Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve ny olona iray manolotra ny fiainany ho an’i Jehovah afaka miresaka ara-dalàna izany ho toy ny voady?
Ny olombelona izay manjary tia an’ilay Andriamanitra marina sy manapa-kevitra ny hanompo azy amin’ny fisiany rehetra dia tokony hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Na dia tsy mampiasa ny teny hoe “Voady” aza ny Baiboly mba hanondroana ny fanoloran-tena, dia toa tsy azo melohina akory io fampiasana io.
Ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible dia milazalaza ny voady, araka ny Soratra Masina, ho “fampanantenana ampahibemaso ilatsahana hanao zavatra, hanao fanatitra na fanomezana, hanao asa na hifidy toe-piainana iray; fanekena manorina na mandrava izany”. Ao amin’ny Baiboly dia misy ohatra ny amin’ny voady izay mahafaoka fanekena hanatanteraka asa sasany raha manao zavatra amin’ny fomba iray Andriamanitra. Araka izany, dia manambara toy izao ny Nomery 21:2: “Dia nivoady tamin’i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tànanay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.” (Genesisy 28:20-22; Mpitsara 11:30-39). Rehefa manolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra ny kristiana iray, dia tsy manao voady misy fepetra tahaka izany izy. Tsy milaza sahalahala amin’izao ilay olona: ‘Raha mahatonga ahy ho sambatra sy ambinina dieny izao ianao, Jehovah ô, ary raha miantoka ho ahy ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, dia mampanantena aho fa hanompo anao mandritra ny andro hiainako rehetra.”
Ny voady sasany resahin’ny Baiboly dia an-tsitrapo tanteraka. Ny Fandinihana momba ireo teny ao amin’ny Testamenta Taloha (anglisy) nataon’i William Wilson, dia manome ho an’ny teny hebreo hoe nadár izao heviny manaraka izao: “Manolotra, izany hoe mampanantena an-tsitrapo ny hanome na hanao zavatra; manana heviny hoe manokana indrindra izany.” Araka izany àry, dia an-tsitrapo no anaovana voady ho an’Andriamanitra. Azo atao ve anefa ny milaza fa ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy ny batisa mba hahatongavana ho mpianatr’i Kristy dia tsy mahaforona voady satria Andriamanitra izao dia mitaky ny hanoloran’izay rehetra maniry ny fankasitrahany, tena ho azya?
Ny hoe tokony hamenoan’ny olombelona fepetra sasany mba hahatongavana ho sakaizan’i Jehovah dia tsy milaza akory fa tsy manao fanekena manokana mihitsy izy. Izao no nolazain’i Mosesy tamin’ny Isiraely: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao.” (Deoteronomia 30:19, 20; Salamo 15:1-5; jereo Josoa 24:15; I Mpanjaka 19:21). Tadidio ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Matio 11:28, 29). Moa ve ireo andininy ireo milaza fepetra jadona sa fanasana hanao zavatra an-tsitrapo?
Jesosy dia teraka teo anivon’ny firenena iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra; maro tamin’ny lafin’ny fiainany sy ny fahafatesany no voafetra ara-paminaniana; ary Andriamanitra dia nanomana ho azy, tena hatao sorona. Kanefa, ny fanapahan-kevitr’i Kristy an-tsitrapo hiseho eo anatrehan’ny Rainy mba hanatanteraka asa manokana dia miharihary amin’ireto teny ireto: “Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga — ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy — hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô”. (Hebreo 10:5-10). Toy izany koa, ny tsirairay avy dia tokony hanapa-kevitra ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa kristiana.
Afa-tsy izany koa, ny kristiana dia mahatakatra amin’izao andro izao fa ny fampiasana ny teny hoe “voady” dia tsy voafetra ho amin’ny fampiasan’ny Baiboly azy. Hatramin’ny ela be ny Vavolombelon’i Jehovah dia miresaka ny amin’ny “voady amin’ny fanambadiana” rehefa, any amin’ny tany sasany, mankalaza ampahibemaso an’io fanambadiana io ao amin’ny Efitrano Fanjakanany izy ireob. Izany dia mifanaraka amin’ny dikan’ny teny hoe “voady” mahazatra: “Fampanantenana malalaka atao amin’Andriamanitra fa hanatanteraka zavatra.”
Noho izany, dia toa tsy ilaina ny hamerana ny fampiasana an’io teny io. Ny olona iray tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra dia mety hihevitra fa ny fanolorana tsy misy fepetra ny fiainany dia fanaovana voady. ‘Mampanantena ny hanao zavatra’ izy, raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mivoady izy; eo dia ny hampiasa ny fiainany hanompoana an’i Jehovah sy hanatanterahana amim-pahatokiana ny Sitrapony. Tokony hoheverin’io olona io ho zava-dehibe ny fanekena nataony, tahaka ny mpanao salamo, izay nilaza toy izao ny amin’ny voady nataony: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’i Jehovah. Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho.” – Salamo 116:12-14; jereo Salamo 50:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Izany no nasehon’ny La Tour de Garde tamin’ny 15 janoary 1974, pejy faha-63, 64 (BI 13/74 pp. 45-48).
b Amin’ny fampakaram-bady, ireo mpifamofo dia mifampivoady, kanefa manao izany eo anatrehan’ny vavolombelona sy eo imason’Andriamanitra izy ireo.