Mitsangana Mikaela, andriana lehibe
“Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao.” — DANIELA 12:1.
1. Inona avy moa no fisehoan-javatra ho avy nolazain’ny Baiboly mialoha, ary mametraka fanontaniana hoe ahoana izany raha ny amin’ny olon’Andriamanitra?
EFA tena nampiomana ny olombelona Jehovah fa tsy hahita fiadanana na oviana na oviana ny tany raha mbola haharitra koa ny fifandrafiana eo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Hifanohitra foana tokoa ny tombontsoan’ireo fanjakana roa ireo. Afa-tsy izany koa, eo amin’ny herin’ny fifandrafiany indrindra, ny mpanjakan’ny avaratra dia handrahona ny toerana ara-panahin’ny mpanompon’Andriamanitra alohan’ny ‘hahatongavany ao amin’ny hiafarany’. (Daniela 11:44, 45.) Ho tafita velona amin’izany fanafihana izany ve ny olon’Andriamanitra? Ary inona no hitranga amin’ny mpanjakan’ny atsimo rehefa ho tonga hatramin’ny fiafarany ny rafiny lehibe?
2, 3. a) Fanontaniana inona voasoratra ao amin’ny bokin’i Ezekiela no manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny faminaniana momba ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo? b) Araka ny faminanian’i Ezekiela, hanao ahoana ny ho fiafaran’ny fanafihana lehibe farany halefa hamelezana ny olon’Andriamanitra?
2 Ny faminaniana iray nataon’i Ezekiela, niara-belona tamin’i Daniela, dia manampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo. Nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra koa Ezekiela mba hiresaka ny amin’ny “am-parany” sy mba hampiomana ny olon’Andriamanitra ny amin’ny fanafihana halefan’i ‘Gogan’i Magoga’ ho fanoherana ny taniny (Ezekiela 38:2, 14-16; Daniela 10:14). Ao amin’io faminaniana io, Goga dia mampiseho an’i Satana, ary ny tafiny, ny mpanompon’i Satana rehetra eto an-tany, izay hanao fanandramana mafy farany mba hanafoanana ny olon’Andriamanitra. Koa satria izany fanafihana izany, sahala amin’ny an’ny mpanjakan’ny avaratra, hitranga amin’ny vanim-potoana farany amin’ny andro, dia ara-dalàna ny hiheverana fa mba hanohanana ny fanafihan’i Goga no hahatonga ny mpanjakan’ny avaratra ‘hanorina eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany’. (Daniela 11:40, 45.) Hahomby ve izany fanafihana izany?
3 Milaza toy izao ny faminanian’i Ezekiela: “Ary amin’izany andro izany, dia ny andro hihavian’i Goga hamely ny tanin’ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako. Ary hamaly azy amin’ny areti-mandringana sy ny ra sy ny ranonorana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ny miaramilany mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.” (Ezekiela 38:18, 22). Tsia, tsy hahomby ny fanafihana. Hovonjena ny tena kristiana ary haringana ny vahoakan’i Goga. — Ezekiela 39:11.
4. Moa ve mbola ho velona ihany ny mpanjakan’ny atsimo rehefa haringana ny mpanjakan’ny avaratra? Faminaniana hafa inona no manamarina izany valin-teny izany?
4 Miharihary tokoa àry fa ny andro faran’ny mpanjakan’ny avaratra dia mifanitsy amin’ny andro farany ho an’i Goga sy ny vahoakany maro be, anisan’izany ny mpanjakan’ny atsimo. Izany famakafakana izany dia mifanaraka amin’ny faminaniana hafa voatantara ao amin’ny bokin’i Daniela. Tsapantsika, ohatra, fa aorian’ny fiorenany, ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy maintsy ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo [izay sady mahafaoka ny mpanjakan’ny avaratra no mahafaoka ny mpanjakan’ny atsimo], fa izy kosa hitoetra mandrakizay’. (Daniela 2:44.) Afa-tsy izany koa, tao amin’ny fahitana ny amin’ny ondrilahy sy ny osilahy hitan’i Daniela, ny fanjakana ara-politika anglisy amerikana dia nasehon’ny tandroka kely izay, amin’ny “hiafaran’ny fanjakany”, dia hahita fandringanana, tsy avy amin’ny mpanjakan’ny avaratra, fa avy amin’ny zavatra miavaka mahery noho ny olombelona: “Nefa tsy hisy tànana [tanan’olombelona] hamely azy [ny mpanjakan’ny atsimo] tsinona.” — Daniela 7:24-27; 8:3-10, 20-25.
