“Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy”
“Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy”, hoy Andriamanitro. — ISAIA 57:21.
1, 2. a) Ahoana no fiheveran’ny olona be dia be ny ho avin’ny taranak’olombelona? b) Inona avy no vokatra azon’ny olombelona teo amin’ny fiezahany hitondra fiadanana?
“VELONA amin’ny fieritreretana aho fa amin’ny fotoana rehetra dia mety hipoaka eo amin’ny endriko izao tontolo izao.” Mpianatra iray any amin’ny “lycée” amerikana no nanonona izany teny mampahory izany, noraisin’ny revio Psychology Today. Matahotra izy io ny haharingana tsy ho ela ny taranak’olombelona manontolo amin’ny ady noklehera iray. Toy izao no ilazalazan’ny zazavavy mpianatra rosiana iray ny mety ho vokatry ny ady noklehera iray: “Ho faty daholo izay rehetra miaina: tsy hisy ahitra intsony, na hazo, na zava-maitso.” Fahitan-javatra mahatsiravina re izany! Mihevitra anefa ny olona fa tena mety hitranga tokoa izany. Tamin’ny fandinihana natao vao haingana, ny efapolo isan-jaton’ny olona nadinina dia nanambara fa “zavatra tena mety hitranga” ny fahitana ady noklehera alohan’ny taona 2 000. — Lioka 21:26.
2 Mahatsapa ny loza koa ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao. Taorian’ny ady lehibe farany izy ireny dia nanorina ny Fandaminan’ny Firenena mikambana mba hanandramana, nefa tsy nisy vokany, hitondra fiadanana sy filaminana ho an’ny olombelona. Tsy izany no hita tao anatin’ireo taona nanaraka ny ady fa fifaninanana nirehitra teo amin’ireo fanjakana mahery indrindra roa manana fitaovam-piadiana noklehera. Mihaona indraindray ny mpitondra ireo fanjakana ireo noho ny fikendrena ny hampitony ny fihenjanana iraisam-pirenena, kanefa kely dia kely ny vokany. Ary na dia mivavaka ho an’ny fandriampahalemana aza ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana, ny tarehin-javatra dia tsy misy hafa amin’ny itantaran’i Isaia azy amintsika toy izao: “Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.” — Isaia 33:7.
3. Nahoana no tsy afaka ny hahomby ny olona amin’ny fanorenana fiadanana?
3 Ireo kristiana nahazo fampitandremana dia mahafantatra hoe nahoana ireo mpanao politika no tsy haorina fandriampahalemana maharitra na oviana na oviana. Tsapany izao toe-javatra izao: raha mbola hanaiky hotapahin’ny fitiavan-tena, ny fankahalana, ny faniriana mihoa-pampana, ny fiavonavonana sy ny fanirian-daza koa ny olombelona, dia tsy hisy fiadanana (jereo Jakoba 4:1). Afa-tsy izany koa, ny olona dia tsy afaka mifehy ny fisehoan-javatra tanteraka. Izao kosa aza no lazain’ny Baiboly amintsika: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (I Jaona 5:19; II Korintiana 4:4). Voalazalazan’Isaia tsara toy izao ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izao, eo ambany fanapahan’io olona io: “Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy (...). Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.” — Isaia 57:20, 21.
“Ilay Andriamanitra manome fiadanana”
4. Iza ihany no ho afaka hanorina fiadanana eto an-tany?
4 Izay vao avy nolazaintsika teo dia tsy milaza akory fa ny taranak’olombelona dia voaheloka haringana amin’ny ady noklehera iray, fa ny hany fiadanana mety hananantsika kosa dia tokony hanana loharano hafa noho ny an’ny olombelona. Soa ihany fa misy izany Loharano izany ao amin’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra, “ilay Andriamanitra manome fiadanana”. (Romana 16:20, MN.) Jehovah dia manana fahefana hanohitra ny herin’i Satana sy “hitahy ny olony amin’ny fiadanana”. (Salamo 29:11.) Afa-tsy izany koa, dia nanome izao fampanantenana mampahery izao izy: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:11.
