Ry lehilahy manambady, manehoa fitiavana sy fanajana
“Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra.” — EFESIANA 5:33.
1, 2. a) Manao ahoana ny halehiben’ny onjam-pisaraham-panambadiana mitosaka eo amin’izao tontolo izao? b) Afaka manao inona anefa ny mpivady maro?
EFA elaela ihany izay, ny gazetiboky iray (Psychology Today) dia nanao izao fanamarihana izao: “Isan-taona, ny fisaraham-panambadiana dia manapaka ny nofinofim-pitiavan’ny mpivady [amerikana] maherin’ny iray tapitrisa; any Etazonia, ireo fanambadiana dia tsy maharitra afa-tsy 9,4 taona amin’ny antsalany. (...) Tena tsapa indraindray fa tsy misy fanambadiana sambatra intsony ao amin’io tany io.” (Jona 1985). Raha isaina ny olon-dehibe sy ny ankizy voakasiky ny fahafoanan’ny fanambadiana isan-taona, dia misy olona 3 tapitrisa fara fahakeliny ao amin’io tany io fotsiny. Mitombo amin’ny fomba mahabe ahiahy anefa ny isan’ny fisaraham-panambadiana maneran-tany. Azo tsoahina avy amin’izany fa tsy hita ao amin’ny tokantrano an-tapitrisany maro ny fitiavana sy ny fanajana.
2 Kanefa, misy “antokony hafa iray mila ho hadino: izy io dia voaforon’ny mpivady izay, amin’ny fomba isan-karazany, dia manao izay hiarovana ny fanambadiany, ka tsy misy na inona na inona, afa-tsy ny fahafatesana, afaka mampisaraka azy ireo”. (Psychology Today.) Eny, amin’ny lafiny iray hafa, dia mpivady an-tapitrisany maro no manao izay rehetra azony atao mba hahatafaray azy hatrany.
3. Afaka manontany tena hoe ahoana isika?
3 Ahoana ny amin’ny fanambadianao? Moa ve misy fitiavana sy fanajana voamariky ny hafanana eo aminao sy ny vadinao? Misy firaiketam-po lalina mampiray anareo amin’ny zanakareo ve? Sa, mifanohitra amin’izany, manapoizina ny fifandraisanareo indraindray ny fahasosorana sy ny fiahiahiana? Koa satria tsy misy amintsika tanteraka, dia mety hitranga ao amin’izay rehetra mety ho tokantrano ny fahasahiranana, na dia ao amin’ireo iezahan’ny mpianakavy rehetra mitondra tena amin’ny maha-kristiana aza. “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” — Romana 3:23.
4. Araka ny nasehon’i Paoly sy Petera, iza moa, voalohany indrindra, no tokony hiaro ny fahasambaran’ny fianakaviana?
4 Koa satria tsy misy fianakaviana tsy mahita fahasahiranana mihitsy, iza no manana andraikitra hiaro ny fiadanana sy ny fifanarahana eo anivon’ny fianakaviana? Manome valin’io fanontaniana io ireo torohevitra mivantana nomen’ny apostoly Paoly sy Petera tao amin’ireo taratasiny. Izao no nosoratan’i Paoly: “Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” Ary koa: “Sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy. Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana.” (1 Korintiana 11:3; Efesiana 5:21-23). Mitovitovy amin’izany ihany, dia nanome izao torohevitra izao i Petera: “Ary toy izany koa [amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’i Kristy], hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.” — 1 Petera 2:21 ka hatramin’ny 3:1.
Kristy: ohatra mampahery
5, 6. Ohatra inona moa no navelan’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba nampiharany ny fahefana?
