Fanontanian’ny mpamaky
■ Ny tenin’i Jesosy voalaza ao amin’ny Jaona 11:25, 26, izay fampanantenana fiainana mandrakizay ve mihatra amin’ny kristiana voahosotra ihany sa mahakasika koa ny “olona betsaka” izay manantena ny hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany?
Taloha “Ny Tilikambo Fiambenana” dia nampahafantatra indraindray fa ireo teny ao amin’ny Baiboly ireo dia tsy mihatra afa-tsy amin’ireo kristiana mandray ny fiainana any an-danitra. Tsy isalasalana fa io hevitra io dia mifototra amin’ny hoe Jesosy dia niteny tamin’olona izay hotolorana an’io fanantenana io. Ny fandinihana amim-pitandremana an’ireo andininy resahina anefa dia mampiseho fa tsy nanao fameperana toy izany i Jesosy. Araka ny hamarinin’ireo lahatsoratra natao hianarana amin’ity nomerao amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” ity, dia amin’ny heviny malalaka indrindra no tokony handraisana ny teny ao amin’ny Jaona 11:25, 26, amin’ny fampiharana azy koa amin’olona izay ny fanantenany dia ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Nahoana isika no milaza izany?
Mariho, araka ny Jaona 11:24, izay nolazain’i Marta momba an’i Lazarosy maty: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Fitsanganana amin’ny maty inona no noeritreretiny? Mazava ho azy fa ny fananganana ny maty nantenain’i Abrahama mbamin’ireo Jiosy nahatoky hafa tamin’ny lasa, dia ny fananganana ho eto an-tany. Amin’ny ahoana ireo tenin’i Jesosy manaraka no hahaliana an’i Marta? Izany dia hampahafantatra azy ny tarehin-javatra oharina amin’ny fananganana ny maty ho eto an-tany.
Avy eo i Jesosy dia nanondro ny tenany ho ilay hanangana ny maty. Tsy nilaza tamin’i Marta anefa izy fa tamin’izany dia tsy niresaka afa-tsy ny amin’ny sasany amin’ireo maty izay naneho finoana azy. Izy no “fananganana ny maty sy fiainana” ho an’izay rehetra hahazo ny fiainana mandrakizay, na ho any an-danitra na ho eto an-tany. Izay rehetra nolazain’i Jesosy Kristy taorian’izany, araka ny Jn 11 andininy faha-25 sy 26, dia azo ampiharina amin’ireo kilasin’olona roa, nefa amin’ny fomba tsy mitovy. Ireo kristiana voahosotry ny fanahy dia ‘velona indray’ amin’ny heviny hoe atsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra tsy hahitana fahafatesana. Ireo anisan’ny maty izay ho velona foana eto an-tany dia hatsangana amin’ny maty, avy eo dia hotarihina miandalana ho amin’ny fahatanterahana. — Jereo Apokalypsy 20:4.
Marina tanteraka fa, araka ny lazain’ny Jn 11 andininy faha-26, ny kristiana voahosotra dia “tsy ho faty mandrakizay” aorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Izy ireo tokoa dia ‘hahita an’Andriamanitra araka ny tena endriny tokoa’, hany ka ‘tsy handeha amin’ny finoana intsony’. (I Jaona 3:2; II Korintiana 5:7.) Rehefa milaza àry Jesosy hoe: “Izay rehetra velona ka mino Ahy, dia mampiditra fepetra lehibe indrindra izy ho an’ny olombelona velona ankehitriny izay mamelona fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Efa hamarinina ireo anisan’ny “olona betsaka” satria “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. Dieny izao, raha mbola velona ao amin’ny nofo izy ireo, dia manana fanantenana ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe, ary heverina ho marina ny fiainany, tsy misy hafa amin’ny an’i Abrahama fahiny. Sahala amin’ireo olona hatsangana, izy ireny dia tokony hanohy haneho finoana mandritra ny fanjakan’i Kristy arivo taona, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahan’olombelona. — Apokalypsy 7:9, 10, 14, 15; 21:3, 4.
Raha ny marina, izany dia tsy hevitra vaovao tanteraka akory. Tao anatin’ireo taona lasa tokoa, ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower dia efa nampihatra ny Jaona 11:24-26 tamin’ny heviny malalaka. Ohatra, raha niresaka ny amin’ny fanangonana vavolombelon’i Jehovah avy any amin’ny firenena rehetra “Ny Tilikambo Fiambenana” (frantsay) tamin’ny 1 desambra 1959, ao amin’ny pejy faha-361, dia nilaza toy izao: “Ireo izay manantena ny hiaina eto amin’ity tany ity dia manantena koa ny ho tafita velona amin’ny faran’izao tontolo izao ankehitriny ka hiditra ao anatin’izao tontolo izao vaovao tsy hahita fahafatesana mihitsy.” Notononiny ny Hebreo 11:1, 6 sy Jaona 11:26. Fa raha ny amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” tamin’ny 1 febroary 1977, pejy faha-83, dia amin’ny olona ho tafatsangana sy amin’ireo anisan’ny “olona betsaka”, ny tenin’i Jesosy iray ihany hoe: “Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?”
Ary ianao, mino izany ve ianao?