Mitafy fiadiana mba hiady amin’ireo fanahy ratsy
“Isika (...) mitolona (...) amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”—Efesianina 6:12.
1. Ady inona no tsy maintsy ataon’ny kristiana, ary hafiriana no haharetan’izany?
RAHA mbola misy foana ny fanahy ratsy sy izao tontolo izao eo ambany fanapahany, isika dia tsy maintsy miady mba tsy ho tonga eo ambany fifehezany. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny [asa feno fitaky ny] devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”—Efesiana 6:11, 12.
2. Ho vokatry ny fiezahan’ny Devoly tany am-boalohany, ady fanampiny inona koa moa no tsy maintsy ataontsika? b) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa lehibe aoka izany ny tarehin-javatra ka tena mila ny mitafy fiadiana isika amin’ilay ady?
2 Kanefa tsy amin’ireo fanafihan’ny fanahy ratsy avy aty ivelany ihany akory no tokony hiadiantsika; ny maha-sarotra indrindra ny adintsika dia ny tsy fahatanterahana nolovana izay vokatry ny tsy fahombiazan’i Adama sy Eva hahatohitra ny fiezahan’ny Devoly tany am-boalohany. Koa noho izany, dia hoy ny Baiboly: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21; Romana 5:12.) Na dia ny apostoly Paoly aza dia tsy maintsy niady mba hanaovana izay marina. Raha ta-hanao ny marina aho”, hoy ny fanazavany, “dia ato amiko ihany ny ratsy.” (Romana 7:21-23.) “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”, hoy ny filazan’ny Baiboly (Jeremia 17:9.) Mazava loatra fa ilaintsika ny mitafy fiadiana mba hiadiana amin’ny fiezahan’ny fanahy ratsy izay mitady ny hanaovantsika ratsy!
Miadia amin’ny faniriana ny zavatra hita maso
3. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nanatonan’ny Devoly an’i Eva tany am-boalohany? b) Ahoana no mety ho fihevitry ny olona iray mikatsaka zavatra ara-nofo?
3 Afaka matoky isika fa ny fanahy ratsy dia hanandrana hampitombo ao amintsika fitiavana ny zavatra hita maso. Hataony izay hahatonga antsika ho voasinton’ny zavatra izay ‘irin’ny maso’. (I Jaona 2:16, MN.) Tsarovy ny fomba nanatonan’i Satana an’i Eva tany am-boalohany, ny fomba nanintonany ny sainy ho amin’ilay hazo toa tsy nampidi-doza sy ilay voankazo voarara teo aminy. Nony taitra ny fahalianany tamin’ilay hazo sy ilay voany, dia nanomboka nahatsikaritra i Eva “fa mahafinaritra ny maso (ilay hazo) ary hazo mahatsiriritra hampahahendry.” Inona àry no nitranga? “Nanotazany ny voany ka nihinanany.” (Genesisy 3:6) Hampiasa tetika toy izany ny fanahy ratsy, ka ny faniriantsika ara-dalàna ny zavatra tsara ho an’ny maso no hararaotiny. Tsy isalasalana fa izy ireo no tompon’andraikitra amin’izao fomba fihevitra izay re matetika izao: ‘Raha tsy maintsy miasa aho mba hahavelomako, nahoana aho no tsy hanangom-bola be sy zavatra maro avy amin’izany? Amin’izay aho dia afaka mizara ireo amin’ny hafa.’
4. a) Fizarana inona no mendri-piderana, kanefa karazam-panomezana inona no tsy mety? b) Latsaka tao anatin’ny fandrika inona izay tokony hitandremantsika tena moa ny mpanompon’Andriamanitra sasany tamin’ny lasa?