5 Araka ny miharihary amin’ireo torohevitra vao avy notononina teo, araka ny Soratra masina, dia ny lehilahy no filohan’ny fianakaviana. Fa ahoana no tokony handraisana izany? Ahoana no tokony hampiharany ny fahefana? Ho mora amin’ny lehilahy iray ny hitaky fanajana amin’ny fanantitranterana fa izy no ‘loham-pianakaviana’, ary ‘ny Baiboly no milaza izany’. Kanefa, hanaraka ny ohatra nomen’i Kristy ve izy raha manao toy izany? Moa ve Kristy nangataka tamin’ny fomba nandidindidy tamin’ny mpianany mba hanaja azy? Efa mba niteny tamim-pieboeboana toy izao ve izy: “Iza moa no Zanak’Andriamanitra eto? Tokony hanaja ahy ianareo!” Tsia, mifanohitra lavitra amin’izany, fa nahazo ny fanajan’izy ireo i Jesosy. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fanomezana ohatra tsara tamin’ny fitondrantenany, tamin’ny teniny, ary tamin’ny fangoraham-pony. — Marka 6:30-34.
6 Amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy àry no mety hahatonga ny lehilahy vady sady ray hampihatra amin’ny fomba tsara ny fahefany. Na dia tsy nanambady mihitsy aza i Jesosy, dia namela ohatra hotahafin’ireo lehilahy manambady tamin’ny nataony tamin’ireo mpianany. Mitaky fiezahana avy amin’ny filoham-pianakaviana rehetra izany, satria ohatra tanteraka i Jesosy (Hebreo 4:15; 12:1-3). Arakaraka ny anarahan’ny lehilahy manambady iray akaiky ny ohatra nomen’i Kristy, no hahalalina kokoa ny fitiavana sy ny fanajana haseho aminy. Aoka àry hojerentsika akaiky kokoa ny hoe karazan’olona nanao ahoana moa i Jesosy. — Efesiana 5:25-29; 1 Petera 2:21, 22.
7. Karazam-pampaherezana inona moa no nomen’i Jesosy an’ireo mpianany, ary inona no loharanon’izany?
7 Indray andro, dia hoy i Jesosy tamin’ny vahoaka: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra, izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [hampahery anareo, MN ]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana [fampaherezana, MN ] ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” Inona àry no natolony ho an’ireo mpihaino azy? Fampaherezana ara-panahy. Fa inona no ho loharanon’izany? Vao avy nanambara i Jesosy hoe: “Tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.” Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teny ireo fa hitondra fampaherezana ara-panahy ho an’ireo tena mpianany izy tamin’ny fampahafantarana azy ireo ny Rainy. Nolazainy koa anefa fa hahita izany fampaherezana izany izy amin’ny fiarahana aminy, satria “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. — Matio 11:25-30.
Ny fomba hahatongavana ho vady sy ray mampahery
8. Amin’ny ahoana moa no tokony haha-loharanom-pampaherezana ny lehilahy vady sady ray?
8 Ny tenin’i Jesosy dia manampy antsika hahatakatra fa ny lehilahy kristiana iray dia tokony ho loharanom-pampaherezana ho an’ny fianakaviany, na eo amin’ny lafiny ara-panahy na eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po. Amin’ny fanomezana ohatra ho an’ny ankohonany sy amin’ny fampianarana azy ireny amim-pahalemem-panahy, dia tokony hanampy azy ireny hahafantatra tsaratsara kokoa ny Ray any an-danitra izy. Ny fitondrantenany dia tokony hahitana taratry ny toe-tsaina sy ny asan’ny Zanak’Andriamanitra (Jaona 15:8-10; 1 Korintiana 2:16). Toy inona moa ny fampaherezana miara-miaina amin’ny lehilahy iray izay vady, ray ary namana feno fitiavana! Tokony ho mora hatonina hatrany izy ary tsy ho sahirana loatra mihitsy ka tsy ho afaka hihaino tsara ny mpianakaviny. Eny, tokony hahay hihaino izy fa tsy handre fotsiny. — Jakoba 1:19.
