Ry tanora, aza manaiky ho voafitaka
“Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.”— II KORINTIANA 11:14.
1. a) Tamin’ny lafiny inona avy moa ny maro amintsika no efa voafitaka? b) Iza moa, amin’ny ankapobeny, no mora manaiky ho voafitaka kokoa?
TSY isalasalana fa efa nisy fotoana nahavoafitaka antsika rehetra. Amin’ny lalao baolina, ny mpilalao iray dia nety ho nanao izay tsy hahombiazanao tamin’ny alalan’ny fitaka ka nanamarika fenitra iray izay nahatonga ny antokony handresy. Nety ho nividy fitafiana iray toa tsara karazana ianao, kanefa taty aoriana, rehefa nanadio izany ianao taorian’ny nanaovana azy kelikely, dia nahatsikaritra fa tsy araka ny nanampoizana azy izany. Amin’ny ankapobeny, iza no mora fitahina, hadalaina na ambakaina? Moa ve tsy izay tsy ampy fanandraman-javatra? Ary matetika tokoa ny vokany no ratsy lavitra noho ny faharesena na ny fividianan-javatra tsy nety.
2. Ahoana no nahavoatarika tanora sasany hanao fahadisoana lehibe?
2 Ohatra, Julie, mpianatra tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray, araka ny teniny, dia “raiki-pitia tamin’ilay zazalahy tsara tarehy indrindra sy nankasitrahana indrindra tao amin’ilay sekoly”. Hoy ny fanazavany: “Nilaza taminy aho fa tsy vonona ny hanao izay nangatahiny tamiko, kanefa tsy nitsahatra ny namerimberina tamiko izy fa tia ahy ary handeha tsara ny zavatra rehetra. Rehefa nanohitra azy aho, dia nanampy teny indray izy. ‘Tena tiako tokoa ianao, hoy izy, ary heveriko fa miray fihetsehampo amiko ianao. Kanefa raha tsy manaporofo izany amiko ianao, dia heveriko fa tsy misy fanafodiny hafa afa-tsy ny fitsaharana tsy mifankahita intsony.’ ” Resy i Julie, ary nijangajanga. Ny ampitso, rehefa reny fa nirehareha noho ny ‘fandreseny’ ilay zazalahy, dia tsapany fa voafitaka tanteraka izy. Tokony ho fantany fa raha tena tia azy tokoa io zazalahy io dia tsy ho nanao toy izany izy.
3. a) Nahoana moa ny fijangajangana no fahadisoana lehibe dia lehibe? b) Inona moa no zava-kendren’i Satana Devoly?
3 Voafitaka i Julie ka tonga hatramin’ny fandikana mafy ny lalàn’Andriamanitra. Araka izany, ny Baiboly dia manome izao fananarana izao: “Mandosira ny fijangajangana”, ary dia ampiany amin’ny fomba hentitra hoe: “Tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra (...) ny mpijangajanga rehetra.” (I Korintiana 6:18; Efesiana 5:5). Raha tsy avy amin’i Satana angamba akory no andresenao na tsia amin’ny baolina na rehefa mividy zavatra amim-pahendrena na tsia, dia tena miezaka hamitaka anao tokoa izy mba handikanao ny lalàn’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” (I Petera 5:8). Raha ny marina dia ampiasainy ny fahakingany rehetra, indrindra fa amin’ny fisehoana ho anjelin’ny mazava, mba hitarihana antsika tsy hanompo an’i Jehovah Andriamanitra intsony. Tsy mendrika ny hoeritreretina ve izany? — II Korintiana 11:14.
Makà fianarana amin’izay nitranga tamin’i Eva
4. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ny tanora dia fikendry tian’i Satana?
