Ilaina maika dia maika ny mpiasa betsaka kokoa hanao ny fijinjana
“Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” — LIOKA 10:2.
1. Inona no mety hoeritreretinao ny amin’ny fanambaran’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Lioka 10:2, nefa inona no ho fahendrena ny hanaovana azy?
REHEFA mamaky an’io fanambaran’i Jesosy io ianao, tsapanao ve fa mahakasika anao izany? Koa satria efa hatramin’ny taonjato 19 mahery no nilazana azy, dia ho azonao atao ny hieritreritra fa tsy misy vidiny loatra intsony izy io. Ho fahadisoan-kevitra anefa ny hanatsoahan-kevitra haingana toy izany. Mba hahazoana tsara ny hevitry ny tenin’i Jesosy, dia aoka hojerentsika izay nitranga taorian’ny nanononany izany, avy eo dia hodinihintsika ny tarehin-javatra araka ny isehoany amin’izao androntsika izao. — Jereo I Korintiana 10:11.
2. Tonga teo anoloan’ny tarehin-javatra nitaky fanaovan-javatra avy hatrany inona moa Jesosy tamin’ny 32 amin’ny fanisan-taona iraisana, ary ahoana no niatrehany izany?
2 Rehefa nifarana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo, dia enim-bolana sisa tsy hamonoana an’i Jesosy teo amin’ny hazo. Mba hampitomboana ny asa fitoriana, dia nirahin’i Jesosy “tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany” ny mpianatra 70. Dia lasa àry izy ireo, raha mbola nanakoako tao an-tsofiny ireto tenin’i Jesosy ireto: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” — Lioka 10:1, 2.
Vokatra lehibe
3. Lazao ny vokatry ny fampitomboana ny fitoriana nandritra ireo volana faramparany tamin’ny fanompoan’i Jesosy.
3 Inona no vokatr’izany fampitomboana ny asa fitoriana izany? Izao no vakintsika: “Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.” Endrey izany fampisehoana mahatalanjona ny fahambonian’Andriamanitra noho ireo demonia! Io filazana asa tsara dia tsara io dia tsy isalasalana fa nampientana an’i Jesosy satria nanambara izy hoe: “Izaho nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.” (Lioka 10:17, 18). Fantatr’i Jesosy fa amin’ny farany Satana sy ireo demonia dia horoahina avy any an-danitra aorian’ny fahaterahan’ny Fanjakana mesianika. Kanefa teo, raha mbola teto an-tany i Jesosy, ny namoahan’olona tsotra izao demonia tsy hita maso dia antoka amboniny ny amin’ny hahatanterahan’io zavatra hiseho hahafaly io. Izany no antony niresahany ny handroahana an’i Satana ho any ivelan’ny faritry ny lanitra ho toy ny zava-misy azo antoka. — Apokalypsy 12:5, 7-10.
4. Inona moa no nampiasana ny fijinjana natombok’i Jesosy sy ireo mpianany talohan’ny 14 Nisana taona 33?
4 Ny fijinjana noresahin’i Jesosy dia tsy nahakasika voa fa olombelona kosa, dia olona azo ampitahaina amin’ny ondry izay handray amim-pahadodonana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tamin’ny androny, dia efa nanomboka hita ny vokatr’izany fijinjana izany. Kanefa ny fijinjana nandraisan’i Jesosy sy ireo mpianany anjara nandritra ireo volana vitsivitsy sisa tavela talohan’ny 14 Nisana taona 33 dia nanomana fotsiny ny fijinjana lehibe kokoa izay hanaraka ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fananganana azy amin’ny maty. — Jereo Salamo 126:1, 2, 5, 6.
5. Fisehoan-javatra mahatalanjona inona avy no nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33, ary nanao ahoana ny heriny teo amin’ny asa fijinjana tokony hanaraka izany?
5 Eo amin’ny Pentekosta taona 33 isika izao. Mpianatr’i Jesosy eo amin’ny 120 no tafavory tany Jerosalema. “Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany (...). Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.” Izany no fiandohan’ny fijinjana goavana. “Ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.” (Asan’ny apostoly 1:15; 2:1-4, 41). “Ary dia niray saina isan-andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary (...) nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo isan-andro ho isan’ireo.” (Asan’ny apostoly 2:46, 47). Ery aoriana kokoa dia izao no vakintsika: “Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany.” Ary koa: “Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.” — Asan’ny apostoly 5:14; 6:7.
