“Ampianaro hatsaram-po aho”
OLONA roa monja no mba nanao zavatra rehefa nianjera tao anaty “métro” feno hika ny vehivavy be taona iray. Fa raha ny amin’ny mpandeha hafa efa somary taitaitra noho ny fahadisoam-potoana fahita amin’ny maha-be indrindra ny olona, dia tsy nihevitra an’io fisehoan-javatra io afa-tsy ho zavatra mahasosotra amboniny izy ireo. “Tsy azonareo esorina eo ve io vehivavy io e?”, hoy ny fisafoaky ny mpandeha iray tezitra. Toa vato misakana fotsiny ho an’ny hafa ilay vehivavy efa ho faty sy ireo olona roa izay nanandrana namelona azy indray tamim-pamoizampo. Noho izany antony izany no ‘nanitsahana azy ireo imbetsaka’.
Voadinika ny fisehoan-javatra toy izany tany amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao. Hamarininy amin’ny fomba mahagaga ny faminaniana araka ny Baiboly ilazana fa ‘tsy ho tia ny tsara ny olona amin’ny andro farany’. Ny kristiana kosa dia maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah. Manana adidy izy ireny ‘hanalavitra’ ny olona tsy manana hatsaram-po (II Timoty 3:1-5). Tsy ampy anefa ny hanaraha-maso ny fifaneraserantsika. Tokony hiezaka isika hamboly hatsaram-po izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra (Galatiana 5:22, MN ). Ahoana no hahatongavantsika amin’izany? Ary voalohany indrindra, inona no atao hoe hatsaram-po?
Ny hatsaram-po sy ny fahamarinana
Ny teny hoe “hatsaram-po” dia manondro ny fahatsarana ara-pitondrantena sy ny fahitsiam-po. Mihoatra noho ny toetra tsy misy fanaovana na inona na inona fotsiny anefa izany. Raha niresaka ny amin’ny avotra ny apostoly Paoly, dia izao no nolazainy. “Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Eo i Paoly dia toa mampifanohitra ny hatsaram-po amin’ny fahamarinana. Mifanipaka ve ireo hevitra roa ireo?
Tsia. Toa nihevitra i Paoly fa ny hoe marina dia ny manaraka fitsipika. Nampiarahina tamin’ny fitsarana tokoa ny fahamarinana (jereo Apokalypsy 19:11). Manara-dalàna ny “marina”. Ahitana ny marika mampiavaka ao aminy; manao ny anjarany izy. Mety ho tena hijanona eo anefa izy. Mahazo ny fanajana izy, fa tsy hoe tsy maintsy hahazo ny fo. Vitsy no hahatsiaro ho vonona ny ho faty ho azy. Ny olona manana “hatsaram-po” kosa anefa dia tsy mianina amin’ny famenoana fepetra na ny fanalavirana ny fanaovan-dratsy. Ny hatsaram-po dia manosika azy handany ho an’ny hafa, hanao zavatra ho azy ireny.
Izay manome avy amin’ny tenany amin’ny fanaovan-javatra tsara ho an’ny hafa dia tena miseho ho naman’izy ireny. Manazava tsara an’io hevitra io ny fanoharana iray nataon’i Jesosy, dia: ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy. “Onena” ilay Samaritana ka namehy ny ratran’ny lehilahy iray, Jiosy, nasian’ny mpangalatra sy nokapohiny. Avy eo, io Samaritana io izay nanao soa dia ‘nampitaingina ilay lehilahy tamin’ny bibiny, nitondra azy ho any amin’ny tranom-bahiny, dia nitsabo azy’. (Lioka 10:29-37.) Tsy mahagaga raha be dia be no nanome an’io fanoharana io ny anarana hoe fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy. — Jereo Matio 12:35; 20:10-15; Lioka 6:9, 33-36.
Tsy mijanona fotsiny amin’izao ny hatsaram-po fa misy zavatra atao. Ireo izay nandray soa tamin’ny fahamoram-panahy, ny fahalalahan-tanana sy ny fandavan-tenan’ny olona iray “manana hatsaram-po” dia azo inoana fa ho vonona ho tonga hatramin’ny fahafatesana ho azy. Tsy hoe tsy nisy antony àry ny nivavahan’ny mpanao salamo tamin’izao teny izao: “Ampianaro hatsaram-po aho.” (Salamo 119:66, MN ). Ahoana no azon’i Jehovah anaovana izany?
