Ny Jobilin’i Jehovah: fotoam-pifaliana ho antsika izany
“Ary hamasino ny taona fahadimampolo, ka miantsoa fanafahana [ambarao ny fahafahana, MN ] amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy. Jobily ho anareo izany (...) ho masina ho anareo. (...) dia handry fahizay amin’ny tany hianareo.” — LEVITIKOSY 25:10-12, 18.
1. Inona no soratra hita eo amin’ny Lakolosin’ny fahafahana, ary nalaina avy aiza izany?
NA AIZA na aiza iainanao, dia mety ho efa renao ny firesahana ny Lakolosin’ny fahafahana malaza, izay hita any Etazonia any Filadelfia. Mampahatsiaro ny World Book Encyclopedia fa izy io dia “naneno ny 8 jolay 1776, toy izany koa ny lakolosy hafa, mba hilaza ny fanekena ny Fanambarana ny fahafahana. Ny soratra azo vakina eo, ‘ambarao ny fahafahana amin’ny tany manontolo ho an’ny mponina rehetra ao aminy’, dia notsoahina avy ao amin’ny Baiboly (Levitikosy 25:10)”.
2. Manao ahoana ny fihetseham-ponao rehefa mieritreritra ny hoe hafahana, nefa inona ireo zavatra mety hisakana izany?
2 Tsy isalasalana fa mampihatra fanintonana be foana ankehitriny ny fahafahana. Iza tokoa moa no tsy ho faly raha vao mihevitra fotsiny hoe hahita ny tena fahafahana sady ho afaka amin’ny fiheveran-diso, ny fanapahana na ny fanerena ara-politika, na koa ny fihaosana noho ny taona sy ny aretina mitarika ho amin’ny fahafatesana? Araka izany, dia manana antony tsara tokony hifaliana ianao, ary hanam-be amin’izany aoriana kely. ‘Ahoana no hetezan’izany?’ hoy ianao. Eny tokoa, fa tsy misy fitondram-panjakana na dia iray aza izao nitondra fahafahana feno, ary tsy nisy mihitsy mpikaroka na mpitsabo afaka nanafoana ny fahantrana, ny aretina sy ny fahafatesana. Nefa, aoka haverintsika indray, afaka hanana anjara amin’ny fifaliana atolotry ny fahafahana marina ianao. Ary mba hahatakarana io raharaha io, dia zava-dehibe ny handinihana ny teny manodidina azy, izay hisy heriny aminao ankehitriny sy amin’ny ho avy.
3. Inona no atao hoe Jobily, ary inona no mitranga nandritra izany taona izany?
3 Ny andalana notononina eo am-piandohan’ny lahatsoratra dia nampiasa ny teny hoe “Jobily”. Vanim-potoana sabata naharitra herintaona ny Jobily ho an’ny tanin’ny Isiraely. Aorian’ny sabata taona fito amin’ny fambolena nifampitohy, nisy 49 taona izy io. Ny taona faha-50, ny Jobily, no niafaran’izany fitohitohizan-tsabata izany ho an’ny tany nomen’i Jehovah ny vahoakany, araka ny fampanantenana nomena an’i Abrahama razamben’ny Isiraely, “sakaizan’i Jehovah”. (Jakoba 2:23, MN; Isaia 41:8.) Tamin’ny Jobily, dia nambara nanerana ny tany manontolo ny fahafahana. Nidika fanafahana ho an’ny Isiraelita rehetra nivaro-tena ho andevo mba hanefana ny trosany izany. Toetra nampiavaka ny Jobily koa ny famerenana ny tany lova rehetra azo antoka fa namidy noho ny fahafonganam-pananana. — Levitikosy 25:1-54.
4. Tamin’ny fotoana toy inona no nambara ny Jobily, ary tamin’ny fomba ahoana?
4 Voazavan’izany fitrangan-javatra izany, dia azonao ny hoe nahoana ny taona Jobily no fetin’ny fanafahana. Nambara tamin’ny feon’anjomara izany, tamin’ny Andro Fanavotanaa; Nanoratra toy izao i Mosesy ao amin’ny Levitikosy 25:9, 10: “Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ny andro fahafolo, amin’ny volana fahafito; dia amin’ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ny taninareo. Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana [ambarao ny fahafahana, MN ] amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy. Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ny taninareo avy hianareo, sy any amin’ny mpianakavinareo avy.” Tamin’ny 1473 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nampitain’i Josoa an’i Jordana ny Isiraelita, hiditra ao amin’ny Tany nampanantenaina, izay hitandremany ny Jobily.
