Ny Horohorontany—Fanambarana ny farany ve?
IRERY niaraka tamin’i Jesosy terỳ an-tampon’ny tendrombohitra iray, voahodidin’ny hazo oliva be tonontonony sy nanerinerina raha tazanina avy teny amin’ny tanànan’i Jerosalema, dia very hevitra ny lehilahy efatra. Taloha kelin’izay, tamin’io andro io ihany, Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra azy ireo,dia nilaza taminy fa horavana Jerosalema sy ny tempoliny ka tsy hisy “vato hifanongoa” ho tavela akory. Sanganehana izy ireo ka nanontany azy hoe: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany?” Tsy ilaina akory ny nilaza fa faran’izay nahaliana azy ireo fatratra ny valintenin’i Jesosy. Na dia izany aza, izy io koa dia mbola tokony hanaitra antsika bebe kokoa.—Matio 24:1-3.
Azo antoka fa nieritreritra talohan’ny zavatra rehetra ny fandravana nananontanona an’i Jerosalema ireo apostoly. Kanefa, tsy nijanona teo akory ny fahalianan’izy ireo; tiany ho fantatra ihany koa ny fotoana izay hanatrehan’i Jesosy amin’ny voninahitr’ilay Fanjakana. Niriny ny hahalala hoe rahoviana no hifarana ny fandaharan-javatra ratsy iray manontolo. Izany no antony namisavisany ihany koa izao fanontaniana izao: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Nahafaly azy ireo ny valinteny nomen’i Jesosy azy. Toy izany ihany koa, ireo fanambarana mifandray amin’ilay “famantarana” dia natokana mba hanomezana fahafahampo an’ireo mpianany amin’izao andro ankehitriny izao izay maniry fatratra ny faran’ny faharatsiana, satria amin’izao taonjato misy antsika izao no miseho ny famantarana nambara mialoha.
Ny famantarana nolazalazain’i Jesosy dia nirakitra filazana mazava, dia fanambarana azo fantarina mora foana any amin’ny faritra rehetra. Izany akory tsy faminaniana maizimaizina na saro-pantarina. Araka ny Matio 24:7, dia toy izao indrindra no nambaran’i Jesosy: “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Rehefa misy ady anankiray mipoaka dia tsy miafina amin’ireo firenena izany. Fa raha ny amin’ireo olona mosarena kosa dia mahalala tsara izy ireo fa noana. Toy izany koa, rehefa misy horohorontany iray manozongozona ny tany eo ambany tongotrao dia tsy afaka ny tsy hahatsikaritra izany ianao, satria izany no loza aman’antambo araka ny natiora mora hita indrindra noho ny hafa rehetra. Ireo zava-miseho ireo sy ny maro hafa koa, izay tsy atahorana velively handalo tsy ho hita, dia hahaforona “ny famantarana” rehefa hamely ny olombelona ao anatin’ny taranaka iray monja (Matio 24:3, 34). Kanefa aoka isika hiresaka bebe kokoa ny amin’ilay anisan’ny “famantarana” mahaliana antsika, dia: ny horohorontany.
Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe horohorontany?
Tsy nanam-pahaizana manokana momba ny horohorontany akory i Jesosy. Izy dia sady mpitory no mpampianatra sy mpaminany. Noho izy “feno ny Fanahy Masina”, teo ambany fitarihan’io hery miasa tsy hita maso avy amin’i Jehovah io no nanambarany ireny horohorontany ireny, tsy nisy hafa tamin’ireo endrika hafan’ilay “famantarana”.—Lioka 4:1; Jaona 8:28.
Moa ve tanteraka tamin’ny taonjato voalohany ny tenin’i Kristy? Izany tokoa. Ny Baiboly sy ny tantara tsy ara-pivavahana dia milaza ny amin’ny horohorontany maro niseho teo anelanelan’ny taona 33, fotoana izay nanononan’i Jesosy ny faminaniany, sy ny taona 70 izay nandravana an’i Jerosalema. Araka izany, dia nisy horohorontany roa nanozongozona an’i Jerosalema, andro vitsivitsy monja taorian’ny nanambaran’i Jesosy ny faminaniany (Matio 27:51; 28:2). Afaka fito ambin’ny folo taona taty aoriana dia nisy horohorontany nitranga tany Filipia araka ny notantarain’i Lioka mpanoratra ny Baiboly (Asa. 16:26). Etsy ankilan’izany, ireo mpanoratra tantara dia nampahafantatra horohorontany enina fara fahakeliny, tao amin’io faritra eto amin’ny gilaoby io nandritra izany fotoana izany (jereo ny tabilao I).
