Fivoriambe nampitombo ny fitokisantsika an’i Jehovah
MAHAFANTATRA marina izay ilaintsika ny Raintsika any an-danitra, Jehovah Andriamanitra, ary ampahafantariny an’ireo mpanompony mitarika ny asany eto an-tany izany, mba hanomezan’izy ireny izay ilaintsika. Tsy isalasalana mihitsy fa tsapa izany tamin’ireo fivoriamben’ny distrika hoe “Matokia an’i Jehovah”, natao naneran-tany raha vao tamin’ny jona 1987. Ireny fihaonambe ireny dia tsy azo lavina fa nanome fitaovana ny kristiana ho fanoherana ny fiheverana fa tsy mety ho fantatra ny marina, ny fiahiahiana sy ny fisalasalana fahita aoka izany eo amin’izao tontolo izao.
“Matokia an’i Jehovah”: tena votoatin’ny fandaharana tokoa io foto-kevitra io. Nasongadina izany tamin’ny alalan’ny fanambarana mahery sy hentitra, niavaka tamin’ny fahatsorany. Izay rehetra nandre izany dia nohatanjahina tamin’ny fitokisany an’i Jehovah. Voasoritra tao am-po sy tao an-tsaina io foto-kevitra io, ka nody tany an-tranony izy ireo, vonona ny hampiseho amin’ny rehetra, amin’ny asa sy amin’ny teny, fa manana fitokisana tanteraka an’i Jehovah izy ireo.
“Apetraho amin’i Jehovah ny fitokisanao”
Nampiasaina ho foto-kevitry ny andro voalohany ireo teny voasoratra ao amin’ny Isaia 26:4 (MN ) ireo. Tena nety tokoa fa ny lahateny fanokafana dia nitondra ny lohateny hoe: “Atongilano ho amin’ny tenin’Andriamanitra ny sofinao”. Nanazava ny mpandahateny fa io fitenenana io, fahita matetika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia milaza fa mihaino tsara izay lazaina ny tena amin’ny fanokafana ny fo sy ny sain’ny tena, noho ny fikasana ny hampihatra izay re. Izany dia fanehoana fifehezan-tena sy fifantohana amin’ny teny tononina, tsy misy famelana ny saina hiriorio. Raha manongilana ny sofintsika toy izany ihany isika no hanatanjaka ny fitokisantsika an’i Jehovah amin’izay ho rentsika, rehefa avy eo dia ho voatosika hanao zavatra mifanaraka amin’izany isika. Tsy tokony hanana izany fihetsika izany ve isika isaky ny mandre firesahana ny Tenin’Andriamanitra, ohatra, mandritra ireo fivorian’ny kongregasiona?
Ny foto-kevitra manaraka hoe “Faly tonga eto ireo izay matoky an’i Jehovah”, dia nankinina tamin’ny prezidàn’ny fivoriambe. Nasain’io nomarihina fa miara-mitombo amin’ny fitokisantsika an’i Jehovah ny fahasambarantsika. Ny dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah dia hoe miantehitra tanteraka aminy. Arakaraka ny ahafantarantsika tsara kokoa an’i Jehovah sy ananantsika firaiketam-po kokoa aminy, dia mihamafy kokoa ny fitokisantsika azy. Tsy fomba fiteny fotsiny akory ny foto-kevitry ny fivoriambe. Miseho amin’ny fomba maro karazana ny fitokisantsika an’i Jehovah, ka tsy ny kely indrindra amin’izany ny fiheverana ny hafa. Teo am-pamaranana ny famelabelarana nataony, dia nitondra fifaliana ho an’ny rehetra ny prezidà tamin’ny fanambarana ny zava-baovao voalohany: ny taratasy mivalona miloko mitondra ny lohateny hoe Nahoana no matoky ny Baiboly, fiasana mora ampiasaina amin’ny fitoriana.
