Marka 12:42.
5. a) Rehefa heverina amin’ny rapaoron’ny taom-piasana 1982, ahoana moa no nankalazana an’i Jehovah? b) Nitondra vokatra ve ny asa fanaovana mpianatra?
5 Ao amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-21 no hahitanao ny RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1982”. Tena nankalazaina tokoa ny anarana be voninahitr’i Jehovah Mpanjaka Tompo tamin’ny asa hita taratra amin’io rapaoro io. Raha jerena ny tontalibeny ao amin’ny pejy faha-21, dia tsapa ny fitomboana isa mampahery 4,2 isan-jato amin’ny isan’ireo izay nandray anjara isam-bolana tamin’ny fanompoana ilay Fanjakana, ka nanaraka tamin’izany ny baikon’i Jesosy manao hoe: “Mandehana àry ka manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra.” Ao koa ny tampon’isa vaovao mahagaga amin’ny Vavolombelona 2 477 608 nandray anjara tamin’ny fotoana iray na tamin’ny fotoana hafa tao anatin’ny taona, tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”.—Matio 28:19, MN; Asa. 20:20.
6. Mifandray amin’ny asa nanirahana azy inona moa ny fanantenana mirehitra ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
6 Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia tsy manantena hanova an’izao tontolo izao manontolo. Ny asa nanirahan’Andriamanitra azy kosa dia ny “hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika”. Manantena amim-pahatsorana izahay ary mivavaka amin-kafanam-po ny amin’izany, fa amin’ireo mponina an’arivo tapitrisa maro maneran-tany, dia mbola hisy an-tapitrisany maro hihaino tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana alohan’ny hampanjavonan’ny “fahoriana lehibe ny mpanimba sy mpanao ratsy. Amin’izay ny “tany dia ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 61:2; Matio 24:14, 21, 22; Isaia 11:9.
7. Ahoana moa no niomanan’ny fandaminan’i Jehovah ho amin’ny fitarana ho avy?
7 Mahatsinjo ny fitaran’ny asan’ilay Fanjakana haingana ao anatin’ireo taona ho avy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ka nanao fandaniana be dia be tao anatin’izao fotoana faramparany izao mba hanitarana ireo trano ilain’ny fandaminana amin’io asa io. Any amin’ny foibe iraisam-pirenena, any Brooklyn (New York), dia nohavaozina sy nitarina ireo trano fitantanan-draharaha any amin’ny 25 Columbia Heights. Tany Brooklyn sy tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’ny Watchtower, dia nisy “informatisation” sy fanatsarana ny fanontana “offset”. Any amin’ireo faritra hafa eo amin’izao tontolo izao, dia telopolo mahery amin’ireo sampan’ny Fikambanana no nanorina trano vaovao na nanitatra ireo efa nananany. Manana ohatra vitsivitsy ianao eo amin’ny pejy eto ankavanana. Vonona ho amin’ny fanitarana sy ny fitomboana isa amin’ny ho avy àry ny fandaminan’i Jehovah.
8. Inona avy no zava-nitranga mahaliana voamarikao tao amin’ny tabilao ao amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-21 raha ny amin’ny fitomboan’ny isan’ny mpitory?
8 Amin’ireo tany voafaoka ao amin’ny rapaoron’ny taom-piasana 1982, dia 95 no nahatratra tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory, ary ho an’ny sasany dia zava-niseho niavaka izany. Ohatra, ao amin’ny renivohitr’i Hong-kong be mponina aoka izany, dia nihoarana voalohany ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana 1 000 (Isaia 60:22). Mandroso i Brésil amin’ny tampon’isa vaovao amin’ny mpiasa eny an-tsaha fitoriana 133 377, ka izany no “andiany” Vavolombelon’i Jehovah betsaka indrindra ivelan’i Etazonia (Mika 2:12). Any Italia katolika, ny Vavolombelon’i Jehovah izay mahaforona ny antoko ara-pivavahana lehibe indrindra manarakaraka ny Eglizy katolika”, dia nanamarika fitomboana isa 8 isan-jato tamin’ny tampon’isa vaovao amin’ny mpitory ilay Fanjakana 98 172 (Marka 4:8, 20). Ireo nosy, na lehibe izy na bitika, manomboka amin’i Aostralia ka hatramin’ireo Antilles, dia nahazo tampon’isa vaovao koa (Isaia 42:10). Mahafaly ny mahatsapa ny fitomboana isa voamarika any amin’ireo tany izay mahita fahasahiranana manokana, tahaka an’i Argentine, Salvador, Pakistan sy Ouganda (Salamo 91:9, 10). Na dia ireo tany efa nisian’ny fandaminan’i Jehovah hatramin’ny ela be aza dia mandray anjara amin’izany fihetsiketsehana mahery izany. Aoka hotononintsika i Grande-Bretagne, Kanada, Alemaina federaly ary koa Etazonia izay nanamarihana tamin’ny aogositra lasa teo, tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory ilay Fanjakana 613 007, izany hoe fitomboana isa 8,8 isan-jato.—Asa. 16:5.