4 Azo antoka fa mendri-piderana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao izay manana betsaka kokoa eo amin’ny lafiny ara-nofo ka mizara izany amin’ireo izay manana kely kokoa, toy ny nataon’ireo kristiana voalohany tao amin’ny fanasam-pifankatiavany (Joda 2). Kanefa, ahoana raha ohatra ny olona iray ka manana antony manosika hafa, ka hanome fanomezana ho an’ny olona iray, ohatra, satria fantany fa izany olona izany dia afaka ny hanome azy, ho valiny, tombontsoa sasany ao anatin’ny kongregasiona kristiana? Tena tsy hety tokoa izany! Ary tsy hety koa raha ohatra ilay manaiky fanomezana toy izany ka hamaly izany amin’ny alalan’izany karazan-tombontsoa izany. Raha manao zavatra toy izany ny olona iray, dia azo ampitahaina amin’ny fandraisana kolikoly izany. Amim-pahendrena no hitandreman’ny kristianina iray mba tsy ho latsaka ao anatin’ny fandrika toy izany, fandrika izay nahalatsahan’ny mpanompon’Andriamanitra sasany tamin’ny lasa raha nomena toerana nisy andraikitra izy ireo.—I Samoela 8:1-3; II Tantara 19:6, 7.
5. Inona moa no loza misy raha tonga zava-dehibe tsy araka ny tokony ho izy eo amin’ny fiainan’ny tena ny zavatra ara-nofo?
5 Rehefa tonga zava-dehibe na mibahana eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny zavatra ara-nofo, na inona na inona antony arosony, izany olona izany dia eo amin’ny toerana tena mampidi-doza. Inona no mety hitranga? Ny fahasalamana ara-panahy dia mety hiharatsy tsikelikely, ary matetika dia simba mihitsy. Tao amin’ny iray amin’ireo fanoharany, dia izao no nolazain’i Jesosy ny amin’ny sasany izay nianatra ny fahamarinan’Andriamanitra: “Fa nony nandeha izy, dia voagejan’ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.” (Lioka 8:14.) Kanefa na dia tsy miharatsy aza ny fahasalamana ara-panahin’ny kristiana iray izay mihevitra be loatra tsy araka ny tokony ho izy ny zavatra ara-nofo, moa ve izany milaza fa tsy nahomby ny fikasana feno hafetsen’ireo fanahy ratsy?
6. Inona moa no mety ho vokatry ny fomba fiaina mifototra amin’ny zavatra hita maso arahin’ny kristiana iray, eo amin’ireo mpino namany?
6 Tsia, satria diniho ny fomba mety hanimban’ny fiainana feno fitiavana ny zavatra ara-nofo ananan’izany olona izany ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Ohatra, rehefa mahita kristiana iray manao fiezahana mafy mba hahazoana vola be sy zavatra tsara tarehy ny mpikambana tanora kokoa sy mora taitra ao amin’ny kongregasiona, moa ve izy hahazo famporisihana avy amin’izany mba hikatsaka aloha ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no voamarikao? Moa ve tsy marina fa, rehefa mandinika ny tombontsoa ivelany azo avy amin’ny fananana zavatra ara-nofo ireo vaovao kokoa eo amin’ny lalan’ny fahamarinana dia voatosika koa hanatratra zava-kendrena ara-nofo, angamba amin’ny fitondrana fahavoazana eo amin’ny ara-panahin’ny tenany manokana?
7. Nahoana moa no ohatra tsara ilay an’ny loholona kristiana iray any Alemaina? b) Amin’ny fomba ahoana no anombanan’izao tontolo izao ny fahombiazana, ary ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana izany fomba fihetsika izany? b) Tokony hanakiana ireo izay manana fananana ara-nofo tsara ve isika?
7 Tsara homarihina ny zava-nitranga tamin’ny loholona kristiana iray tany Alemaina, izay manan-karena tokoa. Nanontanian’ny rahalahy kristiana iray izay nahafanta-javatra momba ny toerany eo amin’ny ara-bola, azy ny antony itondrany “Volkswagen” (fiarakodia mora vidy kokoa) sy ipetrahany ao amin’ny trano tsotra iray. Tonga dia maotina be izy ka namaly hoe: “Satria raha mitondra “Mercedes Benz” (fiarakodia mirenty be) sy niaina tamin’ny fomba nisehoseho aho, dia nety ho nanimba ny fahasalamana ara-panahin’ireo rahalahiko sy anabaviko kristiana izany. Samy hafa dia samy hafa amin’ny an’izao tontolo izao re izany fihetsika izany! Ny lalana arahin’izao tontolo izao dia ny manaraka “ny rehaka momba izao fiainana izao”. (I Jaona 2:16.) Araka ny fiheveran’izao tontolo izao, dia ny habetsahan’ny vola sy ny zavatra ara-nofo ananan’ny olona iray no ahafahana manombana ny fahombiazany. Kanefa enga anie ka tsy ho marina mihitsy izany ao amin’ny fandaminana kristiana! Ilaintsika ny mitafy fiadiana mba tsy hahafahan’ny iray amin’izany fomba fihevitr’i Satana izany hiditra ao an-tsain’ny tenantsika manokana sy ny an’ny kongregasiona kristiana. Amin’izay fotoana izay koa ny toe-panahintsika araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana dia hiafara amin’ny tsy fanakianana ireo izay mety ho toa manaraka fomba fiaina mandany be loatra.—I Timoty 6:6-8.