Manome ohatra Jehovah
Mampianatra antsika hatsaram-po Jehovah na dia amin’ny ohatra omeny fotsiny aza. Izy no sary velona mampiseho ny hatsaram-po. Rehefa nangataka mba hahita ny voninahitr’Andriamanitra i Mosesy, dia hoy Andriamanitra taminy: “Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’i Jehovah eo anatrehanao.” Ahoana no nahatanterahan’izany? Fotoana fohy taty aoriana, “Jehovah (dia) nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka.” — Eksodosy 33:18, 19; 34:6, 7.
Tamin’izany fotoana izany, ny hatsaram-pon’i Jehovah dia nasongadina tamin’ny fomba maromaro. Ny famindrampony sy ny fifikirany amin’ny fahamarinana no niavaka indrindra. Mahalala ny tsy fahatanterahan’olombelona Jehovah ka malemy fanahy sy maharitra amin’ireo izay maniry tokoa hanao izay marina. Tsy leferiny anefa ny ratsy na dia izany aza. Koa tsy isalasalana mihitsy fa hahasoa antsika ny hisaintsainana ny ohatra navelan’i Jehovah ho antsika.
Miharihary koa ny hatsaram-pon’i Jehovah eo amin’ny zavatra noforoniny. Ny tenany tokoa dia afaka nihevitra fa ‘tsara’ ny zavatra noforoniny. (Genesisy 1:12, 18, 25, 31; Romana 1:20.) Tsy nianina tamin’ny faran’izay kely Andriamanitra rehefa nanamboatra ity planeta ity mba hetezan’ny fiainana eo.
Ohatra mendrika hoheverina ny amin’izany ny “ranonorana” (Isaia 55:10). Tamim-pahamarinana ara-tsiansa miavaka no nanaovan’i Eliho izay handinihana fa Jehovah dia “mampisavoana ny rano (...), dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany, izay aidin’ny rahona ka alatsany amin’ny olona maro be (...) sady anomezany hanina betsaka”. (Joba 36:27-31.) Tombanana ho 500 tapitrisa lavitrisa litatra ny habetsahan’ny rano azo isan’andro amin’izany fifandimbiasan-javatra izany, ka ny masoandro no “mampisavoana [misintona, MN ]” avy amin’ny ranomasina ny ankabetsahan’izany rano izany indrindra.
Araka ny New York Times, dia “nisy mpanao fikarohana nandinika ny herin’ny ala tropikaly any Amerika atsimo nanome porofo hentitra voalohany fa ny ala iray dia afaka mamerina amin’ny rivotra eo amin’ny 75 isan-jato amin’ny hamandoana raisiny”. Io fitantarana io dia nampiseho koa fa “ny habetsahan’ny rano tehirizin’ny ala iray dia afaka miverina ao amin’ny rivotra amin’ny fatra ampy mba hamoronana rahon-dranonorana vaovao”! Ary aoka tsy hohadinointsika fa ny rano dia anankiray amin’ireo anton-javatra tena ilaina amin’ny famokarana sakafo. Tsy azo lavina fa Jehovah dia nanome be dia be sy tamin’ny fomba misy vokany ny fiainana eto an-tany. Endrey ny hatsaram-po nasehony tamin’ny fizarana izany zavatra rehetra izany na dia ho an’ireo tsy mahay mankasitraka sy tsy miraika aza! — Matio 5:44, 45.
Miseho amin’ny fomba manaitra kokoa ihany anefa ny hatsaram-pon’i Jehovah amin’ny fomba narahiny mba hanatanterahana ny fikasany tamin’ny voalohany ny amin’ny olombelona (Genesisy 1:28; 3:15; Romana 5:12). Ny hatsaram-po no nanosika azy hanomana avotra ho an’ny olombelona mpanota tamin’ny fanomezana “ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16; Romana 3:23, 24.) Tsy ho ela ny hatsaram-pony dia hiseho amin’ny olona mahitsy rehefa hanafoana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny izy, amin’ny alalan’ilay Fanjakana (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10; II Petera 3:9, 10). Mbola hahagaga kokoa ihany anefa ny ho vokatry ny hatsaram-pony rehefa ho tonga paradisa ny tany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. — Lioka 23:43, MN; II Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-5.