Nambara ny fanafahana voalohany
5. Endriny inona amin’ny fanafahana sy ny Jobily moa no hodinihintsika?
5 Toa tantara tranainy fotsiny izay vao avy nambarantsika ka tsy manana fifandraisana afa-tsy kely dia kely amin’ny fiainantsika, indrindra moa fa raha tsy taranaka jiosy isika. Kanefa Jesosy Kristy dia nanome antony mafy hanantenana Jobily lehibe kokoa, ary izany no manome antsika fahafahana hifaly amin’ny fieritreretana izany fanafahana izany. Mba hahatongavana amin’izany fanatsoahan-kevitra izany, dia ilaintsika ny mandinika ny fomba roa nanoloran’i Jesosy ny fahafahana tamin’ny taon-jato I; avy eo dia ho hitantsika fa izany dia mifanitsy, amin’izao androntsika izao, amin’ny fanafahana roa koa, nefa amin’ny ambaratonga lehibe kokoa sy miaraka amin’ny antony hifaliantsika lehibe kokoa.
6, 7. a) Fitrangan-javatra mahatalanjona inona no lazalazaina ao amin’ny Isaia 61:1-7? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tanteraka ny faminanian’Isaia?
6 Na dia tsy miresaka mivantana ny taona Jobily fahiny aza, ny faminanian’Isaia 61:1-7 dia ahitana sarin’ny fanafahana ho avy: “Ny fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra. Efa naniraka ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo, sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava; hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitra; hampionona ny malahelo rehetra. (...) Fifaliana mandrakizay no ho azy.” Nefa rahoviana ary ahoana no tokony hahatanterahan’io faminaniana io?
7 Taorian’ny Paska tamin’ny taona 30, no nidiran’i Jesosy Kristy tao amin’ny Synagoga indray sabata. Nanomboka namaky tapany tamin’ilay faminanian’Isaia izy ary nampihatra izany tamin’ny tenany. Mitantara amintsika toy izao ny Lioka 4:16-21: “Ary nony namelatra ny boky Izy dia nahita ny teny voasoratra hoe: ‘Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy, naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah.’ (...) Ary Jesosy niteny taminy hoe: ‘Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.’ ”
8. a) Fanafahana mialoha inona no neken’i Kristy? b) Ahoana no anazavana izany ao amin’ny Jaona 9:1-34?
8 Nanome fahafahana ara-panahy ho an’ny Jiosy nanaiky azy ny vaovao tsara nambaran’i Jesosy. Koa satria nihiratra ny masony tamin’izay tena heviny sy notakin’ny fanompoam-pivavahana marina, dia nafahana tamin’ny hevi-diso maro be izy ireo (Matio 5:21-48). Sarobidy kokoa noho ny fanasitranana nataon’i Jesosy io fanafahana io. Noho izany antony izany, na dia nampahiratin’i Jesosy aza ny mason’ny jamba iray hatry ny fony vao teraka, io lehilahy io dia nandray soa maharitra kokoa satria nanaiky an’i Jesosy ho mpaminanin’Andriamanitra izy. Ny fanafahana vao azony dia nifanohitra tamin’ny toe-piainan’ireo filoha ara-pivavahana andevon’ny lovantsofina sy ny finoan-dison’izy ireo. (Jaona 9:1-34; Deoteronomia 18:18; Matio 15:1-20). Vao fiandohan’ny fanafahana na sava lalana fotsiny anefa izany. Na dia tamin’ny taonjato I aza, Jesosy dia tokony hanome ny endri-panafahana hafa iray azo ampitahaina amin’izay nitranga tamin’ny fotoan’ny Jobilin’ny Isiraely fahiny. Nefa inona no mamela antsika hanamarina izany?
