Misy eo amin’izao tontolo izao feno fankahalana ny fisakaizana kanto indrindra
“Aoka ny mamôna [harena, MN] tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay hianareo, rehefa lany izany.” — LIOKA 16:9.
1. Nahoana moa ny teny voasoratra ao amin’ny Ohabolana 14:20 no tsy nihatra tamin’i Jesosy fony izy teto an-tany?
“NY MALAHELO dia halan’ny havany aza; fa ny manan-karena no tian’ny maro.” (Ohabolana 14:20). Io fanambarana ao amin’ny ohabolan’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely io, dia tsy nihatra tamin’i Jesosy Kristy izay lehibe noho izy sy ny olon-kafa rehetra. Kristy tokoa dia tsy nanintona ny Isiraelita ho amin’ny tenany tamin’ny alalan’ny harena ara-nofo. Ho azy, ny fananana eo amin’izao tontolo izao dia tsy fototry ny tena fisakaizana maharitra.
2. Nanoro hevitra an’ireo mpianany mba hampifamatotra fisakaizana amin’iza moa Jesosy? Nahoana?
2 Marina fa indray andro i Jesosy dia nanambara hoe: “Aoka ny mamôna [harena, MN ] ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay hianareo, rehefa lany izany.” (Lioka 16:9). Ny “sakaiza” noeritreretiny tamin’izay fotoana izay anefa dia tsy iza fa Jehovah Andriamanitra, Loharanon’ny harena mendrika ny hananana rehetra, sy ny tenany koa, tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra faran’izay manan-karena azy. Raha manaraka ny toroheviny isika amin’izao andro izao, dia hahita ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana mety handraisan-tsoa eto an-tany, dia izay hasehon’i Jehovah Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany izay tsy nisalasala nanao sorona ny tenany ho an’ny hafa.
3. Afaka mandray antsika ao amin’ny fonenana inona moa ireo Sakaiza any an-danitra ireo?
3 Noho izy tsy mety maty, ireo olona any an-danitra ireo dia mety hijanona ho sakaiza tsy miova ho antsika ka hampiditra antsika ao amin’ny “fonenana mandrakizay”. Izany “fonenana mandrakizay” izany dia ho azontsika, na any an-danitra, miaraka amin’ny anjely masina rehetra, na eto an-tany, ao amin’ny Paradisa voaorina indray. — Lioka 23:43, MN.
Ny fomba hahazoana ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana
4. a) Ohatra inona ao amin’ny Baiboly moa no mampiseho fa tsy azo vidim-bola ny fisakaizana? b) Ahoana no tsara hampiasana ny fananantsika?
4 Tsy azo vidim-bola ny fisakaizana amin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra sy ny Zanany lahitokana, Jesosy Kristy. Izany fahamarinana izany dia voazava tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany araka ny hita tamin’i Ananiasy sy Safira. Kanefa tsy mitady amin’ny fomba tsy marina ny voninahitra sahala amin’ny nataon’io mpivady io isika fa afaka mampiasa ny fananantsika eto an-tany amin’ny fomba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy (Asan’ny apostoly 5:1-11). Izany no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara izy hoe: “Manaova sakaiza amin’ny harena eo amin’izao tontolo izao mba handraisana anao any amin’ny fonenana mandrakizay amin’ny fotoana tsy hanananao izany.” — Lioka 16:9, Bible en français courant.
5. Inona no fanapahan-kevitra noraisin’i Zakaiosy? Nitarika azy ho amin’inona izany?
5 Rehefa nanonona ireo teny ireo i Jesosy, dia tsy nitady ny hahazoana antoka fa hahazo ny fankasitrahan’ny mpamory hetra tao amin’ny Empira romana na ny mpanota hafa. Azo antoka fa tsy naniry hanangona harena teto an-tany izy, satria ny tenany mihitsy no namporisika ny mpianany hihary harena any an-danitra kosa. Zakaiosy, Jiosy iray izay niasa tamin’ny naha-mpamory hetra ho an’ny fitondram-panjakana romana, dia nanapa-kevitra ny hampihatra an’io torohevitry ny Mesia io, ary nampahafantatra ny fikasany tamin’ny manodidina azy izy. Teo anoloan’izany fitarihan-javatra ho fanohanana ny tombontsoan’ilay Fanjakana izany, dia nihiaka toy izao ilay lehibe indrindra tamin’ny vahinin’i Zakaiosy: “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa. Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very.” (Lioka 19:1-10). Ny tenan’i Zakaiosy koa dia anisan’ny “very”.