Ny “mpitory maharitra” sy ny vaovao tsara
9. a) Inona no asehon’ny rapaoro raha ny amin’ny fitomboan’ny isan’ny mpitory maharitra? b) Nahoana moa isika no mamporisika an’izay rehetra afaka manao izany mba hanandrana an’io tombontsoa io?
9 Tamin’ireo mpitory ilay Fanjakana maneran-tany ireo, tamin’ny ara-keviny dia nanamarihana mpitory “maharitra” 172 859 isam-bolana, izany hoe kristiana izay manokana ora maromaro isan’andro amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona aminy. Raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha, ny isan’ireny mpitory manontolo andro ireny dia nitombo 14 isan-jato. Kristiana maro hafa no mikasa ny hanomboka io fanompoana mahafaly io. Toy izany ve ny aminao? Hita tsotra izao fa amin’izany ianao dia hanana fahafahana hanahaka ireo apostoly amin’ny ‘fanaovana fanambarana feno’ ny amin’ireo fitahiana malaza horaisin’izay rehetra manatona an’i Jehovah amin’ny fanehoana “finoana an’i Jesosy Tompontsika”, tsy ho ela.—Asa. 2:40; 8:25; 10:42; 20:21, 24; 23:11; 28:23.
10. a) Amin’ny heviny ahoana moa no azo atao ny mampitaha ny asan’ny mpitory maharitra amin’ny an’ny nazirita teo amin’ny Isiraely? b) Nahoana moa no azo atao ny manantitrantitra fa tena nandany hery be dia be tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany samihafa?
10 Na dia tsy nivoady ny ho mpitory manontolo andro aza ireny mpitory maharitra mahatoky ireny, anisan’izany ireo “mpitory maharitra mpanampy” maro (izay angamba tsy afaka manompo amin’ny maha-toy izany azy afa-tsy mandritra ny iray na roa volana) dia azo ampitahaina amin’ireo nazirita teo amin’ny Isiraely fahiny. Ahoana izany? Amin’ny heviny hoe ny fanompoany an’Andriamanitra dia matetika manery azy hanana fahafoizan-tena lehibe. Any amin’ny tany sasany, ireo mpanompon’i Jehovah dia tena nandany hery be dia be tokoa mba ‘hanolorana fanati-piderana ho an’Andriamanitra foana’. Ohatra, Venezuela dia nilaza, tamin’ny aprily 1982, mpitory maharitra mpanampy 2 464 tamin’ny fitambarany, izany hoe 136 isan-jato nihoatra noho ny tampon’isa teo aloha. Tany Trinite, dia 51 isan-jaton’ny mpitory miasa no nanao ny asan’ny mpitory maharitra. Tany Japon, tamin’ny jona, tao anatin’ny fara fahabetsahan’ny ranonorana amin’ny fizaran-taona, dia kristiana 25 140 no nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra, ka izany dia mifanitsy amin’ny 36 isan-jaton’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana ao amin’io tany io. Mahatsapa fifaliana sy fahafahampo be dia be ny tena rehefa mandà tena mba hiderana an’i Jehovah bebe kokoa ihany.—Hebreo 13:15; Nomery 6:8; Lioka 9:23-25.
11. a) Nahoana moa ireo izay tsy afaka ny ho mpitory maharitra no tsy tokony ho kivy? b) Ohatra tsara dia tsara inona azo teo amin’ny fanompoana sy teo amin’ny isan’ny mpanatrika tamin’ny Fahatsiarovana moa no mampiseho fa niasa mafy dia mafy tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany?
