Vonona ny hanaiky ny fifehezana ve ianao?
‘AMIN’IZAO andro izao, dia ny tam-tam (fitaovana mampigadongadona ny dihy) ihany no velezin’ny ray aman-dreny, fa tsy ireo zanany.’ Nivoaka ny vavan’ny zazavavy mpianatra vitsivitsy tao amin’ny kolejy iray atsy Afrika izany teny izany. Inona no tian’izy ireo holazaina? Fa tsy lamaody intsony ny fifehezana. Tsy maniry hampihatra izany ny ray aman-dreny, ary satrin’ny ankizy aza.
Fahendrena ve izany toe-tsaina izany? Araka ny diksionera iray, amin’ny heviny voalohany, ny fifehezana dia “toromarika manitsy, mamolavola na manatsara ny fahaizana ara-tsaina na ny toetra ara-pitondrantena”. Tena azo atao ve ny ho velona tsy misy fifehezana toy izany? Nahoana no nihevitra izany ireo zazavavy mpianatra afrikana ireo mbamin’ny ray aman-dreniny?
Raha ny marina, dia tsy ireo zazavavy mpianatra ireo sy ny ray aman-dreniny ihany no manana fihetsika mandà eo anoloan’ny fifehezana. Ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao dia toa mihevitra izay rehetra mety ho torohevitra na fifehezana ho fitsabahana tsy ara-drariny amin’ny fahafahany, fameperana ny zony. Tsy mampiavaka ny taonjato faha-20 anefa izany fihetsika izany. An’arivony taona maro lasa izay, ny tenan’Andriamanitra mihitsy dia nanamarika fa “ny fisainan’ny [fironan’ny, MN] fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”. (Genesisy 8:21.) Nolazalazain’ny apostoly Paoly izay haterak’izany fironan-dratsy izany rehefa afaka an’arivony taona maro, araka izao: “Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo.” (II Timoty 3:2-4). Tsy mahagaga àry raha tsy be mpitia ny fifehezana!
Dia tena ratsy tokoa ve ny fifehezana?
Tena mila fifehezana ve ny kristiana iray? Nilaza i Jesosy fa “tèry” ny lalana izay mitarika ho amin’ny fiainana. (Matio 7:13, 14.) Mora ny mihataka amin’izany. Tsy ho fahendrena ve amin’izany ny hanekena ny fifehezana, ny toromarika, araka ny iantsoan’ny diksionera azy? Alao sary an-tsaina ny amin’ny mpandeha iray sendra manalavitra ny lalany ary mampalahelo fa manatona faritra mampidi-doza iray. Raha manipy hevitra ny hanoro azy ny fomba hahitana indray ny lalany ny vahiny iray, hanao ahoana ny fihetsiny? Ho sosotra ve izy ka handa izany fanampiana izany ary hampanjaka ny zony handeha any amin’izay tiany? Hiampanga an’ilay vahiny mampiseho fitiavana ho mandika ny zony ve izy? Azo antoka fa tsy izany! Ho velom-pankasitrahana kosa aza izy noho ny fanampiana atolotra azy.
Toy izany koa, ny kristiana hendry dia velom-pankasitrahana rehefa tolorana fanampiana amin’ny fifehezana azy amim-pahamoram-panahy. Marina ireto tenin’ny mpaminany ireto na firy taona isika na firy taona, na toy inona na toy inona fanandraman-javatra efa nataontsika teo amin’ny fiainana: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Noho izany antony izany, dia mila fifehezana daholo isika rehetra.
Nanda ny fifehezana izy ireo
Anisan’ireo izay nanda ny fifehezana i Kaina, izay nialona an’i Abela rahalahiny. Rehefa hitan’i Jehovah fa nanomboka nihataka tamin’ny lala-mahitsy i Kaina, dia nampitandrina azy manokana izy, tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy?” (Genesisy 4:6, 7). Tsy nihaino i Kaina. Namono an’i Abela rahalahiny izy ka tamin’izany dia nampiditra ny famonoana olona teo amin’ny tantaran’ny olombelona. — Genesisy 4:8-16.