4 Ho anareo anefa, ry tanora, dia ity misy hevitra iray izay tokony hampieritreritra anareo bebe kokoa ihany: ianareo indrindra no tian’i Satana hokendrena. Nahoana? Satria noho ny fahatanoranareo dia kely kokoa ny fotoana nahazoanareo fahalalana sy fahendrena. Ny tsy ampy fanandraman-javatra indrindra anefa no asian’i Satana matetika. Izany no nataony raha vao teo am-piandohan’ny fikomiany. Tadidio fa tao amin’ny saha Edena dia Eva no nohatoniny fa tsy Adama vadiny izay noforonina talohany. Ary dia nahomby Satana. Namitaka, nampiditra ho amin’ny fahadisoan-kevitra tamin’ny alalan’ny fisehoana ivelany sandoka an’i Eva izay kely taona kokoa sy tsy ampy fanandraman-javatra kokoa izy. “Fa Adama no natao voalohany, hoy ny fanazavan’ny Baiboly, vao Eva. Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka tonga mpanota.” — I Timoty 2:13, 14.
5. a) Inona no tsy tokony hoeritreretintsika na oviana na oviana? b) Inona no nitana ny sain’ny apostoly Paoly, ary nahoana no rariny ny azy?
5 Aza mamita-tena amin’ny fieritreretana fa tsy hisy heriny eo aminao mihitsy ireo fomba ampiasain’i Satana, fa tsy ho afaka hitarika anao handika ireo lalàn’Andriamanitra mihitsy izy. Tadidio ny fampitandreman’ny Baiboly manao hoe: “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” (II Korintiana 11:14). Araka ny rariny no natahoran’ny apostoly Paoly ny hamelezan’ilay Lehiben’ny Mpamitaka amim-pandresena ireo namany kristiana tsy ampy fanandraman-javatra kokoa noho izy. Hoy ny nosoratany: “Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.” — II Korintiana 11:3.
6. Inona no dikan’ny hoe nangolena?
6 Mariho fa tsy vitan’ny hoe nofitahina na nambakaina i Eva fa nampiharana fanangolena koa. Milaza izany fa notarihina ho amin’ny lalana mampidi-doza iray tamin’ny alalan’ny zavatra mahasodoka, tamin’ny alalan’ny fakam-panahy iray izy. Araka ny filazan’ny diksionera sasany, ny tiana holazaina amin’ny hoe manangoly dia “mitaona olona tsy hankatò”, “manintona na mahazo olona amin’ny alalan’ny, na toy ny amin’ny alalan’ny hafetsena”. Amin’ny heviny manokana kokoa, ny dikan’ny hoe manangoly dia “mitaona (vehivavy iray) hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana”. Ny fandinihana ireo fomba nampiasain’i Satana mba hamitahana an’i Eva (na dia tsy misy firesahana velively ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy aza tamin’io toe-javatra io) dia hahasoa antsika, nefa hahasoa koa ny hiheverana ireo fomba sahala amin’izany ampiasainy amin’izao androntsika izao.
7, 8. a) Noho ny fikendrena inona moa no nanadinan’i Satana an’i Eva? b) Ahoana no nataon’i Satana mba hahatonga an’i Eva haniry hihinana tamin’ny voan’ilay hazo?
7 Teo am-piandohan’ny fanatonany indrindra, dia nampiasa an-kolaka ny menarana Satana mba hanosehana an’i Eva handa ny lalàn’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny teny voafidy tamim-pitandremana mba hanairana ny fiahiahiana sy ny tsy fahatokiana, dia nanontany azy toy izao izy: “Efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Tamin’io fanontaniana namandrika io, dia te-hilaza i Satana fa nampalahelo ny tsy nahafahan’i Eva nihinana tamin’ny hazo rehetra tao amin’ilay saha. Raha ny marina dia nilaza izy fa tsy ho faty velively araka ny nolazain’Andriamanitra izy fa handray soa tokoa raha mihinana amin’ny voan’ilay hazo voarara. “Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” — Genesisy 3:1-5.
8 Niseho ho fetsy sy ratsy fanahy Satana tamin’ny fihamboana fa nitady hanaisotra fahalalana mahasoa tamin’i Eva Andriamanitra. Araka ny filazany, Andriamanitra aza dia nampiasa fandrahonana ho faty tsy nisy antony mba hisakanana an’i Eva tsy hampiasa ny safidiny. Toy ny hoe nilaza toy izao tamin’ilay vehivavy Satana: ‘Mampihafy tena ianao. Tsy ho faty akory ianao. Afaka mahazo izay ananan’ny tenan’Andriamanitra ianao. Afaka manapa-kevitra ny amin’izay tsara na izay ratsy ianao.’ Nahasodoka an’i Eva ny fieritreretana ny ho afaka hanapa-kevitra irery tsy ho voatery hanadina olon-kafa.