9. Fahasahiranana inona moa no hitan’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona indraindray?
9 Izany dia mitarika antsika hiresaka ny amin’ny fahasahiranana hitan’ny loholona sasany sy ny fianakaviany. Mandrakariva dia manan-javatra betsaka tokony hatao ny loholona iray mba hanomezana izay ilain’ny kongregasiona ara-panahy. Tokony hanome ohatra tsara izy raha ny amin’ireo fivoriana kristiana, ny fanompoana sy ny asa fiandrasana (Hebreo 13:7, 17). Indraindray anefa dia misy loholona lany hery ara-bakiteny ho an’ny kongregasiona. Amin’izany izy dia manjary manao tsirambina ny fianakaviany, ka mety hiteraka fahadisoam-panantenana aoka izany ho azy ireo izany. Horaisintsika ny ohatra ny amin’ity loholona sahirana loatra ka tsy afaka nampianatra ny zanany lahy, nanao fandaharana mba hisian’olon-kafa hanao izany eo amin’ny toerany!
10. Ahoana moa no azon’ireo loholona ampiharana ny fahefany amin’ny fomba voalanjalanja eo anivon’ny kongregasiona sy ny tokantranony?
10 Inona no misongadina amin’io ohatra io? Tokony hitana fifandanjana ara-drariny ny loholona iray raha ny amin’ny andraikiny ao amin’ny kongregasiona sy izay ananany amin’ny vady aman-janany. Ohatra, matetika ireo loholona no voatana aoka izany aorian’ireo fivoriana. Raha azo atao izany, tsy hampahery ny vady aman-janany ve ny hangatahany olon-kafa hanatitra azy ireo any an-trano toy izay hampiandry azy ela be ao amin’ny Efitrano Fanjakana? Araka ireo fepetra takin’ny Baiboly, dia azo atao ny milaza fa ‘manomboka ao an-tokantranony ny asan’ny mpiandry’. Raha manao tsirambina ny fianakaviany ny loholona iray, dia mety hahakasika ny fanendrena azy ho amin’io toerana io izany. Noho izany, ry loholona, manehoa fiheverana feno ny mpianakavinareo ary diniho izay ilainy, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-piraiketam-po. — 1 Timoty 3:4, 5; Titosy 1:5, 6.
11, 12. Ahoana no mety hahazoan’ny lehilahy kristiana ny fanohanan’ny fianakaviany, ary fanontaniana inona avy no azony atao amin’ny tenany?
11 Tsy hanao fitondrana tsy refesi-mandidy na feno fahasiahana koa ny lehilahy kristiana izay loharanom-pampaherezana ho an’ny ankohonany. Tsy hanapa-kevitra amin’ny zavatra rehetra tsy misy fanontaniana ny hevitry ny fianakaviany izy. Ilaina indraindray ny manao fanapahan-kevitra mahakasika ny fiovana asa na fifindran-trano, na raharaha tsotra dia tsotra toy ny fifidianana fialam-boly ao anatin’ny fianakaviana koa aza. Koa satria mahakasika ny mpianakavy rehetra ny fanapahan-kevitra toy izany, moa ve tsy haneho fahendrena sy fahalemem-panahy ny lehilahy vady sady ray amin’ny fanontaniana ny hevitr’izy rehetra? Raha fantany ny hevitr’izy ireo, dia ho afaka hanao fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena kokoa, voalanjalanja kokoa, izy. Ho mora kokoa amin’ny mpianakavy rehetra amin’izany ny hitondra ho azy ny fanohanan’izy ireo. — Jereo Ohabolana 15:22.
12 Miharihary amin’izany voalaza teo aloha izany, ry lehilahy vady sady ray fa ny anjara asanao akory tsy ny fampiharana ny fifehezana ao an-tokantrano fotsiny. Tokony ho loharanom-pampaherezana koa ianao. Manahaka an’i Kristy ve ianao amin’io lafiny io? Loharanom-pampaherezana ho an’ny fianakavianao ve ianao? — Efesiana 6:4; Kolosiana 3:21.