6. Inona no vokatry ny fanoherana ny asa fitoriana teo amin’ny fijinjana?
6 Avy eo dia nihamafy ny fanoherana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Moa ve izany hampiadana ny asa fijinjana? Tsy izany velively, satria “izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny”. Nankany Samaria i Filipo; nihaino azy tamim-pahadodonana ny vahoaka; sitrana daholo ny azon’ny demonia, ny malemy sy ny mandringa. Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha “nisy fifaliana lehibe tao amin’izany tanàna izany”. — Asan’ny apostoly 8:1-8.
7. Nanao ahoana ny nanarahan’ireo mpianatra ny baikon’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Asan’ny apostoly 1:8?
7 Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Hianareo (...) ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny apostoly 1:8). Noho ny halehiben’ny sahan’asa, dia nilaina haingana dia haingana ny mpiasa maro kokoa. Tokony hantenaina izao ny hijinjana mpianatra be dia be. Ary izany no efa nitranga sahady teo ambany fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Taorian’ny niovan’i Saoly, lehilahy iray nifofo famonoana, dia milaza izao manaraka izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: “Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ny Fanahy ka nihamaro.” (Asan’ny apostoly 9:31). Arakaraka ny nihafainganan’ny fanangonana olona sahala amin’ny ondry, dia tsy isalasalana mihitsy fa niverimberina tsy tapaka tao an-tsain’ireo kristiana voalohany ireto tenin’i Jesosy ireto: “Mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” Nihaino izany hataka izany ve Jehovah, “Tompon’ny vokatra”? Izany tokoa! Raha tsy izany, ahoana no mety hisian’ny firesahana “fanantenana avy amin’ny filazantsara (...) notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”? — Kolosiana 1:23.
Zavatra ilaina maika dia maika kokoa ihany amin’izao androntsika izao
8. Nahoana no ilaina tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny mpiasan’ilay Fanjakana amin’izao taona 1980 izao?
8 Amin’izao andro izao, ao anatin’ireo taona 1980, dia mbola vao mainka mahadodona tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny ilàna mpiasa ho amin’ny fijinjana. Nahoana? Satria nitatra niharihary ny saha maneran-tany. Noho izany, dia lehibe lavitra ny vokatra tokony hangonina. Mifanaraka amin’ny nambaran’i Jesosy izany toe-javatra izany. Nambarany tokoa fa rehefa hitory ny vaovao tsara ireo mpianany dia hanatontosa asa lehibe kokoa noho ny nataony. — Jaona 14:12.
9. a) Ahoana no nanasoritan’ny fahitan’i Jaona voatantara ao amin’ny Apokalypsy 7:1-3 fa ilaina maika dia maika ny asa fitoriana tokony hotanterahina? b) Inona no fanatsoahan-kevitra lehibe azo raisina avy amin’ny fitenenana hoe “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny zanak’ondry” hita ao amin’ny Apokalypsy 14:4?
9 Ny ilàna maika dia maika ny fitoriana amin’izao androntsika izao dia soritana ao amin’ny fahitana iray nomena an’i Jaona ka voatantara ao amin’ny Apokalypsy 7:1-3. Hitan’ilay apostoly ny “anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra” teo ‘ampihazonana ny rivotra efatra amin’ny tany’. Mandra-pahoviana no hitana izany izy ireo? ‘Mandra-panisy tombo-kase ao amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitra’ fotsiny. Haka fotoana toy inona izany? Mahita tapany iray amin’ny valiny isika amin’ny hoe ny 15 aprily 1984, tamin’ny fankalazana ny fahatsiarovana, dia olona 9 081 monja no fantatra fa anisan’ny kilasin’ny 144 000. Amin’izao andro izao ireny kristiana voahosotra ireny dia ny solontena farany amin’ireo izay, araka ny Apokalypsy 14:4, dia “navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”. Hita àry fa voangona ny ankamaroan’ny “voaloham-bokatra”. Kanefa moa ve ny fitenenana hoe “voaloham-bokatra” milaza fa mbola hisy vokatra hafa koa? Izany dia izany tokoa! Nampiseho mazava izany ny fijinjana be dia be vokatra hafa nampidirina an-tsompitra teo am-pifaranan’ny taom-pambolena jiosy, tamin’ny fotoan’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny Trano rantsan-kazo. — Deoteronomia 16:13-15.
