Manararaota ny fahafahana hahafantatra ny fahamarinana
TSAPAN’I Pontio Pilato angamba fa hovidiny lafo ny fanekena ny fahamarinana. Mba hahatongavana ho kristiana, dia tsy maintsy ho nanaiky ny fiandrianan’i Kristy izy ka tsy isalasalana fa hanao fiovana tampoka sy tanteraka eo amin’ny fitondratenany. Izao anefa no nolazain’i Solomona, mpanoratra ny Ohabolana 23:23: “Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.”
‘Hividy ny fahamarinana hoe?’ Mety hahavery hevitra anao izany. Lazain’ny Baiboly eo fa tsy mety ho azo ny fahamarinana sy ny fahendrena ary ny fahazavan-tsaina raha tsy aloa ny vidiny! Afa-tsy izany koa, ny fahamarinana dia zavatra sarobidy noho izay rehetra azo saintsainina. Ny amin’izany, dia nanome izao torohevitra izao i Solomona: “Aza amidy” izany, toy ny mba hilazana fa tsy misy na inona na inona mitovy vidy aminy.
‘Fa inona tokoa moa ny marina?’ hoy angamba ny fanontanian’ny olona maro, mamerina ny fanontanian’i Pilato. Be dia be amin’izao andro izao no tsy mahafantatra loatra ny “marina” na fahamarinana. Hevero, ohatra, izay nolazain’i Albert Einstein indray andro: “Tsy voazava mora foana amin’ny teny hentitra ny teny hoe ‘fahamarinana ara-tsiansa’. Miovaova aoka izany ny hevitry ny teny hoe fahamarinana raha fahatsapan-javatra manokana izany, zavatra lazaina amin’ny matematika na tsangan-kevitra amin’ny siansa “expérimentale”. Koa tena tsy haiko ny mandika amin’ny fitenenana mazava ny teny hoe ‘fahamarinana ara-pivavahana’ .” (Ny fomba fahitako izao tontolo izao, nataon’i Albert Einstein). Kanefa tsy tokony ho azonao ve ny fahamarinana satria tsy azon’i Einstein? Tsy izany velively.
Nilaza mazava toy izao i Jesosy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana.” (Jaona 14:6). Eny, ny fahamarinana dia mifamatotra amin’i Jesosy Kristy sy amin’ny anjara raisiny ao anatin’ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra: izy no Ilay ahatanterahan’ireo faminaniana, izy no Mpanavotra ny olombelona mpanota, izy no Mpanjaka voatendry ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izy no Mpisoronabe sy Mpandringana ny ratsy fanahy (Romana 15:8; I Timoty 2:5, 6; Jaona 3:16; Efesiana 1:20-22; Daniela 7:13, 14; Matio 6:9, 10; Hebreo 4:14; Apokalypsy 19:11-21; II Tesaloniana 1:7-9). Fa ahoana no azo ‘ividianana’ izany fahamarinana izany?
“Ny mahafantatra Anao”
Manomboka mividy ny fahamarinana ny tena amin’ny fanarahana ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Jaona 17:3, manao hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” Mazava ho azy fa ho fanaovan-javatra lehibe dia lehibe izany ho an’izay tokony hanao azy irery. Nanandrana nanao izany ny mpanao raharaham-panjakana iray tamin’ny taonjato voalohany; ionoka etiopiana izy io. Kanefa rehefa nahita an’io ionoka io nikely aina nianatra faminaniana iray ao amin’ny Baiboly sarotra raisina i Filipo evanjelisitra dia nanontany azy hoe: “Moa fantatrao va izay vakinao?” Dia novalian’ilay lehilahy hoe: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” (Asan’ny apostoly 8:28-31). Tojo zava-manahirana toy izany angamba ianao.