6. Afaka ny ho anisan’ny inona moa Zakaiosy. Avy amin’ny fanaovan-dratsy inona no azontsika andraisana fianarana?
6 Tamin’izany i Zakaiosy dia niditra tao amin’ny kanto indrindra amin’ireo fisakaizana, ny an’Andriamanitra sady Rain’ilay vahininy niavaka noraisiny tao an-tranony. Ny fitantarana ao amin’ny Baiboly dia tsy milaza amintsika raha nahita an’i Jesosy izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty na raha anisan’ny mpianatra tokony ho 120 tafavory tao amin’ny efitrano ambony iray tany Jerosalema tamin’ilay andro nanan-tantara tamin’ny Pentekosta taona 33. Azo atao anefa ny mieritreritra fa izy dia anankiray tamin’ireo mpianatra 5 000 nateraka sy voahosotry ny fanahy izay resahina atỳ aoriana kely (Asan’ny apostoly toko faha-2 sy faha-4; I Korintiana 15:1-6). Na ahoana na ahoana, endrey ny fifanoheran’izany amin’izay hitantsika tamin’i Ananiasy sy Safira noresahintsika teo aloha! Io lehilahy io sy io vehivavy io izay niaraka tamin’ny kongregasiona tany Jerosalema tokoa dia nanandrana nampitombo ny lazany teo imason’ny mpianatra tamin’ny fandaingana ny amin’ny tokom-bidin’ny fanomezana nataony. Ny sady nampiharina taminy noho ny nanaovany ny tsy marina dia nahatonga azy hamoy ny kanto indrindra tamin’ny fisakaizana, ary mbola fampitandremana ho an’ny kristiana rehetra amin’izao androntsika izao izany. — Asan’ny apostoly 4:34 ka hatramin’ny 5:11.
7. Na dia ao aza ny fankahalan’izao tontolo izao, tombontsoa tsy fahita firy inona no ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
7 Na dia ao aza ny fankahalana mampiavaka an’izao tontolo izao amin’izao taonjato faha-20 izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mbola manana ihany ny fisakaizana kanto indrindra. Fa nahoana izy ireo no hanana izany tombontsoa tsy fahita firy izany nefa tsy mba toy izany ny fandaharana ara-pivavahana maherin’ny arivo tsy mitovy daholo? Miharihary fa satria izy ireo nanao zavatra tena lehibe nataon’ireo mpivavaka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsirambina. Voalohany indrindra, izy ireo dia tafavoaka avy ao amin’ireo fandaminan’ny fivavahan-diso ka manaiky fa ireo dia mahaforona ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso antsoin’ny Baiboly hoe Babylona Lehibe. Mazava ho azy fa tsy ampy ny misaraka amin’ny fivavahan-diso iray mba hahatongavana ho anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa avy niala tamin’ny antokom-pivavahana iray tokoa ny olona anankiray dia tena mety hiditra ao amin’ny fihetsiketsehana hafa iray izay ho anisan’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso koa.
8. Miantefa mivantana amin’iza moa amin’izao andro izao ny baiko hivoaka avy ao Babylona Lehibe?
8 Araka ny ho efa nomarihina, dia ny ‘olony’ no didian’Andriamanitra handao an’i Babylona Lehibe (Apokalypsy 18:4). Io didin’Andriamanitra io dia mitovy amin’ny antso hafa iray nalefa fahiny ho an’ireo Isiraelita babo tany Babylona ka tantaraina ao amin’ny Soratra hebreo (Isaia 52:11). Amin’izany, ny filazana mazava hoe “ry oloko” dia mihatra mivantana amin’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy izay nateraka sy nohosorana tamin’ny fanahy masina ka mbola eto an-tany. Tao anatin’ny Ady Lehibe Voalohany (1914-1918), Babylona Lehibe dia namabo an’ireny kristiana ireny tamin’ny alalan’ireo mpitondra ara-politika sy ara-tafika ary ara-pitsarana eo amin’izao tontolo izao. Nanantena ny handresy azy ireo izy tamin’izany. Raha lazaina ara-panoharana, ny sisa voahosotra dia tena babo indray tokoa. Nafoiny ny fahafahana hiasa nananany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
