Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nampitony tafiodrivotra mafy izy
NANANA andro feno tsara i Jesosy, ka nandritra izany, ankoatra ny zavatra hafa, dia nampianatra ny vahoaka teo amoron-drano izy ary, tatỳ aoriana, dia nanazava manokana ireo fanoharany tamin’ny mpianany. Rehefa tonga ny hariva, dia hoy izy: “Andeha isika hita ho eny am-pita.”
Teny ampitan’ny ranomasina Galilia, teo amoron-tsiraka atsinanana, no nitatra ny faritra atao hoe Dekapolisy, anarana voaforon’ny teny grika hoe déka, izay ny dikany dia hoe “folo”, sy polis, “tanàna”. Ireo tanànan’i Dekapolisy dia foiben’ny fanolokoloan-tsaina grika, na dia azo inoana aza fa nonenan’ny Jiosy maro koa. Voafetra aoka izany anefa ny asan’i Jesosy tao amin’ireo faritra ireo. Na dia amin’io fitsidihana io aza, araka ny ho hitantsika amin’ny ho avy, dia hosakanana ny fijanonany maharitra ao.
Rehefa nanipy hevitra tamin’izy ireo i Jesosy mba ho eny ampita, dia nitondra azy tao an-tsambo ireo mpianatra. Tsy niafina anefa ny fiaingan’izy ireo. Mba nandefa ny sambokeliny koa ny olon-kafa hanarahana azy ireo. Tsy lavitra ny lalana haleha satria ny ranomasin’i Galilia, raha ny marina, dia farihy lehibe fotsiny, tokony ho 20 kilaometatra ny lavany ary 12 kilaometatra raha be indrindra ny sakany.
Sasatra i Jesosy, ka tsy misy mahagaga mihitsy amin’izany. Noho izany antony izany, taoriana kelin’ny niondranany, dia nitsotra tao an-tsambo i Jesosy, nanondana ny lohany ary renoky ny torimaso. Maromaro tamin’ireo apostoly no tantsambo za-draharaha, izay matetika tokoa no nanjono tao amin’ny ranomasina Galilia. Niandraikitra ny fitanana ny familiana àry izy ireo.
Tsinjo fa ho ratsy anefa ny dia. Teo ambonin’ny farihy izay tokony ho tany amin’ny 200 metatra ambonin’ny ranomasina, ny rivotra mafana nifanena tamin’ny rivotra mangatsiaka kokoa nidina avy tany an-tendrombohitra teny amin’ny manodidina, dia niteraka fikorontanana indraindray ary nahatonga tafiodrivotra tampoka teo amin’ilay farihy. Izany indrindra no hita tamin’io andro io. Tsy ela ilay sambo dia nianjadian’ny onja izay nanafotra azy, nandrahona ny hampilentika azy. Jesosy anefa mbola natory ihany!
Tamin’ny naha-mpitondra sambo za-draharaha azy, ny mpianatra dia nampiasa ny herin’izy ireo rehetra mba hitarihana ny sambo. Tsy isalasalana mihitsy fa efa nitranga tamin’izy ireo ny hoe namily tao anatin’ny tafiodrivotra. Tamin’io indray mandeha io anefa, dia tsy hitany intsony izay azony natao. Natahotra ny hamoy ny ainy izy ireo ka notairiny tamin’ny torimasony Jesosy. ‘Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao ve izao? hoy ny fihiakan’izy ireo. Rendrika isika! Vonjeo izahay, ho faty an-drano izahay!’
Rehefa nifoha i Jesosy dia niteny mafy ny rivotra sy ny ranomasina hoe: “Mangina! Mitsahara!” Avy hatrany dia nitsahatra tsy nifofofofo intsony ny rivotra nahery ary tony ny ranomasina. Tamin’izay dia niteny tamin’ireo mpianany tamin’izao teny izao i Jesosy: ‘Nahoana no dia saro-tahotra toy izao ianareo? Mbola tsy manam-pinoana ve ianareo?’
Rehefa nandre izany ireo mpianatra dia natahotra tsy mbola nisy toy izany. ‘Iza moa ity lehilahy ity? hoy izy ireo nifanontany. Ny rivotra sy ny rano aza baikoiny ka manaiky azy.’
Mitana fahefana lehibe tokoa i Jesosy! Mampahery tokoa ny mahafantatra fa ny Mpanjakantsika dia manana fahefana eo amin’ny herin’ny natiora ka, rehefa hampitodika ny sainy ho amin’ny tany izy mandritra ny andro hanjakany, dia tsy hanana ahiahy hatrany ny olona rehetra, ho voaro amin’ny loza aman’antambo araka ny natiora mahatsiravina!
Taoriana kelin’ny nitsaharan’ny tafiodrivotra, dia tonga soa aman-tsara teny amin’ny morony atsinanana Jesosy sy ireo mpianany. Fa raha ny amin’ny hafa izay nandeha tamin’ny sambokeliny, dia azo inoana fa afaka izy ireo tao anatin’ny herin’ny tafiodrivotra indrindra ka nody tany an-tranony tsy nahita fahavoazana. Marka 4:35 ka hatramin’ny Marka 5:2; Matio 8:18, 23-28; Lioka 8:22-27.
◆ Inona moa Dekapolisy, ary taiza izy io?
◆ Fisehoan-javatra inona no mahatonga tafiodrivotra mahery mamely eo amin’ny ranomasin’i Galilia?
◆ Rehefa tsy nahavonjy azy ireo intsony ny fahaizany tamin’ny naha-mpamily sambo, inona no nataon’ireo mpianatra?
[Sary, pejy 8]