5. a) Fanazavana inona avy momba ny fikasany hanorina fiadanana no omen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’i Daniela mpaminany? b) Nahoana no tokony hahaliana antsika io faminaniana tantarain’i Daniela io?
5 Taona maromaro lasa izay, dia nolazain’i Jehovah tao amin’ny fanambarana iray ny fitohitohizam-pisehoan-javatra izay hiafara, noho ny fandraisany anjara, amin’ny fanorenana ny fiadanana eto an-tany. Tamin’ny alalan’ny anjely iray no niresahany tamin’i Daniela mpaminany nahatoky ny amin’ny “am-parany”, izay tsy inona fa ny androntsika (Daniela 10:14). Nolazainy mialoha ny amin’ny fifandrafiana mampifanohitra ireo fanjakana mahery indrindra amin’izao andro izao ary nasehony fa tsy ho ela dia hifarana izany amin’ny fomba tsy ampoizin’ireo Lehibe roa mihitsy. Nampanantenainy koa fa izany fisehoan-javatra tsy ampoizina izany dia hanome toerana ho an’ny tena fiadanana. Zava-dehibe tokoa ho an’ny kristiana io faminaniana io. Asehony ny hoe aiza ho aiza indrindra isika izao eo amin’ny fandehan’ny Tantara ary manatanjaka ny fahavononantsika izany: eny, maniry ny hialanalana hatrany isika eo anivon’ny fifandrafiana iraisam-pirenena, eo am-piandrasana amim-paharetana ny hanaovan’Andriamanitra zavatra ho antsika. — Salamo 146:3, 5.
Ny fiandohan’ny fifandrafiana
6. Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny fifandrafian’ireo fanjakana mahery dia mahery anankiroa ankehitriny?
6 Raha ny marina, ny fifandrafiana izay mampifanohitra ireo Lehibe roa amin’izao andro izao dia tsy zava-baovao eo amin’izao tontolo izao akory; izany kosa dia fitohizan’ny tarehin-javatra teraka efa ela be izay. Tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana, taorian’ny firodanan’ny empira naneran-tany naorin’i Aleksandra Lehibe, dia nandray ny fahefana tany Syria sy tany Egypta ny jeneraly roa tao amin’ny tafiky ny empira taloha. Ny fifandrafiana haharitra, izay hitarika, rehefa ela ny ela, ho amin’ny fifandrafian’ireo fanjakana mahery dia mahery ankehitriny, dia ho teraka teo amin’izy ireo sy ireo mpandimby azy. Nantsoina hoe mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo izy ireo, satria ny faritra nisy azy ireo dia tany avaratra sy tany atsimon’ny tany nisy ny olon’Andriamanitra. Ny fandrosoan’ny tantaran’izany fifandrafiana izany dia nambara tamin’i Daniela mpaminany tamin’ny alalan’ny anjely iray.
7. a) Ahoana no ahafantarantsika fa mitsabaka amin’ny raharahan’olombelona ireo fanahy tsy hita maso? b) Iza moa, tamin’ny voalohany, no mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo, ary ahoana no nahaterahan’ny fifandrafian’izy ireo?
