Nahoana isika no tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao”
“Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — JAONA 17:16.
1. Tokony hanampo ny hoentina amin’ny fomba ahoana ireo mpianatr’i Jesosy?
NOLAVINA sy nankahalaina ary nenjehin’izao tontolo izao Jesosy Kristy. Tokony hanampo inona àry ireo mpianany? Tsy nafeniny azy ireo izany. “Raha halan’izao tontolo izao hianareo, hoy izy taminy indray andro, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.” — Jaona 15:18-20.
2. a)Tsy ‘naman’izao tontolo izao’ inona moa ny kristiana? b) Tsy mampihataka azy amin’izao tontolo izao Jehovah fa inona no ataony ho azy?
2 Ny kristiana marina tokoa dia hafa tanteraka noho izao tontolo izao, noho ny fitambaran’olona mpanota sy lavitra an’Andriamanitra. Hafa aoka izany tokoa izy ireo, hany ka mankahala azy sy manenjika azy izao tontolo izao. Amin’ny fisehoana ho miendaka amin’izao tontolo izao anefa, ireo mpianatr’i Jesosy dia manaraka ny ohatra tanteraka nomen’ny Tompony. Jehovah kosa dia miahy azy ireo ho valin’izao vavaka nataon’i Kristy izao: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” — Jaona 17:15-17.
3. Inona avy no fanontaniana mipetraka ny amin’izao tontolo izao?
3 Fa amin’ny heviny ahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no tsy tokony ho ‘naman’izao tontolo izao’? Tokony handosirany ve izay rehetra mety ho fifampikasohana amin’ny tsy kristiana?
Tsy miaina toy ny mpitoka-monina akory ny kristiana
4. Inona no asa nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpianany? Tamin’ny ahoana izany no nisakana azy ireny tsy hitoka-monina?
4 Azo antoka fa tsy tian’i Jesosy ny hitokanan’ireo mpianany monina ao amin’ny fikambanana ara-pivavahana mihidy. Ny porofo dia ny nanomezany azy ireo asa maneran-tany hotanterahina. Izao no nambarany: “Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asa. 1:8). Nomeny azy ireo koa izao baiko izao: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny [olona avy amin’ny, MN ] firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Mazava ho azy fa “olona avy amin’ny firenena rehetra” no ho tonga mpianatra; tsy tokony ho nantenaina fa hoe firenena manontolo maro no hanaiky ny fampianaran’i Jesosy Kristy.
5. Araka ny filazan’ny Soratra masina, ahoana no tokony hatao mba hanovana olona hanaraka ny kristianisma?
5 Hisy anefa hilaza hoe: ‘Moa ve tsy misy firenena manontolo maro maro be niova indray niaraka ho amin’ny kristianisma? Moa koa ve izy ireny tsy mahaforona izay antsoina amin’izao andro izao hoe fivavahana kristiana?’ Marina fa ny mpitondra sasany dia nifidy fivavahana iray ho an’ny vahoakany ary tsy nisalasala izy ireny nampihatra taminy ireo fomba feno halozana indrindra. Afa-tsy izany koa, na dia tsy marim-pototra aza ny tahotra ny fampijaliana ao amin’ny afobe dia ampy hery mba hitarihana olona maro hanaraka ny anarana hoe kristiana (jereo Mpitoriteny 9:5, 10). Na ahoana na ahoana, izany rehetra izany dia tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny hany fomba araka ny Baiboly fampielezana ny tena finoana kristiana. Io asa mendrika io tokoa dia natao hanaovana fanambarana sy hampianarana mba hanaovana mpianatra. Tsy amin’ny fihibohana akory no hanatanterahan’ireo mpitoka-monina sy relijiozy ary moanina izany asa nanirahana izany. Ny toerany kosa dia misakana azy tsy ‘hampahazava ny fahazavany eo imason’ny olona’, araka ny nandidian’i Kristy azy (Matio 5:14-16). Etsy andaniny koa, dia tsy ny “fanovana” an-tery fa ny fanaovana fanambarana, ny fitoriana sy ny fampianarana kristiana no hanampy ny olona tso-po avy amin’ny firenena rehetra hanolo-tena amin’ny fo rehetra sy amin’ny fahalalana tanteraka ny antony, ho an’i Jehovah.