9. Voatery nanao inona moa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hivoahana avy ao Babylona Lehibe?
9 Ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 Babylona Lehibe dia aseho amin’ny endriky ny vehivavy janga iray mitaingina bibidia manan-doha fito sy tandroka folo. Io bibidia ara-panoharana io izay midina any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka miakatra avy any dia mampiseho fikambanana noforonina tamin’izao androntsika izao mba hanohanana ny fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao: ny Fandaminan’ny Firenena mikambana izay nandimby ny Fikambanam-pirenena rehefa lasa tany amin’ny lavaka tsy hita noanoa io teo am-piandohan’ny Ady Lehibe faharoa. Noho izany, inona no nataon’ireo izay antsoin’i Jehovah hoe “oloko” mba hivoahana avy ao Babylona Lehibe? Nanafa-tena izy ireo, tsy tamin’ny herin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso ihany, fa tamin’ny ziogan’ireo namany ara-politika, mpitondra manana solontena ankehitriny ao amin’ny O.N.U.
10. Fandaminana iraisam-pirenena inona moa no tsy tian’ny Vavolombelon’i Jehovah hananana fifandraisana mihitsy? Nahoana?
10 Ireo kristiana voahosotra amin’izao androntsika izao dia nitandrina fialanalanana tanteraka teo anoloan’ireo zava-manahirana ara-politika sy ara-tafika eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny (Jaona 15:19). Miray saina izy ireo mba hiandany amin’ny Fanjakana naorin’Andriamanitra tany an-danitra ary nankininy tamin’i Jesosy Kristy tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914. Tamim-panamavoana ilay Fanjakana no nametrahana ny Fikambanam-pirenena sy nanohanan’i Babylona Lehibe azy taorian’ny fahavitan’ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny 1918. Noho izany, io fandaminana iraisam-pirenena natsangan’ny olombelona io dia maloto, maharikoriko eo imason’i Jehovah Andriamanitra sy ireo Isiraelita ara-panahy mahatoky mbola eto an-tany. Ireo Isiraelita ara-panahy mahatoky ireo dia mitoky amin’ny Fanjakan’i Jehovah fa tsy amin’izay mety ho fandaminana heverina fa hahasolo azy (Matio 24:15, 16). Toy izany koa ny amin’ny “olona betsaka” nanana ho tandindona ny Netinima sy “ny taranaky ny mpanompon’i Solomona”. — Apokalypsy 7:9-17; Ezra 2:43-58.
11. a) Nahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no tsy tokony ho sakaizan’izao tontolo izao? b) Inona no fihetsika narahin’izao tontolo izao ankehitriny teo anoloan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Manana inona anefa ireo?
11 Nandritra ny fitsarana azy teo anatrehan’i Pontio Pilato governora romana, rehefa notandindomin-doza ny ainy, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” (Jaona 18:36). Noho izany dia tena ho ratsy ho an’ny ‘mpanompo’ na mpianatr’i Jesosy ny ho sakaizan’izao tontolo izao. Efa nilaza tamin’ireo voalohany amin’ny ‘mpanompony’, ireo apostoly nahatoky 11 i Jesosy fa izy ireny dia ‘tsy naman’izao tontolo izao’ manana an’i Satana Devoly ho “filoha”. (Jaona 14:30, MN; 15:19; jereo II Korintiana 4:4.) Noho izany antony izany dia nankahala azy ireo izao tontolo izao na niseho ho tsy tia azy aza. Amin’izao taonjato faha-20 izao ireo mpianatr’i Jesosy dia miaina eo anivon’izao tontolo izao feno fankahalana toy izany koa. Na dia ao aza izany rehetra izany, izy ireo dia manohy mifaly amin’ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana, ny an’ilay Andriamanitra izay hanorina tsy ho ela izao tontolo izao marina, misy “lanitra vaovao” sy “tany vaovao”. — II Petera 3:13.