Mikaela, andriana lehibe
5. Fiasana lehibe indrindra inona no hampiasain’i Jehovah mba hamonjena ny olony, ary nahoana no mety izany?
5 Nasehon’ny anjely nanaraka izany ny anaran’ny Fiasana hampiasain’i Jehovah mba hanafoanana ireny hery rehetra ireny. Izao no nambarany: “Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro [miaro, MN ] ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.” (Daniela 12:1). Eo am-piandohan’ny faminaniany, ilay anjely dia nampiseho tamintsika an’i Mikaela teo am-piadiana ho an’ny Isiraely, ho fanoherana ny mpanapaka an’i Persia sy Grisia (Daniela 10:20, 21). Madiva hifarana izao ilay faminaniana, ary io Mikaela io ihany koa no “miaro” ny firenen’i Daniela. Iza moa izany mpiaro ny olon’Andriamanitra izany?
6, 7. a) Araka ny filazan’ny mpandinika Baiboly ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, iza moa Mikaela? b) Porofo araka ny Baiboly inona avy no mahatonga antsika ho afaka hamantatra araka ny marina an’i Mikaela?
6 Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, ilay mpandinika ny Baiboly atao hoe Joseph Benson dia nanambara fa ilay Mikaela resahin’ny Baiboly dia “miharihary fa manisy fitenenana ny amin’ny Mesia”. Tao anatin’io taonjato io ihany, dia niaiky E. Hengstenberg, loteriana, fa “tsy iza Mikaela fa Kristy”. Toy izany koa, ilay teolojiana atao hoe J. Lange dia nanoratra toy izao tao amin’ny famoaboasany ny Apokalypsy 12:7: “Heverinay fa Mikaela (...), hatramin’ny voalohany, dia Kristy mitafy ho amin’ny ady hamelezana an’i Satana.” Mifanaraka amin’ny Soratra Masina ve izany fanondroana an’i Mikaela ho Kristy izany? Azo atao ny milaza hoe enya.
7 Ohatra, nambaran’ilay anjely fa tokony ‘hitsangana’ Mikaela. Ao amin’ny faminanian’ny anjely, ny teny hoe ‘mitsangana’ (hebreo ‛amad) dia azo adika hoe “mitondra ny fanohanany” (Daniela 11:1); na, raha itarina, “mandresy”, “mikomy”, “manohitra” sy “mahatohitra”. (Daniela 11:6, 11, 14, 15, 16a, 17, 25.) Matetika anefa io teny io no mahakasika mpanjaka iray izay mandray fahefana na miditra hiasa amin’ny maha-mpanjaka (Daniela 11:2-4, 7, 16b, 20, 21, 25). Io no heviny mifanitsy tsara indrindra amin’ny teny notononin’ny anjely ao amin’ny Daniela 12:1. Afa-tsy izany koa, koa satria Jesosy no Mpanjaka voatendrin’i Jehovah ka voatendry izy mba handringana ny firenena rehetra ao Hara-Magedona, io andinin-teny io dia manamarina ny hoe olona iray ihany Mikaela sy Jesosy Kristy (Apokalypsy 11:15; 16:14-16; 19:11-16). Io fanatsoahan-kevitra io koa dia mifanaraka amin’ny faminaniana hafa mahakasika ny fotoana hidiran’ny Fanjakan’Andriamanitra, eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy, hanohitra ireo firenena eo amin’izao tontolo izao. — Daniela 2:44; 7:13, 14, 26, 27.
