“Feno anarana fitenenan-dratsy”
NY FANAMBARANA, na Apokalypsy, boky iray ao amin’ny Baiboly dia milazalaza ny amin’ny fahitana iray, ny amin’ny “bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo”. Voalaza fa io biby io dia velona nandritra ny fotoana sasany, avy eo dia lasa tany amin’ny lavaka tsy hita noanoa izay hiakarany indray avy eo (Apokalypsy 17:3, 8). Efa imbetsaka ity gazety ity no nampitovy an’io biby dia mivolon-jaky io tamin’ny Fikambanam-pirenena, ary avy eo tamin’ilay fandaminana izay nandimby azy, dia ny Firenena mikambana. Nahoana anefa no lazaina fa “feno anarana fitenenan-dratsy” io biby dia mivolon-jaky io?
Ny drafitry ny dinan’ny Fikambanam-pirenena, dina nomanina avy tamin’ny fanoloran-kevitra nataon’ny Britanika sy ny Amerikana niaraka, dia navoaka ho fantatry ny maro ny 14 febroary 1919. Ny ampitson’io dia izao no azo novakina tao amin’ny lahatsoratra mamoaka ny hevitry ny gazety Times tany Londres nampitondraina ny lohateny hoe “Ny Fikambanana mitondra ny fandriampahalemana”: “Manana antony ara-dalàna hireharehana isika satria mahita ao amin’ilay dina ny mariky ny Anglisy. (...) Sahy milaza mihitsy izahay fa izany no tahirin-kevitra iraisam-pirenena lehibe indrindra navoaka hatramin’izay.” George Thayer, ministra ao amin’ny Eglizy kongregasionalista voalohany any Cincinnati (Etazonia), dia nilazalaza ny amin’izy io ho toy “ny fanambarana tsara dia tsara indrindra ny sitrapo sy fanirian’ny mponina matsilon’ny tany, natao an-tsoratra hatrizay”. Noderain’ny gazety tsy anglisy koa io dina io. “Tsy Baiboly iray akory izany,” hoy ny fanambaran’ny gazety frantsay L’Homme Libre, “nefa mety mbola ho tonga mihoatra noho izany izy, satria na ny Baiboly, na izay rehetra mety ho mpitory ny filazantsara dia samy tsy nahasakana ny olona tsy hifamono mihitsy. Tonga tena izy ny idealisma.” La Victoire, gazety frantsay hafa dia niresaka ny amin’izy io ho toy ny “fiezahana lehibe indrindra mitambatra notanterahina hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao, mba hampanjakana ny fahendrena sy ny rariny eto ambonin’ny tany”.
Taorian’ny fanorenana ny Fikambanam-pirenena, dia izao no nosoratan’ny jeneraly Jan Smuts, anankiray amin’ireo solontenan’i Grande-Bretagne tao amin’io fikambanana io: “Ilay dina dia anankiray amin’ireo tahirin-kevitra lehibe indrindra noforonina teo amin’ny tantaran’olombelona. (...) Tsy maintsy hahatratra ny zava-kendreny izany, satria tsy misy fomba hafa hiantohana ny hoavin’ny sivilizasiona. (...) Ireo firenena tsy anisany dia hilahatra tsirairay ao aorian’io faneva io, izay eo ambaniny no handrosoan’ny taranak’olombelona ho amin’ny fandresen’ilay fandaminana ho an’ny fandriampahalemana.”
Ireny fanantenana rehetra ireny dia voaporofo fa diso rehefa nipoaka ny Ady Lehibe faharoa tamin’ny 1939. Tsy nahomby ny Fikambanam-pirenena. Fandaminan’olombelona iray voaforon’ny olona tsy tanteraka fotsiny izany. Tahaka izany koa ny amin’ny fandaminana izay nandimby azy, ny Firenena mikambana. Kanefa ny andro nanaovana sonia ny dinan’ny O.N.U., ny lahatsoratra iray namoaka ny hevitry ny gazety New York Times dia niantso izany ho “hazon’ny fandriampahalemana” sady nanambara hoe: “Teraka ny fanantenana lehibe iray. (...) Zavatra lehibe no mety ho avy.” Ireo filoham-pivavahana koa tahaka izany dia niantso ny O.N.U. ho “ny hany fanantenana”, “ny fanantenana farany” ho an’ny fiadanana.
Fitenenan-dratsy ny filazana ho avy amin’ny fandaminan’olombelona zavatra izay ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no hanatanteraka azy. Izany no antony nanambaran’ny Baiboly mialoha fa aorian’ny fisiany mandritra ny fotoana fohy dia ho “lasa ho amin’ny fandringanana” ny Firenena mikambana. Eny, ny fitondram-panjakan’Andriamanitra lavorary sy any an-danitra irery ihany no afaka mitondra fiadanana maharitra ho an’ny olombelona. — Apokalypsy 17:11, 12; Isaia 9:5, 6; Daniela 2:44.