12. Rehefa misy misaraka amin’i Babylona Lehibe sy ireo sakaiza ratsiny ara-politika, tokony hilahatra eo amin’ny andaniny inona izy ireo? Mitaky inona aminy izany?
12 Rehefa misaraka amin’i Babylona Lehibe sy ireo namany eo amin’izao tontolo izao ara-barotra sy ara-politika ary ara-tafika ny olona iray, dia tsy manana afa-tsy toerana iray tokony haleha izy sisa. Tokony hilahatra ao amin’ny tobin’ny fandaminan’ilay hany Andriamanitra velona sady marina, dia Jehovah, eo amin’izao rehetra izao izy. Tsy misy faritra tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa amin’io zavatra io. Izay manao izany safidy izany dia tokony hizaka ny fankahalan’izao tontolo izao ankehitriny. Izany no anankiray amin’ny antony tsy maha-mora ny hanapahan-kevitra hiala amin’i Babylona Lehibe sy izao tontolo izao iraiketany.
Manome antsika “anarana vaovao” ilay Sakaizantsika tsara indrindra
13. Tamin’ny taonjato voalohany, anarana inona moa no noraisin’ny mpianatr’i Jesosy avy amin’ny fitondran’Andriamanitra?
13 Noho ny fisakaizana mahatalanjona mampiray antsika amin’Andriamanitra dia faly isika mitondra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Marina fa ireo mpianatr’i Kristy dia tsy nantsoina toy izany tamin’ny taonjato voalohany. Jereo anefa ny fifandraisana notanany tamin’ilay Sakaizany tsara indrindra. Izao no vakintsika ao amin’ny Asan’ny apostoly 11:26: “Ary tany Antiokia [any Syria] no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana [avy amin’ny fitondran’Andriamanitra, MN ]. Araka ny voamarikao, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia milaza mazava fa ny mpianatra dia nandray ny anarana hoe kristiana “avy amin’ny fitondran’Andriamanitra”. Marina tokoa fa ny teny grika nadika amin’ny fitenenana hoe ‘nantsoina avy amin’ny fitondran’Andriamanitra’ dia mampiseho fa ny anarana hoe “kristiana” dia tsy nomena azy ireo noho ny kisendrasendra. Nankasitrahan’ilay Sakaizan’izy ireo tsara indrindra izany.
14. Inona no azo lazaina ny amin’ny teny hoe “chrétienté”? Fanontaniana inona no mendrika hoeritreretina?
14 Avy amin’ny teny hoe “Kristiana” no niandohan’ny anarana hoe “chrétienté” manondro ny fitambaran’ny lazaina fa kristiana miely patrana ao anatin’ny antokom-pinoana isan-karazany. Tsy “avy amin’ny fitondran’Andriamanitra” àry no nahazoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny anarany na tamin’ny alalan’ireo apostoly na tamin’ny fomba hafa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany, ny tarehin-javatra ankehitriny dia tsy mitovy be dia be amin’izay nisy tamin’ny taonjato voalohany. Ny kristiana marina ihany no afaka manana ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana eo anivon’izao tontolo izao feno fankahalana. Rehefa hita izany, dia izao no fanontaniana lehibe mipetraka amin’izao andro izao: Iza moa no kristiana tena mampifanaraka tokoa ny fiainany amin’ny Soratra masina azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra? Ireto koa misy hafa lehibe toy izany: Kristiana marina ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Manana an’Andriamanitra sy Kristy ho sakaiza ve izy ireo? Rehefa dinihina dia ny anarana nomen’Andriamanitra ho an’ny tenany mihitsy, ny hoe Jehovah, no voakasika.
15. Nahoana moa no tonga ny fotoana hanaovan’i Jehovah anarana ho an’ny tenany? Inona no anjara raisin’ny olona ‘ho fankalazana ny anarany’ amin’io lafiny io?