7 Notantarain’ilay anjely aloha ny fomba niadiany, notohanan’i Mikaela, tamin’ny ‘andrianan’i’ Persia sy Grisia, izay fanahy (esprits) raha ny marina (Daniela 10:13, Da 10:20 ka hatramin’ny 11:1). Izany fahitana ny faritra ara-panahy izany dia manamafy fa ny ady ifanaovan’ireo firenena dia tsy mahafaoka olombelona fotsiny. Misy tafika demonia tsy hita maso, na ‘andriana’, ao ambadik’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao. Hatramin’ny ela be anefa ny olon’Andriamanitra dia manana “andriana”, Mikaela, mba hanatanjaka azy amin’ny fanoherana ireny herin’ny demonia ireny (Efesiana 6:12). Avy eo dia soritan’ilay anjely ny fifandrafiana misy eo amin’i Syria sy Egypta, amin’ny filazana hoe: “Ary hahery ny mpanjakan’ny atsimo (...) ny anankiray amin’ny andriandahiny.” (Daniela 11:5a). Ny mpanjakan’ny atsimo resahina eo dia Ptolémée I, izay nanjaka teo amin’i Egypta; naka an’i Jerosalema izy tany amin’ny 312 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Rehefa avy eo ilay anjely dia nanisy fitenenana ny amin’ny mpanjaka hafa iray “hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany”. (Daniela 11:5b.) Io indray kosa dia ny mpanjakan’ny avaratra, Séleucus I Nicator, izay ny fanjakany, Syria, dia nanjary nahery kokoa noho ny an’i Egypta.
8. Inona moa amin’izao andro izao no vokatry ny filazana mazava mahagaga an’io tapany voalohany amin’ny faminanian’ny anjely momba ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo io eo amin’ny kristiana?
8 Nanohy ny teniny ilay anjely tamin’ny fanomezana antsipiriany maro momba ny fandrafiana hampifanohitra ireo mpitondra nifandimby tany Syria sy Egypta (Daniela 11:6-19). Noho ny filazany mazava niavaka, ireo faminaniana ireo dia nitarika olona sasany hihevitra fa ny bokin’i Daniela dia nosoratana tatỳ aorian’ny fisehoan-javatra tantarainya; manatanjaka ny finoan’ny kristiana kosa anefa izany ka manome toky azy ireo fa ho tanteraka amin’ny fomba feno ny faminaniana momba ny “am-parany”.
Ny Andrianan’ny fanekena
9. Inona moa no nataon’ny mpanjakan’ny avaratra nisy vokany teo amin’ny nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema?
9 Tsy tokony hantenaina ny hanononan’ilay anjely ny mpitondra tsirairay avy manomboka amin’i Ptolémée ka hatreo amin’ireo filoha ara-politika atỳ “am-parany”. Fantatsika kosa fa aorian’ny Da 11 andininy faha-19 ilay faminaniana dia mivadika avy hatrany ho any amin’ireo taona mialoha ny andro kristiana. Izao tokoa no vakintsika: “Ary hitsangana handimby azy [ny mpanjakan’ny avaratra] indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin’izay tsara indrindra amin’ny fanjakany.” (Daniela 11:20). Tamin’izany fotoana izany i Syria dia provansa romana ary ny mpanjakan’ny avaratra dia nasehon’i Aogosto, emperora romana. Ny fanisam-bahoaka nasainy natao dia hahatonga an’i Jesosy ho teraka any Betlehema fa tsy any Nazareta. — Lioka 2:1-7; Mika 5:1 [5:2, MN ].
10. Ny amin’ny fifandraisana hafa inona teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny Mesia moa no nanintonan’ny anjely ny saintsika?
10 Taorian’i Aogosto dia tonga i Tiberio: lehilahy ratsy dia ratsy nantsoin’ilay anjely hoe “olona famingavinga”. (Daniela 11:21.) Tamin’ny andro nanjakany, ny fikomiana nampidi-doza iray dia voasakana tao amin’ny sisin-tany avaratra amin’ny empira romana ary azo ny fandriampahalemana tao amin’ny sisin-tany, ka izany dia fahatanterahan’izao faminaniana izao: “Ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny.” Tamin’ny andro nanjakany koa Jesosy no novonoin’ny miaramila romana; tanteraka tamin’izany ny faminanian’ilay anjely nilazana fa hotorotoroina ny “andriana vita fanekena”. — Daniela 11:22; 9:27.
Amin’ny “fotoana voafetra”
11. a) Tamin’ny 1914, iza no nampiseho ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo? b) Inona no faminaniana tanteraka tamin’ny “fotoana voafetra”?