“Natoky an’i Jehovah izy ireo.” Iza? Ny mpandahateny manaraka dia nanome ohatra miavaka ny amin’i Davida teo anoloan’i Goliata goavana, avy eo dia ny amin’ny kristiana miara-belona amintsika. Hotononintsika ny amin’ity vehivavy manana vady tsy mpino: nitana fiadiana ilay lehilahy sady nandrahona ny hamono hahafaty azy raha manohy manatrika ireo fivoriana kristiana izy. Ny Vavolombelon’i Jehovah hafa dia nanaporofo ny fitokisany an’Andriamanitra rehefa avy nandre filazana fa niankina tamin’ny fampidiran-dra ny ainy. Nisy tanora nampiseho ny fitokisany an’i Jehovah tamin’ny fanoherana fanerena nokendrena hampidirana azy ireny ao amin’ny fanatanjahan-tena na hampanarahana azy fianarana ambony aorian’ny ambaratonga faharoa.
Ny lohatenin’ny lahateny farany natao ny zoma maraina dia hoe “Vahoaka voatokana”. Mampiseho ny fitokisantsika an’i Jehovah tokoa isika amin’ny alalan’ny fitondrantena tsy azo tsinina raha ny amin’ny lahy sy ny vavy, amin’ny famelana ireo fotopoto-pitsipika kristiana hifehy ny fotoam-pialam-bolintsika sy amin’ny fanalavirana ny fisehoana ivelany rehetra hirona ho amin’ny fanafoanana ny tsy fitoviana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Izany fomba fiavahana amin’izao tontolo izao izany dia matetika no fanambarana mahery manintona olona sasany ho amin’ny fahamarinana indraindray.
Ny zoma tolakandro, ny fotoam-pivoriana dia nanomboka tamin’ilay lahateny hoe “Mahatonga ho afaka handroso haingana kokoa ny asan’ny mpitory maharitra”. Tsy misy marina kokoa noho izany! Amin’ny alalan’ny Teniny, ny fanahiny masina sy ny fandaminany, dia omen’Andriamanitra antsika izay rehetra ilaina mba handrosoana mandra-pahatonga ho “lehilahy lehibe”; amin’ny asan’ny mpitory maharitra anefa, dia afaka mampiasa tsara kokoa sy feno kokoa ireny fandaharana ara-panahy rehetra ireny isika (Efesiana 4:13). Nisy mpitory maharitra nadinadinina nanazava hoe tamin’ny fomba ahoana, noho ny fanompoana manontolo andro, no nambolen’izy ireny tamin’ny fomba feno kokoa ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, nampitomboany ny fitiavany ny namany, nahitany vokatra kokoa teo amin’ny fitoriana ka nananany fitokisana lalina kokoa an’i Jehovah izay nampifanatona azy ireny taminy. Nanafaingana ny fandrosoany ara-panahy izany anton-javatra rehetra izany.
Nanaraka izany ny lahateny fototra hoe “Vahoaka matoky an’i Jehovah mandrakariva”, lahateny mampahery izay nampiseho fa hafa noho izao tontolo izao isika noho ny fitokisantsika tanteraka amin’i Jehovah. Nifototra tamin’ny faminaniana mampahery samy hafa ao amin’ny bokin’Isaia ny mpandahateny ka nampiseho fa hitantsika tanteraka eo amintsika Vavolombelon’i Jehovah izany, satria matoky an’Andriamanitra isika. Matoky isika ary tsy andrintsika ny hahitana an’i Jehovah haneho tsy ho ela ny fahatezerany eo amin’ny firenena rehetra ka rehefa avy eo dia hanorina ny Paradisa.
“Hararaoty ny fahafahana rehetra hempiely ny vaovao tsara”: famporisihana natao ho an’ny rehetra, ka nohamafisin’ny mpandahateny nanaraka. Taorian’izany, dia nisy fampisehoana nanazavana ny fomba mandaitra azo ampiasana ilay taratasy mivalona vaovao hoe Nahoana no matoky ny Baiboly, isam-baravarana sy amin’ny fanambarana tampotampoka koa. Hanana taratasy mivalona vitsivitsy foana isika, amin’ny fahafantarana fa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia tokony hanararaotra ny fahafahana kely indrindra hampiely ny vaovao tsara, ary izany dia fomba fampisehoana ny fitokisantsika an’Andriamanitra.