15 Ahoana no hahafahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny antokom-pinoana maro ao anatiny hitana fifandraisam-pisakaizana amin’i Jehovah? Napetrany eo amin’ny toerana aloha ny anaran’i Jesosy Kristy ka manakona tanteraka ny an’ny Rainy any an-danitra hoe Jehovah. Kanefa, araka ny nohamarinin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia tonga ny fotoana hanaovan’i Jehovah anarana. Tokony hasongadina àry ny anarany. Mba hanaovana izany, dia nampiasa ireo tena vavolombelony izy, dia ny vahoaka voafidy izay manana fisakaizana aminy. Tamin’ny fivoriana manokana iray nataon’ireo apostoly sy mpianatra hafa tamin’ny taonjato voalohany, dia izao no nambaran’i Jakoba: “Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.” — Asan’ny apostoly 15:14.
16, 17. Nataon’ireo Baiboly ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ahoana ny anaran’Andriamanitra? Ny amin’izany, inona no azo lazaina momba ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao?
16 Azo natao ny nanampo fa ny ‘vahoaka voangona ho an’ny anaran’Andriamanitra’ dia voaforon’ireo sakaizany ary miaro ny anarany. Inona anefa no mitranga eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Ao amin’ireo Baiboly naeliny indrindra, ny anarana hoe Jehovah dia nosoloana anaram-boninahitra iray. Hevero ange: Ao amin’ny fandikan-teny anglisy miely indrindra dia inefatra monja sisa ahitana azy io (Eksodosy 6:3; Salamo 83:18; Isaia 12:2; 26:4; King James Version). Na dia ireo fandikan-teny jiosy amin’ny Soratra hebreo aza dia nanolo ny anarana manokan’Andriamanitra tamin’ny teny toy ny hoe “ny Mandrakizay” na “ny Tompo”. Ireo izay nanandrana nanafoana ny anaran’i Jehovah dia azo antoka fa tsy sakaizany.
17 Tamin’ny 1950, Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia niseho teo amin’ny sehatra ara-pivavahana. Io fandikan-teny io dia nitondra ny anaran’Andriamanitra isaky ny niseho izy io tao amin’ny teny hebreo tamin’ny voalohany. Naveriny ao amin’ny toerana tokony hisy azy tokoa izy io ao amin’ny Soratra grika antsoin’ny maro hoe “Testamenta Vaovao”. Io anarana io tokoa dia hita in-237 ao amin’io tapany amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao io. Tena izany no azo nantenaina avy amin’ireo tena sakaizan’i Jehovah.
18. Mifanaraka amin’ny voalaza ao amin’ny Isaia 62:2, inona no nataon’ny olon’Andriamanitra tamin’ny 1931? Andraikitra inona no notanterahiny?
18 Ny fanambarana voasoratra ao amin’ny Isaia 62:2 dia mifono heviny lehibe ho an’ireo sakaizan’i Jehovah. Izany dia miantefa amin’ny fandaminana hita maso voaforon’ireo mpianatry ny Mesia nanolo-tena ho an’Andriamanitra, natao batisa ary nateraky ny fanahiny. Izao izany: “Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, izay hotononin’ny vavan’i Jehovah.” Izany “anarana” izany dia mampiseho ny toe-piainana feno fitahiana nanangonana ireo kristiana voahosotry ny fanahy amin’izao androntsika izao. Na dia izany aza, mba tena hahatonga ireo mpikambana farany amin’ny fandaminana hita maso ho ‘olona hankalazana ny anaran’Andriamanitra’, dia nilaina ny hiantsoana an’io anarana io teo amin’izy ireo sy ny hitondrany azy. Izany anefa no nitranga tamin’ny fotoana nety. Tamin’ny fivoriambe iray natao tany Columbus, any Etazonia, tokoa, ny fandaminan’ireo kristiana nateraky ny fanahy masina dia nandray tamim-pifaliana ny anarana hoe “Vavolombelon’i Jehovah” mifanaraka amin’ny hevitra voalaza ao amin’ny Isaia 62:2. Taty aoriana, tao amin’ny kongregasionany rehetra, ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah dia nandray an’io anarana io. Nijanona ho azy ireo anefa izany, mifanohitra amin’ny faminaniana rehetra nataon’izao tontolo izao ny amin’izany. Ao amin’ny Apokalypsy 3:14 Jesosy Kristy nomem-boninahitra dia miseho ho “Vavolombelona mahatoky sy marina”. Tamin’ny fomba araka ny fitondran’Andriamanitra àry no nandraisan’ny mpianany rehetra teto an-tany an’io anarana io tamin’ny 1931. Hatramin’izay izy ireo dia niezaka nanatontosa ny andraikiny tamin’ny fitondrana izany tamim-pahamendrehana sy tamin’ny fampahafantarana azy. Noho izany, dia nasongadina naneran-tany koa ny anarana tsy manam-paharoan’ilay Sakaizany tsara indrindra, dia Jehovah. Ho valiny, Jehovah dia nitahiry hatramin’izao andro izao ny fisakaizany amin’ireo vavolombelony ary nampiseho dia nampiseho izany tokoa.