11 Farany, ilay faminaniana dia mitarika antsika ho amin’ny “fotoana voafetra”, tamin’ny 1914 (Daniela 11:27, MN; Lioka 21:24). Tamin’izay fotoana izay dia tsy ny taloha intsony no olon’Andriamanitra. Koa satria nanda ny Mesia ny Isiraely araka ny nofo, ny vahoaka voafidin’i Jehovah dia tonga ny Isiraely ara-panahy, ny kongregasionan’ny kristiana voahosotry ny fanahy (I Petera 2:9, 10). Niova koa ireo mpanjaka roa. Mazava fa i Grande-Bretagne, miaraka amin’ny mpiray dina aminy ara-politika, Etazonia, no tonga mpanjakan’ny atsimo; Alemaina kosa no nandray ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra. Nambara tamin’izao teny izao ny Ady Lehibe Voalohany: “Amin’ny fotoana [fotoana voafetra, MN ] dia ho lasa mianatsimo indray izy [ny mpanjakan’ny avaratra]; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany.” (Daniela 11:29). Handresy ny mpanjakan’ny atsimo amin’io ady io. Ho hafa noho ny tamin’ny “voalohany” àry ny tarehin-javatra, hafa tsy tahaka ny fony Roma nandresy nampiseho ny mpanjakan’ny avaratra.
12. Fisehoan-javatra maneran-tany inona avy nitranga hatramin’ny 1914 no nambara tao amin’ireo teny ara-paminaniana nataon’ny anjely ho an’i Daniela?
12 Ampahatsiahivin’ilay anjely manaraka izany ny fifaninanana hidiran’ireo mpanjaka roa manomboka amin’ny 1914 ary indrindra fa ny fomba hanoheran’izy roa ireo ny olon’i Jehovah. Lazainy ara-paminaniana koa ny fisehoan’ny “fahavetavetana mahatonga fandravana”, izay misy amin’izao andro izao amin’ny endriky ny Fandaminan’ny Firenena mikambana (Daniela 11:31). Ny famoronana ny O.N.U. dia asa ara-politika niarahan’ireo mpanjaka roa nandray anjara noho ny fikendrena ny hanorina ny fiadanana. Voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana io fanandramana io, satria manohitra ny Fanjakan’Andriamanitrab (Matio 24:15; Apokalypsy 17:3, 8). Farany, dia tarihin’ilay anjely ho amin’ny “faran’ny andro” ny saintsika. — Daniela 11:40.
Ny “faran’ny andro”
13. a) Mahakasika ny inona moa ny “faran’ny andro” ao amin’io tapany amin’ny faminaniana io? b) Iza moa, hatramin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Faharoa, no mandray ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo?
13 Fotoana inona moa izany? Indraindray, ny fitenenana hoe “faran’ny andro” dia manondro ny fotoana farany ho an’ny fandehan-javatra, dia vanim-potoana mitatra avy eo amin’ny 1914 ka mankeo amin’ny Hara-Magedona (Daniela 8:17, 19; 12:4). Misy anefa fisehoan-javatra mahakasika ny taona 1914, “fotoana voafetra”, efa nambara eo amin’ny Da 11 andininy faha-29; ary nitarika antsika lavidavitra kokoa amin’ny fotoana ny faminanian’ilay anjelyc. Noho izany, ny “faran’ny andro” resahina eo amin’ny Da 11 andininy faha-40 dia tokony hanisy fitenenana ny amin’ireo dingana faramparany amin’ny ady mampifanohitra ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo hatramin’ny 2 300 taona. Amim-pahalianana lehibe àry no hanohizantsika ny famakiantsika teny satria fisehoan-javatra hitranga amin’ny ho avy tsy ho ela izao no hojerentsika. Ankehitriny, ny ady mba hananan-kery izay mampisamboaravoara izao tontolo izao dia nitarika ho amin’ny fiovana lehibe eo amin’ny maha-izy ireo mpanjaka roa. Hatramin’ny nirodanan’ny fanjakana nazia sy fasista, tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, dia hitantsika teraka ny fifandrafiana teo amin’ny fanjakana mahery dia mahery anankiroa, ny anankiray mampiseho ny mpanjakan’ny avaratra ary mampihatra ny fahefany eo amin’ny fitambaram-pirenena izay sosialista ny ankamaroany, ny faharoa mampiseho ny mpanjakan’ny atsimo mitarika tany kapitalista indrindra.