8. a) Ohatra inona moa no napetrak’i Jesosy Kristy ho antsika? b) Fanontaniana inona no mety ny hametrahantsika azy amin’ny tenantsika?
8 Ilaintsika foana ny mitadidy ao an-tsaina ny fihetsika sy ohatry ny mpampianatra antsika, dia Jesosy Kristy. Na dia afaka nanana voninahitra sy harena be aza Kristy, ka niaina tao anatin’ny rendrarendra, dia tsy nikatsaka ireo zavatra ireo izy. Indraindray aza izy dia tsy nanana izay heverin’ny olona maro be fa tena ilaina eo amin’ny fiainana akory). (Matio 4:8, 9; 8:20.) Nahoana izy no nanana fandavan-tena be tahaka izany? Satria samy napetrany teo amin’ny toerana tokony hisy azy avy ny zavatra rehetra. Tsapany fa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia tokony hapetraka alohan’ny zavatra hafa rehetra. (Jaona 4:34.) Moa ve isika mitandrina ny ohatra navelany ka miezaka ny hanahaka izany eo amin’ny fomba fiainantsika? Ho amin’inona àry no tena hivelomantsika—hananana fiainana tsy mananosarotra sy misy ny zavatra rehetra izao sa hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovan’Andriamanitra?—Hebreo 12:2, 3; I Petera 2:21-24; 3:14.
9. Fiadiana ara-panahy inona moa no ilaintsika mba hiadiana amin’ny faniriana zavatra hita maso, ary amin’ny fomba ahoana no hahafahan’io fiadiana io miaro antsika?
9 Amin’ilay ady ataontsika mba tsy hamelan’ny fanahy ratsy hamboly ao amintsika ny faniriana ny zavatra hita maso, dia mila fiadiana isika, fiadiana ara-panahy. Mila manana “ny RARINY ho fiarovan-tratra” isika, ka izany dia midika fa tokony hanao izay marina eo imason’Andriamanitra isika. (Efesiana 6:13, 14.) Ary ny marina hataontsika izao dia ny ‘mandà ny tenantsika ka manaraka an’i Kristy’, satria araka ny tohin’ny filazan’i Jesosy: “Inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?” (Matio 6:33.) Fitaovana tena lehibe hafa iray eo amin’ny fiadiana ny “FINOANA ho ampinga”. (Efesiana 6:16.) Tena tokony hino marina ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra isika ka tsy hitady an’ity fandehan-javatra tranainy ity mba hanatanteraka ny faniriantsika. Aza hadinoina mihitsy fa tsy ho ela izy dia hifarana, miaraka amin’ireo hareny rehetra.—I Jaona 2:17; Ezekiela 7:19.
10. Fitaovana inona amin’ny fiadiana moa no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiadiana amin’ny faniriana zavatra hita maso, ary nahoana?
10 Kanefa mba hiadiana amin’ny endrika feno hafetsen’ny fitiavana ny zavatra hita maso, dia mila indrindra ilay fitaovana voatonona manaraka isika, dia “ny FAMONJENA ho fiarovan-doha”. Ny taratasy iray hafan’ilay apostoly dia milaza fa isika dia mila mitafy “ny FANANTENANA NY FAMONJENA ho fiarovan-doha.” (Efesiana 6:17; I Tesaloniana 5:8.) Ny dikan’ny hoe manana ny “fanantenana ny famonjena” dia hoe miandry sy manantena ny valisoa homen’Andriamanitra fa tsy mitady ho valisoa ny fiainana mora eo amin’ity fandehan-javatra ity.
11. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Mosesy fa nitafy “ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha” izy?
11 I Mosesy dia nanana io fiarovan-doha io, dia “ny fanantenana ny famonjena”. Na dia notezaina ho toy ny zanaky ny zanakavavin’i Farao aza izy dia nanda ny hifidy “ny fifaliana vetivety amin’ny fahotana” tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, na ny hikatsaka “ny zava-tsoan’i Egypta”. Nahoana? “Satria nijery ny famalian-tsoa izy.” Nieritreritra na nihevitra tamin’ny fomba lalina an’i Mosesy ny amin’ireo zavatra izay nampanantenan’i Jehovah. Tsy hoe nandre na namaky ny amin’i Jehovah fotsiny akory i Mosesy. Milaza ny Baiboly fa “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” (Hebreo 11:24-27.) Tena nisy i Jehovah tamin’i Mosesy, ary toy izany koa ireo fampanantenany fiainana mandrakizay. Raha tiantsika ny hahatohitra ny fanafihan’i Satana amim-pahombiazana, ny fanantenantsika ny hiaina mandrakizay dia tokony ho tena misy amintsika toy izany koa.
Miadia amin’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy
12. Inona moa no nataon’ny fanahy ratsy izay hisiany mba hanafihana amim-pahombiazana kristiana maro be?
12 Araka ny voamarika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ny iray amin’ny fomba lehibe indrindra ampiasain’ny fanahy ratsy mba hisian’ny kristiana voa ao amin’ny toeram-piadiana, dia ny hanaovana izay hidirany amin’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mitady izy ny hampikororosy ny faniriantsika eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy nomen’Andriamanitra—faniriana izay natao hahazoana fahafahampo eo anivon’ny fanambadiana ihany. Saika hatraiza hatraiza amin’izao andro izao ireo fanahy ratsy dia nahomby tamin’ny fanaovana izay hisian’ny tarehin-javatra sy zava-mitranga izay mahatonga kristiana ho latsaka amin’ny fakam-panahy hanana firaisana ivelan’ny fandaharan’ny fanambadiana. Fiadiana inona no hanampy antsika hiady amin’io fanafihan’ny fanahy ratsy io!
13. Tamin’ny ahoana no nampisehoan’i Josefa fa nitafy “ny rariny ho fiarovan-tratra” izy?
13 Iankinan’ny aina ny fitafiana “ny rariny ho fiarovan-tratra”. Ilaintsika ny ho vonona amin’ny fotoana rehetra mba hanao izay lazain’Andriamanitra fa marina. (I Korintiana 6:18) Nanana izany fiadiana izany i Josefa. Rehefa tsy tapaka nangataka taminy isan’andro hoe: “Avia handry amiko”, ny vadin’i Potifara, lasa adalan’ny amin’ny lahy sy ny vavy, dia hoy i Josefa: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:7-12) Toa an’i Josefa, isika koa dia mila ny mieritreritra ny amin’ny vokatry ny fanarahana farahatsiam-pitondrantena, izay mety hirin’ny ‘fontsika mamitaka’.—Jeremia 17:9.
14. Zavatra inona no tokony hodinihintsika izay hanampy antsika tsy ho latsaka amin’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?
14 Voalohany indrindra, dia tokony hodinihintsika ny hoe amin’ny ahoana no mahavoatohina an’i Jehovah raha mandika ny lalàny isika. Nanendrikendrika an’i Jehovah i Satana ka nilaza fa raha ao anatin’ny fitsapana ny olona dia tsy hijanona ho mahatoky aminy. Namporisika toy izao àry i Jehovah: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11.) Eritrereto izao: Handika ny lalàn’Andriamanitra ve ianao ka hampifaly an’i Satana ary hampalahelo an’Andriamanitra? (Salamo 78:38-41) Raha tena tia an’i Jehovah tokoa ianao, ahoana no hahafahanao manao zavatra toy izany? Diniho koa ny zavatra izay fahendrena ny hanaovana azy. Jehovah ihany no afaka manome anao ny fiainana mandrakizay. Tsy fahendrena àry ve ny hanaovana ny sitrapony?—I Jaona 5:3; Romana 6:23.
