Mahakasika anao ny fitsarana eo amin’izao rehetra izao
“Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah. Asehoy izay mahamarina ny anareo.” — ISAIA 41:21.
1, 2. a) Iza moa no voakasika amin’ny fitsarana manapa-javatra indrindra eo amin’ny Tantara? b) Inona no fanontaniana iadian-kevitra?
FITSARANA maro no natomboka teo amin’ny Tantara. Naroso ny vavolombelona sy ny porofo ho an’ny andaniny iray na ho an’ny ankilany. Nifamely tamin’izany na isam-batan’olona na antokon’olona. Tsinontsinona anefa ireny raharaha rehetra ireny manoloana ny fitsarana eo amin’izao rehetra izao, izay miseho amin’izao androntsika izao. Io fitsarana io no hanapa-javatra indrindra noho izay rehetra nety nitranga teo amin’ny Tantara, ary ny fiafarany dia hahakasika ny mponina rehetra amin’ny tany, na tsapany fa voakasika amin’izany izy na tsia.
2 Ny olona ifotoran’io fitsarana io dia ny fisiana lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, dia Jehovah Andriamanitra, “Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy.” (Isaia 42:5.) Ny raharaha iadiana dia ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah: manapaka izao rehetra izao, indrindra ny tany sy ny mponina eo aminy amim-pahamarinana ve izy? Azo antsoina hoe ny raharaha ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao izany.
3. Fanontaniana fototra inona avy moa no atrangan’ny raharaha ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao?
3 Io fiadian-kevitra io dia mampitranga fanontaniana fototra maromaro: amin’ireo andriamanitra rehetra nanoloran’ny olombelona fanompoam-pivavahana, iza no niseho ho mendri-pitokisana mba hanaovan’ny mpivavaka aminy vy very ny ainy sy ny ho aviny ho fanompoana azy? Iza tamin’ireny no tena nisy, ary iza tamin’ireny no noforonin’ny olombelona fotsiny? Moa ve misy Andriamanitra velona iray, marina sady ambony indrindra, izay afaka manavotra ny olombelona amin’ny toe-javatra mampidi-doza misy azy ary manorina ny fitondram-panjakana ilainy: dia izay hitondra ny tena fiadanana sy filaminana ary ny fanambinana sy ny tena fahasalamana?
4. Inona no azo lazaina ny amin’ireo olona izay tsy mahatsapa ho voakasiky ny raharaha ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao satria, araka ny filazany, efa mino an’Andriamanitra izy ireny?
4 Olona maro no tsy mahatsiaro ho voakasiky ny raharaha momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao satria, araka ny filazany, dia efa mino an’Andriamanitra izy. Kanefa, afaka manaporofo ve izy ireo fa ny Andriamanitra ivavahany dia tena ilay Andriamanitra marina, ka ny fampanantenana omeny dia azo itokisana, ka manaiky hotarihin’ny fikasany sy ny lalàny izy? Raha mamaly hoe ‘eny’ ireny olona ireny, dia tokony ho afaka hamaly an’ireto fanontaniana manaraka ireto koa: Ahoana tokoa moa no azo anaporofoana fa misy Andriamanitra marina iray, izay ny fampanantenana omeny dia azo itokisana? Inona no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona sy ny tany? Aiza ho aiza no misy antsika araka ny fanisanandron’Andriamanitra, ary inona no atokan’ny ho avy tsy ela ho antsika? Inona no andrasan’Andriamanitra avy amin’ny tsirairay amin’ireo maniry hiasa ho azy?
5. Azo oharina amin’iza mkoa ny olona izay tsy afaka manome porofo hanohanany ny finoany an’Andriamanitra?
5 Ny ankamaroan’ny olona milaza ho mino an’Andriamanitra dia tsy afaka manome valiny marina amin’ireo fanontaniana ireo. Azo atao ny manohatra azy ireny amin’ireo olona tamin’ny taonjato voalohany izay nilaza ho nino an’Andriamanitra kanefa ny asany dia tsy nifanaraka tamin’ny teniny. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba azy ireny: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà azy amin’ny asany.” Marina tokoa fa “maty (...) ny finoana raha tsy misy asa.” (Titosy 1:16; Jakoba 2:26.) Noho izany, ny olona milaza ho mino an’Andriamanitra nefa tsy afaka manolotra porofo mafy orina ho fanohanana ny finoany, dia tsy misy hafa amin’ireo olona izay, nandritra ireo taonjato lasa dia nino andriamani-diso izay tsy anolorana fanompoam-pivavahana intsony efa ela izao.
