Ny fahamasahana kristiana: zava-tsarotra tsy maintsy setraina
“Mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha, dia Kristy.” — EFESIANA 4:15.
1, 2. a) Amin’ny heviny ahoana moa no hoe “tamby ny ateraky ny kibo”? b) Inona no azo antenaina ny amin’ny zaza vao teraka iray?
ANTOM-PIFALIANA ho an’ny manodidina azy foana ny zazakely iray tomady. Vitsy ny olona tsy mihontsina amin’ny fihetsehany maka tahaka mahatsikaiky. Mahafinaritra ny olona rehetra ny mahita azy, ary na aiza na aiza alehany, dia mifantoka aminy ny fiheveran’ny olona. Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha tia azy ny ray aman-dreniny ka mirehareha ny aminy, na dia ao aza ny fahasahiranana rehetra aterany ho azy ireo. Marina tokoa fa “tamby ny ateraky ny kibo”. — Salamo 127:3.
2 Kanefa na dia mahafatifaty tokoa aza ilay zazakelintsika, hanao ahoana ny fihetsitsika raha tsy manome famantarana fitomboana mihitsy izy? Raha mijanona amin’izany toerana izany izy rehefa lasa ny volana maro, ny taona maro mihitsy aza nikolokoloan’ny ray aman-dreny sy nanehoany firaiketam-po taminy, dia miharihary fa misy zavatra tsy ara-dalàna ao. Raha ny marina, dia mifamatotra tsy misaraka amin’ny fiainana ny fitomboana. Io fisehoan-javatra iombonan’ny olona velona rehetra io dia manaporofo ny hery sy ny fahendren’i Jehovah amin’ny famoronana. — Lioka 2:52.
Ny fitomboana ara-panahy
3. Ahoana ny fitomboana ankehitriny? Ahoana Jehovah nanafaingana ny asany?
3 Mifanaraka amin’ny faminanian’i Jesosy iray, ankehitriny isika dia manatrika fitomboana karazany hafa. Maneran-tany dia atao ny “fijinjana” ara-panahy (Matio 9:37). Araka izany, nandritra ny taom-piasana 1984, dia tany enina no nanana mpitory maherin’ny 100 000 amin’ny ara-keviny, nefa tamin’ny 1981, telo taona talohan’izay, dia tany roa monja no toy izany. Tao anatin’ireo enintaona farany, dia Vavolombelon’i Jehovah vaovao 827 144 no natao batisa ary kongregasiona vaovao maherin’ny 5 000 no noforonina. Tsy isalasalana fa nanafaingana ny asany Jehovah. — Isaia 60:22.
4. Nitarika ho amin’inona moa ny fitomboan’ny olon’i Jehovah maneran-tany?
4 Ireo tarehi-marika ireo dia mampiharihary koa fa amin’ny olona telo miaraka tsy tapaka amin’ny olon’i Jehovah ka mandray anjara amin’ny fitoriana, dia anankiray no natao batisa tao anatin’ny enin-taona latsaka izay. Toy izany ve ny aminao? Raha izany no izy, dia loharanom-pifaliana lehibe ianao ho an’ireo izay nampahita anao ny fahamarinana, ho an’ireo namanao kristiana rehetra sy ho an’ny Rainao any an-danitra, dia Jehovah (Ohabolana 27:11). Sahala amin’ny dingana voalohany ataon’ny zaza iray, ny fanoloranao ny tenanao ho an’Andriamanitra dia fisehoan-javatra. Manamarika fandrosoana vitanao izany. Famantarana fandrosoana izany.
5. Inona avy moa no fanontaniana tokony hapetraky ny tsirairay avy amintsika amin’ny tenany? Inona no hanampy antsika hahita ny valiny?
5 Ary hatramin’izay, inona no nataonao? Miharihary ve fa mitombo tsy tapaka ianao eo amin’ny lafiny ara-panahy, noho ny fikarakarana amim-piraiketam-po ataon’ireo rahalahinao? ‘Ahoana no hahafantarana izany?’ hoy angamba ianao. Tadidio izay nolazain’ny apostoly Paoly momba ny fandrosoana: “Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.” (I Korintiana 13:11). Araka izany àry, dia tsy ny fotoana ihany, fa ny fanariana ny “fahazazana [toetoetra mampiavaka ny zazakely, MN ]” no nahatonga an’i Paoly ho lehilahy matotra. Raha ny marina, inona avy izany toetoetra izany?
6, 7. a) Lazalazao ny anankiray amin’ireo “toetoetra mampiavaka ny zaza” sy ny loza mety haterak’izany. b) Ahoana no isehoan’izany toetoetra izany? Mety hitarika ho amin’inona izany?
