Mpanolo-tsaina kinga: fitahiana ho an’ireo rahalahiny
“Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ny voalohany.” — ISAIA 1:26.
1, 2. a) Ahoana moa no ampisehoan’ny teny ao amin’ny Ohabolana 12:15 sy 19:20 ny hasarobidin’ny torohevitra? b) Inona aloha no ilaina mba hahafahantsika manaiky torohevitra, ary inona no zavatra tena nisy mampiseho izany amintsika?
KRISTIANA ny ray aman-drenin’i Thérèse. Tany an-tsekoly, ny anankiray tamin’ireo namany dia “tao anatin’ny fahamarinana” koa. Teo am-pifaranan’ny fianarana ambaratonga voalohany anefa, dia voamarik’i Thérèse fa tsy nampiseho ny zotom-po nananany teo am-boalohany ho an’ny finoana kristiana intsony ilay namany. Niara-nanohy ny fianarany ambaratonga faharoa izy ireo, kanefa ilay namany nanomboka tapatapaka tamin’ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana, ka nahita hokianina tamin’ny Fikambanana Watch Tower sy ny kongregasiona. Na dia tao aza izany, dia nivavaka be dia be ho an’ilay namany i Thérèse, ka nanome azy torohevitra mandrakariva mba hahatanjaka azy hatrany ao amin’ny kristianisma. Tamin’ny farany dia novalian-tsoa ny fiezahan’i Thérèse. Teo amin’ny fahadimy ambin’ny folo taonany, dia nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana indray ilay namany ary natao batisa tamin’ny farany. Fitahiana toy inona moa izany ho azy! Ary endrey izany valisoan’i Thérèse namany nahatoky!
2 Moa ve io fitantarana io tsy mampiseho amin’ny kristiana fa ilain’izy ireny indraindray ny manome torohevitra feno fitiavana? Mamporisika antsika amin’izao teny izao ny Baiboly: “Henoy ny saina atolotra, [torohevitra, MN ], ary raiso ny fananarana, mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” (Ohabolana 19:20; 12:15). Izany no nataon’ilay naman’i Thérèse. Fa inona no ho nitranga raha tsy nanohy nanolotra ho azy ny fanampiany tamim-pitiavana, faharetana sy herim-po i Thérèse nandritra izany taona rehetra izany? Mba hahafahantsika ‘mihaino torohevitra’ tokoa, dia mila olona isika mba hanome antsika izany. Iza no manana adidy hanao izany?
Iza no manome torohevitra?
3. Iza moa no nomen’i Jehovah mba hanome torohevitra mety eo anivon’ny kongregasiona kristiana?
3 Nampanantena ny olony Jehovah fa hanome azy mpanoro hevitra amin’izao androntsika izao. Izao no nambarany: “Hampodiko (...) ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ny voalohany.” (Isaia 1:26). Tanteraka voalohany indrindra io fampanantenana io amin’ny tenan’ireo loholona eo anivon’ny kongregasiona kristiana. Ny torohevitra dia karazam-pampianarana, ary ireo loholona no voalohany “mahay mampianatra” (I Timoty 3:2.) Angamba ny apostoly Paoly nieritreritra indrindra an’ireo loholona rehefa nilaza hoe: “Raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy [manana ireo toetra ara-panahy takina, MN] amin’ny fahamorana izy.” (Galatiana 6:1). Kanefa, moa ve ireo loholona ihany no afaka manome torohevitra?
4, 5. a) Manonòna ohatra vitsivitsy notsoahina avy ao amin’ny Soratra Masina mampiseho fa tsy ireo loholona ihany akory no afaka manome torohevitra. b) Manonòna santionan-tarehin-javatra vitsivitsy azon’ny kristiana ankoatra ny loholona anomezana torohevitra.