“Ry ray aman-dreny, manohìna ny fon’ny zanakareo raha mbola vao kely izy” dia tapany tamin’ny fandaharana nankasitrahana tokoa. Mba hitomboan’ny fitokisana an’i Jehovah eo amin’ny zanaka iray, dia tokony hatomboka ny fanabeazana azy raha mbola vao kely izy ka homena ny toerana voalohany izany. Amin’izany ihany no hahafahana mandresy ny fitaoman-dratsin’ny televiziona sy ny sekoly ary ny manodidina. Nahazo izao fanoloran-kevitra izao ny ray aman-dreny: ‘Aoka ny tenanao ho olona izay irinao mba ho tonga toy izany koa ny zanakao.’ Ny ohatra tsara tokoa no fomba tsara indrindra hanohinana ny fon’ny zanaka. Raha irina ho ara-panahy tokoa ny rivo-piainana ao an-tokantrano, dia ilaina ny mandray anjara avy hatrany amin’ny lafiny rehetra amin’ny asa masina sy ny mahita fahafinaretana amin’izany. Tsy tokony hotombanana mihitsy na ny fiezahana na ny fotoana ilaina. Hanohina ny fon’ny zanakao koa ianao noho ny fifampiresahana tsara. Aoka ianao ho hentitra amim-pitiavana, ary ampiasao ny fahaiza-misaina rehefa mampihatra fifehezana ianao. Manaova teny fiderana ary manomeza valisoa rehefa mendrika izany izy, nefa aza mividy ny zanakao mihitsy.
Tonga ny fotoana hamelabelarana raharaha lehibe iray ho an’ny Vavolombelona tanora, ka izany no natao tamin’ilay lahateny hoe “Ry tanora, mitandrema tena mba tsy hanana fiainana roa sosona”. Nahoana ny sasany no manandrana manana fiainana roa sosona? Satria tiany ny fankasitrahan’ny ray aman-dreniny sy ny kongregasiona, sady matahotra ny hataon’ireo namany eo amin’izao tontolo izao fihomehezana izy. Na mihevitra izy fa tsy mahita fahafinaretana raha tsy mifoka, tsy mampiasa zavatra mahadomelina na tsy mijangajanga. Tsy azo atao tanteraka anefa ny ho afaka amin’ny fitsipika hoe: izay manana fiainana roa sosona dia manala baraka an’i Jehovah, mitondra fahoriana ho an’ny ray aman-dreniny ary mihantsy fahadisoam-panantenana ho an’ny tenany. Izay rehetra mamafy ho an’ny nofo dia mijinja fahasimbana, fa izay mitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah hatrany kosa ka matoky azy tanteraka dia mitandrina mba tsy hanana fiainana roa sosona. — Galatiana 6:8.
Ny fampisehoana tantara izay nanaraka avy hatrany an’io lahateny io dia nanipika mafy ireo fotopoto-pitsipika. Izany dia nitondra ny lohateny hoe Aoka isika hanaiky amim-pahatokiana an’i Jehovah sy ny fandaminany, ka nampieritreritra tamin’ny fampisehoana an-tsehatra lehilahy kristiana iray voatery namoy ny andraikiny tamin’ny naha-loholona satria hita fa nanana fiainana roa sosona ny zanany vavy. Tatỳ aoriana dia mpanatrika maro no naneho ny fankasitrahany lalina noho io tapany tamin’ny fandaharana io.
“Matokia an’i Jehovah hianao ka manaova soa”
Salamo 37:3 no foto-kevitra ny asabotsy. Taorian’ny fandinihana ny teny natao hovakina isan’andro, nisy famporisihana handinika izany tsy tapaka aloha, tao amin’ny fandaharana dia nisy lahateny nanana lafiny telo araka ny lohateny hoe “Aoka isika hampiseho ny fitokisantsika an’i Jehovah”. Nasehon’ny mpandahateny voalohany fa zava-dehibe ny hanaovana izany “Amin’ny fianarana amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra, mba hanalavirana ny fatokian-tena, ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fivadiham-pinoana. Omen’ny Fikambanana ny fanampiana maro amin’ny fianarana Baiboly, ohatra ny Index des publications de la Société Watch Tower 1981-1985. Amin’ny fampiasana faran’izay be dia be ireny zavatra vita an-tsoratra ireny ihany no hitanantsika fifandraisana amin-toky amin’ny Raintsika any an-danitra ka hahatonga antsika ho vavolombelona mahita vokatra ho azy.