Noho izany antony izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manipy hevitra ny hiara-mianatra ny Baiboly aminao ao an-tokantranonaoa. Atao maimaimpoana izany fianarana izany. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” (Matio 10:8). Mba hividianana ny fahamarinana anefa, dia tokony handoa zavatra hafa ianao: hitaky fotoana sy fiezahana avy aminao izany. Tadidio anefa fa Jesosy Kristy, izay velona sy miasa any an-danitra, dia ta-hanampy anao sy hampianatra anao ny fahamarinana (jereo Lioka 5:13). Nampanantena an’ireo mpianany voalohany izy fa ny fanahin’Andriamanitra dia hitarika azy ireny “ho amin’ny marina rehetra”. (Jaona 16:13). Rehefa itarina, ireo teny ireo dia mety hihatra aminao koa. Noho izany, dia aza mieritreritra fa ho sarotra aminao loatra ny hianatra ny fahamarinana.
Ambonin’izany, ireo boky fianarana ny Baiboly natontan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia manamora aoka izany ny fandalinana ny Baiboly. Ny fanopaza-maso fotsiny amin’ny lohatenin’ny sasany amin’ireny boky ireny dia mampitombo ny fahalianan’ny olona izay mikatsaka amim-pahatsorana ny fahamarinana: Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, Comment assurer votre survie et hériter d’une nouvelle terre, Unis dans le culte du seul vrai Dieu sy La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou Création?, raha ny sasany ihany aza no tanisainab.
Ireo boky ireo dia manome fanazavana hita fototra sy tsotra ny Soratra Masina. Tsy mitodika any amin’ny saina fotsiny izy ireo fa any amin’ny fo koa. Voavaka mora foana ao ny soritry ny fahamarinana satria mijery ny zavatra amim-pahatsorana izy, amin’ny fomba lalina, sady manolotra torohevitra azo ampiharina. Arakaraka ny hianaranao ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny alalan’ireny boky ireny no hahazoanao marina kokoa ny tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara izy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo.” (Jaona 8:32). Eo ny teny hoe “marina” dia mahafaoka ny fitambaran’ireo fampianarana kristiana araka ny ahitana azy amin’izao andro izao ao amin’ny Teny fahamarinana, dia: ny Baiboly (II Timoty 2:15; Efesiana 1:13). Fa amin’ny heviny ahoana isika no mety hafahana amin’ny fianarana ny fahamarinana?
Hevero ohatra ny vokatry ny “tahotra ny fahafatesana” teo amin’ny olombelona: “nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana” izany. (Hebreo 2:15.) Marina izany na dia manana fanantenana manjavozavo ny hiaina aorian’ny fahafatesana ao anatin’ny fahasambarana any an-danitra aza ny ankamaroan’ny olona. Ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly kosa dia manafaka amin’izany tahotra toy ny aretina izany. Ampianariny fa ny maty dia tsy mijaly ao anatin’ny toeram-pijaliana mivaivay iray, satria ny “maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5, 10; jereo koa Salamo 146:4 sy Mpitoriteny 3:19, 20.) Asehon’ny Baiboly koa fa voajanahary ao amin’ny olombelona ny tsy aniriany ho faty sy hiaina any an-danitra. Mifanohitra amin’izany fa ‘nataon’Andriamanitra tao am-pon’ny olombelona ny mandrakizay’; maniry ny ho velona mandrakizay ny olona salama saina iray! — Mpitoriteny 3:11; jereo koa Romana 5:12; 6:23.
Hahazo fahafahampo izany faniriana izany ao amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe “tany vaovao”. (II Petera 3:13; jereo Matio 6:9, 10.) Nolazain’i Jesosy fa ireo izay hahazo ny fiainana ao anatin’ny “tany vaovao” dia hanana ny “Paradisa”. (Lioka 23:43, MN.) Ny andininy hafa dia manampy antsika hahatakatra fa ao amin’izany fiainana izany dia ho efa nanjavona ny fanaintainana sy ny ranomaso (Apokalypsy 21:4; Isaia 11:6-9). Eritrereto fotsiny izay rehetra mety ho fiovana eo amin’ny fiainanao noho izany fanantenana izany! Tokony hianatra ny fahalalana anefa aloha ianao.