8, 9. a) Iza moa, tamin’ny voalohany no ‘firenen’i Daniela’, ary iza amin’izao fotoana izao no mahaforona izany vahoaka izany? b) Ahoana no nisehoan’ny fiheveran’i Mikaela mafy ny ‘firenen’i Daniela’ tao anatin’ireo taonjato?
8 Hatramin’ny ela be Mikaela no resahina miaraka amin’ny ‘firenen’i Daniela’, ny Isiraelita. Niaraka tamin’io firenena io izy tany an’efitra ary nanohana azy tamin’ny fanoherana ireo ‘andriana’ ara-panahin’ny empira fahizay (Daniela 10:13, 21; Eksodosy 23:20, 21; Joda 9). Avy eo dia tonga teto an-tany izy, teraka ho olona tamin’ny anarana hoe Jesosy mba ho ilay Mesia nandrasana aoka izany, dia ilay ‘taranaka’ nampanantenaina an’i Abrahama, razamben’i Daniela (Genesisy 22:16-18; Galatiana 3:16; Asan’ny apostoly 2:36). Mampalahelo anefa fa nanda an’i Jesosy ny Isiraely araka ny nofo tamin’ny fitambarany; izany no antony nandavan’i Jehovah azy, ka nofaranany ireo fifandraisana manokana nampiray azy tamin’io firenena io (Matio 21:43; Jaona 1:11). Tapa-kevitra izy ny hampifandray ny anarany amin’ny firenena hafa iray, dia “Isiraelin’Andriamanitra” ara-panahy, voaforon’ny Jiosy araka ny nofo sy ny tsy Jiosy izay nino an’i Jesosy. — Galatiana 6:16; Asan’ny apostoly 15:14; I Petera 2:9, 10.
9 Io firenena vaovao io, ny kongregasion’ireo kristiana voahosotry ny fanahy, dia teraka tamin’ny 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, ka nanomboka tamin’izay fotoana izay dia tonga Isiraelin’Andriamanitra, noho izany dia ‘firenen’i Daniela’. (Romana 2:28, 29.) Talohan’ny hiakarany ho any an-danitra tamin’ny taona 33, dia nampanantena i Jesosy fa hanohy hanohana ny ‘firenen’i Daniela’, rehefa nilaza toy izao tamin’ireo ho tonga anisan’io Isiraely vaovao io: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN ]. — Matio 28:20; Efesiana 5:23, 25-27.
‘Miaro’ ny firenen’i Daniela izy
10. Araka ny tenin’ny anjely, fanaovan-javatra farany inona no hatombok’i Mikaela, ary mametraka fanontaniana hoe ahoana avy izany?
10 Manohy ny teniny ilay anjely amin’ny filazana fa hanomboka asa manokana i Mikaela. Izao no ambarany: “Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro [miaro, MN ] ny zanaky ny firenenao.” (Daniela 12:1). Amin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no tokony ‘hitsangana’? Ary raha efa ‘miaro ny firenen’i Daniela’ izy, milaza inona ny hoe “hitsangana” izy? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia aoka isika hitodika ny lasa teo amin’ny tantaran’ny olon’Andriamanitra.
11. Amin’ny heviny ahoana moa no azo atao ny milaza fa “miaro” ny zanaky ny firenen’i Daniela i Jesosy nanomboka tamin’ny 1914?