4 Tsia, tsy ireo loholona ihany akory no afaka manome torohevitra. Nampiseho izany tsara i Thérèse, satria rehefa ela ny ela dia nisy vokany tsara ireo toroheviny. Tadidio koa Namana, filohan’ny tafika syriana. Noheveriny ny fanazavana sarobidy nomen’ny zazavavy Isiraelita iray, avy eo dia ny torohevitra be dia be nomen’ireo mpanompony. Raha tsy nisy ny torohevitra nety nomen’i Abigaila, vadin’i Nabala, dia ho nivesatra trosan-dra i Davida. Eliho tanora kosa dia nanome torohevitra feno fahendrena vitsivitsy ho an’i Joba sy ireo “mpampionona” azy telo. — I Samoela 25:23-35; II Mpanjaka 5:1-4, 13, 14; Joba 32:1-6.
5 Toy izany koa, amin’izao andro izao, ny tombontsoa hanome torohevitra dia tsy voatokana ho an’ireo loholona ihany. Manoro hevitra tsy tapaka an’ireo zanany ny ray aman-dreny. Ny tanora sahala amin’i Thérèse dia matetika no manome ho an’ireo mitovy taona aminy, torohevitra misy vokany. Ary ny Baiboly dia mamporisika indrindra ireo anabavy matotra ‘hampianatra ny zavatra tsara’ an’ireo vehivavy tanora ao amin’ny kongregasiona (Titosy 2:3-5). Raha ny marina, isika rehetra dia manana adidy hifanampy toy izany. Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.” — I Tesaloniana 5:11.
Ny zava-kendrena amin’ireo torohevitra omen’ny kristiana
6. Noho ny fikendrena inona moa, ankoatra ny zavatra hafa, no anomezan’ny kristiana iray torohevitra?
6 Noho ny fikendrena inona no anomezan’ny kristiana iray torohevitra? Noho ny fikendrena ny hanampy olona handroso sy hitoetra eo amin’ny lala-mahitsy, handamina zava-manahirana, handresy fahasahiranana, ary angamba hanitsy fitondrantena ratsy. Rehefa namporisika an’i Timoty i Paoly ‘handresy lahatra, hamporisika, hananatra mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra’ dia nangataka azy izy mba hanome karazan-torohevitra samy hafa (II Timoty 4:1, 2). Tena ilàna fahaizana ny fanoroana hevitra olona mba hahatakarany izany nefa tsy ho tafintohina.
7, 8. a) Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana moa no anampoizana ny handray torohevitra eo anivon’ny kongregasiona kristiana? b) Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana moa ny kristiana iray no mila torohevitra, na dia tsy manantena ny handray izany aza?
7 Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no tokony hanomezana torohevitra? Manana fahafahana hanao izany tsy tapaka ny ray aman-dreny, ary manantena izany be na kely ireo zanaka (Ohabolana 6:20; Efesiana 6:4). Ao anatin’ny kongregasiona, ny mpianatra izay manao famelabelarana ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika dia manampo ny handray torohevitra mba ho tonga minisitra kristiana mandroso ho amin’ny fahamasahana (I Timoty 4:15). Indraindray, ny rahalahy iray na ny anabavy iray mila fanampiana na torohevitra dia manatona loholona na mpikambana hafa iray ao amin’ny kongregasiona.
8 Mety hilaina anefa ny hanomezana torohevitra ho an’ny mpikambana sasany ao amin’ny kongregasiona izay tsy manampo ny handray izany na tsy maniry izany. Angamba eo am-panariana ny zotom-pony amin’ny asan’i Jehovah ny kristiana iray ka ‘indaosina hiala’, sahala amin’ilay naman’i Thérèse (Hebreo 2:1). Nety ho tsy nifanaraka tamin’ny mpikambana hafa iray tao amin’ny kongregasiona koa izy (Filipiana 4:2). Na mila fanampiana koa izy raha ny amin’ny fomba fitafiny na ny fisehoany ivelany, ny fifidianana ireo namany na ny mozika henoiny. — I Korintiana 15:33; I Timoty 2:9.
