Hevitra araka ny Baiboly mahaliana Salamo 107 ka hatramin’ny 150
Andriamanitra sambatra, vahoaka sambatra!
Ny fahasambarana dia zava-kendrena tsy tratran’ny ankamaroan’olona na oviana na oviana. Mahita fahasambarana anefa ny olona sasany. Ny tsiambaratelon’izy ireny? Ny fanompoam-pivavahana marina. Manome toky antsika ny Salamo fa Andriamanitra sambatra Jehovah ka noho izany dia afaka ny ho sambatra isika raha manolotra fanompoam-pivavahana ho azy. Mba hampiaikena antsika ny amin’izany, dia hodinihintsika ny boky fahadimy amin’ny Salamo izay mirakitra ny Salamo 107 ka hatramin’ny 150.
Jehovah: Ilay manafaka
Mba vakio ny Salamo 107 ka hatramin’ny 119. Nivavaka tamin’i Jehovah ny Jiosy mba hanafaka azy ireny amin’ny fahababoana babyloniana, ary nihaino ny vavaka nataon’izy ireo izy. Koa mankalaza ny fiverenany amin-kira ny “navotan’i Jehovah” (Salamo 107). Talohan’izay Davida dia nafahana tamin’ireo fahavalony; ‘nihira ho an’Andriamanitra’ àry izy ary nanambara ny Hatsaram-pony sy ny Fitiavany (Salamo 108, 109). Noho ny hery avy amin’i Jehovah, ny Tompon’i Davida, izany hoe Jesosy Kristy, dia tokony hampanaiky ireo fahavalon’Andriamanitra (Salamo 110). Tsy vitan’ny hoe manafaka ny olony Jehovah, fa mitahy ny olona mahitsy izay matahotra azy koa izy (Salamo 111, 112). Taorian’ny nanafahana azy ireo tany Babylona, ny Jiosy dia nihira ireo salamo izay mahaforona ny Hallel, fitambaran-kira fiderana, tamin’ireo andro firavoravoana lehibe fanao isan-taona (Salamo 113 ka hatramin’ny 118). Ny Salamo 119 no lava indrindra amin’izy rehetra, ary 174 amin’ireo andininy 176 raketiny no miresaka ny teny na ny lalàn’Andriamanitra.
◆ 107:27 — Tamin’ny ahoana moa no “very ny sainy rehetra”?
Toy ny rehefa misy tantsambo azon’ny tafiodrivotra mafy, dia niseho ho zava-poana ny fahendren’ny Jiosy nandritra ny fahababoany tany Babylona; tsy nisy mihitsy fomba avy amin’ny olombelona afaka nitondra fanafahana ho azy ireo. Rehefa nitodika tany amin’i Jehovah tao anatin’ny tafiodrivotra ara-panoharana anefa izy ireo, dia nafahana. Nampitony ny fotopoto-javatra ny Andriamanitr’izy ireo ary nitarika azy ireny ho amin’ny fialofana, ho amin’ny “fitodiana”, izany hoe ho any amin’ny tanin’ny Joda. — Salamo 107:30.
◆ 110:3 — Inona no dikan’ny hoe manana “zatovo tahaka ny ando ateraky ny maraina’?
Mifamatotra amin’ny hoe ando ateraky ny maraina ny hevitra ny amin’ny fitahiana, ny fahavokarana sy ny fahabetsahana (Genesisy 27:28). Afa-tsy izany koa, ny andon’ny maraina dia malefaka, mangatsiatsiaka, mamelombelona sy maro. Amin’ny fotoana ampisehoan’ilay Mpanjaka mesianika ny heriny ara-tafika, ireo vahoakany dia manolo-tena avy hatrany, amim-pifaliana sy maro aoka izany ka azo ampitahaina amin’ny andon’ny maraina. Amin’izao andro izao, ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, dia misy zazalahy sy zazavavy maro, toy ny andon’ny maraina mamelombelona, manompo an’i Jehovah sy ireo namany ao amin’ny finoana.
◆ 116:3 — Inona moa no atao hoe “famatoran’ny fahafatesana”?