10. Inona moa ireo fijinjana roa tokony hitranga amin’izao androntsika izao, ary ahoana no ampisehoan’izany fa ilaina maika dia maika ny mpiasa fanampiny ho amin’ny fijinjana?
10 Manjary miharihary fa rehefa hadiva hifarana ny fijinjana ny sisa amin’ny kristiana voahosotra, dia hanomboka ny fijinjana hafa iray. Moa ve izany tsy miharihary amin’izay hitan’i Jaona nanaraka izany tao amin’ny fahitany? “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny.” Izao no nolazaina tamin’i Jaona: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe.” (Apokalypsy 7:9, 14). Kely sisa ny fotoana hamitana ny fanangonana ny “olona betsaka”. Rehefa ho novahana ny “rivotra efatra amin’ny tany”, ka izany dia hanamarika ny fanombohan’ny “fahoriana lehibe”, dia ho vita io fanangonana io. Moa ve tsy mieritreritra ianao fa ilaina maika dia maika ny mpiasa amboniny ao amin’ny fijinjana mba hanangonana ny vahoaka maro be izay mbola tokony hangonina?
Olona an’arivony maro no mamaly ny fanasana
11. a) Manao ahoana ny fandraisan’ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy anjara amin’ny fijinjana? b) Milaza inona ny isan’ireo izay nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1984?
11 Nambaran’i Jesosy tamin’izao teny izao ny fanitarana ny asa fanangonana “ondry”: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” (Jaona 10:14, 16). Maherin’ny 2 800 000 amin’ireny “ondry hafa” ireny sahady no mampiseho amim-paharisihana fa anisan’izany ‘andiany iray’ ihany izany izy. Amin’io isa io, dia 179 421 no natao batisa tao anatin’ny taom-piasana 1984. Aoka homarihintsika anefa fa olona 7 416 974 no nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Inona no tsapantsika? Fa mbola misy olona be dia be nandre ny feon’ny Mpiandry, kanefa noho ny antony iray na noho ny antony hafa, dia tsy mbola namaly foana ny fanasan’i Jesosy tamin-kafanam-po hoe: “Manaraha Ahy.” — Lioka 5:27.
12. Fanontaniana lehibe inona avy no tokony hapetratsika izao?
12 Manao ahoana ny fihetsikao eo anoloan’ny asa fijinjana iankinan’ny aina mandritra ny ‘fifaranan’izao fandehan-javatra izao’? (Matio 13:39.) Moa ve ianao isaina ho anisan’ny vahoaka sambatra izay manandrana ankehitriny ireo fifaliana amin’ny fijinjana? Sa kosa ianao mpijery foana, voasakana ao an-tsaina tsy hanaiky tsy misy fepetra ny fanasan’ilay Mpiandry tsara manao hoe: “Manaraha Ahy.” Azo antoka fa tsy tiantsika ny hitady fialan-tsiny sahala amin’ireo lehilahy telo voalazan’ny Lioka toko faha-9 ary resahina ao amin’ny lahatsoratra eo aloha. Eritrereto izay tsy nananan’ireo lehilahy telo ireo: ny fifaliana miasa ho an’ilay Fanjakana ary angamba aza ny tombontsoa hanafaka olona azon’ny demonia tamin’ny fanapahan’izany. — Lioka 9:57-62; 10:17.
13. Amin’ny ahoana moa ny finoana no tena ilain’ireo izay maniry handray anjara amin’ny fijinjana?
13 Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy [amin’Andriamanitra].” (Hebreo 11:6). Miharihary fa ilaina ny finoana mba tsy hiheverana ny tombontsoan’ny tena manokana sy mba hanolorana ny fiainan’ny tena ho an’Andriamanitra mba handraisana anjara amin’ny asa fijinjana. Mety hanan-java-manahirana lehibe ara-pahasalamana ianao, ohatra, mety hanohitra mafy ny Vavolombelon’i Jehovah ny fianakavianao, mety hihevitra ny tenanao ho efa be taona loatra ianao ka tsy afaka manao ireo fiovana ilaina eo amin’ny fiainanao; na mety hihevitra koa ianao fa tsy mahatohitra ny fitaoman’ireo mpiara-mianatra aminao. Na ahoana na ahoana, dia aza hadinoina na oviana na oviana fa mahatakatra ny zava-manahirana anao kokoa noho ny olona rehetra Jehovah. Ambonin’izany, dia vonona izy ny hanatona anao sy hanatanjaka ny fahavononanao hanompo azy, raha manao dingana sasany tena ilaina anefa ny tenanao. — Salamo 103:13, 14; Jakoba 4:8.