9, 10. a) Nahoana moa no mila herim-po ny tena indraindray mba hanomezana torohevitra? b) Nahoana anefa ny kristiana iray no tokony hanoro hevitra izay mila izany?
9 Rehefa nanarin’i Hanany mpaminany Asa mpanjakan’ny Joda, dia nalahelo aoka izany ka “nanao azy tao an-trano-maizina”. (II Tantara 16:7-10.) Nilaina ny ho be herim-po mba hanoroana hevitra mpanjaka iray tamin’izany fotoana izany. Amin’izao andro izao koa, dia ilaina ny ho be herim-po mba hanomezana torohevitra, satria mety hahasosotra an’izay mandray azy aloha izany. Na dia tao aza ny fanandraman-javatra efa hitany, ny kristiana iray dia tsy nanoro hevitra ny anankiray tamin’ireo namany tanora izay nila izany anefa. Nohazavainy ny antony: “Mpinamana tsara izahay ka tiako ny hijanonanay ho toy izany!” Tsy fanehoana fisakaizana anefa ny tsy fetezana hanampy izay mila izany. — Ohabolana 27:6; jereo Jakoba 4:17.
10 Raha ny marina, ny fanandraman-javatra dia mampiseho fa ny mpanoro hevitra kinga iray dia mandrakariva mametra ny mety handraisana izany amin’ny fomba ratsy ary matetika no mahatratra ny zava-kendreny. Fa ahoana no hahatongavana ho mpanoro hevitra kinga? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia handinika ohatra roa isika: ny anankiray tsara, ny anankiray ratsy.
Paoly, mpanoro hevitra kinga
11. Nahoana moa ny ankamaroan’ny Korintiana no nanaiky ireo torohevitr’i Paoly, na dia niresaka tamin’izy ireny tamim-pahatsorana tokoa aza izy?
11 Nanana fahafahana maro hanome torohevitra ny apostoly Paoly, ary indraindray izy dia tsy maintsy nanonona teny navesa-danja (I Korintiana 1:10-13; 3:1-4; Galatiana 1:6; 3:1). Na dia tao aza izany, dia narahina ireo toroheviny satria fantatr’ireo nitenenany fa tia azy ireny i Paoly. Araka ny nolazainy tamin’ny Korintiana, dia “tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra”. (II Korintiana 2:4.) Ny ankamaroan’ny Korintiana dia nanaiky ireo torohevitr’i Paoly satria fantany fa tsy avy amin’ny fitiavan-tena izany; marina tokoa fa “ny fitiavana (...) tsy mitady ny azy”. Natoky koa izy ireny fa ny teniny dia tsy avy amin’ny fahasosorana, satria “ny fitiavana (...) tsy mora sosotra, tsy manao otripo”. — I Korintiana 13:4, 5.
12. Inona no toetra hanampy ny kristiana izay manome torohevitra hahazo vokatra tsara? Hazavao ny valinteninao.
12 Toy izany koa amin’izao andro izao, mora lavitra ny manaiky torohevitra, na dia mafy aza izany, raha fantatsika fa avy amin’olona tia antsika izany, izay tsy noho ny fahasosorany amintsika no itenenany ary tsy mampiseho fitiavan-tena ny antony manosika azy. Ohatra, raha toa ny loholona iray ka tsy miresaka amin’ireo zatovo ao amin’ny kongregasiona raha tsy mba hanomezan-tsiny azy ireny, dia ho mora hahatsiaro ho kendrena izy ireny. Inona kosa anefa no hitranga raha tsara ny fifandraisan’io loholona io amin’izy ireo? Raha entiny miaraka aminy amin’ny fitoriana izy ireny, raha mora hatonina izy ao amin’ny Efitrano Fanjakana, raha mamporisika azy ireny izy hiresaka aminy ny zava-manahirana azy ireny, ny fanantenany, ny fisalasalany, raha manasa azy ho ao an-tranony angamba izy indraindray — rehefa eken’ny ray aman-drenin’izy ireo izany? Amin’izany, rehefa hanana torohevitra homena azy ireny izy, dia azo inoana kokoa fa hanaiky izy ireo, noho ny fahafantarana fa avy amin’ny sakaiza iray izany.