11 Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, tamin’ny taona 33, dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18). Hatramin’ny taonjato maro i Jesosy dia mampihatra izany fahefana izany eo amin’ireo mpanompony voahosotry ny fanahy izay miaina eto an-tany (Kolosiana 1:13). Tamin’izany fotoana izany anefa dia tsy mbola tonga ny ora tsy maintsy hampiharan’i Jesosy ny fahefany amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy izany no nitranga fa taorian’ny niakarany ho any an-danitra, dia ‘nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra tany an-danitra’ izy mandra-panorina an’io Fanjakana io (Salamo 110:1, 2; Asan’ny apostoly 2:34, 35). Izany dia nitranga amin’ny 1914, tamin’ny “fotoana [fotoana voafetra, MN ]”. (Daniela 11:29.) Tamin’io taona io i Jesosy dia notendrena ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ary, avy hatrany, tamin’ny naha-Mikaela arikanjely azy, dia nandroaka an’i Satana avy any an-danitra izy (Apokalypsy 11:15; 12:5-9). Noho izany, nanomboka tamin’ny 1914, Jesosy Mpanjaka dia “miaro” ny zanaky ny firenen’i Daniela. — Salamo 2:6.
12, 13. Fitahiana miavaka inona avy moa no raisin’ny olon’Andriamanitra nanomboka tamin’ny 1914, ka izany dia mampiseho fa ‘niaro ny firenen’i Daniela’ i Jesosy?
12 Rehefa nandray ny fahefam-piandrianana i Jesosy ary nanomboka ‘niaro ny zanaky ny firenen’i Daniela’, dia tena fitahiana tokoa ho azy ireo. Tamin’ny fanilihana an’i Satana ho etỳ amin’ny manodidina ny tany, dia nanadio ny ho fonenan’izy ireny tany an-danitra izy (Jaona 14:2, 3). Taorian’izany, ireo olo-nahatoky natory tao amin’ny fahafatesana dia azo natsangana tamin’ny maty ary afaka ny hanana anjara amin’ny lovany any an-danitra (I Tesaloniana 4:16, 17). Ny sisa tamin’izy ireny izay mbola teto an-tany, dia nenjehina mafy nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, izay saika nampitsahatra ny asa fitoriany. Na dia izany aza, tamin’ny 1919, dia novelomina indray izy ary niseho indray teo amin’izao tontolo izao tamin’ny endriky ny firenena vaovao. — Isaia 66:7, 8; Apokalypsy 9:14; 11:11, 12.
13 Taorian’izany, dia notanan’i Jesosy ny fampanantenana nomeny “hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka”. (Matio 13:41.) Tamin’izany fomba izany no nitandroany ny fahadiovan’ny kongregasiona voaforon’ny kristiana voahosotry ny fanahy, izay ‘nahalala ny Andriamaniny, nifikitra sy nankatò’. Mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny tany manontolo ireo, ka “mampianatra ny maro”. (Daniela 11:32, 33; Matio 24:14.) Nanomboka tamin’ny 1935, dia ampiarahin’i Jehovah amin’io kongregasiona io ny “ondry hafa” mihamaro isa hatrany, izay mamelona fanantenana ny ho eto an-tany sy mandray anjara amim-pahatokiana amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, 14, 15.
14. Tao anatin’ny andro farany, inona moa no vokatry ny hoe ‘niarovan’i Jesosy ny zanaky ny firenen’i Daniela’?
14 Ny fisian’io antokon’olona kristiana io fotsiny dia efa miavaka. Eo anoloan’ireo fisaratsarahana ara-politikan’izao tontolo izao, dia nitoetra tao anatin’ny fialanalanana tanteraka izy ireny, satria mihevitra ny tenany ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra (Jaona 17:14). Noho izany, dia nanenjika azy foana ireo mpanjaka roa. Toy izany koa, ny fivavahan-diso dia nampiasa izao karazam-piraisan-tetika rehetra izao noho ny fikendrena ny hanafoana azy ireny; tsy izany anefa no mitranga fa mandroso izy ireny, hany ka ahitana azy amin’izao andro izao any amin’ny tany maherin’ny roanjato ary kristiana mahatoky telo tapitrisa mahery izy ireny izao. Ny paradisa ara-panahy ananany eo ambany fanapahan’i Kristy dia mifanohitra ankarihary amin’ny haizina sy ny fahaverezan-kevitra manjaka eo amin’izao tontolo izao (Isaia 65:13, 14). Araka izany, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny andro farany, dia ‘miaro ny zanaky ny firenen’i Daniela’ i Jesosy. — Daniela 12:1.