Ny finoana izay mahafindra “tendrombohitra”
14. Milaza inona moa ny fanambaran’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 17:20?
14 Hoy Jesosy: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.” Nanamarina izany manokana ny kristiana ana hetsiny maro izay, tao anatin’ireo taona 1980, dia namaly ny antso nangataka mpijinja bebe kokoa. Nisy zava-nanahirana noheveriny ho tendrombohitra tamin’ny fotoana sasany, nalamina noho ny fanampian’i Jehovah (Matio 17:20; 19:26). Hevero izao zava-nitranga manaraka izao:
15, 16. Ahoana no nandresen’ny tanora Amerikana iray sy ny katolika iray tany Brésil zava-manahirana lehibe talohan’ny hahafahana hatao batisa?
15 Tany Californie, ny zazalahy iray kilemaina mafy noho ny lefakozatra (poliomyélite) dia nafoin’ny fianakaviany tanteraka. Indray andro izy dia notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nitory isan-trano. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly izy ireo. Kanefa noho io zazalahy io saro-kenatra aoka izany, rehefa tonga hanao ny fampianarana ilay Vavolombelona dia nankeny an-joron’ny efitrano niaraka tamin’ny sezany mikorisa izy ary nitodika tany amin’ny rindrina, mba tsy hahitana ny tarehiny. Na dia nila volana maromaro aza izy mba handresena ny sesany tamin’ireo zava-nanahirana azy, dia vitany izany. Natao batisa izy, ary Vavolombelona sambatra izy amin’izao andro izao.
16 Tany Brésil, ny mpivady iray diso fanantenana noho ny fivavahana katolika dia nanaiky hiara-hianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahazo fahafahampo izao izay nilain’izany mpivady izany ara-panahy, kanefa mbola nisy zava-nanahirana lehibe iray, tendrombohitra iray: mpifoka be ilay lehilahy, Antonio. Nampiasa sigara hatramin’ny 48 taona izy (nanomboka izany izy teo amin’ny fahafito taonany). Tao anatin’ny taona maro, dia tena nanandrana niala tamin’io fahazarana io tokoa izy, nefa tsy nisy vokany. Hafa ny tarehin-javatra tamin’io indray mandeha io, araka ny fiaiken’i Antonio hoe: “Fantatro izao fa raha niriko ny hahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy hanolo-tena ho azy mba hanao ny sitrapony, dia tokony hiala amin’ny sigara aho. Rehefa avy nivavaka imbetsaka aho, dia afaka tamin’ny farany.” Nanana fifaliana lehibe izy natao batisa tao amin’ny rano ho mariky ny fanolorany ny tenany ho an’i Jehovah. — Salamo 66:19; Marka 11:24.
17. a) Fitaoman-dratsy inona tsy maintsy niadian’i Jesosy sy ireo mpianany no mihatsapa kokoa ihany amin’izao androntsika izao? b) Tamin’ny taonjato voalohany, inona no nataon’i Jesosy sy ireo mpianany ho an’ireo izay teo ambany fanapahan’ny demonia, ary amin’ny fomba ahoana no azo isetrana io zava-manahirana io amin’izao androntsika izao?
