Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Tsy nahomby ilay mpampijaly
NAHOANA i Josefa no namoha an’i Maria teo afovoan’ny alina indrindra? Nolazainy taminy ny antony: ‘Vao niseho tamiko ny anjelin’i Jehovah. Nilaza tamiko izy mba haka anao sy ny zaza, ka handositra ho any Egypta, satria hitady an’i Jesosy i Heroda mba hamono azy.’
Nandositra àry izy telo mianaka. Fotoana nety tamin’izay satria fantatr’i Heroda fa namitaka azy ireo mpanandro ka nandao ilay tany. Tadidio fa tokony ho niverina nampahafantatra azy izy ireo rehefa ho nahita an’i Jesosy. Nisafoaka i Heroda. Koa mba hamonoana an’i Jesosy, dia nandidy izy ny hamonoana ny zazalahy rehetra roa taona no ho midina tao Betlehema sy tany amin’ny faritanin’ny tanàna. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpanandro azy no namerany izany sokajin-taona izany.
Zavatra nahatsiravina ny famonoana izany zazalahikely izany. Niditra tao amin’ny trano nisesy ireo miaramilan’i Heroda ka naka ireo zazalahikely teny an-trotroan-dreniny. Tsy fantatsika ny isan’ny ankizy maty toy izany, fa ny fitomaniana sy fidradradradran’ireny reny ireny dia nahatanteraka faminaniana ao amin’ny Baiboly nataon’i Jeremia, mpaminanin’Andriamanitra.
Teo anelanelan’izany, Josefa sy ny ankohonany dia tonga soa aman-tsara tany Egypta izay nonenany hatreo. Indray alina anefa, dia niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy indray ny anjelin’i Jehovah. ‘Mitsangàna, raiso ny zazakely sy ny reniny, ka mankanesa any amin’ny tanin’ny Isiraely, hoy izy taminy, satria efa maty ireo nitady hamono azy.’ Tamin’izany no niverenan’i Josefa sy ny fianakaviany tany amin’ny taniny, ka izany dia fahatanterahan’ny faminaniana hafa iray koa ao amin’ny Baiboly, nilazana fa hantsoina avy any Egypta ny Zanak’Andriamanitra.
Toa nikasa hanorim-ponenana tany Jodia i Josefa, tany amin’ny nonenany talohan’ny nandosirany ho any Egypta. Reny anefa fa Arkelaosy, zanak’i Heroda ratsy fanahy, no tonga mpanjaka tany Jodia ary, tamin’ny nofy hafa iray, dia nampitandrina azy ny amin’ny loza Jehovah. Nandeha nianavaratra àry Josefa sy ny ankohonany ka nanorim-ponenana tao amin’ny tanànan’i Nazareta. Tao amin’io toerana io, lavitra ny foiben’ny fiainana ara-pivavahana jiosy, no hitomboan’i Jesosy. Matio 2:13-23; Jeremia 31:15; Hosea 11:1.
◆ Rehefa tsy niverina tany aminy ireo mpanandro, inona no zavatra nahatsiravina nataon’i Heroda? Tamin’ny fomba ahoana anefa no niarovana an’i Jesosy?
◆ Rehefa tafaverina avy tany Egypta izy, nahoana i Josefa no tsy nanorim-ponenana indray tany Betlehema?
◆ Faminanian’ny Baiboly inona avy no tanteraka toy izany tamin’io fotoana io?