9. Inona no endri-panandevozana nitoetra, na dia ho an’ireo nafahana ara-panahy aza?
9 Nilazan’i Jesosy toy izao ilay lehilahy nositraniny tamin’ny fahajambana: “Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.” Avy eo izy dia nilaza tamin’ny Fariseo hoe: “Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka. Nefa hoy hianareo ankehitriny: ‘Mahiratra izahay.’ Dia tsy afaka ny helokareo.” (Jaona 9:35-41). Eny tokoa, fa ny ota mitarika ho amin’ny fahafatesana dia mbola hahaforona foana, araka ny mbola maha-izany azy ankehitriny, vato misakana lehibe (Romana 5:12). Mbola nitoetra ho olombelona tsy tanteraka ny Jiosy, anisan’izany ny apostoly, izay nandray soa tamin’ny fanafahana voalohany, ny fanafahana ara-panahy nomen’i Jesosy. Mbola andevon’ny ota sy ny fahafatesana manaraka izany foana izy ireo. Azon’i Jesosy novana ve izany toe-javatra izany? Hanao izany ve izy? Ary raha eny, rahoviana?
10. Fanafahana hafa inona no nampanantenain’i Jesosy fa homena?
10 Taloha kely foana, no nanambaran’i Jesosy hoe: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa, ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Namaly toy izao ireo jiosy nihaino azy: “Taranak’i Abrahama izahay fa tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: ho afaka hianareo?” Ary Jesosy namaly azy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota. Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.” (Jaona 8:31-36). Noho izany, ny maha-taranak’i Abrahama ara-nofo ny Jiosy dia tsy nanafaka azy tamin’ny fanandevozan’ny ota. Nanao io fanambarana ara-tantara momba ny fanafahana io Jesosy mba hanintonana ny saina ho amin’ilay tonga sady ho lehibe noho izay niainan’ny Isiraelita nandritra ny Jobiliny.
Fiandohan’ny Jobily kristiana
11. Nahoana no mifamatotra amin’ny taona 33 ny fahalianantsika ny amin’ny Jobily kristiana?
11 Tsy takatr’ireo Jiosy fa ny Jobily nambaran’ny faneken’ny lalàn’i Mosesy mialoha dia endriky ny Jobily iray mbola lehibe kokoa (Kolosiana 2:17; Efesiana 2:14, 15). Mifandray amin’ny “fahamarinana” izay manafaka ny olombelona, fahamarinana mifandray amin’ny Zanaka, Jesosy Kristy, io Jobily ho an’ny kristiana io (Jaona 1:17). Oviana no nanomboka nankalazaina io Jobily lehibe io, izay manafaka na dia amin’ny ota sy ny vokany aza? Tamin’ny lohataonan’ny taona 33 izany, ny andro Pentekosta, izany hoe folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra mba hanolotra amin’i Jehovah Andriamanitra ny vidin’ny sorony. — Hebreo 9:24-28.
12, 13. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, fisehoan-javatra miavaka inona no nitranga tamin’ny fiainan’ireo mpianany?
12 Talohan’i Jesosy, dia tsy nisy mihitsy zavaboary olombelona natsangana tamin’ny maty hiaina mandrakizay. (Romana 6:9-11). Ny olona rehetra kosa aza dia nodimandry tao amin’ny fahafatesana ary mbola hatory ihany mandra-pahatongan’ny fotoana voatendry hananganana amin’ny maty ny fianakavian’olombelona. Tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty natao noho ny herin’Andriamanitra, Jesosy Kristy dia tonga izay antsoin’ny Soratra masina hoe “santatr’izay efa nodimandry”. — I Korintiana 15:20.
13 Dimampolo andro taorian’ny fitsanganany, dia nanjary niharihary fa niakatra ho any an-danitra Jesosy, niseho tamin’i Jehovah niaraka tamin’ny vidin’ny sorona olombelona tanteraka nataony izy ka nampiasainy ho tombontsoan’ny olombelona izany. Nomena tamin’ny andro Pentekosta taona 33 ny porofon’izany. Mpianatra tokony ho 120 no tafavory tany Jerosalema, nifanaraka tamin’ny toromarik’i Jesosy. Tamin’izay no nandatsahan’i Kristy ny fanahy masina tamin’ireo mpianatra ireo ka nahatanteraka tamin’izany ny faminanian’i Joela 3:1, 2 [2:28-29, MN.] Toy ny lela maro mitarehin’afo nipetraka teo ambony lohan’izy ireo izany, ka dia niteny tamin’fiteny maro tsy fantany izy ireo (Asan’ny apostoly 2:16-21, 33). Izany no tena porofo fa niakatra any an-danitra Jesosy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, ka niseho tamin’i Jehovah niaraka tamin’ny vidin’ny sorony izay nampiasainy ho tombontsoan’ny olombelona.