‘Tsy naman’izao tontolo izao’ — nahoana?
6. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifanitsy amin’ny filazalazana ny mpianatr’i Jesosy voatantara ao amin’ny Jaona 13:35?
6 Niharihary matetika ho famantarana mamitaka ny anarana hoe “kristiana”. Firifiry akory moa ny fitaka, ny fanafihana, ny ady nandatsahan-dra sy ny fampahoriana nataom-pirenena sy olona nilaza tena fa kristiana! Izany dia mifanohitra amin’ny fomba hafahafa amin’ny fihetsika takina amin’ny tena mpianatr’i Kristy. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Soa ihany fa mbola misy lehilahy sy vehivavy mifanitsy amin’izany filazalazana izany. Tsy iza izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fitiavana izay mampifamatotra azy ireo dia mandrara azy tsy hiditra hanao fifaninanana tsy mifaditrovana, hifampahatezitra na hifanambaka. Izany dia manosika azy ireny hitovy fiteny sy hanafoana ireo antony mampisaraka mba ‘ho tafakambana hiray saina sy hevitra’. (I Korintiana 1:10; 13:4-8.) Feno ny hevitr’Andriamanitra sy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manaiky hotarihin’izany (Romana 12:1, 2; I Korintiana 2:16). Ny anankiray amin’ny lafiny lehibe indrindra amin’io hevitra io anefa dia mitaky ny ‘tsy haha-naman’izao tontolo izao’. — Jereo Jakoba 1:27.
7. Amin’ny ahoana moa ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:30, 31 no mampiseho fa tsy afaka ny ho naman’izao tontolo izao ny kristiana?
7 Ireo mpianatr’i Jesosy dia manana antony tsara dia tsara tsy ‘haha-naman’izao tontolo izao’. Hatramin’ny 4 000 taona teo ho eo ny ankamaroan’ny olona dia “tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao”. (Efesiana 2:12.) Na dia izany aza, dia tsy hoe tsy maintsy nampanalavitra ny olona an’i Jehovah tsy nisy farany ny fahotana. Taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay, dia izao no nambaran’ny apostoly Paoly ny amin’ny Mpamorona: “Ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.” (Asa. 17:30, 31). Akaiky dia akaiky ankehitriny izany “andro” arivo taona voatokana hanjakan’i Kristy izany. Koa tsy maintsy hanjavona izao tontolo izao tsy marina. Hotsaraina izy, homelohina sy hofoanana mandrakizay. Tsy ho araka ny fandrindran-javatra àry ho an’ireo izay milaza tena fa kristiana, ny haniriana ho azy!
8. Asa inona no mampiseho fa akaiky “ny farany”? Nahoana moa izany no manome ho an’ireo mpanompon’i Jehovah, antony amboniny tsy tokony ‘hahanaman’izao tontolo izao’?
8 1 900 taona mahery izay no lasa hatramin’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, ary tsy isalasalana fa antomotra ny fampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadika sy ny sisa amin’izao tontolo izaon’i Satana (II Petera 3:10; I Jaona 5:19). Eo am-piandrasana izany fisehoan-javatra izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara ny hafatr’Andriamanitra amin’ny tany manontolo, ary olona maro mibebaka sy velom-pankasitrahana no efa manandrana sahady “andro famelombelomana”. (Asa. 3:19-21.) Mifanaraka amin’ny teny ara-paminanian’i Jesosy momba ny androntsika, dia vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 2 800 000 no mitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” any amin’ny tany 202. Rehefa ho naharay ny fanambarana entin’izy ireo araka ny anirian’Andriamanitra azy ny firenena rehetra”, “dia vao ho tonga ny farany”. (Matio 24:14, MN.) Araka izany àry, rehefa heverina amin’ny fahantomoran’ny fandravana izao fandehan-javatra ratsy izao, ireo mpanompon’i Jehovah dia manana antony tsara indrindra ‘tsy haha-naman’izao tontolo izao’.