Miaraha mitoetra amin’ny vadinao araka ny fahalalana
13. Torohevitra tsara dia tsara inona moa no omen’i Petera ho an’ireo lehilahy?
13 Araka ny hitantsika tetsy aloha, dia nanome torohevitra tsara dia tsara ho an’ireo mpivady kristiana ry Petera sy Paoly: Noho ny tenany nanambady, dia roa ny tombontsoan’i Petera mba hanoro hevitra azy ireny: ny fanandraman-javatra, ary koa ny fitarihan’ny fanahy masina (Matio 8:14). Nanome torohevitra feno fahiratan-tsaina ho an’ny lehilahy manambady rehetra izy tamin’ny filazana hoe: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina [fahalalana, MN ], manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa.” Ny fandikan-teny malalaka (nataon’i J. Wand) dia mandika toy izao an’io andinin-teny io: “Amin’izany fomba izany koa, ny lehilahy manambady dia tokony hampihatra ireo fotopoto-pitsipika kristiana amim-pahiratan-tsaina eo amin’ny fifandraisany amin’ny vadiny.” — 1 Petera 3:7.
14. Inona avy izao no fanontaniana mipetraka?
14 Inona no dikan’ny hoe miara-mitoetra amin’ny vadin’ny tena “araka ny fahalalana”, na ‘mampihatra ireo fotopoto-pitsipika kristiana amim-pahiratan-tsaina’? Amin’ny fomba ahoana no azon’ny lehilahy iray anajana ny vadiny? Eny, ahoana no tokony handraisan’ny lehilahy kristiana io torohevitr’i Petera io?
15. a) Nahoana no rava ny fanambadiana sasany? b) Mitaky fiezahana inona moa ny fanambadiana?
15 Fanambadiana maro be no mifototra eo amin’ny anton-javatra ara-batana sy ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy fotsiny. Tsy afaka miantoka ny fahamafisan’ny fanambadiana anefa ny hatsaran-tarehy fotsiny, satria mihelina izany. Mihafotsy volo sy miketrona rehefa ela ny ela ireo izay nivady hatramin’ny taona maro. Aoka tsy hohadinointsika anefa fa ny fanambadiana dia fikambanan’ny saina roa, ny toetra roa, ny fanabeazana roa, ny ambaratongam-pahatsarana roa, ny fomba filaza hevitra roa. Tena mitaky fiezahana izany! Tena ilaina ny hahatakarana izany mba hahitana fahasambarana ao anatin’ny fanambadiana. — Ohabolana 17:1; 21:9.
16. Inona moa no dikan’ny hoe ‘miara-mitoetra aminy araka ny fahalalana’?
16 Ho an’ny lehilahy kristiana iray, ny hoe miara-mitoetra amin’ny vadiny “araka ny fahalalana” dia milaza, ankoatra ny zavatra hafa, fahatakarana tokoa izay ilainy, tsy ara-batana fotsiny, fa ny zava-dehibe kokoa, ara-piraiketam-po, ara-toe-tsaina sy ara-panahy. Raha ‘miara-mitoetra amin’ny vavy araka ny fahalalana’ izy, dia hahafantatra ny anjara asa nankinin’Andriamanitra taminy. Milaza koa izany fa hanaja ny fahamendrehan’ny vavy izy. Izany ka mifanohitra tanteraka amin’ny fiheveran’ny “gnostiques” (mpilaza ho manana fahalalana feno ny amin’ny toe-tenan’Andriamanitra sy ny zavatra rehetra) sasany tamin’ny andron’i Petera, izay teo aminy dia “nohamavoina ny vehivavy, noheverina ho ambany, araka ny nofo sy maloto”. (The Anchor Bible.) Ny fandikan-tenin’ny Soratra Masina anankiray amin’ny andro ankehitriny dia mandika toy izao ny tenin’i Petera: “Ry lehilahy, miaraha miaina amin’ny vadinareo amin’ny fiheverana ny toe-tenany marefo kokoa; ento amim-panajana izy ireny.” (Français courant). Torohevitra tsara dia tsara mila ho hadinon’ireo lehilahy manambady izany indraindray.