Tao amin’ny lafiny faharoa, dia nohazavain’ny mpandahateny fa maneho ny fitokisantsika an’i Jehovah isika “Amin’ny fampiharana izay ianarantsika”. Tiantsika tokoa ny ho mpampihatra ny teny, miahy foana ny handrosoana. Amin’ny lafiny inona avy? Ohatra, eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, eo amin’ny fisehoantsika ivelany, na koa rehefa hoe hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha ka hanohana ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina eo amin’ireo namantsika kristiana. Mba hanalavirana ny fanotana noho ny fieboeboana, dia tokony hiahy ny hijanonana eo amin’ny toerantsika isika ao anatin’ny fianakaviantsika sy ny kongregasionantsika. Raha ampiharintsika toy izany izay nianarantsika, dia hiharihary amin’ny rehetra fa matoky an’i Jehovah isika.
Araka ny lafiny fahatelo, dia maneho ny fitokisantsika an’i Jehovah isika “Amin’ny fandaniana hery eo amin’ny fitoriana”. Amin’ny fanaovana toy izany, dia asehontsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny namantsika sady miaro tena isika. Angamba isika mianina amin’ny asa anarany fotsiny, tanterahina amin’ny fomba matimaty, nefa ahoana no fiheveran’i Jehovah izany? Moa ve ny Zanany tsy mamporisika antsika mba hiady mafy (Lioka 13:24, MN )? Rehefa tsapantsika fa mitombo tsy tapaka ny isan’ny mpitory, ny mpitory maharitra sy ny ora lany teo amin’ny fanompoana kristiana amin’ny ara-keviny, moa ve isika tsy mahatsiaro ho voatosika hanao misimisy kokoa eo amin’ny lafiny manokana? Amin’ny fananana zotom-po, dia hanome ohatra tsara isika, haneho ny fitokisantsika an’i Jehovah sy hahazo ny fankasitrahany.
Nisy fiangaviana ny fieritreretantsika nony avy eo tamin’ilay lahateny hoe “Miezaha manome amin’ny fatra feno”. Manome be dia be antsika aoka izany Jehovah eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo! Maneho ny fankasitrahantsika isika amin’ny fanahafana azy, na rehefa manao fanambarana isika na rehefa manohana ara-bola ny fitoriana. Ho afaka ny hanafoana ny fahafinaretana andaniam-bola be ve isika mba hanomezana amin’ny fatra feno kokoa?
“Ny fanoloran-tenanao sy ny batisanao dia mampiseho ny fitokisanao an’i Jehovah.” Nasehon’io lahateny momba ny batisa io fa Andriamanitra fa tsy ny olona no tokony hitokisantsika. Asehon’ny batisa amin’ny rano fa maty isika raha ny amin’ny fitsipi-pitondrantena narahintsika taloha ary mitsangana mba hanana fomba fiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa vita izany dingana izany, dia tokony hanohy ‘hanao ny marina, ho tia famindrampo ary hanaraka an’Andriamanintsika amin’ny fanetren-tena’ isika. (Mika 6:8.) Tamin’ireo natao batisa dia nisy zazavavy kely 8 taona mitarika fampianarana Baiboly roa miaraka amin’ny mpiara-mianatra; nisy lehilahy 79 taona koa sy malemy tongotra aman-tanana 44 taona.
Teo am-panombohan’ny fandaharana ny asabotsy tolakandro, dia azo natao ny nihaino ilay lahateny hoe “Aoka isika hanao izay ‘ilaina’ mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra”, nifototra tamin’ny Asan’ny apostoly 15:28, 29. Nosoritany ny maha-zava-dehibe ny hampahafantarana mialoha ny mpitsabo antsika ny amin’ny toerantsika raha ny amin’ny ra, alohan’ny hampiasana izany maika ara-pitsaboana, ary nanolotra fanipazan-kevitra tsara dia tsara ny amin’ny fomba fanaovana izany.