14. Ahoana moa no teny nilazalazan’ny anjely ny mpanjakan’ny avaratra?
14 Ny toe-tsain’ny mpanjakan’ny avaratra farany dia voalazalaza tsara eo amin’ny Da 11 andininy faha-37 sy 38, manao hoe: “Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany (...). Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.” Tsy mazava dia mazava ve izany filazalazana izany? Amin’izao andro izao, ny mpanjakan’ny avaratra dia mamporisika amin’ny fomba ofisialy ny tsy finoana an’Andriamanitra, amin’ny fanariana ireo andriamanitra nivavahan’ireo mpanjakan’ny avaratra taloha. Aleon’izy ireny mametraka ny fitokisany amin’ny fitaovam-piadiana, ny “andriamanitry ny fiarovana mafy”. Izany toe-tsaina izany dia namporisika ny fifaninanana mafy dia mafy hanao fitaovam-piadiana ananan’ireo mpanjaka roa andraikitra mavesatra, ka ny lany tamin’izany, ho an’ny mpanjakan’ny avaratra fotsiny, dia nahatratra efa ho 80 000 lavitrisa ariary tamin’ny 1985. Endrey izany sorona “volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra” atolotra ho an’ny andriamanitry ny fitaovam-piadiana tsy mety afa-po!
15, 16. a) Hiafara amin’inona moa ny fifanoherana misy eo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo? b) Inona no ho vokatr’izany ho an’ny olon’Andriamanitra?
15 Inona no hiafaran’ny fifanoherana misy eo amin’ireo mpanjaka roa ireo? Izao no ambaran’ilay anjely: “Ary amin’ny faran’ny andro [ny faran’ny tantaran’ireo mpanjaka roa ireo] dia hanoto azy ny mpanjakan’ny atsimo; ary ny mpanjakan’ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro.” (Daniela 11:40; Matio 24:3). Mazava fa ireo fiaraha-midinika ataon’ny filoham-panjakana dia tsy hamarana ny fifandrafiana mampifanohitra ireo Lehibe roa. Ny fihenjanana ateraky ny ‘fanotoana’ ampiharin’ny mpanjakan’ny atsimo sy ny fitiavan’ny mpanjakan’ny avaratra hanitatra ny sisin-taniny dia mety hiteraka ambaratongam-piovaovana sarotsarotra be ihany; araka ny fitantaran’i Daniela anefa, amin’ny farany ny mpanjakan’ny avaratra dia ho voatosika hanao zavatra mahery vaika indrindrad.
16 Sarotra indrindra ny andro farany ho an’ny olon’Andriamanitra izay, amin’izao taonjato faha-20 izao, dia enjehin’ireo mpanjaka roa. Nampiomana ilay anjely fa ny mpanjakan’ny avaratra dia “hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra (...), ary maro no ho ripaka.” Ny “tany mahafinaritra” dia mampiseho ny tanin’ny olon’Andriamanitra. Ny tokony ho dikan’ny tenin’ny anjely àry dia hoe, sady mandresy firenena maro ny mpanjakan’ny avaratra no mandefa fanafihana ny faritra ara-panahy misy ny olon’i Jehovah (Daniela 8:9; 11:41-44; Ezekiela 20:6). Manampy teny toy izao ny faminaniana eo amin’ny Da 11 andininy faha-45: “Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia miomana ho amin’ny fanafihana farany ny paradisa ara-panahin’ny olon’Andriamanitra izy.