17. a) Anton-javatra inona avy moa, ankoatra ny zavatra hafa, no mahatonga ny ‘fanaka vehivavy’ ‘halemilemy kokoa’, ‘harefo’? Amin’ny fomba ahoana, ohatra, no azon’ny lehilahy iray ampisehoana fanajana ny fahamendrehan’ny vadiny?
17 Amin’ny ahoana moa ny vehivavy no manana ‘toe-tena marefo kokoa’? Ankoatra ny zavatra hafa, ny fahafahana hiteraka nomena azy dia mahatonga azy ho azon’ny fitsingerenan’ny fadim-bolana maharitra andro maromaro ahatsiarovany ho osa na mihenjana. Raha tsy mihevitra izany ny lahy ka mitaky aminy zavatra mitovy amin’ny andro rehetra ao anatin’ny volana, dia tsy hanaja ny fahamendrehany izy. Raha izany no izy, dia hasehony fa miara-mitoetra aminy araka ny tsy fahalalana mampiseho fitiavan-tena izy, fa tsy araka ny fahalalana. — Levitikosy 18:19; 1 Korintiana 7:5.
Ny fomba hanomezam-boninahitra ny fanaka vehivavy
18. a) Inona moa no fahazaran-dratsy raisin’ny lehilahy manambady sasany? b) Ahoana moa no tokony hataon’ny lehilahy kristiana iray amin’ny vadiny?
18 Afaka maneho fitiavana sy fanajana ny vadiny amin’ny fomba hafa koa ny lehilahy: amin’ny fampisehoana aminy sy amin’ny filazana aminy fa tia azy izy, fa mankasitraka ireo toetrany tsara. Mety hanana fahazaran-dratsy hanao fanamarihana mahasosotra momba ny vadiny ny lehilahy iray na hanao vazivazy tsy an-kijanona ny aminy, noho ny fieritreretana angamba fa mampisongadina ny tenany izany. Raha ny marina anefa, dia ny mifanohitra amin’izany no hitranga, satria raha milaza mandrakariva izy fa adala ny vadiny, dia ho zon’ny olona ny hanontany tena hoe nahoana izy no nanambady azy io. Tsy maintsy ho tsy matoky tena ny lehilahy iray vao hanao toy izany. Manaja ny vadiny ny lehilahy feno fitiavana. — Ohabolana 12:18; 1 Korintiana 13:4-8.
19. Nahoana moa no tsy mety ny hampietren’ny lehilahy iray ny vadiny?
19 Any amin’ny tany sasany aza ny lehilahy dia zatra ny manambany ny vadiny mba hoe hampisehoana fahamaotinana tsy araka ny izy. Araka izany, ny lehilahy japone sasany dia mampifankahalala ny vadiny amin’olon-kafa amin’ny filazana azy ho “Gusai”, izany hoe ‘vehivavy dondrona na adala’, ary izany dia noho ny fikendrena ny hanarenan’ilay olona hafa ny tarehin-javatra amin’ny fanaovana fanamarihana misy fiderana ny vadiny. Raha manao toy izany ny lehilahy kristiana mba hampisehoana ny vadiny, tena ho azo atao ve ny hilaza fa “manaja” azy araka ny torohevitr’i Petera izy? Ambonin’izany, hilaza ny marina amin’ny namany ve izy? Tena heveriny tokoa ve fa adala ny vadiny? — Efesiana 4:15, 25; 5:28, 29.
20. a) Fihetsika mifanohitra inona moa no mety hasehon’ny lehilahy iray amin’ny vadiny? b) Ahoana no azony analavirana ny fahatongavana amin’izany?