6 Fantatra fa ny ankizy kely dia tsy mahay mampifantoka ny sainy firy. Na dia liana ta-hahafantatra ny zavatra rehetra aza izy, dia mandrakariva no miseho ho manahirana, miovaova sy mivadibadika. Mazava ho azy fa ireo izay mitoetra ao anatin’izany toe-piainana izany, eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia tandindomin-doza lehibe. Marina tokoa fa izy ireny dia tena mety ‘hahilangilana sy hampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana’, araka ny ampitandreman’ny apostoly Paoly antsika ao amin’ny Efesiana 4:14.
7 Mety hitroatra dia hitony haingana dia haingana ny onja sy ny rivotra. Ao anatin’ny fitambaran’olona ankehitriny izay tsy misy na inona na inona natao haharitra, dia mifandimbindimby haingana tsy misy toy izany ny lamaody sy ny fahataitairana. Izay noheverina taloha ho tena nilaina dia lany andro tanteraka na tsy arahina tsotra izao aza ankehitriny. Amin’ny lafin’ny fialam-boly, ny fomba fitafy sy ny taovolo toy ny amin’ny maro hafa, dia tsy ho fahendrena fa ho fananana sain-jaza ny fitadiavana ho lohany foana ao amin’izay hisian’ny hisosoka foana ka handiso fanantenana na inona na inona hatao. Amin’ny heviny ara-panahy, dia mety hovidina lafo tokoa ny fivadibadihana toy izany. — Jereo Jakoba 1:6-8.
8. Tonòny ny “toetoetra” hafa iray mampiavaka an’ireo mbola kely eo amin’ny lafiny ara-panahy. Inona avy no mety ho vokatr’izany?
8 Ny “toetoetra” hafa iray koa mampiavaka ny zazakely dia izy tsy manana fiheverana hentitra ny amin’ny atao hoe tsara sy ratsy, mety sy tsy mety. Sahala amin’izany koa, ireo zazakely amin’ny lafiny ara-panahy dia tsy mbola “manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. Noho izany antony izany, ny apostoly Paoly dia nandodona an’ireo rahalahiny mba ‘handroso haingana ho amin’ny fahamasahana ka tsy hametraka fanorenana indray’. (Hebreo 5:14; 6:1, MN.) Ireo kristiana tsy nahatratra izany zava-kendrena izany dia mila foana ny hampahatanjahina amin’ny finoana mafy fa izay nekeny ho fahamarinana dia tena ny fahamarinana tokoa, ka tena tokony hanao izay nampianarina azy hataony izy ireny. Tokony hampiana amin’ny lafiny tsotra indrindra izy ireny, raha tsy izany, vetivety izy dia very hevitra, diso fanantenana na asian’ny fisalasalana mety hanozongozona ny finoany.
9. Nahoana moa isika no tokony hisetra ny zava-tsarotra ny amin’ny fahamasahana kristiana?
9 Voamarikao ve fa ny ankizy dia tia ny hanao toy ny olon-dehibe foana? Marina fa amin’izy ireo izany dia kilalao fotsiny. Matoa mahafinaritra azy ireo izany, dia azo inoana fa satria amin’izany izy dia afaka manao izay tiany hatao nefa tsy miantsoroka ny andraikitra avy amin’izany. Izany karazam-panahafana izany dia raikitra amin’ny fiainan’ny ankizy (jereo Matio 11:16, 17). Miaraka amin’ny fitomboana koa anefa ny adidy sy ny andraikitra; tsy mora akory izany rehetra izany, ary tokony hampiana ny tanora hanaiky izany. Miankina be dia be amin’ny fihetsiny tokoa ny ho fahombiazany na tsy fahombiazany. Eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia mbola zava-dehibe kokoa ihany ny hieritreretana tsara ny fiezahana mafy takin’ny fahamasahana kristiana. Raha ny amin’izay mahakasika anao, moa ve ianao maniry na tsy mahandry mihitsy aza ny hiantsoroka ireo andraikitra tokony hiantsorohan’ny olona iray matotra na efa lehibe ara-panahy? Sa kosa ianao manaiky hoentina, amin’ny fianteherana amin’ny hafa mba hialana amin’ny andraikitrao? — Galatiana 6:4, 5.