17 Matetika Jesosy sy ireo mpianany no teo anatrehan’ny Jiosy azon’ny demonia. Tsapa amin’izao androntsika izao izany fitaoman-dratsy izany, indrindra fa satria Satana sy ireo demonia miaramilany dia nazera avy tany an-danitra ho eto an-tany (Apokalypsy 12:7-9, 12, 17). Tsy sahala amin’izay nataony tao anatin’ireo andro voalohandohany amin’ny kristianisma, Jehovah dia tsy nanome ho an’ny vahoakany amin’izao andro izao, fahefana mahagaga hamoaka demonia. Na dia izany aza, ny fiadiana ara-panahy omeny ny kristiana dia mahatonga azy ireo ho afaka hiaro tena amin’ny fitaoman’ny demonia sy hanampy olon-kafa ho afaka amin’ny fanapahan’ireo hery ratsy (Efesiana 6:10-18). Voaraintsika avy any Ghana izao fitantarana izao: “Noho ny fiezahana amim-pahavononana nataon’ireo rahalahy, dia olona maro no afaka tamin’ny fanapahan’ny demonia.” Ny Vavolombelona iray tafahaona tamin’ny vehivavy iray tao amin’ny fanompoana, dia vao avy niresaka taminy indrindra ny amin’ny Baiboly raha “nanomboka nitomany ilay vehivavy”. Inona no tsy nandeha tsara? Izao no notantarain’ilay Vavolombelona: ‘Azon’ny fanahy izy io; isaky ny mahazo azy io dia mampitomany azy ary raha nanam-bola tany aminy izy dia tsy hita izany vola izany.’ Ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly dia nahatonga an’io vehivavy io tsy hasian’io demonia io matetika intsony, ary afaka nanolo-tena ho an’i Jehovah izy. — Jaona 8:32.
18. Zava-misy inona no mampiseho fa mitarika amim-paharisihana ny asa fitoriana ireo anjely?
18 Indraindray ireo zava-manahirana vao avy notantaraintsika ireo dia manjary lehibe aoka izany ao an-tsain’ny olona iray, hany ka mety hikasa ny hamono tena izy. Tao anatin’izany tarehin-javatra izany ny vehivavy tanora iray tany Nouvelle-Zélande. Ilay Vavolombelona nitsidika azy voalohany dia nahamarika fa “nihenjana izy io ary niharihary fa azon’ny fihetseham-po”. Niaiky io olona io taty aoriana fa “nadiva hamono tena izy, kanefa tapa-kevitra ny hivavaka tamin’Andriamanitra aloha mba hanampy azy”. Tamin’izay fotoana izay ilay Vavolombelona no nandondòna tao am-baravarany, koa tamim-pahatsorana no ‘nisaorany an’Andriamanitra noho ny nihainoany ny vavaka nataony’. Fifanitsian-javatra ve izany? Raha izany no izy, nahoana ny zava-misy karazan’izany no mitranga matetika tokoa? Moa ve tsy nilaza i Jesosy hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia (...) hanavaka azy [ny olona] Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” (Matio 25:31, 32; jereo koa Apokalypsy 14:6). Mitondra ny fanampiany ho an’i Jesosy àry ireo anjely eo amin’ny asany amin’ny maha-Mpiandry, ary mitarika an’ireo “mpiara-miasa” amin’ny Tompo izy ireo hanatona an’ireo izay mangataka ny fanampiany. — I Korintiana 3:6, 9; jereo Asan’ny apostoly 8:26-39; 16:9, 10.
19. Amin’izao androntsika izao, tarehin-javatra manao ahoana no misy maneran-tany, ary manery antsika ho amin’ny inona izany?
19 Amin’izao androntsika izao, na inona na inona tany iainantsika, dia olona an’arivony maro no ketraka sy kivy satria tojo zava-manahirana sahala amin’ny efa nosetrain’ny Vavolombelona maro. Angamba olona tena akaiky anao ny sasany amin’ireny olona ireny. Mila ny hampiana maika dia maika izy ireny. Eny, araka ny nolazain’i Jesosy, dia “be ny vokatra”. Mangataka ny Tompon’ny vokatra isika mba haniraka mpiasa betsaka kokoa ho ao amin’ny fijinjany ao anatin’ny taona 1986. Enga anie ny fonao hanosika anao hamaly ity antso ity: Ilaina maika dia maika ny mpiasa betsaka kokoa hanao ny fijinjana!
Fanontaniana ho amin’ny famerenana
◻ Iza moa no Tompon’ny vokatra?
◻ Inona moa ireo fijinjana ra tokony hitranga amin’izao androntsika izao?
◻ Inona moa no asa lehibe kokoa izay hotontosain’ny mpianany, araka ny nolazain’i Jesosy?
◻ Nahoana moa ny mpiasa amin’ny fijinjana rehetra no tokony haneho finoana?