Ny ady izay hamarana ny ady rehetra
NY FIROHONDROHON’ilay balaonina alemana goavana dia nameno ny alina. Niverina avy any amin’ny fanafihana an’i Londres ilay balaonina ary izao dia nanidina teo ambonin’ny tanàna kely tany Essex. Nandatsaka baomba maromaro izy tamin’izay, ka ny anankiray taminy dia nahafaty vehivavy frantsay mpanampy ny mpitsabo iray nialokaloka tany Angletera.
Na dia azo lazaina ho tsy dia miavaka loatra aza izany tantara fohy tamin’ny Ady Lehibe voalohany izany, dia nisy heviny tena mafonja tokoa. Tsy nitokana velively fotoana izay ‘tsy hianaran’ny olona ady intsony’ ny taonjato faha-20, fa ho voamariky ny fitomboan’ny fitaovam-piadiana sy ny faritra misy ady (Isaia 2:2-4). Nandritra ny an’arivony taona maro dia teny an-tanety na teny an-dranomasina no niadiana. Nefa niaraka tamin’ny Ady Lehibe voalohany dia hitranga koa eny amin’ny habakabaka sy any ambanin’ny ranomasina lalina any ny ady. Ireo sivily izay tany amin’ny an-jatony kilaometatra maro tamin’ny faritra nanaovana ady dia maty noho ny baomba tamin’izany, ary sambo maro no rendrika noho ny sambo mpisitrika tsy hita maso.
Raha ny marina, io ady voalohany naneran-tany nandripaka io dia nitarika ny fahafatesan’ny miaramila 8 tapitrisa ary sivily efa ho 12 tapitrisa, raha heverina ireo izay maty noho ny hanoanana sy ny hatsiaka. Araka ny filazan’i H. Fisher mpanoratra tantara, “ny loza dia izao: ny Ady Lehibe [ny Ady Lehibe voalohany] dia nampifanohitra ireo firenena eoropeana nandroso indrindra, tamin’ny raharaha izay azon’ny lehilahy vitsivitsy nahay nandanjalanja nalamina mora foana.” Mba hanamarinana izany fandringanana izany dia nomena ny anarana hoe “ny ady izay hamarana ny ady rehetra” io ady io. Tsy ho ela anefa dia ho hita ho nofinofy ihany izany fampanantenana izany.
Fandaminana iray ho an’ny fandriampahalemana
Taorian’ny fifanarahana natao hampitsaharana ny ady tamin’ny 1918, ireo izay tsy maty tamin’izany sady tofoka, dia nitaky ny handraisana fepetra mba tsy hisehoan’ny ady toy izany intsony. Koa noforonina àry ny Fikambanam-pirenena tamin’ny 1919. Nandiso fanantenana tokoa anefa io fikambanana io: tamin’ny 1939, dia latsaka indray tao anatin’ny ady naneran-tany izao tontolo izao; ary mbola hahafaty kokoa noho ilay talohany izy io.
Tamin’ny Ady Lehibe faharoa dia zary korontan-javatra sisa ny tanàn-dehibe maro iray manontolo. Lasa nofy ratsy ny fiainan’ny sivily. Ary tamin’ny 1945 dia nazera tao Hiroshima sy Nagasaki ny baomba ataomika. Niditra tao amin’ny fotoana noklehera ny olombelona. Ny holatra ataomika nahatsiravina niforona teo ambonin’ireo tanàna ireo dia nanambara ny fandrahonana izay tsy nitsahatra nandondona teo amin’ny olombelona nanomboka tamin’izay.
Kanefa, talohan’ny nandatsahana ireo baomba ireo dia nomanina sahady ny fiavian’ny fandaminana mitovy amin’ny Fikambanam-pirenena efa maty. Nipoitra tamin’izay ny Fandaminan’ny Firenena mikambana izay, raha ny marina, dia nanana zava-kendrena mitovy amin’ilay talohany dia: fanandramana hitandro ny fandriampahalemana maneran-tany. Nahatratra izany ve izy? Na dia tsy nisy ady naneran-tany vaovao aza hatramin’ny 1945, dia voalaza kosa fa hatreo dia olona an-tapitrisany maro no namoy ny ainy tamin’ny ady maro tsy lehibe loatra.
Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy hahita na oviana na oviana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra, izay nataony tamin’ny alalan’Isaia, ny olombelona, fampanantenana izay milaza fa tsy “hianatra ady intsony” ny olombelona? Tsia; ny hevitr’izany kosa dia hoe tsy miankina amin’ny olombelona ny fahatanterahany. Izany fampanantenana azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izany dia ao anatin’ny Baiboly. Io boky io, izay antsoina hoe ‘fanazavana ny lalantsika’, dia mampiseho fa Andriamanitra irery ihany fa tsy hafa no hamarana ny ady. — Salamo 119:105.
Ny faran’ny ady rehetra
Araka ny nasehon’ny lahatsoratra teo aloha, dia nahaforona fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena ny antokon’olona iray tamin’ny taonjato voalohany ary tsy azony noheverina ny hoe hifamono izy samy izy. Izany dia ny kongregasiona kristiana izay ny mpikambana tao aminy dia ‘nanefy ny sabany ho fangady’ ara-bakiteny. Ankehitriny, raha mbola tsy afaka nampitsahatra ny ady ny olombelona amin’ny ankapobeny, dia misy indray olona nahatratra izany vokatra mahavariana izany. Iza moa izy ireo?
Tany amin’ireo taona nialoha ny 1914, ny mpikambana tamin’io antokon’olom-bitsy io dia natoky ny Baiboly. Fantany àry fa ny olona dia tsy hahavita hanafoana ny ady mihitsy. Rehefa nianatra an’io boky io izy ireo, dia fantany fa ny taona 1914 dia ho taona fiolahana eo amin’ny Tantara ary, nandritra ny 40 taona dia nampahafantatra izany filazana izany tamin’ny mpiara-belona taminy izy ireo. Mifanaraka amin’ny faminanian’ny Baiboly, 1914 dia ny taona voalohany tamin’ny fotoana iray voamariky ny mosary, ny areti-mandringana sy ny horohorontany ary ny ady (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11). Momba ny Ady Lehibe voalohany dia nanoratra toy izao ilay mpanao tantara atao hoe James Cameron: “Tamin’ny 1914 dia nifarana izao tontolo izao araka ny nahafantarana sy nanekena azy tamin’izay.”
Talohan’ny nahavitan’io ady io dia nahafaty olona efa ho 20 tapitrisa ny gripa, areti-nifindra nahatsiravina, izany hoe avo roa heny mahery noho ny isan’ny miaramila maty tamin’ny ady mihitsy. Hatreo dia nampihorohoro ny olombelona ny aretina toy ny homamiadana ary vao haingana kokoa, ny SIDA.
Mariho koa ity faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly ity: “Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12). Tanteraka ve izany? Izany indrindra! Isan’andro ny fampitam-baovao dia miresaka ny amin’ny endrika samihafan’ny tsy fankatoavan-dalàna maneran-tany: vonoana olona, fanafihana mitam-piadiana ary herisetra miitatra. Kanefa nanambara ireo mpanao politika fa ny Ady Lehibe faharoa dia ‘hanafaka antsika amin’ny tahotra’. Ny Baiboly kosa dia nilaza mialoha tamim-pahamarinana fa “ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” (Lioka 21:26.) Niharihary ho diso indray ny faminanian’olombelona fa voamarina kosa ny teny ara-paminanian’Andriamanitra.
Ilay mpampirisika ady lehibe indrindra
Ny atao hoe mpomba ny fampiasana hery dia izay mampirisika hiady. Nisy mpanao politika sy mpikambana amin’ny klerjy ary na dia ny mpandraharaha aza nandray anjara tamin’izany. Nefa ny lehibe indrindra amin’ireny mpampirisika ady ireny dia tsy iza fa Satana Devoly izay antsoin’ny Soratra Masina hoe “andriamanitr’izao tontolo izao”. — 2 Korintiana 4:4.
An’arivony taona maro lasa izay dia nikomy tamin’i Jehovah Andriamanitra Satana, ary tato aoriana dia nitarika anjely betsaka izay niandany taminy izy. Nefa tamin’ny 1914 dia tonga ny androny. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” — Apokalypsy 12:7-9.