9. a) Koa satria izao tontolo izaon’i Satana madiva hanjavona, ahoana no tokony hiheverantsika ireo tombontsoa sy fepetra takin’ilay Fanjakana? b) Fanontaniana inona avy izao no mendrika ny hoeritreretintsika?
9 Koa satria madiva hanjavona izao tontolo izaon’i Satana, dia zava-dehibe indrindra ny hahazoantsika antoka fa mikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra isika (Matio 6:33). Na firy taona isika na firy taona, na toy inona na toy inona fianarana azontsika na laharantsika ara-tsosialy dia “samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.” (Romana 14:10.) Noho ny fahafantarana izany, moa ve isika mahafeno ireo fepetra takin’ilay Fanjakana, sa isika mbola manandrana maka tahaka an’izao tontolo izao izay mankahala ny kristiana marina? Mitovy fanirian-daza sy fanantenana aminy ve isika? Moa ve isika manaiky ho azon’ny fahataitairany mifanohitra amin’ny Soratra masina? Midera ny sampiny ve isika? Aoka tsy hohadinointsika fa “fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao”. (Jakoba 4:4.) Koa raha tsy tiantsika ny ho tonga fahavalon’Andriamanitra, ahoana no azontsika analavirana tsy ho voaloton’izao tontolo izao? Amin’ny toetoetra rehetra mampiavaka izany fitambaran’olona izany, inona avy no tokony hariantsika indrindra?
Ario ny fitiavana an’izao tontolo izao
10. Araka ny I Jaona 2:15, 16, inona moa ireo zavatra telo mampiavaka an’izao tontolo izao tsy tokony tian’ny mpanompon’i Jehovah?
10 Tao amin’ny anankiray tamin’ireo taratasiny, dia izao no nosoratan’i Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” (I Jaona 2:15, 16). Ao amin’ireo andinin-teny ireo ilay apostoly dia manonona toetra telo mampiavaka an’izao tontolo izao tsy tokony ho tian’ireo mpanompon’i Jehovah.
11. Nahoana moa ny kristiana no tokony hanohitra ny “filan’ny nofo”?
11 “Ny filan’ny nofo” dia mety hitarika antsika hanao zava-dratsy be dia be fahita eo amin’izao tontolo izao ratsy ankehitriny tarihin’i Satana. Aoka hotononintsika ny “asan’ny nofo” mpanota, dia “fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany”. Tsy azo atao ny tsy hihevitra ka ho afa-maina, ny fampitandreman’ny apostoly Paoly ilazana fa “izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (Galatiana 5:19-21.) Raha ny marina, ny olona izay manaram-po ka tsy mibebaka, amin’ny “asan’ny nofo, dia anisan’izao tontolo izao, ary tsy hanana anjara mihitsy amin’ilay Fanjakana izay, mifanaraka amin’ny fampanantenan’Andriamanitra, dia hanamarina ny anaran’i Jehovah ka hanova ny tany ho paradisa (Lioka 23:43, MN). Takatra àry ny antony tokony hitandreman’ny kristiana mba tsy ho lavo amin’ny “filan’ny nofo”.
12. a) Inona moa no atao hoe “filan’ny maso”? Inona no mety ho vokany eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy? b) Raha ny amin’ny “filan’ny maso”, fanontaniana inona avy no ho tsara raha apetratsika amin’ny tenantsika?