Fahalemem-panahy sy fanetren-tena
13. a) Tokony hiorina amin’inona foana moa ireo torohevitra omen’ny kristiana? b) Noho izany, inona moa no tsy tokony hataon’ireo izay manome torohevitra ao anatin’ny kongregasiona kristiana?
13 Nandaitra ireo torohevitr’i Paoly noho ny antony hafa iray koa: niankina tamin’ny fahendren’Andriamanitra izy fa tsy tamin’ny heviny manokana. Araka ny nampahatsiaroviny an’i Timoty, kristiana hafa iray koa notarihina hanome torohevitra, “izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. (II Timoty 3:16; jereo I Korintiana 2:1, 2.) Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo kristiana manome torohevitra dia manorina ny resaka ataony amin’ny Soratra Masina. Marina fa ao anatin’ny fianakaviana, ny kristiana dia tsy manonona ny Baiboly isaky ny manome torohevitra ireo zanany; kanefa, na mamporisika azy ireny hankatò na ho madio, hiahy ny amin’ny hafa, ho marim-potoana na hanao zavatra tsara hafa rehetra izy ireo, ny teniny dia tokony hanana fototra araka ny Baiboly foana (Efesiana 6:1; II Korintiana 7:1; Matio 7:12; Mpitoriteny 3:1-8). Eo anivon’ny kongregasiona, dia tokony hitandrina isika mba tsy handidy ny hafa hanaraka ny fiheverantsika na ny fitiavantsika zavatra. Fa raha ny amin’ireo loholona, dia tsy tokony hanolana ny hevitry ny Soratra Masina izy mba hanohanana hevitra tiany iray (jereo Matio 4:5, 6). Ny antony anomezany torohevitra dia tokony hiorina amin’ny Baiboly foana. — Salamo 119:105.
14, 15. a) Manonòna toetra hafa iray koa mahatonga ny torohevitra ho mora ekena kokoa. b) Nahoana moa no zava-dehibe tokoa raha mamboly an’io toetra io ireo izay manome torohevitra?
14 Ny torohevitra iray koa dia mandaitra kokoa raha omena amim-pahalemem-panahy. Nahatsapa tsara izany i Paoly. Noho izany antony izany, raha niresaka ny amin’izay solafaka tsy nahy izy dia namporisika ireo izay nanana ny toetra takina mba ‘hanandrana hanarina ny olona toy izany amim-pahalemem-panahy’. (Galatiana 6:1, MN.) Nanoro hevitra an’i Titosy koa izy mba hampahatsiahy an’ireo namany “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”. — Titosy 3:1, 2; I Timoty 6:11.
15 Nahoana moa no ilaina ny fahalemem-panahy? Satria mamindra ny fisafoahana. Ny teny tononina amim-pahatezerana dia mitarika hafa koa amin’izany ary rehefa safononoka ny fisafoahana, dia sarotra ny mieritreritra amim-pahatoniana. Na dia tezitra aza ilay toroanao hevitra, dia tsy misy antony tokony hanarahanao azy amin’izany lalana izany. Mety hampitony ny rivo-piainana kosa ny fahalemem-panahinao. “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” (Ohabolana 15:1). Voamarina izany na ny ray aman-dreny, na ireo loholona na olon-kafa na iza na iza no manome torohevitra.
16. Nahoana moa no tokony ho amim-panajana foana no hanoroana hevitra olona?
16 Farany, dia aoka hodinihintsika ny teny nataon’i Paoly ho an’i Timoty loholona tanora: “Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.” (I Timoty 5:1, 2). Tsara dia tsara izany raha torohevitra! Eritrereto izay ho tsapan’ny anabavy be taona iray raha toa ny loholona tanora iray — angamba tokony ho zanany amin’ny taona — manoro hevitra azy amin’ny fomba tsy misy fanajana na manome tsiny mafy azy. Ho tsaratsara kokoa raha maka fotoana hieritreretana kely toy izao izany kristiana izany: ‘Rehefa heverina amin’ny taona sy ny maha-izy an’io anabavy io, ahoana no azoko anomezana azy ity torohevitra ity amim-pitiavana sy amin’ny fomba mandaitra indrindra? Raha teo amin’ny toerany aho, ahoana no ho tiako hiresahana amiko?’ — Lioka 6:31; Kolosiana 4:6.