14. a) Inona no toeran’ireo mpianatr’i Kristy nanoloana ireo fanekena? b) Soa miavaka inona no nentin’ny fanekena vaovao?
14 Inona no vokatra nentin’izany fitrangan-javatra izany tamin’ireo mpianatra? Voalohany indrindra, nafahana izy ireo tamin’ny faneken’ny lalàn’i Mosesy nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely araka ny nofo izay vao nambarany fa foana tamin’ny fanomboana azy tamin’ny hazo fijalian’i Jesosy (Kolosiana 2:13-14. Galatiana 3:13). Izany fanekena izany dia nosoloana fanekena vaovao, nifanaovana tsy tamin’ny firenen’Isiraely araka ny nofo, fa tamin’ny “firenena” vaovaon’ny Isiraely ara-panahy (Hebreo 8:6-13; Galatiana 6:16). Lehibe kokoa noho i Mosesy ny Mpanalalana amin’izany fanekena vaovao izany, voambara ao amin’ny Jeremia 31:31-34. Manao tsara isika raha manao fitandremana manokana amin’ny iray amin’ireo endriky ny fanekena vaovao, ho fanehoam-piheverana ny fanafahana asehony. Izany no nataon’ny apostoly Paoly raha nilaza toy izao izy: “Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany.” (...) ‘Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony.’ Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.” — Hebreo 10:16-18.
15. Nahoana no azo atao ny milaza fa, ho an’ny mpikambana voahosotra, ny Jobily kristiana dia nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 (Romana 6:6, 16-18)?
15 Niresaka tsara ny fanafahana amin’ny ota Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.” (Jaona 8:36). Eritrereto kely ange, azo atao ny ho afaka amin’ny ota noho ny soron’i Kristy! Nanomboka tamin’ny Pentekosta, Andriamanitra dia nanambara fa marina ireo izay naneho ny finoany ary nanangana azy ireo ho zanaka ara-panahy, ka nanome azy ireo fanantenana hiara-hanjaka amin’i Kristy any an-danitra. Izao no fanazavana omen’i Paoly antsika: “Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana (...). Ary raha zanaka, dia mpandova: eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa.” (Romana 8:15-17). Tsy misy iadian-kevitra mihitsy fa nanomboka ho an’ny kristiana voahosotra ny Jobily kristiana.
16. Fitahiana sy fahatsinjovan-javatra hafa inona no nomena ho an’ireo nankalaza ny Jobily kristiana?
16 Noho izany tamin’io andro Pentekosta tamin’ny taona 33 io, dia nanomboka nisy ny firenena vaovaon’ny Isiraely ara-panahy. Voaforon’ny olombelona nahazo famelan-keloka noho ny ra nalatsak’i Kristy izy io (Romana 5:1, 2; Efesiana 1:7). Iza no afaka handa fa fanafahana mahatalanjona ho an’ireo mpikambana voalohana amin’ny Isiraely ara-panahy nampidirina tao amin’ny fanekena vaovao ny hahazo famelana ny helony? Nataon’Andriamanitra “taranaka voafidy izy ireo, fanjaka-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany mba [hilazany] ny hatsaran’ilay niantso [azy] hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” (I Petera 2:9.) Marina fa ny tenan’izy ireo ara-nofo dia mbola tsy tanteraka foana, ary ho faty izy rehefa tonga ny fotoana. Kanefa, satria efa nambaran’Andriamanitra fa marina izy izao sy natsangany ho zanany ara-panahy, ny fahafatesan’ny nofony dia ho “fanafahana” amin’ny heviny hoe hanome azy ireo fahafahana hatsangana ho ao amin’ny ‘fanjakan’i Kristy any an-danitra’ izany. — II Timoty 4:6, 18, Osty.