‘Mitsangana’ i Mikaela
15. Amin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no “hitsangana”, ary rahoviana no tokony hitranga izany?
15 Amin’ny heviny ahoana moa i Jesosy izay ‘efa miaro ny zanaky ny firenen’i Daniela’ no tokony ‘hitsangana’ mandritra izany fotoana izany (Daniela 12:1)? Amin’ny heviny hoe tokony hanomboka dingana vaovao ao amin’ny fanapahany izy. Ho tonga tokoa ho azy ny fotoana hidirana hiasa amin’ny fomba tsy mbola nisy toy izany mihitsy amin’ny famonjena ny ‘firenen’i Daniela’ amin’ny fandringanana tanteraka ho tian’ireo fitondram-panjakan’olombelona hampiharina aminy (Ezekiela 38:18, 19). Ny “andro” resahina eo dia toa “ny andro farany” ho an’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, rehefa handrahona ny toerana ara-panahin’ny olon’Andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra (Daniela 11:40-45). Alohan’izany, dia tsy hisy hihevitra ny fanapahan’i Jesosy ho zava-dehibe afa-tsy ireo vahoakany mahatoky eto an-tany (Salamo 2:2, 3). Ho tonga anefa ny fotoan’ny ‘fisehoan’i Jesosy Tompo’, ka ho voatery hanaiky ny fiandrianany ny rehetra (II Tesaloniana 1:7, 8). Haringana daholo ny hery rehetra izay manohitra ilay Fanjakana. Rehefa avy eo dia hanomboka ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy sy ireo izay hiara-hanapaka aminy. Ilay Fanjakana no ho hany fitondram-panjakana ho an’ny olombelona. — Apokalypsy 19:19-21; 20:4.
16. Rehefa “hitsangana” i Jesosy, inona no haterak’izany ho an’ireo firenena ratsy?
16 Mifanaraka amin’io fanazavana io, dia manambara ilay anjely fa rehefa hitsangana i Mikaela, dia “hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany”. (Daniela 12:1; jereo Matio 24:21.) Izany dia ho andro fandringanana ny ratsy fanahy sy famonjena ho an’ny olo-mahatoky (Ohabolana 2:21, 22). Jereo ny horohoro hahazo an’ireo olona tsy mahatoky amin’izay fotoana izay: “Ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo ka iza no mahajanona?” — Apokalypsy 6:16, 17.
17. Inona amin’izay no hitranga amin’ireo tafik’i Satana eto an-tany, anisan’izany ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo?
17 Ny ho vokatr’izany “andro fahoriana” izany eo amin’ireo tafik’i Satana eto an-tany dia voalazalaza ao amin’ny faminanian’i Ezekiela momba an’i Gogan’i Magoga: “Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena izay miaraka aminao.” (Ezekiela 39:4). Raha niresaka ny amin’izany fotoam-pahoriana izany koa i Jeremia, dia nanambara hoe: “Ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa.” (Jeremia 25:33). Tsy isalasalana mihitsy fa ho fotoam-pahoriana izany. Hamarana ady maro misesy i Jesosy rehefa “hitsangana” mba hanaisotra ireo fanjakan’olombelona tompon’andraikitra amin’izany. — Salamo 46:9; I Korintiana 15:25.
Ireo izay tafita velona amin’ny “andro fahoriana”
18. a) Inona no hitranga amin’ireo tena mpivavaka amin’Andriamanitra rehefa “hitsangana” i Mikaela? b) Inona moa no dikan’ny hoe “voasoratra ao amin’ny boky”?
