Ry loholona — Ento amim-pahalemem-panahy ny andian’ondrin’Andriamanitra!
“Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany.” — 1 TESALONIANA 2:7.
1. Nahoana no manana antony hahatsapana tsy fananana ahiahy ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky tsirairay?
JEHOVAH no Mpiandry lehibe. Manome malalaka izay ilain’ny “ondriny”, dia ireo mpanompony, izy, ary mitarika azy “amin’ny lalan’ny fahamarinana” noho ny anarany masina. Noho izany dia tsy manan-tahotra ireo izay manao ny sitrapony ary afaka mitodika any amin’ny Andriamaniny be fangoraham-po mba hahazo fampiononana. Manana antony hahatsapana tsy fananana ahiahy eo ambany fiarovana feno fitiavan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky tsirairay. — Salamo 23:1-4.
2. Koa satria Jesosy no taratry ny voninahitr’Andriamanitra, toetra tsara inona avy no ananany?
2 Jesosy Kristy no “famirapiratan’ny voninahiny [ny an’Andriamanitra] sy endriky ny tenany indrindra”. (Hebreo 1:1-4.) Amin’ny maha-Mpiandry tsara azy dia maneho fitiavana sy fangorahana koa izy (Jaona 10:14, 15). Indray andro, ohatra, dia “nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy”. — Marka 6:34.
3. a) Araka ny ohatra navelan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, toetra tsara inona no tokony hasehon’ireo mpiandry lefitra kristiana? b) Torohevitra sy fampitandremana inona no nomen’i Paoly an’ireo mpiandraikitra?
3 Samy tokony ‘hanahaka an’Andriamanitra sy handeha amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy azy’ ny kristiana rehetra. (Efesiana 5:1, 2.) Tokony haneho fitiavana sy fangoraham-po àry izy ireo. Marina indrindra izany ny amin’ireo mpiandry lefitra ny andian’ondrin’Andriamanitra, izay nilazan’ny apostoly Paoly hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany [ran’ny Zanany, MN.]. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” — Asan’ny apostoly 20:28-30.
4. a) Inona no nitranga rehefa nandeha ny fotoana mifanaraka amin’ny fampitandreman’i Paoly voasoratra ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:29, 30? b) Fanontaniana inona no mendrika hodinihina izao?
4 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nipoitra ny “amboadia masiaka” izay tsy ‘niantra ny ondry’. Soa ihany anefa fa tsy masiaka ireo loholona ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fitondrana manao ahoana avy amin’ireny mpiandraikitra notendren’ny fanahy masina ireny àry no azon’ireo namany kristiana antenaina? Etsy an-kilany, amin’ny fomba ahoana no azon’ireo loholona voatendry itondrana amim-pahalemem-panahy ny ‘ondrin’i Jehovah’?
Aza manjakazaka eo amin’ny andian’ondry
5. a) Amin’ny fomba ahoana no itondran’ireo filoham-pirenena ny olom-peheziny matetika? b) Ahoana no teny nanehoan’i Jesosy fa tsy nanana ny toerany teo amin’ireo mpianany ny fahasiahana?
5 Afaka manantena ara-drariny ny hitondran’ireo loholona antsika amim-pangoraham-po isika. Tsy mitovy amin’ireo filoha eo amin’ireo firenena izay matetika no manjakazaka eo amin’ny olom-peheziny izy ireo. Asehon’ny Tantara, ohatra, fa i Charlemagne, mpanjakan’ny Francs tamin’ny taona 768 ka hatramin’ny 814, “dia nandidy ny Saxons hatao batisa teo ambany fandrahonana ho faty, nanameloka tamin’ny sazy faran’izay henjana ireo izay nandika ny karemy, ary nanolo hatraiza hatraiza ny fampiekena tamin’ny hery”. (Tantaran’ny Eglizy kristiana [angl.] nosoratan’i William Jones.) Mifanohitra amin’izany fa ny fahasiahana dia tsy nanana ny toerany teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy izay nilaza hoe: “Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.”—Matio 20:25-28.
6. a) Famaranan-kevitra fototra inona avy ny azontsika tsoahina mikasika ireo loholona? b) Manana zo hanantena inona avy amin’ny loholona ny kongregasiona, ary amin’ny fomba ahoana no tokony hiheveran’izy ireo ny tenany?