Ny fahamasahana kristiana
10. Nahoana moa i Paoly no nandodona ny kristiana hebreo ‘handroso haingana ho amin’ny fahamasahana’?
10 Rehefa nananatra an’ireo rahalahiny i Paoly mba ‘handroso haingana ho amin’ny fahamasahana’ inona marina no noeritreretiny (Hebreo 6:1)? Ahariharin’ny teny manodidina fa ‘nanana teny maro hambara’ tamin’ireo kristiana hebreo ilay apostoly momba an’i Jesosy Kristy, ilay “Mpisoronabe ‘araka ny fanaon’i Melkizedeka’ ”. Natahotra anefa izy sao tsy vonona ho amin’izany ny maro, satria ny hevitra tiany hovelabelarina amin’izy ireo dia “sarotra” hazavaina. (Hebreo 5:10, 11.) Koa izao kosa no nambarany tamin’izy ireo: “Efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina? Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” — Hebreo 5:12-14; jereo Joda 3.
11. Inona moa no atao hoe fahamasahana?
11 Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa ny fahamasahana kristiana dia voafintina ho ny fahalalana ireo fampianarana lalina ao amin’ny Baiboly? Mazava ho azy fa mba hahatongavana ho kristiana matotra dia ilaina ny hahalalana sy hahatakarana ny hevitry ny Soratra masina, nefa tsy ampy velively izany. Ny fahalalana tsara ireo teny nampiasain’ny apostoly Paoly dia hanampy antsika hahazo an-tsaina marina kokoa ny amin’ilay raharaha. Ny teny hoe “fahamasahana” ampiasaintsika tokoa dia mifanitsy amin’ny teny grika hoe téléiotés, ary ny mpamaritra anarana ampiasaintsika hoe “masaka” na “matotra” dia mifanitsy amin’ny hoe téléios. Ireo teny roa ireo anefa dia iray fiaviana amin’ny hoe télos, izay ny dikany dia hoe “farany”. Ao amin’ny diksionerany (An Expository Dictionary of New Testament Words), dia manazava i W. Vine fa ny hoe “matotra” (téléios) dia “milaza fahatongavana amin’ny farany ho an’ny tena (télos), fahavitana, fahatontosana, fahatanterahana”. Araka izany àry, ny kristiana matotra dia izay tonga amin’ny farany iray, amin’ny zava-kendrena nomena iray. Inona izany?
12. Araka ny Efesiana 4:11-13, inona no ilaina mba hahamatotra?
12 Ao amin’ny Efesiana 4:11-13, ny apostoly Paoly dia nanazava fa amin’ny maha-Filohan’ny kongregasiona kristiana azy, Jesosy dia nanao fandaharana maro mba hanampiana ny “olona masina” hahatratra ny zava-kendrena manintona ny saintsika, dia: ‘ny fahatongavantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.” Araka ny voalazan’io soratra io, ny toeran’ny lehilahy matotra na tomombana (téléios amin’ny teny grika) dia tsy ampiarahina amin’ny “fahalalana marina tsara [MN ]” fotsiny, fa amin’ny “firaisan’ny finoana” koa; ambonin’izany, ny olona matotra dia tokony handrefy ny tenany araka ny halehiben’i Kristy.
13. Nahoana no tsy mety hisy fahamasahana kristiana raha tsy misy “firaisan’ny finoana”?
13 “Ny firaisan’ny finoana” dia anton-javatra miteraka firaisan-tsaina. Talohan’ny nahitana ny ‘finoana iray’, dia nety ho nanana ny heviny manokana ny olona iray ny amin’ny fomba fanaovan-javatra, ny amin’ny tsara sy ny ratsy ary ny amin’ny hevitra hafa maro (Efesiana 4:4, 5). Raha avelany haharitra ao aminy izany hevitra izany, dia ho sarotra aminy tokoa ny hitombo ara-panahy. Taloha dia nolazain’i Paoly fa “araka ny nofo” sy “mbola zaza ihany ao amin’i Kristy” ireo kristiana tao amin’ny kongregasiona tany Korinto, satria ireo norotidrotehin’ny “fialonana sy fifandirana”, ny sasany nilaza ho nanaraka an’i Paoly, ny hafa nanaraka an’i Apolosy (I Korintiana 3:1-4). Takatra àry fa ny firaisan-tsaina na “firaisan’ny finoana” dia tsy azo sarahina amin’ny fahamasahana kristiana. Tsy mandeha singany ireo. Koa tokony hanontany tena toy izao isika: Moa ve isika nanary ny toe-tsaintsika taloha? Takatsika ve ny hoe nahoana isika no tokony ho tafaray amin’ny hevitra sy ny asa amin’ireo mpanompon’i Jehovah hafa? Tsy azo lavina fa tena ilaina amin’ny fahamasahana kristiana “ny firaisan’ny finoana”. — Efesiana 4:2, 3.