17, 18. Nahoana ny fanafahana atolotry ny Jobily kristiana no sarobidy kokoa noho ny fanafahana sava lalana notorin’i Jesosy?
17 Ny dingana voalohany na sava lalana natao hanafahana ny Jiosy naneho finoana tamin’ny fiheverana sy fanao diso dia marina fa nampiseho soa lehibe, nefa hitantsika fa mbola nanao bebe kokoa noho ny fanomezana azy izany fahafahana ara-panahy izany Jesosy. Nanomboka tamin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33, no nanafahany izay nino azy tamin’ny “lalàn’ny ota sy ny fahafatesana” (Romana 8:1, 2.) Tamin’izany no nanombohan’ny Jobily kristiana ho an’ny kristiana voahosotra. Izany ka fanafahana tena sarobidy, satria midika fahatsinjovana ny hiaina any an-danitra amin’ny maha-mpiray lova amin’i Kristy ho azy ireo.
18 Nandinika ny endriny roa tamin’ny fanafahana kristiana tamin’ny taonjato I isika hatramin’izao izay nananan’ny mpino antony marina tokoa hifaliana, ary azo atao ny milaza fa nifaly tokoa izy ireo (Asan’ny apostoly 13:44-52; 16:34; I Korintiana 13:6; Filipiana 4:4). Voamarina manokana indrindra izany noho ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny Jobily kristiana izay hamela azy ireo handray tombontsoa mandrakizay any an-danitra. — I Petera 1:3-6; 4:13, 14.
19. Inona no fanontaniana mipetraka ny amin’ireo kristiana tsy voahosotry ny fanahy, ary inona no manondro fa hanana anjara amin’ny fanafahana nampanantenain’Andriamanitra izy ireo?
19 Kanefa, amin’ny ahoana moa izany no mahakasika ny ankamaroan’ny kristiana marina amin’izao andro izao, noho izy tsy nambara fa marina ho amin’ny fiainana na voahosotry ny fanahy masina? Omen’ny Soratra masina antsika ny antony hanantenana ho azy ireo fanafahana mivelatra ao amin’ny faritry ny Jobily kristiana. Aoka hotsaroantsika izay nambara ao amin’ny Asan’ny apostoly 3:20, 21: “Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ny voalohany indrindra.” (Jereo Asan’ny apostoly 17:31). Torak’izany koa, Jaona, apostoly voahosotra izay efa nampandraisin’ny Jobily kristiana soa sahady, dia nanambara toy izao ny amin’i Jesosy Kristy: “Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” (I Jaona 2:2). Milaza ve izany fa amin’izao fotoana izao ireo kristiana mahatoky maro be tsy manana fanantenana ny ho any an-danitra dia afaka mifaly amin’ny fanafahana kristiana? Ho an’ny ho avy fotsiny ve ireo fitahiana sa manana antony hifaliana sahady isika? Hahita valin’ireo fanontaniana ireo isika amin’ny fandinihana ireo endriny samy hafa amin’ny fanafahana kristiana sy ny Jobily izay manana heviny manokana ho an’ireo mpivavaka marina amin’izao andro izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny 10 tisry isan-taona no Andro Fanavotana; io volana amin’ny fanisanandro hebreo io dia mifanitsy ankehitriny amin’ny vanim-potoana septambra-oktobra.
Ahoana no hevitrao?
◻ Soa inona no nentin’ny Jobily tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny?
◻ Amin’ny heviny ahoana no nitorian’i Jesosy ny fanafahana voalohany, ary ahoana ny amin’izy io?
◻ Oviana no nanomboka ny Jobily kristiana, ary ahoana no azo anamafisana izany?
◻ Antony inona no ananantsika fanantenana fanafahana kristiana an-tapitrisany maro tsy voahosotry ny fanahy?
[Teny notsongaina, pejy 18]
“Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Ohabolana 4:18). Mifandrindra amin’io fotopoto-pitsipika io, ity lahatsoratra ity sy ny manaraka dia maneho fanazavana nohavaozina sy mivelatra kokoa momba ny Jobily.
[Sary, pejy 20]
Jesosy mitory fanafahana tamin’ny taona 30 amin’ny fanisan-taona iraisana.
[Sary, pejy 23]
Nanomboka tamin’ny taona 33 ny Jobily kristiana