6 Ny kristiana izay ‘maniry ny asan’ny mpitandrina dia maniry asa tsara’. (1 Timoty 3:1.) Io fiheverana io sy ny torohevitr’i Jesosy voalaza etsy aloha dia mahatonga antsika hanao fanatsoahan-kevitra fototra telo: 1) Tsy tokony hasiaka amin’ireo namany kristiana ny loholona; 2) ireo manana andraikitra eo amin’ireo mpianatr’i Jesosy dia tokony ho mpanompon’ireo namany fa tsy ho tompony; ary 3) ireo lehilahy izay maniry ny asan’ny mpiandraikitra dia tokony hihevitra izany ho toy ny “asa tsara” fa tsy ho toy ny toerana ambony (Ohabolana 25:27; 1 Korintiana 1:31). Ny fiantsoana hoe “loholona” dia tsy manandratra mpanompon’i Jehovah na iza na iza ho eo ambonin’ireo namany. Manana zo hanantena kosa aza ny kongregasiona fa ny loholona rehetra dia haneho fahamatorana ara-panahy, ho lehilahy ampy fanandraman-javatra sy manetry tena, ho lehilahy mampiseho ny ohatra eo amin’ny fanompoana masina. Eny, ireo loholona dia hihevitra ny tenany ho toy ny mpanompo kelin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ireo namany kristiana. — Romana 12:11; Galatiana 5:13; Kolosiana 3:24.
7. a) Amin’ny fomba ahoana no tokony hampiharan’ireo loholona ny 2 Korintiana 1:24 eo amin’ny fifandraisany amin’ireo namany? b) Inona no tokony hataon’ny loholona rehefa manome toromarika ny Kolejy foibe?
7 Miharihary fa, raha manompo amim-panetren-tena ny hafa toy ny mpanompo ny loholona iray, dia tsy hanandrana ‘hanjakazaka’. Mahafinaritra ny mahita ireo mpiandraikitra kristiana maneho fihetsika mitovy amin’ny an’i Paoly izay nanoratra ho an’ireo kristiana tany Korinto nanao hoe: ‘Tsy tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo.’ (2 Korintiana 1:24). Mifanaraka amin’ireo teny ireo, izay manatontosa amim-pitiavana ny andraikitry ny mpiandry dia tsy hanototra ireo namany kristiana amin’ny fitsipik’olombelona tsy tena ilaina. Eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo mpiandraikitra kosa dia manaiky hotarihin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ary manompo ny kongregasiona amim-pahamoram-panahy. Asehony koa ny tena fiahiany ny andian’ondrin’Andriamanitra amin’ny fampiharany avy hatrany ireo toromariky ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. — Asan’ny apostoly, toko faha-15.
8. Ahoana no nitondran’i Paoly tena teo amin’ireo namany kristiana, ary tokony hanosika ny loholona ankehitriny ho amin’inona izany?
8 Noho izy nihevitra tamim-pahalemem-panahy ny andian’ondrin’Andriamanitra, dia afaka niteny toy izao tamin’ireo kristiana tany Tesalonika i Paoly: “Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” (1 Tesaloniana 2:7, 8). I Paoly dia nitondra tena toy ny reny izay manome hanina ny zanany, tia azy aoka izany ka mampanjaka ny fiadanan’ireo alohan’ny azy ary mihevitra azy amim-pahalemem-panahy. Moa ve ny ohatra navelany tsy tokony hamporisika ireo loholona amin’ny taonjato faha-20 hitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-pahalemem-panahy?
Mitondra fanamaivanana sy fampiononana izy ireo
9. Inona no nambara ao amin’ny Isaia 32:1, 2 mikasika izay mitranga amin’izao androntsika izao eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah?
9 Raha niresaka ny amin’izao androntsika izao izay tokony handraisan’i Jesosy Kristy ny Fanjakana i Isaia mpaminany, dia nanambara mialoha fa hisy mpanjaka ‘hanjaka araka ny fahamarinana’ ary “lehibe [mpanapaka, MN ]” hanao ny asany “araka ny rariny”. Ireo loholon’ny fandaminana teokratika ankehitriny àry dia manompo ny Fanjakana any an-danitra efa miorina. Asan’ny mpanapaka tokoa izany! Mihatra amin’ireo lehilahy mendri-pitokiana ireo ireto teny ara-paminaniana hafa nataon’i Isaia ireto: “Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” — Isaia 32:1, 2.