Nisy resaka be nampiseho fankasitrahana nanaraka ilay foto-kevitra hoe: “Ny fiterahana amin’ny andro farany: andraikitra mavesatra”. Izany dia namelabelatra fiheverana nety ny amin’ny hoe, raha marina fa manome fifaliana lehibe ny zanaka, dia manampy andraikitra maro koa izy ireny ary matetika no mitondra alahelo, ohatra, rehefa manjary ratsy. Ny reny no mety hiharan’ny fahavoazana ara-panahy indrindra noho ny andraikitra amin’ny fiterahana.
Avy eo, dia nisy ilay lahateny hoe “Ry loholona tandremo ny zavatra nankinina taminareo”. Izany zavatra nankinina izany dia ny fiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra — ny fitarihana azy, ny famahanana azy sy ny fiarovana azy, mifanaraka amin’ny Isaia 32:1, 2. Tsy mora akory ny manatanteraka ireo andraikitry ny tena ara-pianakaviana sady miantsoroka ny adidin’ny tena ao anatin’ny kongregasiona. Mba hitandremana ny zavatra nankinina taminy, ireo loholona dia tokony hanalavitra ny fandriky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny fialam-boly tafahoatra na ny fandriky ny fahafinaretana tsy mendrika hataon’ny kristiana iray. Tany amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina, any Dortmund, ny anankiray tamin’ireo loholona nametrahana fanontaniana dia mitandrina ny zavatra nankinina taminy hatramin’ny 60 taona.
Ho tohiny mifandrindra tamin’izany, ilay lahateny hoe “Maneke ny mpitondra anareo” dia nampiseho fa ny fitiavana dia manampy hanaiky sy hankatò ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona. Izany dia misakana antsika tsy ho sarotiny loatra satria izy ireny tsy tanteraka, ary toy izany koa ny tenantsika (Hebreo 13:17). Rehefa manaja ireo loholona ny amin’ny raharaha lehibe na madinika isika, dia tsy manavesatra ny andraikitr’izy ireny fa manampy azy hitondra izany kosa.
Ireo lahateny telo farany natao ny asabotsy dia nahaforona fitambarany nitondra ny lohateny nifototra tamin’ny Hebreo 4:12 hoe: “Velona ny Tenin’Andriamanitra”. Nanazava ny mpandahateny voalohany fa velona ny Tenin’Andriamanitra satria “Manan-kery manova izany”. Amin’izao andro izao toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly, dia ananantsika ny ohatra be dia be ny amin’ny olona izay, noho ny fitokisana tamin’Andriamanitra, dia nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany ka nanan-kery hitoriana tsy amin-tahotra.
Ny lahateny faharoa momba ny Tenin’Andriamanitra dia nanantitrantitra fa izany dia “maranitra noho ny sabatra roa lela”. Izany dia manampy antsika handrotidrotika ireo fampianaran-diso babyloniana. Izany koa dia manampy ‘hampisaraka ny aina sy ny fanahy’ amin’ny fanaovana izay hahatonga antsika hahay hanavaka ny ataontsika sy ny tena antony manosika antsika. Amin’ny fampiasana toy izany ny “sabatra”, dia hahazo sitraka kokoa amin’i Jehovah Andriamanitra isika, ary hihavana kokoa ihany koa amin’ny hafa sy ny tenantsika.
Ny tapany farany dia nampiseho fa velona ny Tenin’Andriamanitra satria “Manatanjaka ny fontsika sy manosika antsika hiasa izany”. Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “fo” dia mandrakariva ampiasaina amin’ny heviny ara-panoharana mba hanondroana ny maha-isika antsika ao anaty, izay miseho amin’ny toe-tsaina sy toe-pontsika. Manatanjaka ny fontsika ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fampiharihariana ireo toetra mahatalanjon’ny Mpamorona eo amin’ny fifandraisany amin’ny olombelona. Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fitiavany tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena, dia manosika antsika hanahaka azy. Ho famaranana, dia notanisain’ilay mpandahateny ireo Baiboly navoakan’ny Fikambanana Watch Tower ary nampifaly ny mpihaino azy tamin’ny fanambarana ny fivoahan’ny fanontana fanao am-paosy iray amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, modely mirenty, amin’ny fiteny anglisy, sy ny fivoahan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fanamarihana, amin’ny teny frantsay.