Aoka hataontsika sorona ny fiavonavonana
Ao amin’ny Salamo 25:9, ny Baiboly dia milaza toy izao: “Mitarika ny mpandefitra amin’ny marina Izy ary mampianatra ny mpandefitra ny làlany.” Mazava fa Andriamanitra dia tsy hanome velively ny fahamarinana ho an’ny olona mirehareha sy miavonavona. “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” (I Petera 5:5). Angamba i Pontio Pilato liana ny handre ny fahamarinana fara faharatsiny. Ireo mpanoratra tamin’ny androny anefa dia nilazalaza azy ho olona niavonavona. Teo imason’ny Romana, ny Jiosy dia olona mendrika ny hohamavoina izay nanana fivavahana hafahafa ary tiany hohitsahina. Toa ny avonavona sy ny fanirian-daza ara-politika no vato nahatafintohina an’i Pilato. — Ohabolana 16:18.
Toy izany koa amin’izao andro izao, olona be dia be no liana ta-handre ny hafatra entin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Voamariny anefa angamba fa matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no tso-piaina, ka ny toeram-pivoriany tsotra (Efitrano Fanjakana) dia tsy azo ampitahaina mihitsy amin’ireo fiangonana marevaka ananan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary vitsy ny Vavolombelona afaka ny hirehareha satria nanao fianarana ambony. Mariho anefa izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny I Korintiana 1:26-29: “Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.”
Raha olona ‘ambany’ toy izany no mampianatra anao, dia mety ho voatohina ny avonavonao. Nefa moa ve fandoavana vidiny lafo loatra izany ho an’ny fahamarinana?
Aoka isika hampihatra ny fahalalana
Tsy ampy ny mahazo fahalalana, na dia mifandray amin’ny fahamarinana aza izany. Izany no antony ananarana antsika mba ‘hividy ny fahendrena’. (Ohabolana 23:23.) Ny fahendrena dia ny fampiharana ny fahalalana. Nanoratra tokoa Solomona fa “ny fahendrena no zavatra lehibe indrindra”. (Ohabolana 4:5-7, MN.) Eny, inona no ilàna ny fahalalana raha tsy ampiharina izany? Noho izany, rehefa avy nahafantatra ny lalana, ny didy, ny lalàna, ny fampitandremana sy ny torohevitr’Andriamanitra ianao, dia mianara mampihatra izany eo amin’ny fiainanao. “Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany”, hoy i Jesosy. — Matio 11:19.
Nanda ny fahamarinana i Pontio Pilato. Aza manao fahadisoana toy izany. Ho hadalana tokoa ny tsy hanararaotana ny fahafahana hahalala ny fahamarinana noho ny avonavona, ny fanirian-daza na ny fitiavana fahazaran-dratsy iray melohin’ny Soratra Masina! Manahafa ny mpanao salamo izay nanao izao vavaka izao: “Ampianaro aho, mba ho velona.” (Salamo 119:144). Eny, izay vonona ny handoa ny vidiny ilaina mba hahitana ny fahamarinana sy hahazoana fahendrena dia afaka ny ‘ho velona hatrany’. Satria izay mividy izany dia ‘hahita fiainana sady mahazo sitraka amin’i Jehovah’. — Ohabolana 8:35.
Nanambara toy izao ny lehilahy iray izay nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Faly aho milaza fa nanova ny fiainanay ny fahamarinana.” Afaka manova ny anao koa izany. Koa manararaota ny fahafahana hahalala ny fahamarinana! Aza atao tsirambina ny fanambinana tsy manam-paharoa atolotra anao, dia ny hividy ny fahamarinana sy fahendrena ary fahazavan-tsaina. Tsy hanenenanao na oviana na oviana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Aza misalasala ny manoratra amin’ireo mpampanonta an’ity gazety ity raha irinao ny fianarana ny Baiboly toy izany. Hahafaly anay ny hanao fandaharana mba hitsidihan’ny mpitory mahay iray anao.
b Navoakan’ny WatchTower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 4]
Angamba noho ny avonavony, dia tsy nahazo ny fahamarinana i Pontio Pilato.