Hevitra araka ny Baiboly mahaliana Ezra 1:1 ka hatramin’ny 10:44
Mitana ny teny nataony Jehovah
“Afaka ianareo! Mahazo mandeha ianareo!” Tsy maintsy ho nampahery ireo Jiosy babo tany Babylona ireo vaovao ireo! Nifanaraka tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra, dia nomen-dalana hiverina tany amin’ny taniny izy ireo taorian’ny 70 taona nahababoana (Jeremia 25:12; Isaia 44:28 ka hatramin’ny 45:7). Afa-tsy izany koa, dia azon’izy ireo natao ny nitondra ireo fanaky ny tempolin’i Jehovah mba hametrahana izany eo amin’ny toerana tokony hisy azy. Endrey izany fifaliana!
Nivoha tamin’izany fisehoan-javatra nampientana izany ny bokin’i Ezra ao amin’ny Baiboly. Nosoratan’ilay mpanora-dalàna atao hoe Ezra tany amin’ny 460 alohan’ny fanisan-taona iraisana izy io ka mahafaoka vanim-potoana eo amin’ny 70 taona izay nitatra avy eo amin’ny fanafahana ny Jiosy ka hatramin’ny fahavitan’ny tempoly faharoa sy ny fanadiovana ny fisoronana (537 ka hatramin’ny 467 al. fan. ir. eo ho eo). Soritan’ny bokin’i Ezra fa mahatanteraka ny fampanantenany i Jehovah ary izy io dia mirakitra fianarana izay sarobidy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao.
Fanafahana ireo babo
Aza fady mba vakio ny Ezra 1:1 ka hatramin’ny 3:6. Rehefa notairin’i Jehovah ny sain’i Kyrosy mpanjaka persiana, dia nanambara izy fa tokony haorina indray ny tempoly, ary hampiverenina amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah tany Jerosalema. Nasaina handray anjara amin’izany ny Isiraelita rehetra. Ireo izay afaka nanao izany dia nahazo niverina tany amin’ny taniny mba handray anjara tamin’ireo asa fanorenana. Fa ny hafa kosa dia namporisihina hanolotra fanomezana an-tsitrapo mba hanohanana ny volavolan-kevitra. Ireo fanaka tao amin’ny tempoly voalohany nentin’i Nebokadnezara nankany Babylona, dia tokony haverina. Teo ambany fitarihan’i Zerobabela àry, dia olona teo amin’ny 50 000 no nandeha lavitra tokony ho 1 600 kilaometatra mba ho any Jerosalema. Naoriny tany indray ny alitara masina nanolorany fanatitra ho an’i Jehovah. Avy eo, tamin’ny fararanon’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nankalaza ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny Trano rantsan-kazo izy ireo. Nifarana tsy nisy diso tamin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra ny fanafoanana, izay tokony haharitra 70 taona, araka ny faminaniana. — Jeremia 25:11; 29:10.
◆ 1:3-6 — Nivadika ve ireo Isiraelita nijanona tany Babylona?
Tsy voatery ho izany, na dia nety ho nitana ny sasany aza ny fitiavana ny zavatra ara-nofo sy ny tsy fahampiam-pankasitrahana. Ny didin’i Kyrosy dia tsy nanery ny Isiraelita rehetra hiverina tany amin’ny taniny. Navelany hisafidy izy ireo. Noho ny fahalehibeazan’ny taona, ny kilema na ny adidy ara-pianakaviana, ohatra, dia angamba tsy afaka nanao ny dia ny sasany. Tokony hanohana an’ireo izay afaka nandeha anefa izy ireny.
◆ 1:8 — Iza moa Sesbazara?
Araka ny tena azo inoana, io anarana io dia nomena an’i Zerobabela izay mpanao raharaham-panjakana tao an-dapa (jereo Daniela 1:7). Ireo anarana roa ireo dia nomena olo-malaza nitondra ny anaram-boninahitra hoe “governora”. (Ezra 5:14; Hagay 2:21.) Farany, araka ny Ezra 2:2 sy 3:1, 2, dia Zerobabela no nitarika ireo babo tafaverina an-tanindrazana; ara-drariny anefa ny tsy nahitana ny anarana hoe Sesbazara tao amin’ireo andinin-teny ireo.