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”
Io foto-kevitra ny alahady io, nalaina avy ao amin’ny Ohabolana 3:5, no fototry ny fiaraha-midinika notarihin’ny loholona iray izay nandinika ny teny natao hovakina ho fampidirana ny fandaharana. Nanarakaraka azy, dia nisy mpandahateny nanao ny lahateny hoe “Mihevitra ny zavatra masina ho lehibe araka ny mety ve ianao?”, famelabelarana mahatonga handini-teny aoka izany. Mihevitra izao tontolo izao fa tsy tokony handoa na inona na inona ho an’Andriamanitra izy; isika Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa dia mahafantatra fa mba hananana ny fankasitrahany, dia tokony hotahafintsika ireo olona nahatoky taloha amin’ny fiheverana ho sarobidy tokoa ireo zavatra masina. Nolazain’ilay mpandahateny tamin’ny andininindininy ny zavatra masina 13, ka anisan’izany ny anaran’i Jehovah, ny Teniny, ny fanahiny masina, ireo lalàny, ny fandaminany hita maso, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ireo fivoriana kristiana sy ireo tombontsoam-panompoantsika. Raha tena misy vidiny amintsika tokoa izany, dia homentsika ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika, hatoky tanteraka an’i Jehovah isika ary hamaly soa antsika izy.
Nitohy ny fandaharana tamin’ny lahateny nandona nitondra ny lohateny hoe “Ankahalao ny lalana mahamenatr’izao tontolo izao”. Na fahatsorany dia nahatonga hilaza toy izao, ohatra: “Izany indrindra no nilainay!” Koa satria manjary fahita ny faharatsiana, dia tokony hitandrina ny kristiana mba tsy handefitra eo anoloan’ny fahalotoana sy ny herisetra (2 Timoty 3:1-5). Noho izany, dia tsy ho tiantsika ny hihevitra ireny zavatra ireny, na ny televiziona, na ny radiao na ireo revio no mampiseho azy. Tsy tiantsika tokoa na dia ny mieritreritra izany aza. ‘Ny kristiana marina izay maniry hitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah dia tena tsy afaka mifandray amin’ny sary maloto’, na dia kely akory aza!
Ny fandaharana ny alahady maraina dia nifarana tamin’ny fampisehoana tantara araka ny Baiboly nahavariana araka ny lohateny hoe Manafaka ireo izay miantso ny anarany Jehovah. Nosoritany ny fisehoan-javatra maromaro teo amin’ny fiainan’i Josoa, ary nataony izay hahazoana an-tsaina araka ny tena izy ny amin’izay nety ho niainan’ireo mponina tao Jeriko rehefa nanodidina ny tanànan’izy ireo tao anatin’ny andro maso nisesy ireo mpiady teo amin’ny Isiraely. Tetsy an-daniny koa, dia nosoritana ny amin’ny finoan-dRahaba nahatonga an’io vehivavy io sy ny ankohonany hafahana. Nilaza toy izao ny famaranan-teny: ‘Aoka isika izao hanontany tena hoe: “Manana finoana matanjaka sy fitokisana tahaka ny an’i Josoa sy ireo namany nahery fo ve aho?” Raha izany no izy, dia afaka ny hanana anjara amin’ny fandresena farany ireo fahavalon’i Jehovah isika ka hahazo ny famonjena ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao.’
Ho an’ny vahoaka, ilay fivoriamben’ny distrika hoe “Matokia an’i Jehovah,” dia nanokana ilay lahateny mitondra ny lohateny hoe “Eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tahotra, iza no tena azo ametrahana ny fitokisana?” Tsy azo atao ny misalasala taorian’io famelabelarana io fa tena mila izay itokisana ny olombelona! Nasehony fa zava-poana ny hitokisana amin’ny olombelona. Noho izany antony izany, ny Tenin’Andriamanitra dia manoro hevitra antsika mba hatoky an’i Jehovah ka manome antony tsara dia tsara ho fanamafisana izany. Tokony hatoky azy tokoa isika noho ireo toetrany sy noho ny nanafahany ireo nametraka ny fitokisana taminy, toy ny hita tamin’ny fomb niavaka teo amin’i Hezekia mpanjaka. Tsy ho ela dia hahita fanafahana sahala amin’izany ireo izay manao zavatra manaporofo ny fitokisany an’i Jehovah.