Koa satria ny fitodian-tsambon’ny Ranomasina Mediterane, toerana izay niorenan’i Jerosalema, hita tao amin’ny faritra amin’ny vohon’ny tany izay manana ambaratongam-pihovitrovitana antonony, dia mora azon’ny horohorontany izy. Tamin’izany, ny horohorontany dia zavatra tsy niafina tamin’ny olona nonina tao amin’io faritany io tamin’ny taonjato voalohany. Tsy izany ihany koa fa ny sombintany kely mahaforonany lohasahan’i Jordana sy ny ranomasina Maty ary koa ny tany vaky mitsivalana nahatonga ny tany lemak’i Esdrelona (Jezirela) ka mampisaraka an’i Galilia sy Samaria dia toerana efa nisehoan’ny horohorontany teo aloha.—Amosa 1:1; Zakaria 14:5.
Ny horohorontany àry izany dia tsy nahaforona hevitra manokana velively teo amin’ny “famantarana” ara-paminaniana momba ny fiafaran’i Jerosalema efa antomotra, toy ny tsy hamelan’ny fanaviana mafy hamantatra ny tena aretina nahazo marina raha tsy mitranga avokoa ny zava-miseho hafa hamantarana ilay aretina. Noho izany, matoa ireo horohorontany nambaran’i Jesosy nisy heviny manokana dia noho izy ireny nitranga niaraka tamin’ny zavatra hafa rehetra anisan’ilay “famantarana”. Ary izany “famantarana” maro loha izany, izay voaforon’ireo zava-nitranga rehetra nambara nialoha no hitan’ireo kristiana voalohany ka nahaizany nanatsoaka fianarana.
Ireo horohorontany amin’izao androntsika izao
Moa ve ny horohorontany voalazan’i Jesosy niseho tamin’izao taonjato faharoapolo izao? Amin’ny fomba fiteny hafa, moa ve amin’izao androntsika izao nahitana horohorontany lehibe nampiseho fa isika dia miaina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”? Ny zavatra rehetra dia manaporofo fa izao taonjato misy antsika izao dia rotidrotiky ny horohorontany manokana. Manerana ny tany manontolo dia nomarihina ny horohorontany maherin’ny iray tapitrisa isan-taona ka ny 1 000 amin’ireo dia miteraka fandravana goavana.
Misy manam-pahaizana sasantsasany mihevitra fa ny tany dia mandia fotoana isian’ny horohorontany mahery vaika. Araka izany, ny profesora Keiiti Aki, avy amin’ny sampan-draharaha momba ny fandinihana ny tany sy ny planeta ao amin’ny fikambanana ara-teknolojia ao Massachusetts, dia nanao antso ny amin’ny “fitomboana miariharin’ny hamafy sy ny hatetiky ny horohorontany lehibe nandritra ny zato taona farany” no sady nanizingizina fatratra fa lehibe toy izany ihany koa ny fihetsehan’ny tany teo anelanelan’ny 1500 sy 1700.
Tao amin’ny gazety italiana Il Piccolo tamin’ny 8 oktobra 1978, dia nanao izao fanamarihana izao i Geo Malagoli:
“Araka ny asehon’ny filazalazana isan-javatra ny taranaka misy antsika dia miaina ao anatin’ny vanim-potoana mampidi-doza isian’ny horohorontany mahery vaika. Raha ny marina, dia fantatra avy amin’ny filazana azo antoka fa tao anatin’ny 1059 taona (nanomboka tamin’ny 856 ka hatramin’ny 1914) dia tsy nisy afa-tsy horohorontany lehibe 24 izay niteraka fahafatesan’olona 1 973 000. Kanefa ireo loza aman’antambo vaovao dia tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’olona 1 600 000, ary izany dia tao anatin’ny 63 taona monja, nanomboka tamin’ny 1915 ka hatramin’ny 1978, tamin’ny horohorontany 43. Izany fitomboana tsy fahita izany dia manamarina ny zava-mitranga hafa iray mampiaiky fa ny taranaka misy antsika dia taranaka mahita fahoriana amin’ny endriny maro”.