11 Tsy ny mpitory maharitra ihany anefa no hany mitory ny vaovao tsara. Ny “firenena” manontolon’ny Isiraely ara-panahy mbamin’ny kristiana hafa an-tapitrisany maro namany anisan’ny “olona betsaka” dia nanao fiezahana mendri-piderana indrindra teo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana tao anatin’ny taona 1982. Nanao ny anjarany daholo ny rehetra mba hanatrarana tampony vaovao tamin’ny 384 856 662 ora lany tamin’ny asa fitoriana nandritra ny taona, ka maro be tamin’izy ireny no nitarika fampianarana Baiboly iray na maromaro tamin’ireo 1 586 293 nalamina isan-kerinandro tany an-tokantranon’olona tia ny Baiboly. Tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, nankalazaina ny 8 aprily 1982, tao amin’ireo kongregasiona 44 953 maneran-tany dia nanamarihana mpanatrika 6 252 787, tena olona betsaka tokoa. Enga anie isika hanohy amin-jotom-po hamahana ara-panahy ireny ‘ondrikely’ rehetra ireny!—Jaona 21:15-17.
12. Fitahiana inona no voasoratra ao amin’ny Nomery 6:24-26, ary mihatra amin’iza izany amin’izao andro izao?
12 Raha vantany vao voambara ny lalàna ny amin’ny nazirita, dia nandidy an’i Mosesy Jehovah mba hanonona izao tsodrano izao teo amin’ny firenen’Isiraely manontolo: “Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.” Ireo teny ireo dia mbola mihatra amin’ny fomba mahatalanjona foana amin’izao andro izao amin’ny firenena masin’i Jehovah, dia ny Isiraely ara-panahy mbamin’ny “olona maro samy hafa firenena” izay nivoaka avy amin’ny fokom-pirenena rehetra mba hanompo an’i Jehovah eo anilan’io firenena io. Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa maneran-tany dia Vavolombelon’i Jehovah vaovao 138 540 no natao batisa tao anatin’ny taona, ka izany dia mampiseho 15,6 isan-jato mihoatra noho ny tamin’ny taona teo aloha. Natao teo amin’ireny kristiana rehetra ireny ny anaran’i Jehovah, sahala amin’ny teo amin’ny mpikambana hafa rehetra ao amin’ny kongregasiona, ka ny tenan’i Jehovah mihitsy no ‘nitahy’ azy ireny.—Nomery 6:24-27; Eksodosy 12:38.
“Fandresena feno”
13, 14. a) Manao ahoana ny toeran’ireo rahalahintsika any amin’ny “tany hafa 28”? b) Fampaherezana inona no tovozintsika amin’ireo ohatra ireo?
13 Any amin’ny tany sasany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy maintsy miady mafy ho an’ny finoana ao anatin’ny toe-piainana sarotra dia sarotra. Noho ny faharatsian’ny fahavalo sy mba hiarovana ireo rahalahintsika, dia tsy nasehony eo amin’ny rapaoro ireo tarehi-marika momba ny sasany amin’ireny tany ireny, nefa ny vokatra azo tao amin’ireo dia voalaza mitambatra eo ambanin’ny andalana misy an’ireo tontalibeny indrindra, eo amin’ny lohateny hoe “tany hafa 28”.
14 Ireo Vavolombelona voakasika amin’io tapany amin’ny rapaoro io dia ‘mahazo fandresena feno noho ilay tia antsika’. (Romana 8:37-39, MN.) Raha mbola mieritreritra ny fanompoan’izy ireny tamim-pahatokiana isika, enga anie isika koa mba ho tapa-kevitra ny handresy ny vato misakana rehetra, mba hanohizana hanompo an’i Jehovah ‘amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra’, sady manampy amim-pitiavana ny mpiara-belona amintsika mba hanao toy izany koa! Amin’ny fanaovana toy izany no hampisehoantsika fa ‘tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra isika’.—Marka 12:29-31, 34.
15-17. a) Fitantarana mampahery inona no voaraintsika avy any amin’ny tany ampahorin’ny ady na ny fifamelezana ao anatiny? b) Fitantarana hafa inona karazan’izany no novakinao tao anatin’ny taona lasa? d) Inona no vavaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao?
