Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Noraisina tao an-tranon’ny Fariseo nalaza iray
RAHA noraisina tao an-tranon’ny Fariseo nalaza iray Jesosy dia nanasitrana lehilahy nanirano. Noho ny fahatsapany fa nifidy ireo toerana niavaka indrindra ny nasaina, dia nanome azy ireo fianarana momba ny fanetren-tena izy.
“Raha misy maka anao ho any amin’ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ny fitoerana aloha, hoy ny toroheviny, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho hianao, ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io; dia ho menatra hianao ka hifindra ho any amin’ny fitoerana aoriana indrindra.”
Nanoro hevitra toy izao àry i Jesosy: “Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao hianao.” Avy eo dia mbola nanitatra ny fianarana ihany izy tamin’ny fanatsoahana izao hevitra izao: “Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.”
Niteny tamin’ilay Fariseo izay nanasa azy i Jesosy rehefa avy eo ka nampiseho taminy ny fomba azo anolorana sakafo izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra. “Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva hianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny hianao. Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo.”
Izay manolotra sakafo ho an’ny mahantra toy izany dia ho sambatra, araka ny nanazavan’i Jesosy azy tamin’ilay nanasa azy hoe: “Fa hovaliana kosa hianao amin’ny fitsanganan’ny marina.” Ny filazalazana ny amin’izany sakafo mendrika hoderaina izany dia nitarika ny anankiray tamin’ireo nasaina hieritreritra karazan-tsakafo hafa: “Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” hoy ny fihiakany. Kanefa, araka ny hasehon’i Jesosy, dia tsy mihevitra izany fahatsinjovan-javatra mahafaly izany araka ny tena vidiny tokoa ny rehetra.
“Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy (...) hilaza amin’izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna hianao, ekeo ny fandavako. Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’izany tsy afaka mankany.”
Fialan-tsiny ratsy re izany! Mandrakariva dia alohan’ny hividianana azy no andinihana tany na biby iray. Tsy voatery velively handeha haingana araka izay azony atao hijery izay efa novidiny àry ilay mpividy. Toy izany koa, tsy antony azo ekena mba handavana io fanasana lehibe io ny fanambadiana. Tezitra ilay tompon-trano rehefa nandre izany fialan-tsiny izany ka nilaza tamin’ny mpanompony hoe:
“Mandehana faingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dàlana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa. Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano. Ary hoy ny tompo tamin’ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. (...) Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.”
Inona no dikan’io fanoharana io? “Ny tompo” manasa dia mampiseho an’i Jehovah Andriamanitra; “ny mpanompo” mampita ny fanasana, mampiseho an’i Jesosy Kristy; ary ny “fanasana lehibe” dia mampiseho ny fahafahana ho tonga anisan’ny Fanjakan’ny lanitra.
Ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy aloha no nasaina ho tonga anisan’ilay Fanjakana, fanasana nolavin’izy ireo. Noho izany, ny fanasana faharoa kosa dia nampitaina tamin’ireo nohamavoina sy ambany toerana teo amin’ny firenena jiosy, indrindra fa nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Tsy ampy isa mba hitana ny toerana 144 000 nomanina ho azy ireo ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra anefa ireo namaly ny fanasana. Noho izany antony izany, telo taona sy tapany tatỳ aoriana, tamin’ny taona 36 dia natao ho an’ny tsy Jiosy tsy voafora ny fanasana fahatelo sady farany, ka nitohy hatramin’izao taonjato faha-20 izao ny fanangonana azy ireny. Lioka 14:1-24.
◆ Fianarana momba ny fanetren-tena inona moa no nomen’i Jesosy?
◆ Ahoana moa no azon’ny olona iray anaovana fanasana tena hisy vidiny tokoa eo imason’Andriamanitra, ary nahoana no ho sambatra izy?
◆ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa fialan-tsiny tsy tsara no nataon’ireo nasaina?
◆ Mampiseho inona moa ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ny “fanasana lehibe”?