Nifototra tamin’ny asa sarotra iray i Titosy
“HO AN’I TITOSY, tena zanako araka ny finoana iombonantsika.” Ny teny toy izany dia tsy maintsy nanafana ny fon’i Titosy tamin’ny fomba nanombohany namaky ny taratasy izay nampiandraiketan’ny apostoly Paoly asa nanirahana azy. Marina tokoa fa navelan’i Paoly tany Kreta izy mba hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany, amin’ny fitsidihana ireo kongregasiona isan-karazany tao amin’ilay nosy. Nasehon’i Titosy fa “tena” kristiana izy ary nahafeno araka izany ireo fepetra takina mba hiantsorohana ny andraikitra nomena azy. — Titosy 1:4.
Roa ambin’ny folo taona fara fahakeliny talohan’izay, dia nitondra an’i Titosy tany Jerosalema i Paoly. Ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa io kristiana nahatoky grika tsy nifora io dia tao tamin’ny fivoriana izay nahatongavan’ny apostoly sy loholona tamin’ny famaranan-kevitra tsara momba ny zava-manahirana ny amin’ny famorana. Rehefa avy nandinika fanambarana maro ireo apostoly sy loholona dia namoaka didy tokoa fa tsy nilaina ho an’ny kristiana tsy jiosy toa an’i Titosy ny hoforana sy hitandrina ireo hafa tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy misy isalasalana fa io fivoriana nanan-tantara io dia nanamafy orina ny finoan’i Titosy. — Asa. 15:1-29; Galatiana 2:1-3.
Kanefa, tany Kreta, ny olona sasany izay tonga tao amin’ny kongregasiona dia nijanona “nifikitra tamin’ny famorana (MN)”. Tsy nifanaraka tamin’ny kolejy foibe tany Jerosalema izy ireo. Tsy nitazonany heviny ho azy ireny “maditra” ireny fa nampianatra fa nilaina ho amin’ny famonjena ny famorana. Ratsy lavitra noho izany aza, ireny “mpitaria foana” ireny dia nanasoaso ireo anganonganon’ny Jiosy” sy didy tsy avy amin’ny Lalàn’i Mosesy. Ireny olona kinga tamin’ny ‘famitahana’ ny namany ireny dia nandrava ny finoan’ny “mpianakavy maro”. Ireo kongregasionan’i Kreta dia notandindomin’ny fandravana. — Titosy 1:10, 11, 14.
Nisy loza iray hafa nitoetra teo anivony ratsy an-karihary izay niavian’ireo kristiana tao Kreta. Ankoatr’izany, ny mpaminany tao amin’ny nosy anankiray dia niaiky hoe: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda.” Araka ny ahariharin’io oha-teny io, ireo Kretana dia nitovy tamin’ireo bibidia izay manapotika sy mamono ireo latsaka ao amin’ny hohony. Nahita fahafinaretana tamin’ny fanapotipotehana ny lazan’ireo namany amin’ny resadresaka feno lainga izy ireo. Kanefa, ireny kilema ireny dia nahazo ireo kongregasiona kristiana tany Kreta. — Titosy 1:12; 3:2.
Ao amin’ny taratasiny, Paoly dia nanoratra mazava izay tokony hatao mba handaminana ireo zava-manahirana ireo. Titosy dia tsy maintsy niantsoroka asa roa nilaina. “Izao no namelako anao tany Kreta, hoy ilay apostoly, dia [1] ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy [2] hanendrenao loholona isantanàna, araka ny nandidiako anao”. — Titosy 1:5.
Ahoana no handaminana izay mbola tsy tanteraka
Tsy asa mora akory izany. Teo anatrehan’ireo mpanakorontana, Titosy dia tsy maintsy niaro ny fahamarinana tamin’ny fijanonana “mitana mafy ny teny marina”. Marina fa hanamavo azy ny sasany ary handa ny fahefany. Nefa i Titosy dia nahazo fahefana teokratika. Afaka nampiseho ny taratasy nanirahana azy izay nanambara toy izao izy: “Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao. — Titosy 1:9; 2:15.
Nefa inona no hatao raha misy olona tsy mety anarina ary manandrana mitaona ireo mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona homba azy? Amin’io tarehin-javatra io, dia tokony haneho famindrampo amin’ny fanomezana azy ‘fananarana indray maka na indroa’. Kanefa raha tsy misy akony ireny fananarana ireny, amin’izay Titosy dia tokony hampihatra ity torohevitra manaraka ity: “Ialao” izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny lehilahy toy izany dia haongana na horoahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona. — Titosy 3:10, 11.