12 “Ny filan’ny maso” dia toe-javatra fahita eo amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Na dia be dia be aza ny harena voangony, dia toa tsy afa-po izy. Be dia be koa amin’ireo izay somary nihaino ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly aelin’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny farany no resin’ny “filan’ny maso” ka mitsahatra tsy mandroso eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ny fitsiriritany hahazo fitafiana, fiarakodia, trano, fitaovana sy zava-baovao hafa mahafinaritra ny maso dia manjary mahery aoka izany, hany ka, raha raisina ny tenin’i Jesosy, “ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy”. (Marka 4:18, 19.) Tsara ny manamarika fa naka fanahy an’i Eva Satana tamin’ny fitarihana azy haniry hanana fananana nandrarana izay azon’ny masony nojerena. Tsy afaka nampanota an’i Jesosy tamin’izany fomba izany kosa anefa izy. Na dia indray mandeha monja aza Jesosy dia tsy nitady hahazo izay nasain’ny Devoly nojereny (Genesisy 3:1-6; Lioka 4:5-8). Ary ianao, manaraka ny ohatra mahagaga nomen’i Kristy ve ianao, sa manokana ny fotoananao sy ny sainao ary ny herinao amin’ny fanomezana fahafahampo ny ‘filan’ny masonao’ ianao ka manao tsirambina ny asan’ilay Fanjakana. Raha toa ao an-tsainao ireo raharaha ara-panahy ka mila hanome toerana ho an’ny zavatra hafa mitana ny saina, dia tena izao no fotoana tokony handaminana ny tarehin-javatra.
13. Araka ny filazan’i Paoly sy ny Ohabolana, mety hitarika amin’inona moa ny fitiavan-karena fatratra mifamatotra amin’ny “filan’ny maso”?
13 Ny “filan’ny maso” izay mitovy karazana amin’ny faniriana mihoapampana dia mety hitarika ho amin’ny fanaovana ny tsy marina, ny fialonana sy ny fitsiriritana ary karazam-pahotana hafa izay mitarika ho amin’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. Araka ny filazan’i Paoly, ny olona “mpierina [fatra-pitia harena, MN]” dia anisan’ireo izay “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (I Korintiana 6:9, 10.) Tetsy andaniny koa, ny Ohabolana dia milaza amintsika izao fampitandremana tena mety izao: “Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina. Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.” (Ohabolana 28:20, 22). Na dia tsy latsaka avy hatrany ao anatin’ny fahantrana aza ny olona fatra-pitia harena sy mpialona rehetra, dia hahita fiafarana mampalahelo rehefa hifarana izao fandehan-javatra izao, raha tsy maty alohan’izay, lavitra ny fankasitrahan’Andriamanitra, izy ireny. — Matio 24:3; Lioka 12:13-21.
14. a) Ahoana moa no isehoan’ny “fampiderana ny fananan’ny tena” indraindray? b) Inona moa no kileman-toetra fototry ny fireharehana noho ny haren’ny tena sy ny fideran-tena ary ny fanirian-daza? d) Nahoana moa no mety ny hanoherantsika ny fakam-panahy hampidera ny zavatra azontsika na ny toa fahombiazantsika?
14 Ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia tokony hiala koa amin’ny “rehaka momba izao fiainana izao [fampiderana ny fananan’ny tena, MN]”. Marina fa mety hahasodoka ny fampiderana izay azon’ny tena sarobidy indrindra. Raha ny marina, io fanirian-dratsy io dia manosika olona be dia be hisahirana fatratra mba tsy ho hita fa tratra aorian’ny manodidina azy, raha tsy mba hihoarana azy ireny. Sahalahala amin’izany koa, ny sasany dia mirehareha ny amin’izay inoany fa vitany. Noho ny fanantenana ny hahazo toerana sasany, dia hanandrana angamba izy ireny hanao izay hahazoana ny fisakaizana sy ny fanohanan’olona be fahefana. Na ahoana na ahoana, izay manao toy izany dia miditra amin’ny lalana mampiseho hadalana. Fa raha ny amin’ny olona fatra-paniry laza loatra, indraindray izy ireny dia miafara amin’ny fitoviana amin’ireo “ratsy fanahy” tamin’ny andron’i Joda, dia olona ‘manana vava manao teny miavonavona loatra ka mandoka olona mba hahazoany zavatra’. (Joda 4, 16.) Ny fikatsahana laza sy ny fireharehana noho ny haren’ny tena dia samy avy amin’ny fieboeboana, kileman-toetra tena ratsy (Ohabolana 8:13; 16:18; 21:4). Zava-dehibe àry ny hanoherantsika ny fakam-panahy hampidera ny fananantsika na ny toa fahombiazantsika. Araka ny mety tokoa no nilazan’ny ohabolana iray hoe: “Tsy tsara raha mahery homana tantely; fa ny fitadiavan’ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.” (Ohabolana 25:27). Afa-tsy izany koa, noho ny ankamaroan’olona eo amin’ny lalana malalaka izay mitarika ho amin’ny fandringanana, dia takatra ny anton’izao fampitandreman’i Jesosy izao: “Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra!” — Lioka 6:26.