15 Tany Liban, ny vadin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray dia nanoratra toy izao: “Tamin’ny fanompoana, isaky ny nandre ny tafondro “ antiaérienne” izahay dia nitady fialofana tao amin’ireo fidirana ho ao amin’ny trano avo, satria olona dimy no maty tamin’ny fipoahan’ny baomba kely tao amin’ny faritany nitorianay isan-trano tamin’io herinandro io. Tamin’ny vavaka nataonay tamin’i Jehovah, dia nangataka foana ny fitahiany izahay ny amin’ny fivoriambe tsy maintsy hitranga taoriana kelin’izay sy ny amin’ireo rahalahinay tany Beyrouth Andrefana. Nokasaina hatao ny 13 jona ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Akory ny hafalianay rehefa nanambara fitsaharan’ny poa-basy ny radiao ny 12, ny omalin’iny indrindra. Nandeha tsara tokoa àry ny fivoriambe.” Taty aoriana, dia nisy fitantarana nilaza fa tsy nisy Vavolombelona naratra na dia iray aza tany Beyrouth Andrefana tamin’izany fotoana izany.
16 Tany amin’ny tany iray any Amerika afovoany izay nampisehoan’ny fitondram-panjakana vaovao tsy fahatakarana tanteraka ny amin’ny fanompoana milamina ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny misionera rehetra dia noroahina. Nosamborina ny mpivady misionera ary nahiboka tao amin’ny toerana miafina iray nandritra ny tapa-bolana mandra-pahitan’ny Vavolombelona nahatoky roa teratany ny nanjo azy ireo ka nampahafantarany izany ny ambasady britanika izay nanaovana ny nilaina mba hampialana azy ireo tao amin’ilay tany. Notantaraina fa tao amin’io faritra io ireo manam-pahefana dia nikaroka ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay reny nolazaina fa nitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.—Matio 24:45-47.
17 Tany Zimbabwe, atsy Afrika, ny mpanao raharaham-panjakana ambony iray ao amin’ny fitondram-panjakana dia nanambara toy izao tamin’ny fivoriana ara-politika iray: “Raha mbola Vavolombelon’i Jehovah koa izy ireo dia tsy misy manahirana antsika mihitsy. Tsy fahavalontsika akory izy ireo. Nefa rehefa tsy toy izany intsony izy ireo, dia amin’izay vao tokony ho velom-panahiana.” Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia mivavaka mba hahatonga ny mpitondra ara-politika rehetra hanaraka fiheverena mazava toy izany, mba hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra hanohy ‘hiaina miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra’.—I Timoty 2:1, 2.
Zava-baovao tao amin’ireo fivoriamben’ny distrika
18. Boky miavaka inona no navoaka tao amin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra”, ary inona no zava-kendreny?
18 Ny fitohitohizam-pivoriamben’ny distrika araka ny foto-kevitra hoe “Ny fahamarinan’ilay Fanjakana”, nomanin’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany dia nanomboka tamin’ny jona 1982 ary nitohy hatreo amin’ny fiandohan’ity taona ity any amin’ny faritra sasany amin’ny gilaoby. Tany Etazonia fotsiny, dia nanamarihana isan’ny mpanatrika be indrindra 1 108 022*. Tao amin’io tany io sy tany amin’ny hafa koa, dia naseho ny boky vaovao iray hianarana Baiboly. Io boky 256 pejy io, misy sary mahafinaritra tokoa, dia mitondra ny anarana hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis. Tsy bokin-tsary fotsiny anefa izy io ary tsy natao ho an’ny ankizy ihany. Ny sary mahafinaritra ao aminy dia mahatonga ho afaka hampianatra olona samy hafa taona, mba hanampiana azy ireny hamboly FINOANA, dia toetra tena ilaina mba hahazoana ny fiainana. Noho ny FINOANY latsa-paka mafy tao anatin’ny fahalalana marina an’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fikasany no nahafahan’ireo vavolombelona nahatoky tamin’ny lasa, nandresy vato misakana toa tsy ho azo resena. Noho ny FINOANA koa amin’izao andro izao no isetran’ny “olona betsaka” tia ny rariny ny zava-tsarotra amin’ny “andro farany” ka hamakivakiany tsy haninon-tsy haninona ny “fahoriana lehibe” mba hidirana ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’i Jehovah.—Apokalypsy 7:9, 14; II Timoty 3:1; Hebreo 10:38, 39; 11:32-38.