Ny torohevitry ny Fariseo
17, 18. Manomeza antony nahatonga ho very maina foana ny torohevitr’ireo Fariseo.
17 Rehefa avy nijery ny ohatra tsara omen’i Paoly antsika isika, dia andeha hijery ny ohatra ratsy nomen’ireo filoha ara-pivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Ireo dia nanome torohevitra be dia be tsy nandraisan’ny Isiraelita soa akory mandrakariva. Nahoana?
18 Noho ny antony maromaro. Tadidinao ve ny andro nanomezan’ireo Fariseo tsiny an’i Jesosy satria ireo mpianany tsy nanasa tanana talohan’ny hisakafoana? Mazava ho azy fa ny ankamaroan’ny reny dia manoro hevitra ireo zanany mba hanasa tanana alohan’ny hihinanan-kanina, ary fotopoto-pitsipika ara-pitandremam-pahasalamana mendrika hoderaina tokoa izany. Tsy niahy firy ny amin’ny fitandremam-pahasalamana anefa ireo Fariseo. Ho azy ireny, dia lovantsofina ny fanasana tanana, ary nahasosotra azy ny tsy nitandreman’ireo mpianatr’i Jesosy izany. Tetsy andaniny koa, araka ny nasehon’i Jesosy tamin’izy ireo, dia nisy raharaha lehibe lavitra teo amin’ny Isiraely tokony hitana ny sain’izy ireny. Ohatra, ny sasany dia nampiasa ny lovantsofin’ny Fariseo mba tsy hanarahana ny didy fahadimy manao hoe: “Manajà ny rainao sy ny reninao.” (Eksodosy 20:12; Matio 15:1-11). Mampalahelo fa variana aoka izany tamin’ny andinidininy ny mpanora-dalàna sy Fariseo, hany ka tsy niraharaha “izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana [fahatokiana, MN ]”. — Matio 23:23.
19. Inona no tokony hataon’ny kristiana amin’izao andro izao mba tsy hahalatsaka ao anatin’ny fandriky ny fijerena loatra ny zava-madinika?
19 Ireo izay manome torohevitra amin’izao andro izao dia tokony hiahy amim-pitandremana mba tsy hanao fahadisoana toy izany. Tsy tokony hanararaotra izany izy ireo mba hiresahana maharitra ny amin’ireo fahadisoana na kileman-toetra kelin’ireo rahalahiny ka hanadino “izay lehibe”. Amin’ny raharaha momba ny zava-madinika, dia amporisihina isika hanohy ‘hifandefitra’ ao amin’ny fitiavana (Kolosiana 3:12, 13). Anisan’ny “toetra ara-panahy takina” ny fahaiza-manavaka ny toe-javatra tsy tokony hiheverana ho raharaha lehibe ny zavatra tsy dia manao ahoana amin’ireo tena ilàna torohevitra. — Galatiana 6:1, MN.
20. Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny fanomezana ohatra rehefa hoe hanome torohevitra?