Tamin’ny andron’i Samoela, dia tsy nanaiky ny fifehezana koa ireo zanakalahin’i Ely. Mpisoronabe tao amin’ny fitoerana masin’i Jehovah ny rain’izy ireo, kanefa nanararaotra ny toerany izy ireo mba hangalarana tapany tamin’ny fanatitra sy hitarihana vehivavy hijangajanga tamin’izy ireo. Niteny azy ireo moramora ny rainy, kanefa tsy nihaino azy izy ireo. Inona no nitranga tamin’izay? Noho izy ireo nanda ny fifehezana, dia maty tao amin’ny ady iray izy ireo, ary ny tenan’i Elia koa, raha nahare ny vaovao, dia maty teo no ho eo. — I Samoela 2:12-17, 22-25; 3:11-18; 4:1-4, 10-18.
Nihaino ny sasany
Nisy olon-kafa nanaiky ny fifehezana kosa anefa. Davida, izay mpanjaka sady mpiady, dia nanao heloka bevava naharikoriko tamin’ny fanaovana izay hahafaty an’i Oria, vadin’ilay vehivavy nijangajangany. Nanaiky ny fananarana nataon’i Jehovah taminy tamin’ny alalan’i Natana anefa izy, ary noho izany antony izany, dia tsy nolavin’i Jehovah tanteraka izy (II Samoela 12:1-14). Araka izany, ny fifehezana dia mety hanampy antsika hiverina, na dia avy amin’ny fahotana ratsy dia ratsy aza.
Nahazo torohevitra avy amin’ny zazalahy iray, Eliho, i Joba, ka nety ho nanda izany tamim-pahatezerana izy. Na dia tao aza ireo fanaintainana nahatsiravina nampiharin’i Satana taminy, dia tsy nety ‘niteny ratsy an’Andriamanitra dia ho faty’ i Joba. Rehefa nampiseho toy izany ny fahatokiany izy, dia nety ho afaka hilaza anakampo fa tsy nanana antony mihitsy tokony hihainoana ny torohevitr’io zazalahy io. Nihaino izany anefa i Joba ary nahatsapa fa na dia tao aza ny tsy fivadihany, dia nilainy ny hanitsy ny fihetsiny. Taorian’izany izy dia nanana tombontsoa nomen’ny tenan’i Jehovah mihitsy torohevitra ka tamin’ny farany dia novalian-tsoa tamin’ny fitahiana maro (Joba 2:9, 10; 32:6; 42:12-16). Araka izany, ny fifehezana aza dia mety hanampy ireo izay nampiseho ny fiaretany sy ny tsy fivadihany tamin’ny fomba niavaka.
Nofehezina koa ny apostoly Petera. Tadidio fa apostolin’i Jesosy Kristy i Petera, fa nahita maso ny fiovan-tarehin’io izy ary nanankinana “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra”. (Matio 16:18, 19.) Indray mandeha anefa ny apostoly Paoly izay mpianatr’i Jesosy vao haingankaingana, dia nifehy an’i Petera ampahibemaso noho ny fitondrantenan’izy io tao amin’ny kongregasionan’i Antiokia. Niharihary tokoa fa nanaiky ny fifehezana i Petera, satria taty aoriana izy dia niresaka ny amin’i “Paoly, rahalahy malalantsika”. (II Petera 3:15; Galatiana 2:11-14.) Mampiseho izany fa na dia ny kristiana iray manana tombontsoa maro aza dia mety hahazo fifehezana.
Ny kristiana amin’ny andro ankehitriny sy ny fifehezana
Ao anatin’ny kongregasiona, dia tsy tokony ho gaga isika raha toa ny olona matotra iray ka manome torohevitra antsika. Ireo loholona indrindra anefa no manana andraikitra hiahy ny amin’ny tombontsoantsika. Ny amin’ireny mpiandry ara-panahy ireny no nilazan’ny Baiboly hoe: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao, ary miahia tsara ny andian’ny bibinao.” — Ohabolana 27:23.