Fitsarana mampiharihary zavatra
6, 7. a) Inona no nahaforona ny fivavahan’i Egypta fahiny? b) Anjara asa inona no nananan’ny Isiraelita tao amin’ny fitsarana nampifanohitra an’i Jehovah tamin’ireo andriamanitr’i Egypta?
6 Ohatra iray amin’ny fitsarana mampiharihary zavatra, dia ny ady natombok’i Jehovah hanoherana ireo andriamanitr’i Egypta fahiny, tokony ho taonjato dimy ambin’ny folo talohan’ny fanisan-taona iraisana. Ny Egyptiana dia nanompo andriamanitra maro be, anisan’izany ny biby toy ny jakala, ny saka, ny mamba, ny voromahery, ny sahona, ny liona, ny amboadia, ny bibilava, ny ombilahy, ny ombivavy ary ny papango. Ireo biby ireo dia noheverina ho nampiseho andriamanitra lahy na vavy iray, ka izay namono azy ireny an-tsitrapo dia mendrika ny ho faty. Notehirizina tsy ho lo ny fatin’ireo biby masina ary nanaovana fandevenana nalaza tokoa izy ireny.
7 Ankilan’ireo Andriamanitra rehetra ireo, dia teo ilay Andriamanitra notompoin’ny Isiraely fahiny, Jehovah izany. Naniraka an’i Mosesy solontenany izy, hangataka amin’i Farao mba hanafaka ny Vahoakany izay nandevozina, ka nampanantenainy fahafahana (Eksodosy 3:6-10). Farao kosa dia nanao hoe: “Iza moa Jehovah no hekeko teny handefasako ny Isiraely? Tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.” (Eksodosy 5:2). Nihevitra tokoa i Farao fa lehibe noho Jehovah ireo andriamanitr’i Egypta.
8, 9. a) Ahoana no nanaporofoan’i Jehovah fa lehibe noho ireo andriamanitr’i Egypta izy? b) Noho izay nitranga, inona no tokony holazaina ny amin’ireo andriamanitr’i Egypta?
8 Iza no hiharihary ho ilay Andriamanitra marina, sady afaka mitana ny fampanantenany sy miaro ny vahoakany? Tsy ho ela akory dia ho fantatra izany. Jehovah dia nanambara hoe: “Ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa.” (Eksodosy 12:12). Moa ve nanatanteraka izany faminaniany izany izy? Eny. Nahatonga loza folo nahatsiravina natao hampietrena ireo andriamanitr’i Egypta izy; ary tsy nisy tamin’ireny andriamanitra ireny tokoa afaka niaro ny Egyptiana. Ny loza fahafolo indrindra, dia nisy heviny lehibe, satria nahafaty ny lahimatoan’ny Egyptiana, hatramin’ny zanakalahin’i Farao; izany dia famelezana mivantana ny lazan’ny andriamanitr’izy ireo lehibe indrindra, Râ (Amon-Râ), satria ireo mpanjakan’i Egypta dia nihambo ho zanak’i Râ, ka nanao ny tenany ho andriamanitra. Teo imason’ny Egyptiana, ny fahafatesan’ny lahimatoan’i Farao dia sahala amin’ny fahafatesan’ny andriamanitra iray.
9 Ambonin’izany, tsy nisy maty tamin’ireo lahimatoan’ny Isiraelita, satria nahazo ny fiarovan’i Jehovah izy ireo. Andriamanitra dia nanome ny fahafahana nampanantenainy ny vahoakany, avy eo dia namely farany an’ireo andriamani-tsy izy tany Egypta izy, tamin’ny famongorana an’i Farao sy ny tafiny rehetra tao amin’ny ranomasina Mena. Tamin’izany fomba izany no nihariharian’i Jehovah ho ilay Andriamanitra marina; notanterahiny ny fampanantenany ary narovany ny mpanompony (Eksodosy 14:21-31). Ny andriamanitr’i Egypta kosa dia niseho ho tsy afaka nanampy ny mpivavaka taminy. Voaporofo fa tsy nisy akory na oviana na oviana ireny andriamanitra ireny, fa zavatra noforonin’ny olombelona fotsiny.
10. Zavatra niadian-kevitra inona no nampifanandrina ny mpivavaka tamin’i Jehovah sy Asyria?
10 Nitranga ny fitsarana hafa iray momba ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah, taonjato valo teo ho eo taty aoriana, tamin’ny andron’i Hezekiaa mpanjaka. Ny mpivavaka tamin’i Jehovah dia norahonan’ny Herim-panjakana asyriana lozabe; izy io dia nandresy ireo firenena rehetra tojo azy teny amin’ny lalany; izao dia notakiny ny filavo lefon’i Jerosalema, tanàna izay nanorenana ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, ka nampiseho ny fanompoam-pivavahana taminy teto an-tany (1 Tantara 29:23). Hezekia, mpanjakan’i Joda dia niaiky fa ny Asyriana dia “nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo satria tsy andriamanitra ireny, fa asan’ny tànan’olona ihany.” — Isaia 37:18, 19.