19. a) Nahoana moa ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah mba ho vavolombelony no tsy matahotra ny fankahalan’izao tontolo izao? Inona no tombontsoa hananan’ny lehilahy sy ny vehivavy tsy mivadika ao Hara-Magedona? b) Nahoana moa isika no tokony hisaotra sy hidera an’i Jehovah?
19 Raha Jehovah Andriamanitra no momba antsika izay nanolo-tena ho azy mba ho vavolombelony, iza no haharesy antsika (Romana 8:31-34)? Tsy matahotra ny fankahalan’izao tontolo izao fahavalo isika. Izany no antony anohizantsika miasa ho an’ny Fanjakana mesianika, na amin’ny maha-ambasadaoro izany na amin’ny maha-iraka. Manasa ireo “ondry” isika mba hihavana amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Mpisoronabeny manana fiandrianana, dia Jesosy Kristy (II Korintiana 5:20). Na dia miteraka fahatezeran’izao tontolo izao amin’ny sisa amin’ny kristiana voahosotra sy ny “olona betsaka” miaraka aminy aza izany, ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana, ny an’i Jehovah Andriamanitra, dia tsy mivadika hatrany (Apokalypsy 7:9). Tsy ho diso izany mihitsy isika raha mbola tsy mivadika hatrany eo anatrehany koa. Raha ny marina, dia hahita tsy ho ela ny fisehoany mahagaga indrindra izany amin’ilay ady lehibe indrindra amin’ny ady rehetra, ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha, hatao ao Hara-Magedona (Apokalypsy 16:14, 16). Amin’izay, eo anoloan’i Satana Devoly sy ny demonia tafiny ary ny fandaminany manontolo eto an-tany, Jehovah dia hanamarina ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao amin’ny fandresena hanakoako indrindra amin’izay efa azony. Fa raha ny amintsika izay naharetan’ny fisakaizana kanton’i Jehovah hatramin’izao andro izao, dia hanana tombontsoa isika ho tafita velona ary hanana voninahitra ny ho vavolombelona hahita maso izany fandresena lehibe izany, izay ho azon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Salamo 110:1, 2; Isaia 66:23, 24). Enga anie ny fisaorantsika sy ny fiderantsika rehetra hiakatra any amin’i Jehovah Andriamanitra noho ny fisakaizany tsy hay ravana! — Salamo 136:1-26.
Anjaranao ny mamaly
◻ Nananatra an’ireo mpianany hampifamatotra fisakaizana amin’iza moa Jesosy? Raha nanaraka ny toroheviny izy ireo dia ho afaka hiditra ao amin’ny “fonenana” aiza?
◻ Inona no fihetsika narahin’izao tontolo izao teo anoloan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Mbola manana fisakaizana inona ihany anefa ireo?
◻ Andraikitra inona moa no notanterahin’ny vahoaka voangona mba ‘hankalazana ny anaran’Andriamanitra’ raha ny amin’io anarana io.
◻ Nahoana moa ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah mba ho vavolombelony no tsy matahotra ny fankahalan’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 15]
Nahita ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana i Zakaiosy. Nahatsapa toy izany koa ve ianao?
[Sary, pejy 18]
Faly nanao an’Andriamanitra ho ny Sakaizany tsara indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah ka nanao fanapahan-kevitra ny hitondra ny anarany tsy manam-paharoa tamin’ny 1931.