15. Fomba fihevitra inona no tsy ao an-tsain’ireo izay tafalatsaka ao amin’ny fanaovan-dratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy?
15 Ny kristiana izay resin’ny fanafihan’i Satana dia tena tonga jamba ara-panahy. Ny fahajambany ara-panahy dia azo ampitahaina amin’ny tarehin-javatra nisy ilay zatovon’i Elisa. Tsarovy ny fomba nivavahan’i Elisa ho azy: “Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany.” Ary dia nahita ilay zatovo, “ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.” (II Mpanjaka 6:15-17.) Hitanao ve ireo izay mijery antsika? Jehovah dia mijery antsika, toy izany koa Kristy sy ny anjely. (Salamo 11:4; 34:7; Hebreo 1:14; Matio 18:10.) Toy ny hoe eo ambony sehatra isika. (Ampitahao amin’ny 1I Korintiana 4:9.) Raha manana izany fomba fijery araka ny Baiboly izany ny olona iray, amin’ny ahoana no hahafahany ho latsaka amin’ny fanaovan-dratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy, nefa fantany fa ireo zavatra ataony ireo indrindra dia misy mijery avy any ambony?
16. Zavatra fanampiny inona, raha dinihina, no hanampy antsika tsy ho latsaka ao amin’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?
16 Izao koa, raha sanatria ianao ka hanaraka faharatsiam-pitondrantena iray, dia diniho ny ho vokany eo amin’ny kongregasiona kristiana. Ny olona any ivelany dia mety hanatsoaka hevitra fa tsy misy maha hafa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao tontolo izao, ary, ho vokatr’izany, dia mety tsy hanaiky ilay hafatra famonjena aina ireo mpandinika antsika ireo. (II Petera 2:2.) Eritrereto koa ny alahelo mety haterak’izany faharatsiam-pitondrantena izany eo amin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakavianao. (Ohabolana 10:1.) Ary raha manambady ianao, dia manontania tena hoe: “Ahoana no hahafahako hanao zavatra mampiseho halozana toy izany amin’ny vadiko? Karazana olona inona aho?” Raha heverintsika daholo ny zavatra rehetra, moa ve ny fanarahana faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy tsy zavatra tena mampiseho fitiavan-tena sy tsy fahaizana mihevitra ny ho avy ary hadalana?
17, 18. a) Ady inona naharitra mandritra ny fiainany manontolo moa no nataon’ny apostoly Paoly, ary ahoana no nahafahany nandresy? Mba hananantsika ny fiadiana tanteraka, dia inona no iankinan’ny aina, ary ahoana no tsy maintsy hanarahantsika izany?
17 Marina fa tsy mora foana ny tsy manao zavatra ratsy. Ny tenan’ny apostoly Paoly mihitsy dia nanana ady, nandritra ny fiainany manontolo, tamin’ny faniriana ratsy izay andevony izy teo aloha. Hoy ny nosoratany: “Asiako mafy ny tenako (...) ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (I Korintiana 9:27; Titosy 3:3.) ‘Nasiaka’ tamin’ny tenany i Paoly. Nanery ny tenany mba hanao izay marina izy, na dia naniry ny hanao ny ratsy aza ny tenany. Tokony hanao toy izany ianao, raha tianao ny hivoaka ho mpandresy amin’ny ady.
18 Mba hitafiana ny fiadiana amin’ny fomba tanteraka dia mila koa ianao ny mivavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana. (Efesiana 6:18.) Kanefa tsy afaka mivavaka mba hahazoana fanampiana ianao no sady mamaky boky misy faharatsiam-pitondrantena, mijery sarimihetsika misy fahalotoam-pitondrantena na manofinofy na milalao fitia amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toy ny tenanao. Tsy maintsy miasa mba hahazoana izay angatahinao ao amin’ny vavaka ataonao ianao!
Miadia amin’ny fomba fihevitra tsy tia ny miankina
19. a) Tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’i Jehovah foana ny vahoakany? b) Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny olona sasany ny fomba fihevitra tsy tia ny miankina?