9. Araka ny Jakoba 1:14, 15, dingana inona avy no nitarika an’i Eva ho amin’ny fahotana ary tamin’ny farany dia ho amin’ny fahafatesana?
9 Nanomboka nijery ilay hazo somary tamim-pitsiriritana àry Eva. “Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany.” (Genesisy 3:6). Taorian’izany anefa, rehefa tsapany fa tsy nahazo izay nampanantenaina azy izy, dia nanome izao fanazavana izao i Eva: “Ny menarana no namitaka ahy.” (Genesisy 3:13). Raha ny marina, dia nanangoly azy koa izy; nitarika azy ho any amin’izay tiany izy tamin’ny alalan’ny zavatra manintona na fakam-panahy, ary ny faniriany mampiseho fitiavan-tena dia nanosika an’i Eva hanota ka tamin’ny farany dia nitarika azy ho amin’ny fahafatesana. — Jakoba 1:14, 15.
Tandremo ny tetikadin’i Satana
10. Nahoana moa isika no tsy voatery hijanona tsy hahalala ireo fikasan’i Satana, ary toromarika inona no fahendrena ny hanarahantsika azy?
10 Amin’izao androntsika izao Satana dia mampiasa hafetsena, tetika na fitaka sahala amin’izany mba hamitahana sy hanangolena ny tanora. Nefa noho ny Baiboly manome antsika filazalazana feno ny amin’ireo fomba feno fitaka ampiasain’i Satana, dia tsy voatery hitoetra ao anatin’ny tsy fahalalana ny fikasany ianao (II Korintiana 2:11). Tokony hanana fahendrena ianao hanaiky ireo fampitandremana sy ireo toromarika omen’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. — Ohabolana 2:1-6; 3:1-7, 11, 12; 4:1, 2, 20-27; 7:1-4.
11. Ahoana moa matetika no anangolen’i Satana sy amitahany ny tanora mba hitarihana azy ireny hanota?
11 Ahoana moa matetika tokoa no ataon’i Satana mba hanangolena ny tanora sy hitarihana azy hanao ratsy. Ataony izay hahatonga ny zavatra melohin’Andriamanitra, na ny fanaovan-javatra mety hampanary ny fankasitrahan’Andriamanitra ho sady manintona no tsy mampaninona, sahala amin’ny hita tamin’ilay voankazo teo imason’i Eva. Toy ny tamin’i Eva, dia hiezaka izy hampino anao fa manao izay tsy hananan-javatra mahafinaritra tsy amin’ny antony ianao. Amin’izany, amin-kafetsena sy fitaka, dia mitady izay hampihenana ny fanajanao ny Tenin’Andriamanitra sy ireo toromarika omen’ny ray aman-dreninao matahotra an’Andriamanitra ary ny fandaminan’Andriamanitra izy. Rariny ny ananaran’ny Baiboly antsika amin’izao teny izao: ‘Mifahara amin’ny fanangolen’ny [na hafetsen’ny, Kingdom Interlinear Translation] devoly.’ — Efesiana 6:11.
12. a) Zava-nitranga inona mahakasika an’i Satana moa no tokony hoheverintsika rehetra tsara, ary nahoana? b) Ahoana no fiheveranao izay voasoratra ao amin’ny I Jaona 2:15 sy ao amin’ny Jakoba 4:4? d) Inona no ho tian’i Satana hampinoana anao?
12 Miharihary fa nampiseho hadalana i Eva rehefa nino ny laingan’i Satana. Kanefa, moa ve tsy hita toy izany koa ny tanora maro tsy miraharaha amin’izao andro izao ireo fampitandremana omen’ny Tenin’i Jehovah, ny ray aman-dreniny na ireo loholon’ny kongregasiona kristiana? Manao ahoana àry ny fihetsikao? Ohatra, heverinao ho lalina ve ny hoe Satana Devoly no filohan’izao tontolo izao ankehitriny ka amin’ny maha-andriamanitry ny fandehan-javatra ankehitriny azy dia manajamba ny sain’ny olona izy (I Jaona 5:19; Jaona 12:31; 14:30; 16:11; II Korintiana 4:4)? Tena miezaka tokoa ve ianao hitandrina izao didin’Andriamanitra izao: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao.” (I Jaona 2:15). Manontania tena toy izao koa: ‘Tena inoako tokoa ve ny fanambaran’ny Soratra Masina manao hoe: “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” ’ (Jakoba 4:4). Hirin’i Satana ny hamitaka anao sy ny hanao izay hinoanao fa tsy dia mampidi-doza araka ny fiheverana azy akory izao tontolo izao, fa ireo asa asainy atao dia tsy mampaninona. Tandremo anefa! Aza manaiky ho voafitaka!