Ho mora hanaiky kokoa ny fifehezana angamba isika raha tsapantsika fa ireo loholona dia tokony hanana fitiavana amim-pahatsorana, ary koa herim-po, mba hanomezana torohevitra. Matetika izy ireny no mahazo valinteny an’avona amin’ireo izay andramany ampiana. Ohatra, ny loholona iray tatsy Afrika dia niteny tamin’ny vehivavy iray kristiana hatramin’ny ela be mba hampitandrina azy tamin’ny fanao iray mifanohitra amin’ny kristianisma nahatarika azy. Tsy mora akory ny nanome izany torohevitra izany ary tsy mora akory ny adidin’ilay loholona rehefa sosotra io vehivavy kristiana io. Tamin’ny farany, dia nolaviny ny torohevitra nomena azy ary nanambara izy fa tsy tiany intsony ny hifampiraharaha amin’ilay loholona nanandrana nanampy azy. Ho fahendrena kokoa ny hahatsiarovany fa ‘azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza’! — Ohabolana 27:6.
Ny fifehezana dia mety hanampy antsika hampihatra ohabolana araka ny Baiboly hafa iray: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohabolana 22:3). Nety ho nanampy kristiana iray tao amin’io tany io ihany ireo teny ireo. Zatra ny nankany amin’ny hotely tsy niaraka tamin’ny vady aman-janany izy. Niahiahy ny sasany, satria tao amin’io faritany io, ireo vehivavy mpandroso sakafo tao amin’ny hotely maro, raha ny marina dia vehivavy mpivaro-tena nitady olona hividy azy. Imbetsaka àry ireo loholona teo an-toerana no nanisy fitenenana ny amin’io raharaha io tamin’ilay lehilahy. Nolaviny anefa izay rehetra mety ho torohevitra, matetika tamin’ny fomba somary nahery vaika. Tamin’ny farany izy dia latsaka tao anatin’ny fandriky ny fahalotoam-pitondrantena. Ho fahendrena kokoa ny niheverany ireo torohevitra nomena azy be dia be noho ny fikasana tsara!
Raha hadinointsika kely ny fiheverantsika manokana ka manandrana mijery ny zavatra araka ny fahitan’i Jehovah azy isika, dia hanaiky an-tsitrapo kokoa ny fifehezana isika. Marina fa mety tsy hahafinaritra izany satria mampahatsiahy antsika ny tsy fahatanterahantsika. Mety hanala baraka antsika kely izany. Eritrereto anefa ny fahafinaretana tsapan’i Jehovah rehefa manao zavatra amim-pahendrena ireo mpanompony ka manalavitra ny fahalavoana ao amin’ny fahotana. “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy aho.” (Ohabolana 27:11). Raha afaka mampidina ny avonavontsika isika ka manaiky ny fifehezana atolotra antsika, dia ho anisan’ireo izay mahatonga an’i Jehovah ho afaka hamaly ireo fihaikan’i Satana isika.
Miteraka vokatra tsara ny fifehezana
Araka ny hitantsika, ny tsirairay avy amintsika dia voakasiky ny fifehezana. Mila izany ny rehetra, ny lehilahy toy ny vehivavy, ny tanora toy ny olona be taona, ireo efa hatramin’ny ela ao anatin’ny fahamarinana tahaka ireo vaovao. Tokony hanampo hahazo fifehezana àry isika ary hitady izany mihitsy aza. Ianaro ny Tenin’Andriamanitra ary henoy ireo torohevitra mety hanampy anao (II Timoty 3:16, 17). Manatreha ireo fivoriana ary mihainoa amim-pitandremana mba hahitana izay mihatra aminao (Hebreo 10:24, 25). Raha tolorana manokana torohevitra feno fitiavana mifototra amin’ny Soratra Masina ianao, dia ekeo tsy misy fisalasalana izany araka ny hevitra anolorana azy. Mandraisa soa amin’ny toromarika rehetra avy amin’i Jehovah mikendry ny hanitsiana anao.
Hoy i Paoly tamin’ny Hebreo: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” (Hebreo 12:11). Araka izany, na dia mampalahelo antsika aza ny fifehezana indraindray, dia misy vokany tsara izany. Raha manaiky izany isika, dia mety ho anisan’ireo ankasitrahan’i Jehovah. Ny fifehezana dia hanampy antsika ‘handeha tsy misy tsiny, hanao izay mahitsy sy hisaintsaina ny marina ao am-pontsika’. (Salamo 15:1, 2.) Enga anie àry isika rehetra hanaiky ny fifehezana!