14. Mifamatotra amin’inona koa moa ny fahamasahana?
14 Ny fahamasahana kristiana dia mifamatotra koa amin’ny “ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy”. Inona no tiana holazaina amin’izany? Araka ny teny nanampin’i Paoly, ireo izay tonga amin’izany halehibe izany dia tsy “zaza intsony (...) ka ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona” izay mamoron-kevi-diso amin-kafetsena. Manana fahalalana tsy misy diso ny fahamarinana tokoa izy ireny. Nitombo tamin’ny fitiavan’i Kristy izy ireny ary mampiseho toetra hafa toy ny fahendrena, ny fahamarinana sy ny hery (Efesiana 4:13, 14; Jaona 15:12, 13; I Korintiana 1:24, 30; 2:7, 8; Ohabolana 8:1, 22-31). Na dia tsy afaka ny ho tonga tanteraka amin’ny ‘halehiben’i’ Kristy aza angamba isika noho ny tsy fahatanterahantsika, dia anjarantsika ihany ny maka azy ho ohatra amin’ny famerana ho zava-kendrena na ho zavatra tratrarina farany ny fanaovana izay hahazoana toetra sahala amin’ny an’Andriamanitra (Kolosiana 3:9). Arakaraka ny iezahantsika manatratra an’io zava-kendrena io no ahatongavantsika ho matotra.
Aoka isika hitombo ao amin’ny fitiavana
15. Ahoana no anaovana ny dingana voalohany ho amin’ny fahamasahana?
15 Rehefa hitantsika izao ny dikan’ny teny hoe “fahamasahana kristiana” dia tokony ho fantatsika koa ny fomba hanatrarana ny zava-kendrena tondroiny. Araka ny novakintsika tao amin’ny Hebreo 6:1, dia zava-dehibe voalohany indrindra ny hanorenana eo amin’ny fototra tsara. Rehefa vita izany dia tokony hanao fiezahana amboniny isika mba handrosoana ho amin’ny fahamasahana. Tsara anefa ny manamarika fa ny foto-javatra voalohany indrindra amin’ny fanorenana dia ny “fibebahana” hahafahana amin’ny asa maty”.
16. Tokony hibebaka noho ny “asa maty” inona moa isika?
16 Miharihary fa ny asan’ny nofo ratsy dia anisan’ny “asa maty”, satria raha tsy mitandrina izany isika dia mety hitarika antsika amin’ny fahafatesana izany. Tsy isalasalana fa ekentsika an-tsitrapo fa ny fandikan-dalàna ankarihary toy ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fijejojejoana, ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana ody ratsy dia samy fahotana ka rariny ny hanariantsika azy. Kanefa ny asan’ny nofo izay anisan’ny “asa maty” dia mahafaoka koa toetoetra toy ny fandrafiana, fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fitsiriritana (Galatiana 5:19-21). Koa raha tsy esorintsika ny kileman-toetra toy izany ka soloantsika “toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”, dia tena tsy azo inoana loatra fa ho afaka handroso be ho amin’ny fahamasahana kristiana isika. — Efesiana 4:22-24.
17. Inona avy moa no asa azo heverina koa ho “asa maty”? Nahoana?
17 Ankoatra ny asan’ny nofo, ny “asa maty” tokony hariantsika dia mahafaoka ireo asa tsy mahasoa sy tsy mahavokatra amin’ny heviny ara-panahy. Araka izany, ny sasany dia miditra amin’ny fiantohan-draharaha mampahazo harena, mikendry raharaha hahazoam-bola be, ny hafa manokana fotoana be dia be amin’ny fianarany mba hanomezana fahafahampo ny faniriany laza. Misy koa mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana nokendrena hanohanana fanavaozana ara-tsosialy na fahatongavan’ny fandriampahalemana. Izany asa rehetra izany dia misy vidiny sasany ivelany kanefa dia “asa maty” satria mety hitarika ho amin’ny fahavoazana ara-panahy. Izay rehetra maniry ho tonga amin’ny fahamasahana ara-panahy àry dia tokony ‘hibebaka’ ny amin’ireny “asa maty” ireny, hiala tanteraka amin’izany mba ‘hanohy hikatsaka ny fanjakana sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra] aloha’, araka ny fananaran’i Jesosy. — Matio 6:33.
18, 19. a) Ao amin’ny Efesiana 4:15, inona moa no tiana holazaina amin’ny hoe “hilaza ny marina”? b) Inona no ifandraisan’izany amin’ny fahamasahana kristiana?