Fahafinaretana mamitaka
13. Fanao inona moa no manjary be mpanaraka tokoa any amin’ny tany maro, ary inona no ho tian’i Satana hampinoana antsika momba an’io fanao io?
13 Matetika Satana no mitarika ny olona hanao ratsy amin’ny alalan’ny zavatra izay angamba tsy dia ratsy aminy fotsiny akory na tsy melohin’ny Baiboly mazava. Ohatra, raha misy mpivady maro manana fahatsiarovana mahafinaritra ny amin’ireo fotoana mahafaly hitany tamin’ny fifaneraserany, ny tanora roa, lahy sy vavy, izay miara-mivoaka tsy tapaka tsy misy olon-kafa miaraka amin’izy ireo, dia misetra tena loza. Raha ny marina, izany karazam-pifaneraserana izany dia fanao azo lazaina hoe vao haingana, izay, any amin’ny tany maro, dia tsy nanjary be mpanaraka raha tsy hatramin’ny fotoan’ny Ady Lehibe Voalohany. Ho tian’i Satana ny hampino anao fa izany fanao izany dia fialam-boly tsy mampaninona fotsiny izay mahatonga tanora roa, lahy sy vavy, hifankahalala amin’ny fiaraha-mivoaka irery. Raha ny marina dia misy loza lehibe eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena izany fanao izany.
14. a) Ahoana no azo itsarana ny hasarobidin’io fanao io? b) Inona no fihetsehampo mety ho teraka rehefa miara-mivoaka tsy tapaka ny tanora roa?
14 Noho izy efa nahita fanandraman-javatra, ny kristiana matotra sy be taona kokoa dia mahatsapa kokoa ireny loza ireny ary afaka manome torohevitra mahasoa tokoa (Ohabolana 27:12). Mieritreritra anefa angamba ianao fa tsy mampidi-doza ny fifaneraserana toy izany ary sarotiny loatra ireo ray aman-dreninao ka mampihafy anao tsy hahita fahafinaretana sasany. Kanefa, toy ny azo itsarana olona amin’ireo vokatra aterany, dia toy izany koa fa azo atao ny mitsara fanao iray toy ny fifanaovam-potoan’ny mpifankatia, amin’ireo vokatra aterany (Ohabolana 20:11; Matio 7:16). Ohatra, ny zazavavy iray 18 taona izay niara-nivoaka tsy tapaka tamin’ny zazalahy iray ka nanjary bevohoka, dia nanao izao fanamarihana izao: “Izaho dia anisan’ireo tanora an’arivony maro mieritreritra fa tsy hitranga amin’izy ireo mihitsy izany.” Niaiky izy fa rehefa avy nivoaka fotoana kelikely niaraka tamin’io zazalahy io izy, dia “tsy nahafinaritra intsony ny nifampitantana sy ny nifanoroka”. Ny zazavavy hafa iray, 17 taona, izay nifanao fotoan’ny mpifankatia matetika koa, dia nanambara toy izao: “Mifanoroka sy mifampisakambina ny tena mandra-pahatongan’ny fotoana aniriako tanteraka ny hanaovan’ilay ankizilahy fitiavana amiko.” Maningana ve izany fihetseham-po izany? Tsy izany velively!
15. Tompon’andraikitra be dia be amin’ny loza mampangitakitaka inona moa ny fanao momba ny fifanaovan’ny mpifankatia fotoana?