Toa tsy afa-nandositra ny fahafatesana ilay mpanao salamo, toy ny hoe namatotra azy mafy tamin’ny tady tsy nisy nahatapaka azy mihitsy izany. Ny tady amatorana mafy dia mafy ny rantsam-batana dia miteraka fanaintainana mafy, na “horohoro”, ka ny fandikan-teny grikan’ny Septante dia mandika amin’ny hoe “horohoro” ny teny grika nadika eto hoe ‘famatorana’. Koa rehefa maty Jesosy Kristy, dia vaotanan’ny fatorana tsy ahafahana mihetsika izy, na horohoro, ny fahafatesana. Noho izany, rehefa nanangana azy tamin’ny maty Jehovah, dia ‘namaha ny horohoron’ny fahafatesana’ izy. — Asan’ny apostoly 2:24, MN.
◆ 119:83 — Amin’ny heviny ahoana moa ny mpanao salamo no tonga “toy ny siny hoditra”?
Tamin’ny fiandrasana ny hampiononan’i Jehovah azy, ilay mpanao salamo dia tonga toy ny siny hoditra nahantona rehefa tsy nampiasaina. Noho ny setroka niely tao amin’ny lay iray na ny trano iray tsy nisy lafaoro, izany karazan-tsiny hoditra izany dia nihanti-bolo tsikelikely, nihamaina sy nihamafy. Ary azo lazaina hoe toy izany no nitranga tamin’ilay mpanao salamo teo an-tanan’ireo mpanenjika azy (andininy faha-84). Azo inoana fa ny fahoriany dia hita teo amin’ny endriny voamariky ny tahotra sy ny ketrona, ary nety ho nijaly aoka izany ny vatany manontolo ka toy ny hoe maina (jereo Salamo 32:4). Araka izany, dia mety ho nahatsiaro tena ho tsy nilaina izy tahaka ny siny hoditra mihamafy izay ailika satria tsy azo asiana ranon-javatra intsony. Na dia izany aza, dia tsy ‘nohadinoiny ny didin’Andriamanitra’.
◆ 119:119 — Amin’ny heviny ahoana moa no azo atao ny milaza fa mampanjavona ny ratsy fanahy tahaka ny “tain-drendrika” Andriamanitra?
Ny tain-drendrika hita eo amin’ny metaly mitsonika na ao amin’ny lafaoro fanempoana dia faikan-javatra; izany dia tsy misy vidiny, zavatra maloto tokony hariana. Amin’izany no anadiovana ny metaly toy ny volamena na ny volafotsy amin’ny fampisarahana azy amin’ny “tain-drendrika”. Amin’izany fomba izany koa, Jehovah dia mihevitra fa ny ratsy fanahy dia mendrika ny hariana any amin’ny fanarian-doto ary foanany izy ireny amin’ny fanavahana azy amin’ireo izay sarobidy eo imasony sy manana ny fankasitrahany. — Jereo Ezekiela 22:17-22.
Fianarana ho antsika: Sahala amin’ireo Jiosy tamin’ny andro taloha, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia miandry ny fanafahana izay ho avy toy ny tafiodrivotra, amin’ny Hara-Magedona (Apokalypsy 16:14, 16). Amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, dia hofoanana amin’ny alalan’io ady lehibe io ny fandehan-javatra ankehitriny. Ireo izay tsy mametraka ny fanantenany famonjena amin’i Jehovah dia tena tsy hanana na inona na inona mihitsy rehefa hoentin’ny onjan’io fandringanana lehibe io izy ireo. Ireo ho tafita velona kosa dia “hidera an’i Jehovah noho ny famindrampony [hatsaram-pony, MN ]”. Noho izany, ao anatin’ny andro farany iainantsika, ireo mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy mbamin’ny “olona betsaka” dia afaka mitoky tanteraka amin’i Jehovah. — Salamo 107:31; Apokalypsy 7:9.
Ireo ‘fihirana fiakarana’
Vakio ny Salamo 120 ka hatramin’ny 134. Ireo salamo dimy ambin’ny folo ireo dia antsoina hoe hira “fiakarana”. Tsy mifanara-kevitra ireo mpandinika Baiboly ny amin’ny tena hevitry ny teny hoe “fiakarana”. Nohirain’ny Isiraelita angamba anefa ireo salamo ireo rehefa niakatra ho any Jerosalema, tanàna avo, izy ireo tamin’ireo andro firavoravoana telo fanaony isan-taona. — Salamo 122:1.
◆ 120:4 — Inona moa ireo “zana-tsipika voaranitra” sy ireo “vain’afon’anjavidy”?