Izany no nahatonga ny tany hampidi-doza erỳ hatramin’ny 1914. Nohazavain’ny Baiboly ny ho vokatry ny fianjeran’i Satana: “Loza ho an’ny tany (...), fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Haharitra toy inona izany androny kely sisa izany? Nanambara i Jesosy hoe: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao [ilay vavolombelon’ireo fisehoan-javatra nanomboka tamin’ny 1914] mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Inona moa izany zavatra rehetra izany? Loza sy korontana izay nambaran’i Jesosy fa ho tonga amin’ny androntsika.
Mampiseho anefa ny Baiboly fa na dia teo aza ny tsy fahombiazan’ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena mikambana ankehitriny, dia hanohy ny fiezahany mitsinjo ny hanorenana fiadanana ireo firenena. Ho tonga tokoa ny fotoana izay hiheverany fa nahatratra izany izy. Hanakoako amin’izay ny antsoantso lehibe manao hoe: “Miadana sy mandry fahizay!”, nefa izany dia tokony harahin’ny ‘fandringanana tampoka’ an’izao tontolo izao simba ankehitriny. Koa satria ny olona ao anatin’ny haizina dia hanampoka azy ny fizotran’ny fisehoan-javatra, “toy ny mpangalatra amin’ny alina”. — 1 Tesaloniana 5:2, 3.
Ahoana no hiafaran’izany? Amin’ny ‘ady izay hamarana tokoa ny ady rehetra’: ny adin’i Haramagedona izay antsoin’ny Baiboly koa hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Izany dia hidika hoe fandringanana ny ratsy fanahy rehetra sy ireo izay manohana azy; “ny mpanao ratsy hofongorana”. (Apokalypsy 16:14-16; Salamo 37:9.) Farany, dia hatokana any amin’ny toerana izay tsy hahafahany mampihatra fitaomana intsony mihitsy eo amin’ny olombelona Satana ilay mpampirisika ady. Ny tenany koa dia ho ringana amin’ny farany. — Apokalypsy 20:1-3, 7-10.
Aoka homarihintsika anefa fa tsy ho fandringanana an-jamba akory izany ady izany, izay hahalevona ny tsy manan-tsiny miaraka amin’ny meloka. Hisy olona ho tafita velona, ireo izay “manompo Azy [Andriamanitra] andro aman-alina eo amin’ny tempoliny”. Eny, ireo izay, dieny izao dia tsy mianatra ady intsony ka mizotra amin’ny lalana milamin’ny kristianisma marina dia ho tafita velona amin’io ady farany io. Ho maro ve izy ireo? Miresaka ny aminy ho toy ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” ny Baiboly. — Apokalypsy 7:9, 14, 15.
Aorian’ny oram-baratra
Fanamaivanana toy inona moa no ho an’ireny ho tafita velona ireny! Ireo fitondram-panjakana maro tia tanindrazana dia ho nosoloana fitondram-panjakana tokana: Ny Fanjakan’Andriamanitra (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10). Ny mpandefitra fa tsy ny mpiavonavona sy ireo mpitady laza no handova ny tany ka “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. (Salamo 37:10, 11.) “Ary Andriamanitra (...) hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” (Apokalypsy 21:3, 4). Jehovah dia ‘hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany’. Ho tefena ho fangady ny sabatra ary ny lefona ho fanetezam-boaloboka ary tsy “hianatra ady intsony” ny olona. — Salamo 46:8, 9; Isaia 2:4.
Ho tianao ve ny hiaina ao amin’izao tontolo izao iray nohavaozina toy izany? Izany tokoa, sa tsy izany? Atolotra anao tokoa izany fahafahana izany. Mba handraisanao azy, dia mila mianatra ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, aloha ianao, ary mahazo antoka fa tena misy sady miorina mafy izany fanantenana izany. Diniho avy eo ny Soratra Masina mba hahafantaranao izay andrasan’Andriamanitra avy aminao ary manaova zavatra mifanaraka amin’izany. Marina fa mitaky fiezahana ny fianarana nefa valisoa toy inona no entiny! Jesosy dia nampiseho fa izany fahalalana izany, raha ampiharina amin’ny fomba mety dia hidika “fiainana mandrakizay”. (Jaona 17:3.) Moa ve misy zavatra lehibe kokoa noho izany?