15 Rehefa mitokana ny tanora roa mahita fifanintonana ara-batana, ka matetika no mitranga izany rehefa mifanao fotoana izy ireo, dia mety hihamafy ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy ka hitarika azy ireo, na dia manana fikasana tsara azy izy, handika ny lalàn’Andriamanitra. Hevero fa any Etazonia, dia zatovovavy maherin’ny iray tapitrisa no manjary bevohoka isan-taona ary ana hetsiny maro tamin’izy ireny no nanala zaza na niteraka zaza ivelan’ny fanambadiana. Mampalahelo anefa fa tamin’ireny zazavavy ireny na ireny zazalahy naha-bevohoka azy ireny, dia misy zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Ny fanao amin’ny andro ankehitriny, dia ny fifanaovan’ny mpifankatia fotoana, no tompon’andraikitra be dia be amin’ireny loza mampangitakitaka ireny sy ny fisehoan’ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, angamba an-tapitrisany maro isan-taona.
16. a) Ao anatin’ny faritra inona ihany ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy no azo omena fahafahampo ara-dalàna? b) Inona no nitranga tamin’ny maro amin’ny mpanompon’Andriamanitra?
16 Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanomezana fahafahampo ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny faritry ny fanambadiana, ka izany dia mitondra ho an’ny mpivady, fahafahampo sy fahafinaretana madio (Hebreo 13:4; Ohabolana 5:15-19). Nampiasain’i Satana ankolaka anefa io fanomezan’Andriamanitra io mba hanangolena ny olombelona sy hitarihana azy hampiasa izany amin’ny fomba ratsy ary hijangajanga. Fahizay, dia Isiraelita 24 000 no novonoina ho faty tao anatin’ny indray andro monja noho ny nanotana toy izany tamin’Andriamanitra. Amin’izao andro izao dia olona an’arivony maro no voaroaka isan-taona tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana noho izy nijangajanga. Hendre àry. Henoy ny torohevitra sy ny fananarana. Aza manaiky ho voafitaka. — Nomery 25:1-9, 16-18; 31:16.
17. a) Hevitra mamitaka inona no namporisihan’i Satana hatao ny amin’ny zavatra toy ny fanatanjahan-tena, ny mozika sy ny dihy? b) Nahoana moa ny fialam-boly atolotr’izao tontolo izao no loza ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra?
17 Mitandrema tena koa amin’ny tetikadin’i Satana hafa. Ohatra, ny fanatanjahan-tena, ny mozika sy ny dihy dia mitana toerana tena lehibe eo amin’ny fialam-bolin’izao tontolo izao. Marina fa tsy voatery ho ratsy aminy fotsiny akory ireny zavatra ireny; mety hahafinaritra sy hahasoa mihitsy aza izany (I Timoty 4:8; Zakaria 8:5; Lioka 15:25). Tamin’ny fomba mamitaka anefa no namporisihan’i Satana hanana hevitra hoe tsy mampidi-doza mihitsy ireny fialam-boly ireny na dia atao tsy tapaka miaraka amin’olona eo amin’izao tontolo izao aza. Manome antsika izao fampitandremana izao anefa ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (I Korintiana 15:33). Mieritrereta kely. Raha anisan’ny fandehan-javatr’i Satana ny fivavahana sy ny politika, moa ve tsy hadalana ny hiheverana fa tsy misy heriny eo amin’ireo fialam-boly amporisihan’izao tontolo izao izy? Tokony hitandrina mandrakariva ianao mba tsy ‘hiditra ao amin’ny lasitry ny olona rehetra’. — Romana 12:2, Kuen.