19. Inona no fanazavana ho azon’ny tenanao atao ny amin’io boky io?
19 Ny filoham-pianakaviana iray, faly nahazo an’io boky io, dia nanambara toy izao: “Tena fanomezan’i Jehovah tsy mbola nisy toy izany mihitsy voaraiko nandritra ny dimy amby roapolo taona naha-tao anatin’ny fahamarinana ahy ity. Hahatohina ny olona rehetra ny fomba fanoratra azy. Mampihetsi-po aoka izany ireo sary, hany ka haintsika ny manavaka ny fihetseham-po tsirairay avy tiana hambara. Aharihary amin’ny fomba mampiaiky ireo fikasan’Andriamanitra momba ny Fanjakany.” Io boky sarobidy tokoa io dia efa navoaka amin’ny fiteny 21, ary hatao toy izany amin’ny maro hafa koa ihany.
20. a) Nahoana no irintsika ny hisian’ny olona an-tapitrisany maro mianatra ny fahamarinana amin’ny alalan’io boky io? b) Inona no zavatra tena hisy mety ho hitan’ny olona izay mihevitra ny teny ao amin’ny Isaia 26:2, 4 tsy ho ela?
20 Manantena izahay fa maneran-tany dia olona an-tapitrisany maro no hahafantatra ny fahamarinana noho io boky vaovao hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis io ka hiandany amim-piorenana mafy amin’ny raharaha ny amin’ilay Fanjakana rehefa ho tanteraka tsy ho ela ireo teny faramparany amin’ilay “hira” voasoratra ao amin’ny Isaia toko faha-26 manao hoe: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso momba mandra-pahalasan’ny fahatezerana. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony.” Rehefa ho avy nanamarina toy izany ny anarany lehibe ao Hara-Magedona Jehovah Mpanjaka Tompo, “ny firenena marina izay mitana fitondrantena mahatoky” sy ny “olona betsaka” mpivavaka hafa koa amin’Andriamanitra, samy tsy haninon-tsy haninona, dia hahita amin’izay fa hanjary ho zavatra tena izy ireo fampanantenana mahatalanjona nampanoratin’i “Jah Jehovah” tamim-pahatokiana tokoa ao amin’ny Teniny.—Isaia 26:2, 4 (MN), 20, 21; Apokalypsy 7:9, 14; 16:13-16.
[Fanamarihana ambany pejy]
Tamin’ireo fivoriamben’ny distrika araka ny foto-kevitra hoe “Ny tsy fivadihana amin’ilay Fanjakana”, nalamina 1981, naneran-tany dia nanamarihana mpanatrika 4 147 256, ary Vavolombelona vaovao 44 357 no natao batisa.
Aoka hojerentsika indray ny fahatanterahan’ilay “hira” ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Isaia, amin’ny andro ankehitriny:
◻ Isa 26 Andininy faha-2: Iza moa, voalohany indrindra, no nanolotra ny fanohanany ilay Fanjakana? Tamin’ny fomba ahoana ary inona avy no vokany?
◻ Isa 26 Andininy faha-4: Tokony hanome toky inona ny tsirairay avy amin’ny mpanompon’i Jah moa ireo teny ireo?
◻ Isa 26 Andininy faha-15: Rehefa heverina amin’ireo zavatra niavaka indrindra tamin’ny rapaoron’ny taom-piasana 1982, inona moa no tanteraka?
◻ Isa 26 Andininy faha-20: Fialofana inona no atolotr’i Jehovah, ary haharitra toy inona izany?
◻ Isa 26 Andininy faha-21: Antony inona ampiharan’i Jehovah ny fitsarany no soritana eo?
[Efajoro/Sary, pejy 24]
Nifaly ireo Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany rehefa nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny distrika nataony araka ny foto-kevitra hoe “Ny fahamarinan’ilay Fanjakana” ny boky “Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis”, boky 256 pejy be sary. Io boky io izay manazava tsara ireo foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly, dia manohina ny fon’izay rehetra maniry hahita toe-piainana tsaratsara kokoa eto an-tany, na tanora na be taona. Antenaina ny handraisany anjara asa lehibe amin’ny fampitomboana ny asan’ny Vavolombelona maneran-tany izay mikendry ny hamporisihana ny hianarana Baiboly any an-tokantrano.
[Tabilao, pejy 18-21]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1982
(Jereo ny gazety vita boky)
[Sary, pejy 25]
Ny sasantsasany amin’ireo trano vaovao teo am-panorenana azy tamin’ny 1982 ho amin’izay ilain’ny sampan eoropean’ny Fikambanana Watch Tower
ENEBAKK, NORVEZY
HOLBÆK, DANEMARKA
AJALVIR (MADRID), ESPAINA
SELTERS, ALEMAINA