Noho ny rivo-piainana feno tsy firaikana nanjaka nanodidina azy ireo, ny kristiana sasany tao Kreta dia nirona ho amin’ny fanaovana tsirambina ireo torohevitra. Izany no antony tsy maintsy nanohizan’i Titosy ‘hananatra mafy azy ireny’. Ambonin’izany, tsy maintsy nampahatsiahivina an’ireo rahalahy be taona aza ny ilàna “hahonon-tena, ho maotona”. — Titosy 1:13; 2:2.
Ny fanendrena ireo mpiandraikitra
Ireo kongregasiona tany Kreta dia nilaina hotandremana araka ny mety. Mba hanaovana izany, moa ve Titosy tsy maintsy nifidy ny mpikambana nanam-pahefana indrindra tao amin’ny kongregasiona ary hanendry azy ho pretra? Tsia. Tsy maintsy nanendry “loholona amin’ny isan-tanàna” kosa aza izy. Tsy maintsy niahy àry izy ny handaminana kolejin’ny loholona ao amin’ny kongregasiona tsirairay avy mba hitarihana ny asa. — Titosy 1:5.
Avy eo Paoly dia nitanisa fepeta takina maromaro izay mety hitari-dalana azy amin’ny fifidianana ireny mpiandraikitra ireny. Ireny fitakiana ireny dia nifototra indrindra tamin’ny fitondrantenan’ny lehilahy toy izany. Nilaina aloha ny mpiandraikitra rehetra tsy ‘hanan-tsiny’. Tsy nila ny ho olona mahay izy, nefa na dia izany aza dia tsy maintsy nahafantatra ny ‘tenin’Andriamanitra’ ary nifikitra mafy tamin’izany mba hampianarana sy ‘handresen-dahatra ny mpanohitra’. Raha ny marina, ireny toetra ireny koa dia takina amin’ireo lehilahy izay kasaina hanankinana ny asan’ny mpiandraikitra ankehitriny. Araka izany, dia nanoratra i Paoly hoe: “Fa ny mpitandrina [mpiandraikitra, MN] dia tsy maintsy (...) masina [mahatoky, MN]”. Amin’izao androntsika izao ny lehilahy toy izany dia haneho ny fahatokiany amin’ny fijanonana “mitana mafy ny teny marina”, araka izay anazavana azy ao amin’ireo boky voatontan’ny fandaminana kristian’i Jehovah. — Titosy 1:6-9.
Nisy zava-dehibe maro hafa koa izay tsy maintsy nisehoan’i Titosy ‘hitompoana mafy’. (Titosy 3:8.) Ireny raharaha isan-karazany ireny dia mety ho voalahatra ao amin’ny fizarana efatra samy hafa: ireo filana, ny teny, ny asa ary ny fihetsika.
Aoka isika hamboly filana tsara
Indroa Paoly no niresaka ny amin’ny “fanantenana ny fiainana mandrakizay” ao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy. Azontsika atao amim-pahatokiana ny hampifantoka ny fontsika amin’io fanantenana io, satria izy io “nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga”. (Titosy 1:2; 3:7.) Mifanohitra amin’izany dia tsy ho ara-drariny ary mampidi-doza ny hamelana “ny filan’izao tontolo izao” hangeja ao am-pontsika io “fanantenana mahafinaritra” io, izay ny fahatanterahany dia miankina amin’ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Kristy Jesosy Mpamonjy antsika”! — Titosy 2:11-14, MN.
Ny ‘fisehoan’ny voninahitry’ ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika dia efa tena akaiky ankehitriny. Io fisehoana io dia mifamatotra akaiky amin’ny fandevonana tanteraka an’izao fandehan-javatra ratsy izao sy izay rehetra nampifantoka ny fiainany tamin’ny zava-manintona hita maso sy araka ny nofo. Tena ilaina àry ny hanongotana ao am-pontsika, eny, ny handavana (...) ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny (...) toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao.’ — Titosy 2:11-14.
Aoka isika hitandrina ireo tenintsika
“Mpitaria foana”, “mpandainga”, ‘mamalivaly’, ‘miteny ratsy olona’, “fanontaniana adala”, ireo no fitenenana vitsivitsy izay mahatonga antsika hahazo an-tsaina ny fomba fampiasana ratsy nanaovan’ireo Kretana ny lelany. Titosy àry dia voatery nananatra ireo anabavy be taona mba tsy ho “mpanendrikendrika”. Kanefa ireny torohevitra ireny dia mety hiharihary ho tena ilaina ankehitriny. — Titosy 1:10, 12; 2:3, 9; 3:2, 9.