“Mandalo izao fiainana izao”
15. a) Araka ny filazan’ny apostoly Jaona, inona no antony tena lehibe ‘tsy tokony haha-naman’izao tontolo izao’ antsika? b) Tokony hiezaka hanao inona moa ireo kristiana mahatoky alohan’ny zavatra rehetra?
15 Manintona ny saintsika amin’ny anankiray amin’ireo antony tena lehibe tsy tokony haha-‘naman’izao tontolo izao’ antsika i Jaona rehefa manampy teny toy izao: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (I Jaona 2:17). Eny, manatona ny fiafarany io fitambaran’olona tsy marina io. Tsy ho ela izy io dia hanjavona ao amin’ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21.) Ao anatin’io ady lehibe io ireo fandaminana ara-politika, ireo fandehan-javatra ara-barotra sy ireo fivavahan-diso mahaforona azy dia haringana. Noho izany, moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah iray mendrika izany anarana izany ho afaka hanokana amim-pahamendrehana ny fotoanany rehetra, ny heriny rehetra ary ny fananany rehetra ho an’ireny foto-javatra eo amin’izao tontolo izao ireny izay madiva hofoanana? Ny kristiana mahatoky kosa dia hiezaka voalohany indrindra mba hampandroso ny asan’ilay Fanjakana sy hikatsaka zava-tsarobidy maharitra, mandrakizay. Ambonin’izany, amin’ny fanehoana toy izany ny tsy fivadihany sy ny finoany, dia ‘haharesy izao tontolo izao’, dia ny fitambaran’olona tsy marina, sahala amin’i Jesosy, izy ireo (Jaona 16:33). Farany, dia ho tafita velona izy ireny rehefa ‘handalo’ izao tontolo izao resahina, rehefa ho montsamontsana izany noho ny asan’ny fanamelohan’Andriamanitra, sahala amin’i Noa sy ny fianakaviany tafita velona tamin’ny safodrano fahiny. — II Petera 2:5.
16. Fanontaniana inona avy no mbola tokony hoheverintsika?
16 Koa satria mandalo izao tontolo izao, ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana ny asany? Ohatra, inona no fihetsika tokony harahiny eo anoloan’ny fianarana, ny raharaham-barotra sy ny fialam-boly? Izany dia samy zavatra mbola mendrika ny hoheverina tsara.
Araka ny hevitrao...
◻ Tsy naman’izao tontolo izao inona moa ny tena mpianatr’i Jesosy?
◻ Fanirahana inona nankinina tamin’ireo mpianatr’i Kristy moa no misakana azy ireny tsy hitoka-monina?
◻ Noho ny antony inona moa no tsy maha-“naman’izao tontolo izao” ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Mba hanarahana ny torohevitra voasoratra ao amin’ny I Jaona 2:15-17, inona avy moa ireo zavatra telo mampiavaka an’izao tontolo izao tsy tokony ho tian’ireo mpanompon’i Jehovah?
[Sary, pejy 20]
Na dia tsy “naman’izao tontolo izao” aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia miezaka hanampy olona avy amin’ny firenena rehetra eo amin’ny lafiny ara-panahy.
[Sary, pejy 22]
Raha ‘tsy naman’izao tontolo izao’ isika, dia tsy ho resin’ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso, ary tsy hampideradera ny fananantsika.