Aoka isika hanahaka ny hatsaram-pon’i Jehovah
Ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka dia hahatonga antsika ho afaka hitana tsy tapaka eo anoloantsika, ny ohatra faka tahaka ambony indrindra amin’ny hatsaram-po, dia ny an’i Jehovah, ka noho izany, dia hanahaka azy. Marina fa asa tena ilaina maro no mety hisosoka ny fianarantsika tsy tapaka ny Soratra masina, na dia ny fahandroan-tsakafo, ny fikarakarana tokantrano, ny fiantsenana sy ny fanamboarana ny simba amin’ny trano ihany aza. Na dia ao aza izany rehetra izany, dia tokony hitana ny zavatra ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany isika. Izany no nasehon’i Jesosy fony izy nitsidika an’i Maria sy Marta. Raha mbola variana tamin’ny raharahan-tokantrano i Marta, Maria kosa dia nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ka “nihaino ny teniny”. Rehefa nangataka an’i Maria mba hanampy azy amin’ny asany i Marta, dia izao no navalin’i Jesosy azy: “Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra iray loha no ilaina, fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.” Ianao koa dia afaka mifidy izay tsara amin’ny fanomezana ny toerana voalohany ho an’ny zavatra ara-panahy toy ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana. — Lioka 10:38-42.
Ampahafantarin’i Jehovah antsika koa ny hatsaram-po ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Ao isika dia mifanerasera amin’ny olona “feno fahatsarana [hatsaram-po, MN ]”. (Romana 15:14.) Ohatra tena niainana maro no manamafy izany filazana izany. Ny vehivavy kristiana iray izay efa nanana zanaka roa dia mahatsiaro ny fahagagany rehefa nahare izy fa teraka kambana telo. “Ahoana no hahafahako hanatrika ireo fivoriana? hoy izy tamim-panahiana. Ahoana no handoavako ny lany amin’ny hopitaly? Ahoana no hahafahako hanome sakafo sy fitafiana ho an’ny ankizy dimy?”
Tsy ela anefa io vehivavy io dia nahatsapa fa ireo anadahiny sy rahavaviny kristiana dia “feno hatsaram-po”. “Rehefa nody tany an-tranoko aho, hoy ny fitantarany, dia nahamarika fa nikarakara ny tokantranonay ny rahavavy maromaro. Ambonin’izany, dia nifandamina izy ireo mba hitondra sakafo ary niandraikitra ny asa fikarakarana tokantrano rehetra mandra-pahazoko hery indray.” Rahalahy maro no nanome fanampiana ara-nofo; ny anankiray tamin’izy ireny aza dia nandefa tsy nampahafantatra anarana, 1 000 dôlara (100 000 ariary)! Tao anatin’ny ririnina anefa io fianakaviana io dia nandany be dia be tamin’ny fanafanàna. Azonao sary an-tsaina àry ny tsy maintsy ho fanahian’io renim-pianakaviana io rehefa naharay fiantsoana an-telefaonina avy tamin’ilay fikambanana mpandefa zavatra fampirehitra ho azy izy. Ny niantsoana azy anefa dia ny mba hampahafantarana aminy, toy inona moa ny fahamaivamaivanany, fa nandoa ny vola resahina ny anankiray tamin’ireo rahavaviny kristiana! Noho ny fahadisoana tokoa, io anabavy io dia naharay fampiomanana fa hotapahina ny fanomezana ny ilainy, natao ho an’io fianakaviana sahirana io, ka nanosika azy hanampy an’io ny hatsaram-po.
Tsy vitan’ny hoe manohina ny fo fotsiny ny hatsaram-po toy izany: mamindra koa izany. Ny lehilahy iray izay namono ny vadiny teo aloha dia niaiky taminy, rehefa avy nanatrika fivoriana voalohany ilay vehivavy, fa noho ny Vavolombelon’i Jehovah, dia “nianatra ny ho tia sy halemy fanahy” ny tenany, ka ‘noho izany no tsy nikapohany azy intsony’.
Mitondra soa ny fianarana hatsaram-po
Dieny izao isika dia mijinja soa amin’ny fianarana hanana sy ho tia hatsaram-po. Vao mainka manatsara ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika ary na dia amin’ireo olona eo amin’izao tontolo izao aza izany (Ohabolana 11:10; I Petera 3:13). Afa-tsy izany koa, ary ity no zava-dehibe indrindra, raha miaritra fahoriana isika satria “manao soa”, dia “izany no sitrak’Andriamanitra”. (I Petera 2:20.) Ny finoantsika sy ny hatsaram-pontsika tokoa dia hahatonga antsika ho voaro amin’ny “fahoriana lehibe” ka hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao. — Hebreo 10:36-39; Matio 24:21.
Noho izany antony izany, dia avelao Jehovah hampianatra hatsaram-po anao. Inona no ho valisoa? “Voninahitra sy laza ary fiadanana (...) ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara.” — Romana 2:6-11.
[Sary, pejy 27]
Manaporofo ny hatsaram-pon’i Jehovah ny tahirin-drano omena amim-pahalalahan-tanana izay ilaina amin’ny fiainana.