Fanontanian’ny mpamaky
◼ Koa satria Abrahama, avy eo dia Isaka, dia samy nampiseho ny vadiny ho anabaviny, tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa izy io dia nanana ny fitsipika nitondrana ny anabavy sy vady nisy taloha tany Atsinanana Afovoany?
Nanolotra izany fanombantombanana izany ny mpivaofy teny sasany amin’ny andro ankehitriny. Na ahoana na ahoana, ny fihetsik’i Abrahama sy Isaka dia avy amin’ny antony lehibe kokoa indrindra.
Ny profesora E. Speiser dia miresaka ny amin’izany fitsipika nitondrana ny anabavy sy vady izany tao amin’ny Anchor Bible. Nifototra tamin’ny fahitan-javatra momba ny Horita, fokom-pirenena fahizay azo inoana fa nonina tany avaratr’i Mesopotamia, anisan’izany Harana nonenan’i Abrahama kelikely ary angamba niainan’i Rebeka izy, ka nanazava hoe:
“Tao amin’ny fitambaran’olona horita, dia mafy kokoa sy ara-dalàna kokoa ny fatoram-panambadiana rehefa niharan’ny fitsipika ara-pitsarana ho anabavy koa ny vehivavy na toy inona na toy inona tena fihavanany tamin’ny vadiny. Noho izany antony izany, ny lehilahy nampakatra zazavavy iray dia nanangana azy ho anabaviny indraindray, tamin’ny alalan’ny fikarakarana roa niavaka nosoratana tao amin’ny tahirin-kevitra tsy nifampiankina. Ny fandikana izany fananganana ho anabavy izany dia nanasaziana mafy kokoa noho ny fanapahana ny fifanekena ara-panambadiana (...). Io fitsipika roa sosona nitondrana ho anabavy sy vady io dia voamarina indrindra tao amin’ireo sosony ambony amin’ny fitambaran’olona horita (...). Tsy vitan’ny hoe avy any Harana, tanàna teo ambany fanapahan’ny Horita i Rebeka, fa Labana anadahiny koa no nanome azy ho vadin’Isaka tamin’ny alalan’ny mpanelanelana iray (...). Manana antony tokony handaharana ny fanambadian’i Abrahama sy Saraha, ary ny an’Isaka sy Rebeka ho ao anatin’ny sokajin’ny fifanekena anabavy vady àry isika.”
Ny bokin’ny Genesisy dia mampahafantatra antsika fa Abrahama dia nampiseho indroa an’i Saraha vadiny, tsy ho toy ny vady, fa ho toy ny anabaviny (anabaviny tsy iray reny rahateo izy). Nitranga aloha izany tany Egypta, avy eo dia tany Filistia (Genesisy 12:10-20; 20:1-7). Taty aoriana, dia nanao sahala amin’izany tamin-dRebeka Isaka. Noho izy io havany tokoa, dia afaka nilaza azy ho toy ny ‘anabaviny’ izy. — Genesisy 26:6-11.
Matoa Abrahama sy Isaka ta-hampahafantatra ny vadiny ho anabaviny, dia satria indrindra ho notandindomin-doza izy ireo raha fantatr’ireo manodidina azy fa nanambady ireo vehivavy nahasodoka ireo (Genesisy 12:12; 26:9). Toa tsy nampanjaka izay mety ho “fanekena ho anabavy vady” àry Abrahama sy Isaka mba hiarovan-tena. Ny fikasan’izy ireo kosa dia ny hanafina ny toeran’i Saraha sy Rebeka ara-pianakaviana.
Nanambady ny anabaviny tsy iray reny taminy Abrahama talohan’ny nanomezan’Andriamanitra ho an’ny Isiraely lalàna mandrara ny fanambadiana havana akaiky. Na dia izany aza, dia be dia be no mihevitra fa tsy tokony ho nampiseho ny vadiny ho anabaviny Abrahama sy Isaka. Marina fa indraindray ny Baiboly dia milazalaza ny fitondrantenan’ny olona resahiny nefa tsy mankasitraka izany akory (Genesisy 9:20, 21; 19:30-38). Nefa ny fihetsik’i Abrahama sy Saraha tetsy andaniny ary ny an’Isaka sy Rebeka tetsy ankilany, dia azo hazavaina amin’ny fomba tsy mampisalasala ny amin’ny fitondrantenany faka tahaka sy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra.
Talohan’ny voalohany tamin’ireo fisehoan-javatra kely ireo, dia hoy Jehovah tamin’i Abrahama: “Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 12:2, 3). Nampahafantariny azy koa fa ny fahatanterahan’io fitahiana io dia niankina tamin’ny taranany (Genesisy 12:7; Jereo Genesisy15:4, 5; 17:4-8; 22:15-18). Tokony mbola ho velona ihany àry Abrahama mba ho afaka hiteraka, araka ny ho hita any aoriana koa amin’Isaka.
Tena mety ho izany fahalalana izany no nanosika an’i Abrahama sy Isaka hampiseho ny vadiny nahatoky ho toy ny anabaviny. Raha fantatry ny olona rehetra tokoa fa Abrahama no vadin’i Saraha tsara tarehy, ary Isaka no vadin’i Rebeka nahafatifaty, dia nety ho loza ho an’ilay taranaka izany. Koa tsy isalasalana fa ny fahamalinana no nanosika ireo lehilahy nanam-pinoana ireo hampiely izany toe-javatra izany raha mbola tao amin’ny faritany nampidi-doza izy ireo.
Lazalazaina amintsika ho ohatra ny amin’ny finoana Saraha, ho vehivavy “nanantena an’Andriamanitra”. (I Petera 3:5, 6; Hebreo 11:11.) Nekeny an-tsitrapo ny fanapahan-kevitr’ilay filohany, ary nifady vetivety ny fampiharihariana azy ho nanambady izy. Aleontsika mieritreritra fa nanao toy izany izy noho ny fitiavana ny hafa fotsiny, tamin’ny fametrahana ny fitahiana ny taranak’olombelona alohan’ny fihetseham-pony sy ny tombontsoany manokana. Afa-tsy izany koa, noho Jehovah niaro an’i Saraha tamin’i Farao, avy eo dia tamin’i Abimeleka, mpanjakan’i Gerara, dia tsy mahagaga loatra raha niara-niasa tamin’Isaka tamin’izany fomba izany Rebeka taty aoriana, dia Isaka nanam-pinoana niavaka toy izany koa. — Hebreo 11:20.
Araka izany àry, na nandre firesahana ny amin’ny fitsipika roa sosona nitondrana ho vady sy anabavy toa nisy tany Harana na tsia ny Kananita sy ny Egyptiana, rehefa heverina amin’ny toe-javatra niseho, dia toa mbola avy amin’ny fotopoto-pitsipika sy fikasana mendrika indrindra ihany ny fihetsik’i Abrahama sy Saraha, avy eo dia ny an’Isaka sy Rebeka.