11. Ahoana no namonjen’i Jehovah ny mpanompony, ary manaporofo inona ireny fisehoan-javatra ireny?
11 Tamin’izay dia nivavaka tamin’i Jehovah i Hezekia nahatoky mba hangataka ny fiarovany. Jehovah dia nampanantena fa tsy hisy fiadiana asyriana hamely an’i Jerosalema (Isaia 37:33), ary nitana ny teny nataony izy. Dia “avy ilay anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana”. Taorian’izany faharesena lehibe izany, Sankeriba mpanjakan’i Asyria dia nandositra. Taty aoriana dia novonoin’ny zanany lahy izy raha teo am-pivavahana tamin’i Nisroka andriamaniny (Isaia 37:36-38). Tamin’izany no nisehoan’i Jehovah indray ho ilay Andriamanitry ny faminaniana marina, dia Ilay afaka manavotra ny mpanompony. Voaporofo koa fa ireo andriamanitr’i Asyria sy ny an’ireo firenena manodidina dia andriamani-diso, sady tsy nisy, koa tsy afaka niaro ny mpivavaka taminy noho izany.
12. Tamin’ny ahoana i Belsazara no tsy nanaja an’i Jehovah?
12 Taonjato roa teo ho eo tatỳ aoriana, dia navelan’i Jehovah hoentina hobaboin’i Babylona, herim-panjakana nandimby an’i Asyria, ny vahoakany nivadika. Ny nampiavaka indrindra an’ity firenena ity dia ny hamaroan’ireo andriamaniny sy ny andriamani-baviny ary ny tempoliny. Tao anatin’ny fihetsehan’ny fiavonavonana, Belsazara mpanjaka babyloniana dia tsy nanaja an’i Jehovah. Nandritra ny fanasana lehibe iray dia nodidiany mba halaina ireo fanaka masina azo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. “Ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony nisotro taminy. Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.” — Daniela 5:1-4.
13. Nataon’i Jehovah izay hanononan’i Daniela teny inona teo anoloan’i Belsazara?
13 Izany dia fanevatevana mivantana an’i Jehovah, fihaikana natao tamin’ny anaran’ireo andriamanitr’i Babylona. Tamin’izay dia nataon’i Jehovah izay anaovan’i Daniela mpaminaniny fanambarana feno fahasahiana tamin’i Belsazara mpanjaka sy ireo rehetra nanatrika ilay fanasana. Daniela dia niaro ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah ka nilaza tamin’i Belsazara hoe: “Hianao tsy mba nampietry ny fonao (...). Fa niavonavona tamin’ny Tompon’ny lanitra hianao, (...) ary hianao nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra izay mitana ny ainao sady Tompon’ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.” — Daniela 5:22, 23.
14. Ahoana no nanaporofoan’i Jehovah fa izy no Andriamanitra marina?
14 Avy eo Daniela dia nampita izao hafatra manaraka izao avy amin’i Jehovah: amin’io alina io ihany, i Belsazara mpanjaka miavonavona sy Babylona dia hazeran’ny Mediana sy ny Persiana (Daniela 5:24-27). Tanteraka ve io faminaniana io? Eny. “Ary tamin’io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana, ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana.” (Daniela 5:30 ka hatramin’ny 6:1). Toy izay nitranga tamin’ny ady nampifanohitra azy tamin’i Egypta sy Asyria, Jehovah dia niharihary ho ilay Andriamanitra marina, Ilay manatanteraka ny fampanantenany. Ireny fisehoan-javatra ireny dia nisy vokany nahasambatra teo amin’ny mpanompon’Andriamanitra, satria nahazo fahafahana indray izy ireo ka niverina tany amin’ny taniny. Ireo izay nikiry nanaraka andriamani-diso dia tsy afa-nandositra ny loza.
Faminaniana ho amin’izao androntsika izao
15. a) Inona no azo lazaina ny amin’ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly? b) Inona koa moa no tiantsika holazaina ny amin’ny teny hoe “andriamanitra”?