Nilaza i Jesosy fa ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” dia ho voamariky “ny horohorontany amin’ny tany samy hafa”, na koa, araka ny fitantaran’i Lioka dia “horohorontany lehibe” (Matio 24:3, 7; Lioka 21:11.) Moa ve ny taranaka nahita ny taona 1914, izay ny solontena maro avy taminy dia mbola velona, vavolombelona nahita maso izany zava-nitranga izany? Ny tantara ankehitriny dia mamela antsika hamaly hoe eny (jereo ny tabilao II). Ary tsy izany ihany fa ny horohorontany dia tsy vitan’ny hoe ireo anisan’izany taranaka izany ihany no nahatsapa azy, fa ny olona faran’izay betsaka indrindra tsy mbola nentin’ny tany mihitsy koa (Matio 24:34). Fanampin’izany, ny olona ankehitriny dia mahalala kokoa ny fiasan’ny horohorontany izay manozongozona ny planetantsika iray manontolo sy ireo vokatra aterany noho ny taonjato hafa rehetra.
Fa ahoana raha ny tena marina no ahafantarana ny “horohorontany lehibe” iray? Moa ve miankina amin’ny hamafiny na ny velarany izay samy faritana amin’ny tsipi-panoritan’i Mercalli sy Richter no hamantarana ny halehiben’ny horohorontany iray sa kosa noho ny lazany sy ny habetsahan’ny fanimbana naterany? Araka ny asehon’ny tabilao faha-III, dia natrehina nanomboka tamin’ny 1914 ny fitomboana isa lehibe indrindra teo amin’ny ain’olombelona nafoy noho ny horohorontany. Marina aloha fa ny horohorontany sasany izay nahatratra velarana lehibe indrindra dia niseho tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina ary tsy nisy vokany afa-tsy kely dia kely na tsy nisy vokany mihitsy aza teo amin’ny fiainana sy ny fananan’ny olombelona. Kanefa kosa, mba hahalalana raha toa ka tanteraka na tsia amin’izao androntsika izao ny faminanian’i Jesosy, dia ilaintsika ny maminavina, tsy ny velarana na ny hamafin’ny horohorontany araka ny tsipi-panoritana toy ny an’i Richter ihany, fa indrindra indrindra ny halehiben’ny fatiantoka nentiny teo amin’ny fanorenana sy ny isan’ny aina naripany.
Anisan’ilay “famantarana”
Tao amin’ny nomerao navoakany tamin’ny jolay sy aogositra 1980, ny gazety Eoropa (anglisy) dia nanao izao fanamarihana izao: “Tao anatin’izao taonjato izao ny horohorontany dia nitarika fahafatesan’olona tokony ho 1 600 000 ka ny 120 000 tamin’izany dia tany Eoropa.” Araka izany àry, rehefa ampitahaintsika amin’ny tenin’i Jesosy ny toe-javatra manjaka eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia voatery tokoa isika mahafantatra fa tena misy “horohorontany any amin’ny tany samy hafa” ary misy hatramin’ny “ horohorontany lehibe” koa aza. Misy ve taranaka hafa izay niaritra fandringanana mahatsiravina nifampitohitohy toy izany vokatry ny horohorontany raha tsy izay velona nanomboka tamin’ny 1914? Ny zava-misy dia tsy manondro mihitsy na dia iray aza.