“Ao amin’ny hiafarany”
17. Fisehoan-javatra tsy nampoizina inona no hiteraka fahatezeran’ny mpanjakan’ny avaratra?
17 Amin’izay fotoana izay anefa dia hitranga ny fisehoan-javatra iray tsy ho tsinjon’ny mpanjakan’ny avaratra na ny mpanjakan’ny atsimo mialoha. Araka ny faminanian’ilay anjely dia “hisy siosion-teny [vaovao, MN ] avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy [ny mpanjakan’ny avaratra], ka dia hivoaka amin’ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro”. — Daniela 11:44.
18. a) Avy aiza ny loharanon’ny “vaovao” nambaran’ny anjely? b) Inona no hitranga amin’ny mpanjakan’ny avaratra amin’ny farany?
18 Inona no hahaforona izany vaovao izany? Tsy milaza mazava izany ilay anjely, nefa ambarany ny fiaviany: “Avy any atsinanana” izany; Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy anefa dia antsoina hoe “mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”. (Apokalypsy 16:12.) “Avy any avaratra” koa izany vaovao izany, ary ny Baiboly dia miresaka ara-panoharana ny amin’ny tendrombohitra Ziona, tanànan’i Jehovah Mpanjaka lehibe, ho “eo amin’ny ilany avaratra”. (Salamo 48:2.) Izany àry dia “vaovao” avy amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy izay manosika ny mpanjakan’ny avaratra hanomboka ny fanafihany lehibe farany. Hisy vokany mahatsiravina ho azy izany. Milaza amintsika toy izao ny faran’ny Da 11 andininy faha-45: “Ho tonga ao amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.”
19. a) Fiafarana tsy mitovy inona no ho hitan’izao tontolo izao sy ny olona mahitsy? b) Fanontaniana hafa inona avy no mendrika ny hovaliana?
19 Tena ‘tsy hisy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy’. (Isaia 57:21.) Mifanohitra amin’izany, ny tantaran’ny mpanjakan’ny avaratra kosa dia ho voamariky ny ady hatramin’ny farany. Mampanantena an’ireo mpanompony mahatoky toy izao anefa Jehovah: “Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” (Ohabolana 2:21, 22). Fa inona no hitranga amin’ny mpanjakan’ny atsimo rehefa “ho tonga ao amin’ny hiafarany” ny mpanjakan’ny avaratra? Inona no hanjo ny kristiana rehefa ‘hanorina ny trano-lainy tahaka ny lapa’ ny mpanjakan’ny avaratra ka handrahona ireo mpanompon’Andriamanitra (Daniela 11:45)? Ahoana no hanorenana ny fiadanana eto an-tany amin’ny farany? Araka ny ho hitantsika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka, Jehovah dia namaly ireo fanontaniana ireo tamin’ny alalan’ny anjeliny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana andinindininy kokoa, dia jereo ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”, toko faha-10, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Raha maniry hahazo fanazavana misimisy kokoa ny amin’io tapany amin’ny faminaniana io ianao, dia mba jereo ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”, toko faharaika ambin’ny folo.
c Azo atao koa ny manamarika fa eo amin’ny Da 11 andininy faha-35, ny “andro farany” dia mbola vao ho avy.
d Mba jereo ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”, pejy faha-298 ka hatramin’ny faha-303.
Inona no fanazavana?
◻ Mananaina ara-panahy inona tamin’ny fotoana rehetra no nitsabaka tamin’ny raharaha ara-politikan’ny olombelona?
◻ Iza moa no mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo tamin’ny 1914?
◻ Amin’ny fomba ahoana moa amin’izao andro izao no ivavahan’ny mpanjakan’ny avaratra amin’ny andriamanitry ny fiarovana mafy?
◻ Fitsapana inona no hampiharin’ny mpanjakan’ny avaratra amin’ny olon’Andriamanitra?
◻ Inona no hitranga amin’ny mpanjakan’ny avaratra amin’ny farany?
[Sarintany/Sary, pejy 12]
(Jereo ny gazety)
Ranomasina Lehibe
Syria
Jodia
Egypta
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]