Fomba fiarovana ho an’ny tanora
18. Nahoana moa no tokony hahafaly anao ny manana ray aman-dreny mampianatra anao sy mitari-dalana anao?
18 Ry tanora, noho ny fitiavany, Jehovah dia nanomana ho anao, fomba fiarovana isan-karazany mba tsy hahavoafitaka anao. Voalohany indrindra, dia nomaniny ny hampianaran’ny ray aman-dreninao anao sy ny hitarihany lalana anao. Afaka ny ho faly àry ianao rehefa manao toy izany izy ireo. Ny zazavavy iray 18 taona, nampalahelo, izay niteraka tsy nanambady, dia nitaraina tamin’ny filazana fa tsy ho nitranga izany “raha nanao ny asany ireo ray aman-dreniko tamin’ny fampitandremana ahy ny amin’ny loza ateraky ny fiaraha-mivoaka tsy tapaka amin’ny zazalahy iray ihany sy tamin’ny fandrarana ahy tsy hanao izany”. Koa raha manan-dray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra ianao, dia mifalia amin’izany. Tsy mitady izay hamerana ny fahafahanao na hanaovana izay hahatonga ny fiainanao tsy hahafinaritra izy amin’ny fampiharana fepetra aminao. Mifanohitra lavitra amin’izany fa tia anao izy ireny ary maniry ny hiarovana anao. Mandraisa soa amin’ny fanandraman-javatra ananany sy ny fahendreny amin’ny fitadiavana ny toroheviny.
19. Fanampiana hafa inona avy moa no ananan’ny tanora mba hiarovan-tena?
19 Afa-tsy izany koa, Jehovah dia nanomana ny fandaminany eto an-tany mba hanampiana anao. Ohatra, ny tsirairay avy amin’ny fanontana ny Réveillez-vous! dia manolotra lahatsoratra iray amin’ny fizarana hoe “Les jeunes s’interrogent” izay mampiseho fa feno fahendrena ireo fitsipika noferan’i Jehovah. Toy izany koa, ilay bokikely hoe Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah dia natonta mba hanampiana hitandrina ireo lalàna sy fotopotopitsipik’Andriamanitra ao anatin’ny faritry ny sekoly. Misy fampaherezana sy torohevitra mbola omena anao koa ao amin’ireo pejin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ao amin’ireo fivorian’ny kongregasiona mbamin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika. Raha ny marina, ireo zavatra voalaza ao amin’ity lahatsoratra ity dia naseho tao amin’ny lahateny iray tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray natao vao haingana sy tamin’ny fivoriana momba ny asa iray.
20. a) Nahoana moa no tolorana fanampiana be dia be toy izany ny tanora? b) Fihetsika inona no hanampy anao hahatohitra ireo fiezahan’i Satana ikendrena ny hamitahana anao?
20 Aza mihevitra fa amin’ny fiheveranay rehetra anareo, dia mitady hiray tetika hanohitra anareo izahay mba hanaisotra aminareo ny fifalianareo. Mifanohitra lavitra amin’izany fa tia anareo ny fandaminan’Andriamanitra, ka izay rehetra lazaina na soratana pirinty dia atao toy izany noho ny fikendrena ny hiaro anareo, ny hamonjy ny ainareo. Mianara mankamamy izany fandaharana izany. Ataovy ho fahazarana ny fianarana ny Baiboly amin’ny alalan’ireo bokin’ny Fikambanana; avelao ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly hameno fankasitrahana anao. Enga anie ianao hitovy fihetsika amin’ity zazavavy iray 18 taona izay, rehefa avy nandinika ireo torohevitra mety dia mety natao ho an’ny tanora, dia nanoratra toy izao: “Izany rehetra izany dia mahatonga ahy hanombana ny fahasambaranay tanora izay ao anatin’ny fahamarinana. Tsy misy mihitsy fandaminana hafa eto an-tany tia toy izany ireo mpikambana tanora ao aminy ka miahy azy sahala amin’izany.” Aoka àry isika ho tafaray tsara hatrany sy hanohitra ireo fiezahan’ny Devoly nokendrena hamitahana antsika, satria tsy miafina amintsika ny fikasany.
FAMERENANA
◻ Nahoana moa ny tanora ny tian’i Satana hokendrena indrindra?
◻ Ahoana no namitahan’i Satana an’i Eva mba hitarihana azy hanao ratsy?
◻ Ahoana moa, amin’izao androntsika izao, no matetika anangolen’i Satana ny tanora mba hitarihana azy ireny hanao ratsy?
◻ Fomba fiarovana inona avy moa no ananan’ny tanora?
[Sary, pejy 10]
Toy ny niezahan’i Satana namitaka an’i Eva izay tsy nahita fanandraman-javatra kokoa noho Adama, dia toy izany koa no anaovany ny tanora ho fikendry tiany.
[Sary, pejy 13]
Rehefa misy tanora mitokana, dia mety hihamafy ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy ka hitarika azy ireo handika ny lalàn’Andriamanitra.