15 Raha marina fa Isaia dia nomen’Andriamanitra tsindrimandry mba hilaza faminaniana izay tanteraka Fahizay, matetika koa ireo faminanian’ny Baiboly dia manana fahatanterahana hafa, amin’ny ambaratonga lehibe kokoa, ary amin’ity indray mitoraka ity amin’izao androntsika izao; izany no niseho tamin’ireo faminaniana maro nosoratan’Isaia. Ny hafatra nampitainy dia nisy faminaniana momba ny fihaikana alefan’i Jehovah ankehitriny ho an’ny firenena rehetra sy ireo andriamaniny. Ny tiantsika holazaina amin’ny teny hoe “andriamanitra” eto, dia tsy ny andriamanitra ivavahan’ny olombelona fotsiny akory, anisan’izany ireo antsoina hoe ‘mpanompo sampy’, ary izany dia maneran-tany, fa andriamanitra hafa koa izay mifanitsy amin’ny hevitr’io teny io. Ny rakibolana iray dia manome izao heviny manaraka izao indrindra ny teny hoe “andriamanitra”: “Persona [na zavatra] mampientana ny hafanam-po, ny fahatalanjonana, ny fanajana.”
16. Andriamanitra inona avy moa, no ivavahan’ny olona eo amin’ireo firenena ankehitriny, anisan’izany ny mpikambana amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
16 Amin’izao androntsika izao, dia azo kilasina ho anisan’ny “andriamanitra” ireo andriamanitra an-tapitrisany maro ivavahan’ny hindoa, ary koa ireo andriamanitry ny bodista, ny sintoista ary ny hafa ihany koa. Tsy hadinointsika koa ny materialisma, ankamasinin’ny ankamaroan’ny olombelona, ny antony lehibe indrindra manosika azy hanao zavatra; ao koa ny hery ara-tafika na ny siansa izay andriamanitra ianteheran’ny firenena mba hiantohana ny filaminany. Ambonin’izany, ny ankamaroan’ny olona milaza ho mino an’Andriamanitra, na dia ireo eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza, dia tsy tena matoky azy akory na tsy manompo azy am-pahatokiana; tsy izany fa miantehitra amin’olombelona izy aloha na amin-javatra tsy manana aina ka manompo azy ireny.
17. Amin’iza moa no ho tanteraka amin’ny lafiny lehibe ny hafatra nentin’Isaia?
17 Amin’izao androntsika izao, ny hafatra nentin’Isaia dia ho tanteraka amin’ny lafiny lehibe eo amin’ireny “andriamanitra” rehetra ireny. Jehovah dia milaza amin’ireo antokom-pirenena mba hiangona ka “hiteny”. Mandefa izao fihaikana izao izy: “Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana (Isaia 41:1). Ankehitriny izao tontolo izao dia miaina ao anatin’ny fotoana ‘hitsarana’ azy na, araka ireo faminaniana voasoratra ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 [MN ], sy Matio 24:1-14, dia ao amin’ny “andro farany”. Jehovah dia mihaika ny andriamanitr’ireo firenena mba hanambara mialoha ny ho avy ka hanaporofo amin’izany fa andriamanitra izy ireo. Mihaika azy ireo koa izy mba hiaro ny mpivavaka aminy raha mahavita izany. “Alaharo eto ny teninareo”, hoy izy. “Asehoy izay mahamarina ny anareo (...), ka hasehony amintsika [hasehoy aminay, MN ] izay zavatra mbola ho avy.” — Isaia 41:21, 22.
18. Ahoana no teny anambaran’ilay Andriamanitra Tsitoha ny tenany amin’ny olombelona, ary inona no ampanantenainy ny vahoakany?
18 Ny Andriamanitra Tsitoha dia mampahafantatra ny tenany amin’ny olombelona: “Izaho no Jehovah, izany no anarako; ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” (Isaia 42:8). Hoy izy amin’ny vahoakany: “Aza matahotra hianao, fa momba anao aho. Ary aza miherikerika foana, fa izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao aho sady mamonjy anao.” Avy eo dia mampanantena azy toy izao izy: “Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao. Ho tsinontsinona izy; eny ho levona izay miady aminao.” “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy ambinina (...). Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah.” — Isaia 41:10, 11; 54:17.
19, 20. a) Ahoana no ampisehoan’Isaia fa misy fotoana noferan’i Jehovah hamerenana indray ny zavatra amin’ny laoniny? b) Iza no natsangan’i Jehovah amin’izao “andro farany” izao, ary amin’ny fomba ahoana no nampisehoan’ireny olona ireny azy?
19 Nandritra ny taonjato maro, Jehovah dia namela ireo firenena hanaraka ny lalana izay noheveriny ho nety, nefa tonga izao ny fotoana noferany hamerenana indray ny zavatra amin’ny laoniny eto ambonin’ny tany. Koa nanambara izy hoe: “Efa tsy niteny aho hatrizay hatrizay. Nangina ihany aho ka nanindry fo.” Kanefa amin’izao androntsika izao, “Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery. Tahaka ny fanaon’ny mpiady no amohazany ny fahatezerany. Miantsoantso izy, eny mihiaka mafy; mampiseho hery haharesy ny fahavalony izy.” (Isaia 42:13, 14.) Amin’ireo faminanian’Isaia sy ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly, ary koa tamin’ny alalan’i Jesosy, Jehovah dia naminany fa amin’ny “andro farany” izy dia hanangana vahoaka iray izay hitondra fanambarana amin-jotom-po, toy ny hoe voantso hitsangana ho vavolombelona mandritra ny fitsarana iray ny mpanompony.
20 Ny vahoaka natsangan’i Jehovah mba hanompo azy dia manome porofo fa izy no Andriamanitra marina, Ilay mamonjy ny mpanompony sady mandringana ny andriamani-diso sy ny mpivavaka amin’ireny. Ankehitriny, ny vahoakan’i Jehovah dia ‘mihira fiderana azy hatramin’ny faran’ny tany, hatramin’ny firenena rehetra sy ny nosy, hatramin’ny tampon’ny tendrombohitra’. (Isaia 42:10-12.) Tanteraka tamin’izany ity faminaniana hafa nataon’Isaia ity: “Ary izao no ho tonga any am-parany [amin’izao androntsika izao], ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah [ny fanompoam-pivavahana marina aminy] dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana [ny endrim-panompoam-pivavahana hafa rehetra]; ary ny jentilisa rehetra [olona avy amin’ny firenena rehetra] hitanjozotra hankany.” Famporisihana inona moa no ataon’ireo olona ireo amin’ny olona tso-po? Hoy izy ireo aminy: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah (...); mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” — Isaia 2:2-4.
21. Fanontaniana inona avy moa no entin’ny fihaikana alefan’i Jehovah amin’ireo andriamanitry ny firenena?
21 Noho izany, toy ny miresaka ao amin’ny tribonaly iray, Jehovah dia manambara hoe: “Aoka hiangona ny firenena rehetra, ary aoka hivory ny olombelona! (...) Aoka hoentiny ny vavolombelony hahamarina azy, ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.” (Isaia 43:9). Izany dia fihaikana alefa amim-pahatsorana ho an’ireo andriamanitry ny firenena. Iza amin’izy ireo no afaka manambara ny ho avy? Iza no efa nahavita izany? Iza amin’ireny andriamanitra ireny no afaka mahita olombelona iray hanamarina amin’ny alalan’ny porofo mafy orina fa niseho ho andriamanitra marina ny tenany ka mendrika ny fifikirantsika? Inona avy ny asa vitan’ny andriamanitr’ireo firenena sy ny mpivavaka aminy amin’izao androntsika izao? Moa ve mba tsaratsara kokoa noho ireo andriamanitr’i Egypta sy Asyria ary Babylona fahiny izy ireny? Ankoatr’izany, moa ve nanaporofo tamin’ny fomba azo antoka ireo nanao fanambarana ho an’i Jehovah fa Jehovah no Andriamanitra marina, ny Hany mendrika ivavahana? Ny amin’ireo fanontaniana ireo no horesahin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny nomeraony tamin’ny 15 aprily Ny Tilikambo Fiambenana dia mandinika ny fomba namalian’i Jehovah soa ny fitokisan’i Hezekia taminy. Ireny fitrangan-javatra nanaitra ireny dia nifandray koa tamin’ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah.
Famerenana
◻ Inona moa ny raharaha momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao?
◻ Iza ireo ‘andriamanitry’ ny firenena izay tafiditra amin’io raharaha io amin’izao androntsika izao?
◻ Manonòna fitsarana telo mampiharihary zavatra izay nanaporofo ny fahambonian’i Jehovah teo amin’ireo andriamani-diso.
◻ Ahoana no nampisehoan’Isaia fa hamerina ny zavatra amin’ny laoniny Jehovah amin’izao androntsika izao?
◻ Fanontaniana inona avy mahakasika ireo mpanaraka ny fivavahana rehetra moa no mendrika hovaliana?
[Sary, pejy 11]
Ireo andriamanitr’i Egypta dia tsy nanam-pahefana mihitsy teo anoloan’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.
[Sary, pejy 12]
Ilay Andriamanitra marina dia nampihatra faharesena lehibe teo amin’ireo andriamanitr’i Asyria sy ny mpivavaka aminy.
[Sary, pejy 13]
Nampita ny hafatr’i Jehovah tamin’ny mpivavaka amin’ireo andriamani-dison’i Babylona i Daniela.