Araka izany, ny anabavy be taona anankiray, na dia be zotom-po amin’ny asa fitoriana aza dia nanana fironana niteny ratsy an’ireo zanany nanolo-tena ho an’i Jehovah izay efa nahatratra ny taona maha-olon-dehibe, sy ny vadiny izay tsy mpino. Nanjary nilaina àry ny hanaovan’ny anankiray tamin’ireo loholona tao amin’ny kongregasionany, lahateny momba an’io foto-kevitra io, kanefa tsy manonona azy amin’ny anarany. Raha ny tena izy, moa ve isika manana zo hanao teny fanalam-baraka na iza na iza? Tao amin’ny taratasiny azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izay nosoratany ho an’i Titosy dia nosoritan’i Paoly fa tsy tokony “hiteny ratsy olona” izy. Ny kristiana koa aza dia hanao izay azony atao mba ho fantatra noho ny “teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina”. — Titosy 3:2; 2:8.
Asa ankasitrahan’Andriamanitra
“Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany”. (Titosy 1:16). Io filazalazana io dia nety tokoa toy ny gan-tanana tamin’ireo olona namafy fisaratsarahana tao amin’ireo kongregasiona kretana. Mifanohitra amin’izany, Paoly dia nanamafy inefatra ny amin’ny “asa tsara”. (Titosy 2:7, 14; 3:8, 14.) Tamin’ny nisehoan’ny tenany ho ohatra tamin’ny asa tsara indrindra, Paoly dia afaka niteny ny amin’ny tori-teny izay natolotra ho adidiny’. (Titosy 1:3.) Raha ny marina, Jesosy dia nanankina io asa lehibe indrindra io tamin’ny mpianany rehetra; noho izany dia tokony hanana toeram-boninahitra ao anatin’ireo “asa tsara” izay ataontsika tsy tapaka izy io. — Matio 28:19, 20.
Ny fiezahana ataon’ny ray mba hitaizana ireo “zanaka mino” koa dia anisan’ireo “asa tsara” ireo. Fa raha ny amin’ireo vehivavy, dia manatontosa asa toy izany izy ireo, ankoatra ny zavatra hafa, amin’ny ‘fiasana ao an-tranony’ ary amin’ny ‘fanekena ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra’. Na dia tsy tena andevo ara-bakiteny aza izy ireo, izay manana asa dia hampihatra ireo fotopotopitsipika voarakitra ao amin’ny Titosy 2:9, 10 amin’ny fankatoavana ireo mampiasa azy sy amin’ny fanajana azy. Ankoatr’izany, ny kristiana rehetra dia tokony “hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana” ary hiseho “ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra”. — Titosy 1:6; 2:5; 3:1.
Aoka isika hanana fihetsika tsara
Ireo kristiana tany Kreta dia tokony hanana fihetsika tsara tamin’ireo mpanota eo amin’izao tontolo izao. Tsy hiteny ratsy azy ireo fa tsy maintsy maneho “ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra” kosa izy. Eny, tokony hanao toy izany koa isika ankehitriny, raha tsy izany, ny fiezahana ataontsika mba hanampiana ny mpiara-belona amintsika hanaiky ny hafatr’ilay Fanjakana dia tsy hisy vokany. Ambonin’izany, sahala amin’ireo kristiana tany Kreta fahizay, dia tokony hotandremantsika koa ny fifaneraserantsika. Raha tsy manao toy izany isika, ahoana no hahafahantsika ‘handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny (...) toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao’? — Titosy 3:2; 2:12.
“Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka”, hoy ny fiaiken’ny apostoly Paoly. Moa ve Jehovah voatery hanafaka antsika amin’io toe-tena maha-mpanota io? Tsy izany mihitsy. “Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika”. Amin’ny fanehoana finoana ny ra nalatsak’i Kristy, ny kristiana dia afaka hahazo famelana ny helok’izy ireo tao aloha sy ny “fanantenana ny fiainana mandrakizay” tsy hay lazaina. Izany dia “hatsaram-po amin’izay tsy mendrika akory” tsy hay tombanana ary antony lehibe handosirana ireo filan-dratsy, hampiasaina ny lelantsika amin’ny fomba tsara, hanaovana asa tsara sy hanarahana fihetsika feno fahamoram-panahy amin’ireo namantsika.—Titosy 3:3-7.
Tsy misy isalasalana mihitsy fa tsy maintsy nahatsiaro fankasitrahana nafana noho io taratasy voamariky ny fitiavana izay hanampy azy hiantsoroka andraikitra sarotra io i Titosy. Azontsika antoka fa namerina namaky izany imbetsaka izy ary nanonona matetika tamin’ny fampianarany sy ny toroheviny. Amin’izao androntsika izao, dia kristiana an-tapitrisany maro izay mampiasa io taratasy azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra io amin’ny fomba mitovy amin’izany no mandray tombontsoa avy amin’izany ary mizara izany amin’ireo namany, satria ny famakiana izany dia miharihary tsy azo lavina fa mahasoa.