10. Inona no azon’ny loholona tsirairay entina ho an’ireo namany Vavolombelon’i Jehovah?
10 Mifanohitra amin’ireo filoham-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana izay mampanjaka fampahoriana, ireo loholona voatendry eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia mitondra fanamaivanana sy fampiononana ho an’ireo namany. Amin’ny fitambarany, izy ireny dia mahaforona kolejina lehilahy matotra izay mamporisika ny hisian’ny filaminana, ny fahatoniana ary ny tsy fananana ahiahy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Ankoatra izany, ny loholona tsirairay dia afaka mandray anjara amin’izay hisian’izany toe-piainana tsara dia tsara izany amin’ny fitondrana ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-pahalemem-panahy.
Amim-pahamarinana sy rariny
11. a) Toe-javatra manao ahoana mitovy amin’izay hitan’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany no misy ao amin’ny ankamaroan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao? b) Inona no andraikitr’ireo loholona amin’ny kongregasiona ary nahoana?
11 Tamin’ny taonjato voalohany, na dia marina aza fa nahita fahasahiranana ny kongregasiona kristiana sasany, ny ankamaroany dia nahita filaminana sy firaisan-tsaina ary fifaliana (1 Korintiana 1:10-12; 3:5-9; Efesiana 1:2; Jakoba 2:1-9; 3:2-12; 4:11, 12; 1 Jaona 1:3, 4). Amin’izao androntsika izao koa, ny ankamaroan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia salama ara-panahy noho ny fitahian’Andriamanitra sy ny fitarihan’i Kristy ary noho ny fanompoana amim-pahatokiana ataon’ireo mpiandraikitra voatendry. Mba hampandrosoana ny filaminana sy ny firaisan-kina ary ny fifaliana eo anivon’ny kongregasiona, ireo lehilahy ireo dia mitady ny fanampian’Andriamanitra sady miezaka amin-jotom-po mitazona ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ara-panahin’ny fandaminany (Isaia 52:11). Raha tsy nadio io fandaminana io dia tsy hilamina sy ho falifaly na oviana na oviana ary azo antoka fa tsy ho nahazo ny fankasitrahana sy ny fitahian’Andriamanitra izay “madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy” na handefitra amin’ny ratsy (Habakoka 1:13). Noho izany no antenaina hikarakaran’ireo loholona, ankoatra ny zavatra hafa, ny raharaha ara-pitsarana amim-pahitsiana sy amin’ny fomba voalazan’ny Soratra masina. Toe-javatra inona anefa no tokony hoheveriny rehefa mikarakara raharaha toy izany izy?
12. Na dia tsy voatery mikarakara raharahan’olona manokana izay tsy nisy fandikana lalàna na fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly aza ny loholona, dia inona no tokony hataony araka ny Galatiana 6:1?
12 Voalohany aloha, raha toa ka tsy fifanarahana manokana ilay izy, dia azon’ireo olona voakasika atao indraindray ny mifandamina amin’izy samy izy (Matio 18:15-17). Koa satria ‘tsy tompon’ny finoantsika’ ireo loholona dia tsy voatery hikarakara raharahan’olona manokana izay tsy nisy fandikana lehibe lalàna na fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izy ireo. Azo antoka fa, raha misy olona ‘azon’ny ota tsy nahy’, ireo izay manana ny toetra ara-panahy takina dia tokony hiezaka ‘hanangana azy amin’ny fahamorana’. — Galatiana 6:1.
13. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny Soratra masina fa tokony hanao zavatra mifototra amin’ny porofo manamarina fa nisy fahotana natao ireo loholona, fa tsy hifototra amin’ny honohono fotsiny?
13 Tokony hiasa amin’ny ‘rariny’ ireo loholona amin’ny tsy fizahan-tavan’olona mandrakariva. Tokony hanao zavatra mifototra amin’ny porofo manamarina fa tena nisy fahotana natao tokoa izy ireo, fa tsy hifototra amin’ny honohono fotsiny. Nanome izao torohevitra izao i Paoly: “Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.” (1 Timoty 5:19). Teo amin’ny Isiraely fahizay, araka ireo fitsipik’i Jehovah, rehefa voampanga ho nanao fahotana mendrika ny fanamelohana ho faty ny olona iray, dia tsy maintsy novonoina ho faty izy ‘tamin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo, fa tsy ny an’ny iray monja’. Ankoatra izany, dia toa nampifanatrehina tamin’ireo niampanga azy izy, ary raha marina ny fanambaran’ireo, dia ‘ny tànan’ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy’. — Deoteronomia 17:6, 7.
14. a) Inona no nandraman’i Diotrefa natao tamim-paharatsiam-panahy? b) Inona no antenain’Andriamanitra amin’ireo loholona rehefa mikarakara raharaha ara-pitsarana izy ireo?