19 Amin’ny fianarantsika ny Baiboly dia fantatsika fa nitarika ny mpanompony tamin’ny fomba nilamina foana i Jehovah. Ary toy ny tsy nisian’ny fandaminana kristiana marina afa-tsy iray ihany tamin’ny taonjato voalohany, dia toy izany koa amin’izao andro izao, Jehovah dia tsy mampiasa afa-tsy fandaminana iray ihany. (Efesiana 4:4, 5; Matio 24:45-47.) Kanefa misy olona sasany izay manondro ilay tsy maintsy nanaovan’ny fandaminana fanitsiana teo aloha, ka manazava hoe: “Izany dia mampiseho fa isika dia tokony hanapa-kevitra manokana ny amin’izay inoantsika.” Izany dia fomba fihevitra tsy tia ny miankina. Nahoana izy io no mampidi-doza aoka izany?
20. Porofo mihariharin’ny Inona moa ny fomba fihevitra tsy tia ny miankina? b) Inona no hanampy antsika ka hisakana antsika tsy hametraka ny fomba fihevitsika manokana alohan’ny an’ny fandaminana d) Ohatra inona tamin’ny taonjato voalohany no tsara raha arahintsika?
20 Porofo mihariharin’ny fiavonavonana ny fomba fihevitra toy izany. Ary hoy ny Baiboly: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” (Ohabolana 16:18.) Raha tonga eo amin’ny fiheverana isika fa mahay kokoa noho ny fandaminana, dia tokony hanontany tena toy izao: “Taiza no nahafantarantsika ny fahamarinan’ny Baiboly teo am-boalohany? Ho fantatsika ve lalan’ny fahamarinana raha tsy nisy ny fitarihana avy amin’ny fandaminana? Raha ny tena izy, afaka ny hahomby ve isika raha tsy nisy ny fitarihan’ny fandaminan’Andriamanitra?” Tsia, tsy afaka isika!—Ampitahao amin’ny Asa. 15:2, 28, 29; 16:4, 5.
21. a) Noho ny fepetra inona ihany moa no hahazoantsika ny fandresena? b) Inona no tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana, ary karazam-piainana manao ahoana no tokony hananantsika amin’izao fotoana izao?
21 Rehefa dinihintsika ny herin’ireo hery ara-panahy izay miasa amintsika, dia tsy maintsy manaiky isika fa raha ny tenantsika manokana dia tsy afaka ny handresy. Kanefa, amin’ny alalan’ny fanohanan’Andriamanitra, ny fanampian’ny fandaminany, ny fikambanan’ireo rahalahintsika maneran-tany, dia tsy afaka ny ho resy isika. (Salamo 118:6-12; I Petera 5:9.) Kanefa, tsy tokony hohadinointsika fa ao anatin’ny ady ara-panahy isika, ary izany fotoan’ny ady izany dia tsy tokony ho fotoana hialan-tsasatra, hankafizana fotsiny ny fialam-boly sy ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana. Mifanohitra amin’izany, izany dia fotoana ho amin’ny fiezahana mafy, ny fiambenana ary ny fandavan-tena. Ny fahavalo dia afaka nanao izay hampihenan’ny sasany tamintsika ny fiambenany, ary dia voa izy ireo. Enga anie izany ka tsy hitranga amintsika mihitsy! Tsy hitranga amintsika izany raha tafintsika hatrany “ny fiadian’Andriamanitra” mba hahafahantsika “hifahatra amin’ny [asa feno fitaky] ny Devoly.”—Efesiana 6:11, 12.
Afaka mamaly ireto fanontaniana ireto ve ianao?
◻ Rehefa mibahan-toerana eo amin’ny fiainan’ny kristiana iray ny zavatra hita maso, zava-manahirana inona no ho vokatr’izany ho an’io olona io sy ny hafa ao amin’ny kongregasiona?
◻ Inona no hanampy antsika mba hiadiana amin’ny faniriana zavatra ara-nofo?
◻ Inona no hanampy antsika mba tsy ho lavo amin’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?
◻ Inona no porofo mihariharin’ny fomba fihevitra tsy tia miankina, ary inona no hanampy antsika mba tsy ho tafalatsaka amin’izany?