◆ 2:61-63 — Inona moa no atao hoe Orima sy Tomima?
Izany dia toa zavatra masina nampiasaina mba hahafantarana ny valintenin’i Jehovah tamin’ny fanontaniana sasany. Araka ny lovantsofina dia nanjavona izany tamin’ny fandravana ny tempoly, tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Nanamarina izany ny hoe nisy olona nihambo ho anisan’ny tarana-mpisorona, nailika tsy hanao fisoronana ary tsy afaka nihinana zavatra masina indrindra “mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima”. Tsy milaza anefa ny fitantarana hoe nampiasaina ireo tamin’io fotoana io na taty aoriana.
Fianarana ho antsika: Amin’izao androntsika izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia ao anatin’ny tarehin-javatra sahala amin’ny hitan’ireo babo jiosy: tsy azon’izy rehetra atao ny milatsaka amin’ny fanompoana manontolo andro na mandao ny faritra misy azy ireo mba hiasa any amin’izay ilàna izany indrindra. Ataony anefa izay rehetra azony atao mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana madio amin’ny fanolorana fanatitra an-tsitrapo sy amin’ny fampaherezana ireo izay afaka manatontosa asa lehibe kokoa noho izy ireo.
Nanohitra ny asa fanorenana indray ny sasany
Vakio ny Ezra 3:7 ka hatramin’ny 4:24. Safononoky ny hafaliana ireo Jiosy tafaverina an-tanindrazana ka nametraka fanorenan’ny tranon’i Jehovah. Nandritra ny taona maro anefa, dia hisy fahavalo hanao izay rehetra azony atao mba hanakiviana ireo mpanorina ny tempoly. Tamin’ny farany, dia afaka nampino ny mpanjaka izy fa ny Jiosy dia nanorina indray “tanàna fikomiana sady ratsy” ary araka ny baikony dia nampitsahatra ny asa izy ireo. Naharitra “hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, mpanjakan’i Persia”, ny fandrarana fanorenana.
◆ 3:12 — Nahoana no nitomany ireo olona ireo?
Ireny olona be taona tokoa ireny dia nahatsiaro ny hakanton’ny tempolin’i Solomona, dia tempoly naorina araka ny planina nomen’i Jehovah. Tsinontsinona raha oharina amin’izany izay teo ambany mason’izy ireo izao, dia fanorenana fotsiny. Tsy isalasalana fa kivy izy ireo ary nisalasala raha ho afaka hanorina indray tempoly nalaza toy ny teo aloha ny fiezahan’izy ireo. — Hagay 2:2, 3.
◆ 4:1-3 — Nahoana no nolavina izany fanolorana fanampiana izany?
Ireny tsy Jiosy ireny, izay tonga mba honina indray tao amin’ilay tany araka ny baikon’ny mpanjakan’i Asyria, dia tsy tena mpivavaka tamin’Andriamanitra (II Mpanjaka 17:33, 41). Ho nahatandindomin-doza ny fanompoam-pivavahana marina ny fanekena ny fanampian’izy ireny. Nampitandrina tamin’ny fomba hentitra ny olony tamin’izay rehetra mety ho fanatonana ara-pivavahana karazan’izany tokoa Jehovah (Eksodosy 20:5; 34:12). Afa-tsy izany koa, ny fitantarana dia mampiseho ireny tsy Jiosy ireny ho “fahavalo”.
Fianarana ho antsika: Rehefa ianjadian’ny fanoherana isika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia tokony hanahaka ireo Jiosy tafaverina an-tanindrazana: avy hatrany izy ireo dia nivory “toy ny olona iray” mba hivavaka amin’i Jehovah. Nitoky taminy izy ireo ary nametraka ny fanompoam-pivavahana taminy ho eo amin’ny toerana voalohany. Nanatanjaka azy ireo izany ka afaka nanatanteraka ny asa nankinina tamin’izy ireo izy. — Ezra 3:1-12.