Ny lela manendrikendrika dia mety hiteraka fandravana toy ny fiadiana na ny afo (Ohabolana 12:18; Jakoba 3:6). Ataon’i Jehovah izay hahatonga ny lela manendrikendrika hahita sazy, hampanginina toy ny amin’ny zana-tsipikan’ny mpiady iray. Voamarika fa ny arina azo avy amin’ny zavamaniry toy ny kifafambohitra (anjavidy) dia mamoaka hafanana be rehefa mirehitra, ka izany dia mahatonga hieritreritra ny hamafin’ny fitsaran’Andriamanitra “ny lela mamitaka”. — Salamo 120:2, 3.
◆ 131:2 — Ahoana no ahatongavan’ny fanahy ho toy ny “zaza efa maoty”?
Alohan’ny hisarahany nono, ny zazakely iray dia maniry mafy ny hampitonen-dreniny ny hanoanany. Eo an-trotroan-dreniny koa ny zaza iray efa maoty na efa nisara-nono no mahita fahafahampo, tsy fananana ahiahy sy fiononana. Vonona ny hiaina ao anatin’ny fanetren-tena (andininy 1) ilay mpanao salamo ka nahatsiaro ho ‘nampiononina sy nampanginina’ toy ny zaza sarahi-nono eo an-trotroan-dreniny. Izay mitoky amim-panetren-tena amin’i Jehovah sy manao ny sitrapony dia mahita tsy fananana ahiahy sy mandray fitahiana be dia be.
Fianarana ho antsika: Na dia afaka mamonjy ireo mpanompony amin’ny loza aza Jehovah, dia tsy miaro azy tsy ho tratry ny fahoriana rehetra, satria tena ny fahoriana tokoa no nanosika ireo mpanao salamo hiventy ireo hira ireo. Kanefa, Andriamanitra “tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo”, fa “hasiany làlana hahafahanareo”. (I Korintiana 10:13.) Miaro antsika amin’ny fahavoazana ara-panahy tokoa Jehovah. Mety hitarika ny fisehoan-javatra izy mba hampanalavirana ny loza, na hanatanjaka antsika mba hiaretantsika ny fitsapana. Amin’izany, ny firaisan-tsaina ananantsika amin’ireo fivoriana kristiana atrehintsika dia mahasoa sy mampitony tokoa. — Salamo 133:1-3.
Ilay Andriamanitra mendrika hoderaina
Vakio ny Salamo 135 ka hatramin’ny 145. Mifanohitra amin’ireo sampy izay manimba an’ireo nanamboatra azy amin’ny farany, Jehovah dia Andriamanitra mendrika hoderaina, Ilay manafaka (Salamo 135, 136). Ireo mpanompony dia tsy nanadino ny “hiran’i Ziona” na dia rehefa tany Babylona aza izy ireo (Salamo 137). Izao no nambaran’i Davida: ‘Hisy mpanjaka hidera an’i Jehovah’; ary nentanin-kafaliana izy rehefa nieritreritra hoe natao tamin’ny fomba mahatalanjona ny tenany (Salamo 138, 139). Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hiaro azy ary nidera ny Hatsaram-pony, noho ny fahafantarana fa ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah ihany no mitondra ny tena fahasambarana. — Salamo 140 ka hatramin’ny 145.
◆ 138:2, MN — Ahoana no nampitomboan’Andriamanitra ny teniny ho ambonin’ny anarany?
Rehefa manao fanambarana miorina amin’ny anarany Jehovah, dia antenaintsika ny hahatanterahan’izany amin’ny fomba mahatalanjona. Mihoatra noho ny nantenaintsika foana anefa izany ary mahatonga ilay zavatra hihoatra lavitra noho ny nandrasantsika. Araka izany, dia mampitombo ny ‘teniny’ Andriamanitra amin’ny fanaovana izay tanteraka ho lehibe kokoa noho ny nantenaintsika.
◆ 139:9 — Inona moa no dikan’ny fitenenana hoe “elatry ny maraina”?
Io sary io dia manisy fitenenana ny amin’ny fahazavan’ny maraina miely haingana eny amin’ny lanitra, avy any atsinanana miankandrefana, toy ny hoe manana elatra izany. Na dia ‘naka ny elatry ny maraina’ aza i Davida ka nahatratra ireo faritra lavitra indrindra any andrefana, dia mbola ho eo ambany fiarovana sy fahefan’i Jehovah ihany izy. — Salamo 139:10; Amosa 9:2, 3.
◆ 141:3 — Nahoana moa no tian’i Davida ny ‘hiambenana ny varavaran’ny molony’?