14 Izay asa ara-pitsarana rehetra atao dia tokony hanana antony mafy orina ara-baiboly. Faly isika fa tsy mitovy amin’i Diotrefa miavonavona ireo mpiandraikitra ny kongregasiona. Tamin’ny taonjato voalohany, izy io dia nanandrana tamim-paharatsiam-panahy ‘nandroaka hiala amin’ny fiangonana’ izay naniry hampiantrano ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Tsy nanakimpy ny masony tamin’ny fihetsik’io lehilahy io na tamin’ireo asany ratsy hafa ny apostoly Jaona fa nandefa izao fampitandremana izao: “Raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony.” (3 Jaona 9, 10). Amin’izao androntsika izao, ny komity mpitsara iray dia tokony hahazo antoka fa manana antony ara-baiboly izay fandaharam-pandroahana rehetra raisinya. Azo antoka fa antenain’Andriamanitra ny hitondran’ireo loholona ny hafa araka ny rariny. Eny, ireo izay mitantana ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany dia tokony ho “lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina [azo antoka, MN ]”. — Eksodosy 18:21.
15. Inona no tokony ho toeran’ny vavaka mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana?
15 Ny komity mpitsara kristiana rehetra dia tokony hitady amim-pahatsorana ny fanampian’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Tokony hatomboka amin’ny vavaka ny fivoriana atao miaraka amin’ny kristiana lahy na vavy izay voampanga ho nanao fahotana lehibe. Raha ny marina dia tsara ny mivavaka na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona mandritra ny dinidinika rehefa ilaina manokana ny fanampian’Andriamanitra. — Jakoba 5:13-18.
16. Amin’ny fomba ahoana no tokony hitarihan’ny loholona ny fihainoana raharaha ara-pitsarana, ary nahoana?
16 Fantatr’ireo loholona fa “ondry” ao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ny namany kristiana voampanga ho nanota ka tokony hoentina amim-pahalemem-panahy (jereo Ezekiela 34:7-14). Mila fikarakarana amim-pahalemem-panahy ny ondry ara-bakiteny satria biby saro-tahotra tsy afa-miaina tsy misy ny fiarovan’ny mpiandry azy. Inona àry no holazaina ny amin’ireo “ondry” mahaforona ny kongregasiona eo an-toerana? Tsy misy isalasalana fa mahatsiaro tsy fananana ahiahy izy ireo eo ambanin’ny tehin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpiandry azy lehibe, sy Jesosy Kristy, ilay Mpiandry tsara. Ireo mpiandry lefitra ny andian’ondry anefa dia tokony hanao zavatra mba hisian’ny fahatsapana fiadanana anaty sy tsy fananana ahiahy izay mitoetra eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah azo oharina amin’ny ondry. Ry mpiandry lefitra kristiana, moa ve ireo rahalahinareo sy anabavinareo ara-panahy mahatsiaro tena ho voaronareo? Marina fa tokony hanohana amin’ny fomba hentitra ireo lalàna sy fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny loholona, nefa takin’ny Baiboly aminy ny hitondrany amim-pitiavana ny “ondry” sy ny hihainoany ireo raharaha ara-pitsarana amim-pahatoniana, amin’ny fomba miadana, amin-pahamoram-panahy sy amim-piheverana.
17. Fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly inona no tokony hotadidian’ireo loholona, indrindra mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana?
17 Noho isika tsy tanteraka, dia “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra” amin’ny teny (Jakoba 3:2). Mila ny famindrampon’Andriamanitra sy ny ‘sorom-panavotan’i Kristy’ ny tsirairay avy amintsika (1 Jaona 1:8 ka hatramin’ny 2:2; Salamo 130:3). Tokony hijery ny tenany amim-panetren-tena àry ireo mpiandry lefitra. Tokony hahatsiaro koa ireto tenin’i Jesosy ireto izy: “Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.” (Lioka 6:31). Tokony hampihatra manokana an’io torohevitra io izy ireo mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana. Ireo lehilahy ampy fahaizana ara-panahy ireo dia tokony hanandrana hanarina ilay kristiana meloka nanao fahadisoana ‘amin’ny fahamorana ka hihevitra ny tenany fandrao ny tenany koa mba halaim-panahy ihany’. — Galatiana 6:1; 1 Korintiana 10:12.
18. a) Raha misy loholona mitondra amin’ny fomba henjana ilay voampanga mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana, inona no mety ho vokatr’izany? b) Fampitandremana inona no hitan’ireo loholona sy ny kristiana hafa ao amin’ny Marka 9:42?
18 Raha entin’ny loholona amin’ny fomba henjana ilay voampanga mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana, dia mety hanimba azy io izany. Ary na dia tsy hanimba azy ara-pihetseham-po na ara-batana mihitsy aza ny fihetsik’izy ireo dia mety hitondra fahavoazana lehibe ho azy eo amin’ny lafiny ara-panahy izany, ary ho rariny ny isalasalana ny amin’ny fananan’ireo loholona ny toetra ilaina mba hiantsorohana ny andraikiny (jereo Jakoba 2:13). Noho izany, mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana toy ny amin’ny toe-javatra hafa rehetra, dia ho be fahamoram-panahy sy tsy hanafintohina olona ireo loholona. Azo antoka fa tokony hiseho ho malina amin’io lafiny io ny kristiana rehetra satria hoy i Jesosy hoe: “Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino ahy ireo, dia tsara ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.” (Marka 9:42). Lehibe aoka izany ny vato fikosoham-bary sasany ka nilaina mandrakariva ny biby mpitondra entana mba hampihodina azy. Tsy misy olona mbola ho velona ihany raha atsipy any anaty ranomasina miaraka amin’ny zavatra mavesatra toy izany mihantona eo amin’ny vozony. Tsy azo lavina fa ny loholona àry dia tokony hitandrina mba tsy hahatonga fahatafintohinana izay mety hitondra fahavoazana ara-panahy maharitra ho azy sy ho an’ilay ho tafintohina aminy. — Filipiana 1:9-11,
Karakarao amim-pahalemem-panahy hatrany ny andian’ondry
19. Inona no torohevitra nomen’i Petera, izay loholona koa, an’ireo mpiandraikitra, ary inona no ho azony raha manaraka izany izy ireny?
19 Nasehon’ny apostoly Petera, izay loholona koa, tamin’ireo mpiandraikitra ny fomba tokony hiandrasany ny andian’ondry. Izao no nosoratany: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo.” (1 Petera 5:2-4). Amin’ny fampiharana ireo torohevitra ireo sy amin’ny fikarakarana amim-pahalemem-panahy ny andian’ondrin’Andriamanitra ihany no mety hahazoan’ireo mpiandraikitra voahosotra ny valisoany any an-danitra, dia ny ho tonga zavaboary ara-panahy tsy mety maty, sy hahazoan’ireo loholona manana fanantenana ny ho eto an-tany ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa haneran-tany ho avy.
20. a) Ahoana no tokony ho fihetsik’ireo mpiandry lefitra kristiana amin’ireo namany? b) Ahoana no eritreritrao ny amin’ny fanompoana fakan-tahaka sy ny fiheverana feno fahalemem-panahy asehon’ireo loholona be fitiavana?
20 Mpiandry be fitiavana sy be fangoraham-po i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Noho izany no anohanan’ireo mpiandry lefitra kristiana amin’ny fomba hentitra ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra sady tsy maintsy anehoany fitiavana sy fangoraham-po amin’ireo namany azo oharina amin’ny ondry. Tsy isalasalana fa ireo Vavolombelon’i Jehovah mahatoky dia samy mankasitraka lalina ny fanompoana fakan-tahaka tontosain’ireny loholona be fandavan-tena ireny izay mitahiry ny zavatra nankinina taminy ary mitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-pahalemem-panahy. Azontsika aseho ny fankasitrahantsika sy ny fanajana mendrika ireo mpitondra antsika amin’ny fankatoavantsika azy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azon’ilay voampanga atao ny mangataka fitsarana faharoa ny amin’ilay fandroahana raha heveriny fa nisy fahadisoana ara-pitsarana lehibe natao.
Ahoana ny hevitrao?
◻ Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa tsy manana ny toerany eo amin’ny mpianany ny fahasiahana?
◻ Inona no tokony hataon’ireo loholona rehefa manome toromarika ny Kolejy foibe?
◻ Araka ny Isaia 32:1, 2, inona no tokony hoentin’ireo loholona ho an’ny kongregasiona?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny Soratra masina fa tsy tokony hanao zavatra noho ny honohono fotsiny ireo loholona?
◻ Amin’ny fomba ahoana no tokony hitondran’ireo mpiandry lefitra kristiana ny andian’ondry?
[Sary, pejy 18]
Rehefa mivory miaraka amin’ny kristiana lahy na vavy ny komity mpitsara, dia tena zava-dehibe ny hivavahana amim-pahatsorana.