20 Mety tsy ho ampy fitiavana sy fanajana ny vadiny koa ny lehilahy iray amin’ny fanadinoana fotsiny fa anabaviny kristiana koa izy io, tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana fotsiny, fa ao an-trano koa sy any amin’ny toerana hafa rehetra. Ho mora erỳ ny hiseho ho tsara fanahy sy mahalala fomba ao amin’ny efitrano, nefa hasiaka sy hitratrevatreva any an-tokantrano! Mety tanteraka àry ireto torohevitr’i Paoly ireto: “Koa aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.” “Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.” (Romana 14:19; 15:2). Misy mpinamana akaiky kokoa noho ny mpivady ve anefa?
21. Inona no azon’ny lehilahy atao mba hampaherezana ny vadiny?
21 Ny lehilahy kristiana feno fitiavana àry dia hampiseho amin’ny teniny sy ny ataony fa mankamamy ny vadiny izy. Izany no nolazain’ny poeta tsy mitonona anarana iray toy izao:
“Na misy aza lonilony kely tsy mety maty,
Na disadisa koa izany,
Raha tianao ny vadinao malemy paika sy mahafatifaty
— Lazao azy izany! (...)
Satria ho azy irery ianao mandrakizay
Tsy hisy hafa indray
Aza miandry rangolahy hanoratana izay teny izay
— Lazao azy izany!”
Fahizay, ny renin’i Lemoela mpanjaka dia nilazalaza fihetseham-po sahala amin’izany. Inty misy tapany amin’ny filazalazany ny vehivavy filamatra: “Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: Maro ny zazavavy nanao soa, fa hianao manoatra noho izy rehetra.” (Ohabolana 31:1, 28, 29). Ry lehilahy, midera tsy tapaka ny vadinareo ve ianareo, sa fony vao nangataka azy ihany ianareo no nanao izany?
22, 23. Miorina amin’inona moa ny fanambadiana sambatra?
22 Io fandinihana fohy io dia nampiseho fa mba hanehoana fitiavana sy fanajana ny vadiny, ny lehilahy iray dia tsy tokony hianina amin’ny fitondrana karama ao an-tokantrano. Ny fanambadiana sambatra dia miankina amin’ny fifandraisana voamariky ny fitiavana sy ny fahatokiana ary ny fiheverana (1 Petera 3:8, 9). Rehefa mandeha ny fotoana, izany fifandraisana izany dia tokony hanjary hihamafy kokoa hatrany rehefa mifankamamy toetra tsara sy lafiny mampahatanjaka ny vadiny ny lehilahy sy ny vehivavy, ka mianatra ny tsy mijery ny fahaleman’ny iray. — Efesiana 4:32; Kolosiana 3:12-14.
23 Raha mampiseho ohatra tsara ny lehilahy amin’ny fanehoana fitiavana sy fanajana, dia handray soa avy amin’izany ny fianakaviana manontolo. Fa ahoana no mety handraisan’ny vehivavy kristiana iray anjara amin’ny fitondrana fahasambarana ho an’ny fianakaviany? Hamaly an’io fanontaniana io sy ny hafa koa mifamatotra aminy ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao ve?
◻ Iza moa, voalohany indrindra, no manana andraikitra hiaro ny fahasambaran’ny mpivady, ary nahoana?
◻ Ahoana moa no mety hahatonga ny lehilahy ho loharanom-pampaherezana sahala amin’i Kristy?
◻ Ahoana no hiantsorohan’ny lehilahy kristiana amim-pandanjalanjana ny andraikiny eo anoloan’ny kongregasiona sy ny fianakaviany?
◻ Ahoana no azon’ny lehilahy iray ‘iaraha-mitoetra amin’ny vadiny araka ny fahalalana’?
◻ Inona moa no dikan’ny hoe ‘manaja ny vadin’ny tena tahaka ny atao amin’ny fanaka malemilemy kokoa’?
[Sary, pejy 11]
Fantatry ny loholona mahay mandanjalanja iray fa manomboka ao an-tokantrano ny asan’ny mpiandry.