Famitana ny fanorenana ny tempoly
Vakio Ezra 5:1 ka hatramin’ny 6:22. Namporisihin’i Hagay sy Zakaria mpaminany ny Jiosy ka nanohy ny asa fanorenana tamin-jotom-po nohavaozina. Ireo fahavalony, tsy nahasakana azy ireo, dia nitaraina indray tamin’i Dariosy mpanjaka. Nampanao fikarohana io ka hita indray ny didin’i Kyrosy. Nodidiany tamin’izay ireo fahavalo, tsy hoe hitsahatra tsy hanohitra ny Jiosy fotsiny, fa hanampy azy ireny ara-nofo koa! Noho ny fampaherezana tsy ankijanona nataon’ireo mpaminanin’i Jehovah, dia vitan’ny Jiosy ny tempoly ary nitokanana tamin’ny 515 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Izany dia natolony tamim-pifaliana ho an’Andriamanitra izay nitana ny teny nataony.
◆ 5:5 — Nahoana moa ireo fahavalo no tsy nahasakana ny asa fanorenana?
Niahy ireo mpanompony mahatoky i Jehovah (II Tantara 16:9). Nohatanjahin’ny fanahin’Andriamanitra ireo loholona ka tsy nanaiky hampitahorina. Nampiasa ny didin’i Kyrosy izy ireo, didy hadino hatramin’ny ela. Koa satria tsy azo nofoanana ny lalàn’ny Persiana, dia natahotra ny hanohitra didin’ny mpanjaka iray ireo fahavalo (Daniela 6:9, 16). Niharihary fa nitarika ny fisehoan-javatra i Jehovah, ka nitohy ny asa.
◆ 6:21 — Iza moa ireo olona izay nisaraka “tamin’ny fahalotoan’ny firenena”?
Angamba izany proselyta niverina niaraka tamin’ny Jiosy, Samaritana nonina tao amin’ny tany tamin’izany fotoana izany, na Jiosy tafaverina an-tanindrazana mihitsy aza izay voatarika holotoin’ny mpanompo sampy (jereo Ezra 9:1). Rehefa tsapany fa narahina tany Jerosalema indray ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, dia toa voataona hanao ireo fiovana nilaina teo amin’ny fiainany izy.
Fianarana ho antsika: Amin’izao androntsika izao, ireo kristiana manao ny asan’ny loholona koa dia tokony hitady ny fitarihan’i Jehovah. Azony atao ny manome antsika ny fahiratan-tsaina ilaintsika rehefa tojo fanoherana isika. — Salamo 32:8.
Fiverenan’i Ezra
Vakio Ezra 7:1 ka hatramin’ny 8:36. Lasa ny fotoana. Tamin’ny 468 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nomen’i Artaksersesy an’i Ezra ‘izay rehetra nangatahiny’. Nomeny lalana izy handeha hanampy ireo mpiray firenena taminy any Jerosalema. Namoaka didy izy mba hamporisihana ny Jiosy rehetra maniry hanao izany, hiverina any amin’io tanàna io koa, ary nanome volafotsy sy volamena izy ho amin’izay rehetra ilaina amin’ny tranon’i Jehovah. Nomeny an’i Ezra ny fahefana hanendry mpanapaka sy mpitsara izay hampihatra ireo lalàn’i Jehovah sy ny an’ny mpanjaka. Nahazo tanjaka i Ezra tamin’ny fitokisana tamin’i Jehovah, avy eo izy dia niainga hanao ny dia nety hahitan-doza. Tsy nangataka ny harahin’ny tafika izy, noho ny fahatahorana sao izany adika ho tsy fahampiam-pitokisana ny fahaizan’i Jehovah hiaro ireo mpanompony. Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia tonga soa aman-tsara tany Jerosalema ny Jiosy.
◆ 7:1, 7, 11 — Iza moa io Artaksersesy io?