18 Marina fa ho tsapan’ny olon’Andriamanitra ireo ho vokatry ny fankahalana velomin’ny fahavalony mba hanoherana azy, kanefa ho an’ny ratsy fanahy indrindra no ho “andro fahoriana” izany fotoana izany (Salamo 37:20). Hoy ny anjely tamin’i Daniela: “Ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.” (Daniela 12:1). Amin’izany andro izany, dia maro amin’ny ‘zanaky ny firenen’i Daniela’ no ho efa maty ary ho nandray ny valisoany any an-danitra; tsy isalasalana mihitsy fa handray anjara miaraka amin’i Mikaela amin’io fandresena ara-tafika lehibe io izy ireo (Apokalypsy 2:26, 27; Salamo 2:8, 9). Ireo izay mbola ho eto an-tany dia tsy handray anjara amin’ny ady, fa hitoetra tsy mivadika kosa, ary ho tafita velona (Apokalypsy 17:14; 19:7, 8). Ny naman’izy ireo, izay mahaforona ny “olona betsaka”, dia ho tafita velona koa (Apokalypsy 7:9, 14). Ny sisa voahosotra mbamin’ny “ondry hafa” dia ho “hita voasoratra ao amin’ny boky”, izany hoe ny anarany dia ho hita eo amin’ny lisitr’ireo izay hanana fahafahana hahazo ny fanomezana fiainana mandrakizay na ho any an-danitra, na ho eto an-tany. — Jaona 10:16; Eksodosy 32:32, 33; Malakia 3:16; Apokalypsy 3:5.
19. a) Ahoana moa, amin’ny hoe ‘hitsanganany’, no hitondran’i Mikaela fiadanana ho an’ny tany? b) Fanontaniana inona moa no tokony hovaliantsika koa?
19 Ireny olona ireny dia hanana tombontsoa hahita ny tena fiadanana haorina amin’ny tany manontolo. Ho vavolombelon’ny fahatanterahan’izao fampanantenan’i Jehovah izao izy ireny: “Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” (Salamo 37:9). Koa satria ny Fanjakan’Andriamanitra no ho hany fitondram-panjakana hisy, ny olona rehetra izay hiaina eto an-tany dia ho mpanompon’i Jehovah (Isaia 11:9). Araka izany, dia mba hitondrana fiadanana ho an’ny taranak’olombelona no ‘hitsanganan’i Mikaela’ amin’ny ‘andro faran’ireo’ mpanjaka roa. Tsy misy mihitsy fiadiana na tetik’adin’ireo fanjakana mahery dia mahery ho afaka hisakana azy amin’izany. Milaza anefa ve izany fa tsy maintsy miandry an’io fotoana io isika mba hahitana fiadanana? Tsia, misy fiadanana ananan’ny kristiana dieny izao; eny, fiadanana ambony lavitra noho ny tsy fisian’ny ady fotsiny. Inona izany? Mitohy amin’ny fanazavana vitsivitsy mahakasika an’io fiadanana io ny faminaniana nomen’ny anjely an’i Daniela.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Koa satria Mikaela antsoina hoe arikanjely, dia mihevitra ny sasany fa ny fampitoviana azy amin’i Jesosy dia manambany an’io (Joda 9). Misy porofo betsaka anefa fa na dia azo inoana aza fa nino ny Trinite ireo mpandinika Baiboly ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana voatonona eo ambony dia niaiky fa Jesosy no Mikaela.
Tadidinao ve?
◻ Iza moa Mikaela, andriana lehibe?
◻ Iza moa amin’izao andro izao no firenen’i Daniela?
◻ Amin’ny heviny ahoana moa no iarovan’i Mikaela ny firenen’i Daniela?
◻ Amin’ny fomba miavaka ahoana moa no hitsanganan’i Mikaela tsy ho ela?
◻ Iza no ho tafita velona amin’ny fotoana hitsanganan’i Mikaela?
[Sary, pejy 16]
Tsy hahomby ny fanandramana farany hanafoana ny olon’Andriamanitra, nefa amin’ny fomba ahoana?
[Sary, pejy 18]
Ho tonga ny famonjena ho an’ny olon’Andriamanitra rehefa “hitsangana” i Mikaela mba hamarana ny fifandrafiana eo amin’ireo mpanjaka roa.