Fantatr’i Davida ny fahavoazana mety hateraky ny molotra sy ny hoe tena mety ho voan’ny fakam-panahy hiteny amim-pahasiahana ny olona tsy tanteraka, indrindra fa rehefa tezitra izy. Mosesy dia lehilahy nanetry tena indrindra teto an-tany; tamin’ny lelany anefa no nanotany tao amin’ny rano Meriba (Nomery 12:3; 20:9-13). Ilaina àry ny hifehezana ny molotry ny tena mba hanalavirana ny fanaovana resaka feno hasomparana sy mba hananana fo tsara hatrany. — Jakoba 3:5-12.
◆ 142:7 — Nahoana moa no nieritreritra i Davida fa tao anaty “tranomaizina” ny fanahiny?
Nahatsiaro ho nanirery teo afovoan’ny fahasahiranany izy, toy ny tao anaty tranomaizina manjombona sy mampidi-doza, tsy nisy nahatakatra ny fiheviny ary tafasaraka tamin’ny olon-kafa rehetra. Rehefa mahatsiaro fihetseham-po toy izany isika ka mieritreritra fa ianjadian’ny famelezana ny ‘ankavanantsika’, dia afaka miantso fanampiana amin’i Jehovah amin-toky isika. — Salamo 142:3-7.
Fianarana ho antsika: Ao amin’ny Salamo 139 i Davida dia nifaly satria Andriamanitra afaka ‘nandinika’ azy sy ‘nahalala’ azy, dia izy sy ireo lalany. Tsy nitady handositra i Davida fa naniry hanaiky amin’ny fomba feno kokoa ny fitarihana sy ny fahefan’i Jehovah. Fantany fa tsy nitsahatra ny nandinika azy Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe misakana tsy hanao ratsy fotsiny izany fa mitondra fampaherezana lehibe dia lehibe koa. Ny hoe ahitan’i Jehovah ny ataontsika, ahafantarany ny fahasahiranantsika ary ahavononany hanampy antsika foana dia miteraka fahatsapana ho tsy manana ahiahy sy fiadanana izay tena ilaina mba hahasambatra antsika.
Derao Jah!
Vakio ny Salamo 146 ka hatramin’ny 150. Ireo salamo ireo dia mandray indray ny foto-kevitra misongadina indrindra ao amin’ny bokin’ny Salamo manontolo: “Derao Jah!” Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia manomboka sy mifarana amin’ireo teny malaza ireo. Mitombo ny firavoravoana hatrao amin’ny Salamo faha-150, izay miantso ny zavatra noforonina rehetra ‘hidera an’i Jah’.
◆ 146:3 — Nahoana no tsy mety ny hametrahana ny fitokisan’ny tena amin’ireo filoha olombelona?
Mety maty ireo filoha olombelona. Tsy afaka mamonjy ny tenan’izy ireo na ireo izay mitoky aminy izy ireo. Araka izany, ny fitokisana an’ireo fitondram-panjakan’olombelona dia ravan’ny mety hitrangan’ny fahafatesana. Kanefa, “sambatra izay (...) manantena an’i Jehovah Andriamaniny”. (Salamo 146:5, 6.) Fantatr’ilay mpanao salamo fa nilainy ny hotarihin’olona ambony noho ny olombelona.
◆ 148:4 — Inona moa ny “rano ambonin’ny lanitra”?
Toa te-hiresaka ny amin’ny rahona feno rano ilay mpanao salamo, dia rano mivoaka ara-potoana amin’ny endriky ny ranonorana, izay miverina any an-dranomasina rehefa mandeha ny fotoana. Tena ilaina amin’ny fiainana izany fihodinkodinan-javatra izany ary ny fisiany mihitsy dia manome voninahitra ny Mpamorona. Koa satria azo antsoina hoe lanitra ny rivotra eo anelanelan’ny tany sy ny rahona, ilay mpanao salamo dia niresaka ny rahona ho ‘rano ambonin’ny lanitra’.
Mamelabelatra fahamarinana faran’izay mazava ny Salamo: Mba tena hahasambatra antsika, dia tokony hitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah isika. Noho izany, ny hany zava-kendren’ireo mpanompon’Andriamanitra, ny antony mampisy azy ireo, dia azo fintinina amin’ny antso farany alefan’ny mpanao salamo, manao hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia [Derao Jah, MN ]!” — Salamo 150:6.