Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Mbola mampianatra ihany Jesosy amin’ny andro fahafito
MBOLA eo amin’ny andro fahafito sady farany amin’ny andro firavoravoana Tabernakely ihany isika izao. Nampianatra izao Jesosy tao amin’ny “Fandatsahan-drakitra”, izay fitsinjaran’ny Tempoly toa ao amin’ny Kianjan’ireo Vehivavy. Ao no fahita ireo vata fametrahana vola fiombonan’ny daholobe.
Mandritra ny firavoravoana dia misy fomba fanazavana manokana an’io kianja io isan-kariva. Fitondran-jiro goavana efatra no najoro tao, izay samy taingenana goro lehibe efatra feno menaka. Ampy ny hazavana avy amin’ireo goro 16 ireo mba hitsilovana tsara ny manodidina mandritra ny alina. Tsaroan’ireo mpihaino an’i Jesosy angamba izao ireny fanilo ireny raha niteny izy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”
Nanipaka ny teniny ny Fariseo: “Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.”
Hoy ny teny navalin’i Jesosy azy: “Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa hianareo kosa tsy mahalala izay nihaviako, na izay alehako.” Dia hoy ny nanampiny: “Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.”
“Aiza izay Rainao?” hoy ny fanontanian’ny Fariseo.
“Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy hianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.” Na dia mbola nitady hampisambotra an’i Jesosy ihany aza ireo Fariseo, dia tsy nisy nikasika azy.
“Handeha Aho, hoy indray Jesosy; izay alehako tsy azonareo haleha.”
Nifanontany ny Jiosy raha nahare izany: “Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?”
“Hianareo avy atỳ ambany, hoy Jesosy, nanazava; Izaho avy any ambony; hianareo avy amin’izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin’izao tontolo izao.” Dia tohiziny hoe: “Fa raha tsy mino hianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo hianareo.”
Mazava ho azy fa ny fisiany talohan’ny naha-olombelona no lazain’i Jesosy eo, mbamin’ny maha-ilay Mesia nampanantenaina, dia Kristy, azy. Ny Jiosy kosa nianjonanjona nanontany hoe: “Iza moa Hianao?”
Koa satria ireo nitsipaka azy, dia namaly Jesosy hoe (MN ): “Nahoana akory anefa aho no dia miteny aminareo?” Kanefa nampiany hoe: “Marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.” Dia hoy ny nambarany: “Rehefa asandratrareo ny Zanak’olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.”
Maro, rehefa nahare izany, no nanomboka nino azy. Nitodika tany amin’ireo Jesosy ka nanao hoe: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.”
“Taranak’i Abrahama izahay, hoy ny mpanohitra azy, nidrikina, fa tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka hianareo?”
Na dia matetika aza izy no teo ambany fanapahana vahiny, ny Jiosy dia tsy nanaiky mihitsy vahiny hanana fahefana taminy. Laviny ny antsoina ho andevo. Nasehon’i Jesosy azy anefa fa tena andevo dia andevo tokoa izy. Amin’ny lafiny ahoana moa? “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, hoy Jesosy, fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.”
Nahatonga azy ho mety hidiran-doza ny fitsipahan’ny Jiosy ny hoe andevon’ny ota izy. “Ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva, hoy Jesosy; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.” Noho izy tsy afaka mitaky zo amin’ny lova tokoa mantsy dia mety ho voaroaka amin’ny fotoana rehetra ny andevo. Ny zanaka irery, izay nateraka na natsangana no tomoetra ao an-trano “mandrakariva”, izany hoe, raha mbola velona koa.
“Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo”, hoy ny nanohizan’i Jesosy azy. Ny marina mahafaka ny olona tokoa mantsy dia ny marina mikasika ny Zanaka, Jesosy Kristy. Ny sorona nataony tamin’ilay ain’olombelona lavorary nananany irery ihany no mahafaka an’iza na iza amin’ny ota mitarika ho amin’ny fahafatesana. Jaona 8:12-36.
◆ Nampianatra taiza moa Jesosy tamin’ny andro fahafito? Misy inona eo amin’io toerana io rahalina, ary mifankaiza amin’izany ny fampianaran’i Jesosy?
◆ Inona no nambaran’i Jesosy mikasika ny niaviany, ka inona no tokony ho fantatra amin’izany, raha ny amin’ny maha-izy azy?
◆ Amin’ny lafiny ahoana moa no andevo ny Jiosy, nefa ny marina toy inona no mahafaka azy?