Eto dia misy firesahana ny amin’ilay mpanjaka persiana atao hoe Artaksersesy I (Lavatanana). Tamin’ny taona faha-20 nanjakany, dia nomeny an’i Nehemia ny fahazoan-dalana hiverina tany Jerosalema mba hanorina indray tany ny manda sy ny vavahadin’ny tanàna (Nehemia 2:1-8). Ireo mpanoratra fahizay dia mampiseho an’io Artaksersesy io ho mpanjaka malemy fanahy sy malala-tanana amin’ny ankapobeny. Noho ny fanomezana lehibe nataony, dia voatonona ao amin’ny Ezra 6:14 izy miaraka amin’ireo olona izay ny baikony no nahatonga ho afaka hamita ny tempoly, na dia vita tokony ho 47 taona talohan’izay aza ny fanorenana an’io. Izany akory tsy ilay Artaksersesy nampitsahatra ny asa fanorenana (Ezra 4:7-23). Io farany io dia Gaomata, izay tsy nanjaka afa-tsy 8 volana, tamin’ny 522 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Araka ny tena azo inoana, ny hoe “Artaksersesy” dia anarana na anaram-boninahitry ny mpanjaka.
Fianarana ho antsika: Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao i Ezra. Mpanao kopia sy mpianatra narisika ny Tenin’Andriamanitra izy ka nilaza fa avy amin’ny Avo Indrindra izay rehetra vitany, ary niahy kokoa ny amin’ny voninahitr’i Jehovah izy noho ny tsy fananan’ny tenany manokana ahiahy. — Ezra 7:27, 28; 8:21-23.
Fanadiovana ny vahoaka
Vakio Ezra 9:1 ka hatramin’ny 10:44. Fotoana fohy taorian’izany dia ren’i Ezra fa Jiosy maro be no ‘tsy mbola niavaka tamin’ny olona tompon-tany, fa nanao araka ny fahavetavetana’. Ny Jiosy, anisan’izany ny mpisorona sy ny Levita, dia nanambady Kananita mpanompo sampy. Ankona Ezra. Torotoro fo izy ka nitodika tany amin’i Jehovah tao amin’ny vavaka mba hiaiky taminy ny fahotan’ny vahoaka. Noho ny fandraisany anjara, dia nibebaka ny Jiosy ary nanapa-kevitra ny hisaraka tamin’ireo vehivavy hafa firenena. Nodiovina tamin’izany ny vahoaka tao anatin’ny telo volana teo ho eo.
◆ 9:2 — Nahoana no fahotana ny fanambadiana toy izany?
Fandrahonana ho an’ny fampiverenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina ireny fanambadiana ireny (Deoteronomia 7:3, 4). Tsy nino sy mpanompo sampy ireo vehivavy hafa firenena. Rehefa manambady azy ireny ny Jiosy dia nety hitovy tamin’ireo firenena mpanompo sampy nanodidina azy ireny rehefa ela ny ela, ka amin’izany dia tsy harahina intsony eto an-tany ny fanompoam-pivavahana madio.
◆ 10:3, 44 — Nahoana no noroahina koa ny ankizy?
Mandrakariva ny ankizy kely dia mila ny reniny. Ambonin’izany, angamba any aoriana ireny vehivavy noroahina ireny dia ho voan’ny fakam-panahy hiverina mba hahita indray ny zanany. Nilaina ny hiahy alohan’ny zavatra rehetra ny amin’ny tombontsoan’ny fivavahana madio.
Fianarana ho antsika: Sahala amin’ireo Jiosy nahatoky tamin’ny andron’i Ezra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaja ireo fitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Takany fa tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” izy ireo. — I Korintiana 7:39.
Nifanaraka tamin’ny fampanantenany, dia nataon’i Jehovah izay hahatafaverina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio tao amin’ny tanànan’i Jerosalema fahizay. Toy izany koa fa hataony izay hanarahana ny fanompoam-pivavahana amin’ny tany manontolo, araka ny nampanantenainy (Habakoka 2:14). Moa ve ianao ho anisan’ireo mpivavaka amin’ilay mitana ny teny nataony, rehefa haoriny eto an-tany ny fiadanana sy ny fahasambarana. — Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:3, 4.