18 Rehefa mipetraka izao ny fototra, inona no tokony hatao? Nanome izao torohevitra izao i Paoly: “Mba hanaraka [hilaza, MN ] ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha, dia Kristy.” (Efesiana 4:15). Voamarika aloha fa soritan’i Paoly ny ilàna “hilaza ny marina”. Io fitenenana io anefa dia tsy mihatra amin’ny teny ihany. Ny dikany ara-bakiteny dia hoe “manohana ny fahamarinana”. (Kingdom Interlinear.) Ny andininy hafa dia mandika azy amin’izao teny izao: “Miaina araka ny fahamarinana”, na koa: “Hanaraka foana ny fahamarinana amim-pitiavana isika, amin’ny tenintsika sy ny ataontsika ary ny fiainantsika.” — Efesiana 4:15, Jerusalem; Le Livre.
19 Raha mikatsaka ny fahamasahana kristiana àry isika dia zava-dehibe ny hanohanantsika na hiarovantsika ny fahamarinana amin’ny fomba fiainantsika, firesatsika, fanaovantsika zavatra sy fitondrantsika ny hafa. Amin’izany dia tokony hampiharintsika isan’andro ny fahalalana araka ny Baiboly azontsika, mba ho anisan’izay “manana saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. (Hebreo 5:14.) Manao izany ve ianao? Manjohy hevitra miankina amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ve ianao isaky ny manana fanapahan-kevitra tokony hatao? Manao ny fiezahana takina aminao ve ianao, dia: ny ho tonga kristiana matotra izay miaro ny fahamarinana amin’ny teniny sy ny ataony? Sa aleonao mijanona foana ho zazakely tsy manana andraikitra sy manana fahalalahana hanome fahafahampo ny fanirian’ny tenanao?
20, 21. a) Inona no fifandraisana mety hisy eo amin’ny fitiavana sy ny fikatsahana ny fahamasahana? b) Tokony hiresaka ny amin’ny fanontaniana inona avy koa moa isika?
20 Izao koa no ambaran’i Paoly: “Amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy.” (Efesiana 4:15). Amin’ny filazana izany dia tondroiny ny fototry ny zava-manahirana: ny antony manosika antsika. Araka ny nasehony ao amin’ny I Korintiana 13:1-3, ny asa mety hisy vidiny lehibe dia hanjary ho zava-poana tanteraka raha tsy noho ny antony tsara no anaovany azy. Noho izany antony izany no tokony handinihantsika ireo antony manosika antsika amin’izay rehetra ataontsika. Moa ve isika manao zavatra mba ho hitan’ny hafa, mba hanaitra ny sain’izy ireny ka hampiseho aminy fa matotra isika, sa kosa noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namantsika? Raha hetsehin’ny fitiavana isika, dia ‘hitombo amin’ny zavatra rehetra’ ka ho tonga kristiana mijoro tsara, mendrika itokisana sy matotra, manaiky an’i Kristy foana ho “Loha”.
21 Tsy isalasalana fa zava-kendrena mendrika ny hotratrarina ny fahamasahana kristiana. Tsy tokony hanamarika ny faran’ny fandrosoantsika anefa izany. Rehefa tonga amin’izany ny kristiana iray, inona àry no tokony hataony? Eny, ahoana ny amin’ireo izay ao anatin’ny fahamarinana hatramin’ny taona maro ka efa kristiana matotra? Horesahintsika ny amin’izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Raha tokony hanazava izany ianao ...
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ny “toetoetra mampiavaka ny zaza”? Inona avy no mety ho vokatr’izany?
◻ Inona no fifandraisana misy amin’ny “firaisan’ny finoana”, “ny fahafenoan’i Kristy” sy ny fahamasahana?
◻ Mba hahatongavana amin’ny fahamasahana kristiana, “asa maty” inona no tokony hariantsika?
◻ Ahoana no azo ‘itomboana amin’ny fitiavana’?
[Teny notsongaina, pejy 9]
TAO ANATIN’IREO ENIN-TAONA FARANY DIA
—Vavolombelona vaovao 827 144 no natao batisa
—Kongregasiona vaovao maherin’ny 5 000 no noforonina
—Amin’ny olona telo mandray anjara ankehitriny amin’ny fitoriana, dia anankiray no natao batisa tao anatin’io vanim-potoana io.
[Teny notsongaina, pejy 9]
Tao anatin’ny taom-piasana 1984 dia tany enina no nahitana mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 100 000 amin’ny ara-keviny.
[Sary, pejy 11]
Amin’izao andro izao, dia be dia be no tia kokoa ny fanompoana kristiana noho ny fanatrarana zava-kendrena mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo.