Jeremia: mpaminany tsy tiam-bahoaka manambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra
Ny 17 aprily ka hatramin’ny 21 aogositra, ny famakiana ny Baiboly isan-kerinandro alamina amin’ny faritry ny Fianarana ny fanompoana teokratika dia hiankina amin’ny bokin’i Jeremia. Ireo lahatsoratra fianarana telo aseho ato dia manome ambangovangon’ny fitambaran-teny nanoratana an’io boky io, ary manamora ny fahatakarana ny heviny.
“Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro (...) Notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena [hianao].” — JEREMIA 1:5.
1. a) Ahoana no iheveran’ny sasany an’i Jeremia atỳ aoriana? b) Kanefa, ahoana no fahitany ny tenany?
“NA dia amin’ireo mpaminany aza, Jeremia dia goavana.” Izany fitsarana nataon’ny mpandinika Baiboly iray izany dia mifanohitra amin’ny fiheverana nananan’i Jeremia ny amin’ny tenany, rehefa notendren’i Jehovah ho mpaminany ho an’ny Joda sy ireo firenena izy. “Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza”, izany no valin-teniny. Hita tokoa fa tsapan’i Jeremia ny maha-tanora azy sy ny tsy fananany hery hiatrehana ireny firenena tsy tia ireny. Ny tenan’i Jehovah kosa, dia nihevitra ny mifanohitra amin’izany. — Jeremia 1:6.
2. Ahoana no nanomezan’i Jehovah toky an’i Jeremia?
2 Tamin’ny resaka nataony tamin’i Jeremia tanora dia nasehon’i Jehovah tamin’ilay ho tonga mpaminany fa izy no niantsoroka — ary zavatra nataony tamin’olombelona vitsy dia vitsy izany — ny andraikitra tamin’ny nahaterahany. Nahoana Jehovah no liana manokana tamin’i Jeremia hatramin’ny nahatorontoronina azy? Satria nanana asa nanirahana manokana hankinina aminy izy. Izany no antony nilazany hoe: “Hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko.” (Jeremia 1:5). Avy eo dia nomeny izao didy izao ilay zatovolahy: “Aza manao hoe: ‘Mbola zaza aho.’ Fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao; ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy hianao, fa ‘momba anao hamonjy anao aho’, hoy Jehovah.” Tsy tokony handray ny asa nanirahana azy amin’ny fomba tsy marisika Jeremia; nilainy kosa aza ny haneho fahasahiana sy fitokisana amin’i Jehovah. — Jeremia 1:7, 8.
3. Nahoana ny asa nanirahana an’i Jeremia no anisan’ny sarotra indrindra?
3 Tsy maintsy taitra ary nivadi-po mihitsy aza angamba io tovolahy io nandray mivantana ny andraikiny avy amin’Andriamanitra. Ary fanirahana nanao ahoana tokoa moa izany! “Indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.” Ny tarehin-javatra hitan’ny fanjakan’ny Joda teo afovoan’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia mampiseho ny halehiben’ny andraikitra hipetraka eo an-tsorok’ilay tovolahy. Izy tokoa dia tsy maintsy hifanandrina amin’ny firenena iray miavonavona sady afa-po amin’ny asany, izay nanana fitokisana nampiseho finoanoampoana, tamin’ny tanànany masina, dia Jerosalema, sy tamin’ny tempoliny. Tsy maintsy hanambara ny hafatra nankinina taminy ao Jerosalema koa izy mandritra ny 40 taona ary izany dia teo ambany fanjakan’ny mpanjaka dimy nifandimby: Josia, Joahaza, Joiakima sy Joiakina ary Zedekia. Farany, ireo didim-pitsarana holazainy dia ho toy ny fanamelohana halefa ho an’ireo firenena jiosy sy babyloniana. — Jeremia 1:10; 51:41-64.
Nahoana no mahaliana antsika ny ohatr’i Jeremia?
4, 5. a) Nahoana no mahakasika antsika ireo zava-niseho tamin’ny andron’i Jeremia (Romana 15:4)? b) Fampiharana manokana inona no azontsika atao avy amin’izany?
4 Kanefa mety hanontany tena isika hoe amin’ny ahoana ireny zava-nitranga ireny no mahakasika antsika izay miaina amin’izao faran’ny taonjato faha-20 izao. Mampiseho antsika izany ny apostoly Paoly rehefa nandinika tamin’ny an-tsipiriany vanim-potoana iray teo amin’ny tantaran’ny Isiraely tao amin’ny taratasy nalefany ho an’ny kongregasion’i Korinto, nanambara izy hoe: “Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ireny. (...) sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” — 1 Korintiana 10:6, 11.
5 Amin’izao fotoan’ny farany izao, ireo toe-javatra nitranga teo amin’ny Isiraely sy Joda ireo dia mahaforona fampitandremana ho an’ny tena fiangonana kristiana; manolotra zavatra mifanandrify sy tandindona koa izay manome fahitana ny amin’izay hitranga tsy ho ela izy ireny (ampitahao Jeremia 51:6-8 sy Apokalypsy 18:2, 4). Araka izany, ny fanompoana ara-paminaniana notanterahin’i Jeremia sy ireo fisehoan-javatra hitan’i Jerosalema, dia manana heviny lehibe ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, indrindra, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, raha ny momba ny asany ao amin’ny faritra ananan’ny fivavahana lazaina fa kristiana fahefana.
Manambara amin-kerim-po ny fitsaran’Andriamanitra Jeremia
6. Inona no mbola nanasarotra hatrany ihany ny asan’i Jeremia; kanefa fampaherezana inona no azony?
6 Mba hanomanana an’i Jeremia ho amin’ny andraikitra lehibe tsy maintsy hiantsorohany, dia nanatanjaka sy nampahery azy tamin’ireto teny ireto Jehovah: “Lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra ireo, (...) indro, izaho hanao anao ho tanàna mimanda, (...) mba tsy ho leon’ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony na ny vahoaka.” Tsy isalasalana fa tokony ho sahala amin’ny tanàna mimanda Jeremia mba hifanatrehana amin’ireo filoha sy mpisoron’i Joda. Tsy ho mora akory ny hitonda an’io hafatra tsy tiam-bahoaka io, izay horaisin’ny vahoaka ho toy ny tena fihaikana. — Jeremia 1:17, 18.
7. Nahoana no nitady hiady tamin’i Jeremia ireo filohan’ny Jiosy?
7 “Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao aho, hoy Jehovah.” (Jeremia 1:19). Nahoana kosa àry no nitady hiady tamin’ilay mpaminany ny Jiosy sy ireo filohany? Satria ny hafatra izay hasehony dia nanameloka ny fieboeboan’izy ireo sy ny fanompoam-pivavahany nanara-pomba fotsiny. Tsy nitsimbina azy ireo Jeremia: “He! tsatsoiny ny tenin’i Jehovah ka tsy ankamaminy. Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; na ny mpaminany na ny mpisorona [ireo izay tokony ho mpiambina ireo zavatra misy vidiny ara-pitondrantena sy ara-panahy] dia samy mamitaka avokoa. — Jeremia 6:10, 13.
8. Tamin’ny ahoana no namitahan’ireo mpisorona sy ireo mpaminany ny vahoaka?
8 Marina fa nandamina ireo fanatitra nataon’ny firenena ireo filoha ara-pivavahana jiosy, nanatanteraka ny fihetsehana ivelany amin’ny fanompoam-pivavahana marina izy ireo, nefa tsy nametraka ny fony tamin’izany; noheveriny ho zava-dehibe kokoa ny fombafomba fa tsy ny fitondrantena mahitsy. Tetsy an-daniny koa, dia nampanantena foana filaminana ho an’ny firenena izy tamin’ny nanaovany hoe: “Fiadanana! Fiadanana!” kanefa tsy nisy fiadanana akory (Jeremia 6:14; 8:11). Eny, namitaka ny vahoaka izy tamin’ny nampinoany azy fa tsy nisy tokony hatahorany satria vahoaka nafahan’i Jehovah izy ireo, dia ilay nanana ny tanàna masina sy ny tempoliny. Kanefa, moa ve toy izany no nahitan’i Jehovah ny zavatra?
9. Fampitandremana inona no nalefan’i Jeremia tamin’ny Jiosy raha ny amin’ny tempoliny?
9 Jehovah dia nandidy an’i Jeremia mba hitsangana eo amin’ny toerana ahatazanana azy tsara, eo am-bavahadin’ny tempoly, ka hampita ny Hafany amin’izay rehetra miditra ao mba hivavaka. Tokony hanambara izy hoe: “Aza matoky ny teny lainga hoe: ‘Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah ity!’ (...) nefa tsy mahasoa tsinona izany.” Ny Jiosy, izay nirehareha ny amin’ny tempoliny, dia nandeha tamin’ny fahitana, fa tsy tamin’ny finoana. Hadinony sahady ny fampitandremana nomen’i Jehovah azy hoe: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho ahy?” Jehovah tokoa, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao midadasika, dia tsy voafehin’ny faritry ny tempoliny, na manao ahoana na manao ahoana voninahiny. — Jeremia 7:1-8; Isaia 66:1.
10, 11. Tao anatin’ny toe-piainana ara-panahy inona, izay nomelohin’i Jeremia moa no nisy ilay firenena, ary toy izany ve no izy ny amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana (2 Timoty 3:5)?
10 Nanohy ny fananarany ampahibemaso tamin’ireto teny mamelively ireto Jeremia: “Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va hianareo, ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala sady hanaraka andriamanin-kafa izay tsy fantatrareo, (...) ka manao hoe: Efa voavonjy izahay, mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto?” Koa satria ‘vahoaka voafidy’ izy ireo, dia nihevitra ny Jiosy fa nandefitra tamin’izay fitondrantena rehetra nananan’izy ireo Jehovah raha mbola nitondra ireo fanatitra foana tao amin’ny tempoly izy ireo. Kanefa, raha toa nihevitra an’i Jehovah ho tahaka ny ray anankiray be fihetseham-po, izay mampanaram-po ny zanany tokana amin’ny haitraitrany izy ireo, dia hahatsapa ny fahadisoany izy ireo. — Jeremia 7:9, 10; Eksodosy 19:5, 6.
11 Ny fanompoam-pivavahan’ny Joda dia nihasimba aoka izany hany ka nametraka izao fanontaniana nanameloka izao tamin’ny Jiosy Jehovah: “Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity?” Afa-tsy izany, na dia efa ho 700 taona tatỳ aoriana aza, dia tsy nihatsara ny tarehin-javatra, satria Jesosy, mpaminany lehibe noho i Jeremia, dia naka ireo teny ireo indray mba hanamelohana ny fanararaotana sy ny varotra nakana tombony be izay, tamin’ny androny, dia nandoto ny tempoly voaorina indray tamin’izay; ary izany koa no miseho amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ankehitriny. — Jeremia 7:11; Matio 16:14; Marka 11:15-17.
Tsy henoina ny mpitily, ambara ny loza
12. Ahoana no nandraisan’ny Jiosy ireo mpaminany nalefan’i Jehovah teo aminy?
12 Marina fa tsy ny mpaminany voalohany nampiasain’Andriamanitra mba hanameloka ny fitondrantena ratsin’ny Isiraely sy Joda i Jeremia. Nandritra ny taonjato iray mahery, Jehovah dia naniraka ho any amin’ilay firenena ny mpaminany Isaia sy Mika ary Hosea ary Odeda, tahaka ny mpitily (Isaia 1:1; Mika 1:1; Hosea 1:1; 2 Tantara 28:6-9). Ahoana no nandraisan’ny ankamaroan’olona ireny mpaminany ireny? Nanambara Jehovah hoe: “Nasiako mpitily hianareo hanao hoe: Henoy ny feon’ny anjomara! Nefa hoy hianareo: Tsy hihaino izahay.” (Jeremia 6:17; 7:13, 25, 26). Tsy nihaino an’i Jeremia ny Jiosy; nenjehiny kosa izy ary nanandrana nampangina azy izy ireo; noho izany dia nanapa-kevitra Jehovah hanafay azy ireo noho ny fiavonavonany sy ny tsy fahampiam-pinoany. — Jeremia 20:1, 2; 26:8, 11; 37:15; 38:6.
13. Antony inona no nitsaran’i Jehovah ilay firenena?
13 Koa satria nolavin’ny vahoaka ny mpitondra hafatr’i Jehovah, dia nanao izao fanambarana izao teo anoloan’ireo firenena amin’ny tany izy: “Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany, fa tsy nihaino ny teniko izy; ary nolaviny ny lalàko.” Hihatra amin’ilay firenena ny loza noho ny asa ratsiny, nateraky ny hevi-dratsy. Nolaviny tokoa ny teny sy ny lalàn’i Jehovah, sady nanaraka ny fironany feno fitiavan-tena sy ara-nofo izy. — Jeremia 6:18, 19; Isaia 55:8, 9; 59:7.
14. Hatraiza no nanarahan’ny mponin’ny Joda ny fanompoam-pivavahana diso (jereo 2 Tantara 33:1-9)?
14 Inona no nataon’ny mponina tao Joda ka nahatonga azy hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah? Nanolotra mofo ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” sy nanidina fanatitra aidina ho an’ny andriamani-kafa izy, ary izany dia mba hampahatezitra an’i Jehovah. Koa nanontany Andriamanitra hoe: “Moa izaho va no ampahasosorin’ireo? (...) Moa tsy ny tenany ihany va ho fahamenaran’ny tavany?” (Jeremia 7:18, 19, Darby). Kanefa dia mbola lasa lavitra noho izany izy ireo tamin’ny asany fitenenan-dratsy, satria nampidiriny tao amin’ny trano mitondra ny anaran’i Jehovah ireo sampy maharikoriko, ary nanorina alitara teo am-bavahadin’i Jerosalema, tao amin’ny lohasahan’i Hinoma izy “handoroany ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy amin’ny afo.” Famaizana inona moa no hahazo azy noho ny fanamavoana ny fanompoam-pivavahana marina? — Jeremia 7:30, 31.
Ny famaizana hahazo ny Joda
15. Vaovao ratsy inona no tsy maintsy nambaran’i Jeremia tamin’ny Joda?
15 Tany amin’ny 632 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia resin’ny Kaldeana sy ny Mediana i Asyria, raha mbola naetry ny fanjakan’i Egypta, tany atsimon’i Joda. Ny tena fandrahonana ho an’i Joda dia avy any avaratra; avy any no hiavian’ny mpanafika. Nanana vaovao ratsy hambara tamin’ny Jiosy àry Jeremia: “Indro, misy firenena avy any amin’ny tany avaratra (...). Lozabe sady tsy mamindra fo izy. (...) Voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy!” Ny herim-panjakana nisondrotra tamin’izany fotoana izany dia Babylona; izy no hampiasain’Andriamanitra hanafay ny fanjakan’ny Joda nivadika. — Jeremia 6:22, 23; 25:8, 9.
16. Nahoana no tsy nilain’i Jeremia akory ny nifona ho an’ireo mpiray firenena taminy?
16 Moa ve mety ny hifonan’i Jeremia ho an’ireo mpiray firenena taminy? Mety handefitra ny amin’ny fanompoam-pivavahana ve Andriamanitra na hanaiky fatra-tapany ka hamela heloka ny vahoakany? Nazava ny toeran’i Jehovah raha ny amin’izany; noho izany, intelo fara fahakeliny dia nandidy toy izao an’i Jeremia izy: “Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hianao, (...) fa tsy hihaino anao Aho.” Izany fampiomanana manjombona izany dia tsy manambara zavatra tsara ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana mihitsy. — Jeremia 7:16; 11:14; 14:11.
17, 18. Ahoana no nampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny Joda tamin’ny farany?
17 Nanao ahoana ny fiafaran-javatra ho an’ny Joda? Araka ny nilazan’i Jehovah azy mialoha tamin’ny alalan’i Jeremia indrindra. Nandritra ny andro nanjakan’i Joiakima, ny fanjakan’ny Joda dia nanjary nofehezin’i Babylona natanjaka. Telo taona tato aoriana dia nikomy i Joiakima. Izany asa feno hadalana izany dia hitarika fietrena mbola lehibe kokoa ihany ho an’ny Joda, satria nataon’ny Babyloniana fahirano Jerosalema. Maty Joiakima tamin’izany fotoana izany ary i Joiakina zanany lahy no nandimby azy. Ny fahirano nataon’ny Babyloniana tamin’i Jerosalema dia nitarika ny Joda hilavo lefona; ary Joiakina sy ny fianakavian’ny mpanjaka manontolo ary ireo olona ambony indrindra teo amin’ny vahoaka jiosy dia nentina ho babo tany Babylona. — 2 Mpanjaka 24:5-17.
18 Inona no nanjo ny tempoly masina sy ny ravaka sarobidy rehetra tao aminy? Tsy niaro ny Joda izany. Nebokadnezara tokoa dia “namoaka avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely tao amin’ny tempolin’i Jehovah.” (2 Mpanjaka 24:13.) Tatỳ aoriana, Zedekia, izay nataon’ny Babyloniana mpanjaka tamin’izay sisa tavela tamin’i Jerosalema, dia nikomy tamin’ny tompony koa. Tafahoatra izany ho an’i Nebokadnezara: nanao fahirano an’i Jerosalema indray izy, ka azon’i Nebozaradana izay tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana ary rava tanteraka. — Jeremia 34:1, 21, 22; 52:5-11.
19, 20. Fifanoherana inona no hita teo amin’ny toe-tsain’ny Joda sy Jeremia nanoloana ny loza nambara, ary nanao ahoana ny niafaran’izany?
19 Faharavana sy loza toy inona moa izany, ho an’ny ‘vahoaka voafidy’! Ireo fitsarana nambaran’i Jeremia kosa dia notanterahina an-tsakany sy an-davany. Raha niaina tao anatin’ny hadisoan-kevitra ny Jiosy, ka nihevitra fa tsy hisy na inona na inona hanjo azy, Jeremia, ilay “mpaminany loza” kosa, dia niseho, tsy ho mpanonofy mahita ny lafy ratsin’ny zavatra, fa lehilahy mahita ny zavatra araka ny tena izy (Jeremia 38:4; mariho fa ny teny hoe “loza” dia hita in-64 ao amin’ny bokin’i Jeremia). Ny fitsaran’i Jehovah dia niharihary fa marina: “Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny, sady tsy mino anatra. Very ny fahamarinana, fa afaka tamin’ny vavany. Dia hatsahatro any an-tanànan’ny Joda sy eny an-dàlamben’i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, (...) fa ho lao ny tany.” — Jeremia 7:28, 34.
20 Tao anatin’ireny fotoana nahatsiravina ireny dia voatery niaiky ireo Jiosy niavonavona fa ny fiantsoana an’Andriamanitra sy ny fananana fifandraisana misy tombontsoa aminy, dia tsy naharo azy ireo tamin’ny loza. Araka ny voalazan’ny faminaniana dia “nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana! Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana; nefa tsy voavonjy isika!” (Jeremia 8:15, 20). Ho an’ny Joda dia izany no fotoana fampamoahana azy. Raha ny amin’i Jeremia mpaminany be herim-po, dia narovana izy nandritra ny fanompoany ka nahavita hatramin’ny farany ny asa nanirahana azy. Namarana ny androny tany amin’ny fahababoana izy; tsy tany Babylona niaraka tamin’ny firenena iray naetry akory izany, fa tany Egypta. Nandritra ny 65 taona mahery dia nanambara tamim-pahasahiana sy tamim-pahatokiana ny fitsaran’Andriamanitra izy.
21. Fanontaniana inona avy izao no tokony hovaliantsika?
21 Izao dia ilaintsika ny mahafantatra ny fampiharana tokony ho hitantsika avy amin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Jeremia amin’izao androntsika izao. Iza amin’izao taonjato faha-20 izao no hifanitsy amin’ilay mpaminany? Nampiseho an’iza Joda sy Jerosalema? Fandrahonana inona no avy any avaratra? Ireo lahatsoratra manaraka dia mamaly ireo fanontaniana ireo.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no nandraisan’i Jeremia ny asa nanirahana azy, ary inona no nolazain’i Jehovah taminy?
◻ Nahoana no mahaliana antsika ireo fisehoan-javatra nitranga tamin’ny andron’i Jeremia?
◻ Toe-piainana ara-pivavahana inona no nalan’i Jeremia sarona, ary tamin’inona no nametrahan’ny Jiosy ny fitokisany?
◻ Inona no niafaran’i Jerosalema sy Joda?
[Teny notsongaina, pejy 12]
Nanambara tamin-kerimpo ny fitsaran’Andriamanitra tamin’ny Jiosy sy ireo filohany i Jeremia.
[Sary, pejy 13]
Nanomana mofo ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” ireo vehivavy.