“Manohiza ‘miaina amim-pihavanana’ ” no lohatenin’ny lahateny nanaraka. Ny hoe miaina amim-pihavanana dia milaza fiasana amim-paharisihana ho an’ny fihavanana. Izany koa dia hoe mihavana amin’ny tena satria manana fieritreretana tsara. Amin’ny fanehoana ireo vokatry ny fanahy, indrindra fa ny fitiavana sy ny fifehezan-tena, dia ho afaka ny hiaina amim-pihavanana miaraka amin’ny fianakaviantsika isika ary, ao anatin’ny kongregasiona, miaraka amin’ireo namantsika kristiana.
Tsy azo lavina fa nahazo fitaovana tamin’ny alalan’io fivoriambe io isika, ka “Mibanjina ny ho avy amim-pitokisana tanteraka an’i Jehovah”, izany no lohatenin’ny lahateny farany, famintinana amin’ny fomba mahafinaritra ny fandaharana. Nasongadin’ilay mpandahateny fa ilaintsika isan’andro ny miantehitra amin’ny fo rehetra amin’i Jehovah, ny mihevitra azy amin’ny lalantsika rehetra sy ny mamela azy hitarika ny diantsika (Ohabolana 3:5, 6). Nahafaly ny mpanatrika indrindra ny nandre fa nomanina ny planin’ny lahateny ampahibemaso vaovao 16 sy fanontana indray lahatsoratra iray momba ny ra nivoaka teo aloha tao amin’ny Réveillez-vous!, azontsika omena ny mpitsabo antsika. Faly koa isika nahafantatra fa noraisina amin’ny “cassettes” ny tantara araka ny Baiboly hafa iray ary mbola hatao pirinty koa ny taratasy mivalona telo vaovao.
Nampitombo ny fahalalana ara-panahin’izay rehetra nanatrika izany ilay fivoriamben’ny distrika hoe “Matokia an’i Jehovah”. Vonona ireo izao ny hiatrika ny ho avy amim-pitokisana tanteraka ny Rainy any an-danitra. Nety tanteraka izao ny hiatrika ny ho avy amim-pitokisana tanteraka ny Rainy any an-danitra. Nety tanteraka ny nanomezana izao fampaherezana ho an’ny rehetra izao tamin’ny fananarana farany: “Raha mbola miandry ireo fisehoan-javatra ho avy isika, enga anie isika rehetra hampiseho ao anatin’ny firaisan-tsaina amin’ny fomba fiainantsika fa mametraka ny fitokisantsika amin’i Jehovah isika.”
[Tabilao, pejy 26]
Fivoriamben’ny distrika “Matokia an’i Jehovah” tany amin’ny toerana samihafa
Mpanatrika Batisa
Autrice 24 686 360
Brésil 442 731 7 626
Colombie 82 321 1 852
Corée 82 296 2 013
Danemark 23 029 200
Espagne 105 591 2 394
États-Unis 1 288 313 13 562
Finlande 26 144 284
France 138 683 2 705
Hong Kong 2 661 49
Îles Britanniques 156 417 1 225
Irlande 4 326 61
Italie 221 227 5 496
Jamaique 18 540 184
Japon 232 904 3,416
Malaisie 1 154 15
Norvège 12 703 218
Porto Rico 49 953 377
Portugal 55 057 1 074
R.F.A. 159 361 1 455
Suède 30 099 312
Suisse 19 459 261
Trinité 10 649 132
Venezuela 100 777 1 664
Zimbabwe 45 544 580
[Sary, pejy 25]
Ny fampisehoana tantara mampieritreritra dia nanipika fa ilaina ny mitoky amin’i Jehovah.
Frederick Franz, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo anoloan’ny mpihaino manongilan-tsofina.
[Sary, pejy 26]
Maro be no nampiseho ny fitokisany an’i Jehovah tamin’ny fanekena hatao batisa ho fampisehoana fa nanolo-tena ho azy izy ireny.