Misy olona sasany angamba hanohitra fa “ny nahatonga izany rehetra izany dia noho ny fisian’ny olona betsaka kokoa eto ambonin’ny tany.” Marina aloha fa nitombo betsaka tokoa ny mponina eo amin’izao tontolo izao, kanefa izany akory tsy manafoana na oviana na oviana ny faminanian’i Jesosy. Mifanohitra amin’izany fa ny fitomboan’ny isan’ny mponina aza dia vao mainka manome lanjany bebe kokoa ny tenin’i Jesosy sy niantoka antony fanampiny ho antsika mba hiheverana izany. Fa nahoana àry? Satria olona miisa eo amin’ny roa arivo tapitrisa, izany hoe tokony ho ny antsasaky ny mponina eo amin’izao tontolo izao no monina eo amin’ny toerana misy azy eo ambany fandrahonan’ny horohorontany. Fanampin’izany, ny fahafainganan’ny fomba fifandraisana sy ny famoronana fitaovam-pandinihana horohorontany ary fomba hatrany dia nitarika olona hahatsapa an’io zava-manahirana io, eny fa na dia tsy nihatra taminy nivantana na oviana na oviana aza ny vokatry ny horohorontany iray. Noho izany, ny horohorontany dia mahakasika olona betsaka kokoa ary mora fantarina bebe kokoa amin’izao androntsika izao tsy toy ny tamin’ny taonjato hafa rehetra. Koa izay rehetra vavolombelona nanatri-maso izany ka nahita ihany koa ireo zavatra hafa mahaforona ilay famantarana efa nitranga tato anatin’ny taranaka iray monja àry izany dia tokony hahatsiaro tena ho voatosika hanao zavatra. Amin’izany, ireo izay tsy mba hihevitra akory “ny famantarana ny fanatrehany [ny an’i Jesosy] sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra” dia tsy hanana fialan-tsiny marina tokoa.
Fa raha ny aminao kosa, efa nomarihinao ve fa nitombo niharihary ny isan’ireo olona tra-doza noho ny horohorontany, nanomboka tamin’ny 1914? Hitanao nitranga niaraka tamin’izany ve ireo lafin-javatra hafa mahaforona “ilay famantarana” toy ny ady, ny mosary sy ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna? Raha mihevitra toy izany ianao, dia inoanay fa ho tianao ny hahafantatra bebe kokoa izay nampanantenain’i Jesosy ny amin’ny ho avy tsy ho ela. Raha toy izany no izy aminao, dia fantaro fa tena ho faly tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah hampahafantatra anao ny momba izany fanontaniana lehibe izany.
[Tabilao, pejy 6]
Tabilao I
Horohorontany vitsivitsy teo anelanelan’ny taona 33 sy 70.
TAONA TOERANA
33 Jerosalema
33 Jerosalema
akaikin’ny 46 Kreta
akaikin’ny 50 Filipia
51 Roma
53 Apame
60 Laodikia
63 Paompeia
akaikin’ny 67 Jerosalema
[Tabilao, pejy 7]
Tabilao II
Horohorontany lehibe vitsivitsy teo anelanelan’ny taona 1914 sy 1982
(lisitra tapatapany)
TAONA TOERANA ISAN’NY MATY
1915 Avezzano, Italia 29 970
1920 Kan-su, Shina 200 000
1923 Kanto, Japana 42 800
1932 Kan-su, Shina 70 000
1934 Bihâr, India 10 700
1935 Quetta, Pakistan 60 000
1939 Chillán, Chili 30 000
1939 Erzincan, Torkia 30 000
1950 Assam, India 20 000
1960 Agadir, Marôka 12 000
1962 Avaratra anderan’i Iran 12 230
1968 Avaratra atsinanan’i Iran 11 500
1970 Avaratr’i Pérou 66 700
1972 Managua, Nicaragua 10 000
1976 Guatemala 23 000
1976 Tang-shan, Shina 800 000
1978 Avaratra atsinanan’i Iran 25 000
Noraisina an-tsoratra ihany koa ny horohorontany lehibe tany amin’ny tany hafa eo amin’ny 33 eo.
[Tabilao, pejy 7]
Tabilao III
Fahafatesana vokatry ny horohorontany
(Fanombatombanana natao tao anatin’ny 1 122 taona)
Hatreo amin’ny 1914: 1 800 isan-taona
Nanomboka tamin’ny 1914: 25 300 isan-taona
[Sarintany, pejy 5]
(For fully formatted text, see publication)
Sarintanin’ny faritra ahitana horohorontany
AFRIKA
EOROPA
AZIA
AMERIKA AVARATRA
AMERIKA ATSIMO
AOSTRALIA