20 Ny antony hafa iray koa nanomezan’ireny filoha ara-pivavahana tamin’ny taonjato voalohany ireny torohevitra tsy nandaitra dia noho ny filamatra toa narahiny manao hoe: “Ataovy izay lazaiko, fa aza atao izay ataoko.” Izao no nambaran’i Jesosy tamin’izy ireny: “Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina hianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory hianareo, na dia amin’ny rantsan-tànanareo iray aza.” (Lioka 11:46). Tsy fahampiam-pitiavana re izany! Amin’izao andro izao, ireo ray aman-dreny, ireo loholona sy izay rehetra manome torohevitra dia tokony hahazo antoka fa manao tokoa izay asainy ataon’ny hafa izy. Ahoana no azontsika ampaherezana ireo namantsika mba harisika amin’ny fitoriana raha tsy manome ohatra amin’io lafiny io ny tenantsika? Na ahoana no mety hampitandremantsika azy ireny ny amin’ny loza entin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo raha manapaka eo amin’ny fiainantsika ny zavatra ara-nofo? — Romana 2:21, 22; Hebreo 13:7.
21. a) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa nandevilevy ny vahoaka ireo Fariseo? b) Amin’ny ahoana moa ireo fomba nampiasain’ny Fariseo no tokony ho fampitandremana ho an’ireo kristiana izay manome torohevitra?
21 Ny antony hafa iray koa tsy nampisy vokany ny torohevitr’ireo filoha ara-pivavahana, dia noho izy ireny nanao fampitahorana. Indray andro izy ireny dia naniraka olona hisambotra an’i Jesosy. Rehefa niverina tsy nitondra azy ireny olona taitra aoka izany noho ny fomba fampianaran’i Jesosy ireny, dia nanome tsiny azy ireo ny Fariseo. Hoy izy ireny: “Hianareo koa va voafitaka? Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.” (Jaona 7:45-49). Moa ve izany fomba tsara fananarana: amin’ny fampahatsiahivana ny fahefan’izy ireo sy amin’ny fanevatevana ny vahoaka? Enga anie ireo izay manome torohevitra ao anatin’ny kongregasiona tsy ho tonga meloka mihitsy ho nanao zavatra toy izany! Tsy tokony handevilevy velively an’ireo namany izy ireny na hahatonga hihevitra fa mieritreritra izy ireny hoe: ‘Tsy maintsy mihaino ahy ianao satria loholona aho!’ Na rehefa miteny amin’ny anabavy iray dia milaza hoe: ‘Tsy maintsy mihaino ahy ianao satria anadahy no miteny aminao.’
22. a) Nahoana ary amin’ny fomba ahoana moa no tokony hanomezan’ny kristiana torohevitra? b) Fanontaniana hafa inona moa no ilaina hodinihina?
22 Eny, mari-pitiavana ny fanomezana torohevitra, ary ny tsirairay avy amintsika — indrindra fa ireo loholona — dia tokony haneho izany fitiavana izany hatrany hatrany amin’ireo namantsika kristiana. Tsy mety ny hanomezana torohevitra noho ny antony na inona na inona. Rehefa ilaina anefa izany, dia tokony hatao amin-kerim-po. Ny torohevitra iray dia tokony hifototra foana amin’ny Soratra Masina sy hatao amim-pahalemem-panahy. Afa-tsy izany koa, dia mora lavitra amintsika ny manaiky torohevitra iray avy amin’olona tia antsika. Indraindray anefa dia mety ho sarotra ny mahafantatra izay tokony holazaintsika rehefa tokony hanome torohevitra isika. Koa ahoana no azontsika anaovana izany amin’ny fomba mandaitra? Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Hazavao ireto hevitra ireto
◻ Iza moa amin’ireo kristiana no manana tombontsoa sy andraikitra hanome torohevitra?
◻ Nahoana moa indraindray no ilaina ny herim-po mba hanomezana torohevitra?
◻ Nahoana moa ny fitiavan’i Paoly ireo kristiana tany Korinto no nahatonga azy ireo ho afaka hanaiky mora kokoa ireo toroheviny?
◻ Nahoana moa ny kristiana iray manome torohevitra no tokony ho sady halemy fanahy no hanetry tena?
◻ Ahoana moa no azon’ny kristiana iray analavirana ny fisehoana ho lozabe rehefa manome torohevitra izy?
[Sary, pejy 13]
Namporisika an’i Titosy i Paoly mba hampahatsiahy an’ireo namany “ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”.