Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ireo virijina hendry sy ireo virijina adala
TEO am-pamaliana ny fanontanian’ireo apostoliny ny amin’ny famantarana mikasika ny fanatrehany ao amin’ny voninahitry ny Fanjakany i Jesosy. Izao izy dia milaza lafiny manokana hafa amin’ilay famantarana amin’ny alalan’ny fanoharana na sary telo.
Ho azon’ireo velona mandritra ny fanatrehany dinihina ny fahatanterahan’ireo fanoharana tsirairay ireo. Nampiditra ny voalohany tamin’izany izy tamin’ny filazana hoe: “Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.”
Tamin’ny fitenenana hoe “ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo”, dia tsy te hilaza akory i Jesosy hoe ny antsasak’ireo izay handova ny Fanjakan’ny lanitra dia olona adala fa ny antsasany kosa dia hendry! Tsia, te hilaza kosa izy fa, mifandray amin’ny Fanjakan’ny lanitra, dia misy lafiny manokana mitovy amin’izao na izatsy, na ireo zavatra mifandray amin’ilay Fanjakana dia hitovy amin’ny zavatra toy izao sy toy izao.
Mampiseho ny kristiana rehetra izay mendrika ny handova ny Fanjakan’ny lanitra sy izay mihambo handova izany ny virijina folo. Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. ny kongregasiona kristiana no natolotra ho fofombadin’i Jesosy Kristy, ilay Mpampakatra natsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra. Tokony hitranga any an-danitra amin’ny fotoana tsy voafaritra amin’ny ho avy anefa ny fampakaram-bady.
Tao amin’ilay fanoharana, dia nivoaka mba hitsena ilay mpampakatra sy hanaraka ny filaharan’ny mpanambady ireo virijina folo. Rehefa tonga ny mpampakatra, dia hanazava amin’ny fanalany ny lalana halehan’ny filaharan’ny mpanambady ireo virijina ka amin’izany dia hanome voninahitra azy raha mbola mitondra ny ampakariny ho any amin’ny trano voaomana ho azy izy. Izao anefa ny fanazavan’i Jesosy: “Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.”
Ny fahelan’ny fahatongavan’ny mpampakatra dia milaza fa tsy maintsy ho amin’ny hoavy lavitra ny fanatrehan’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka nandray fiandrianana. Nahazo ny fiandrianany izy tamin’ny farany, tamin’ny 1914. Nandritra ny alina lava be talohan’izay, dia sondrian-tory ny virijina rehetra. Tsy nomelohina noho izany anefa izy ireo. Ny fanamelohana ireo virijina adala dia avy amin’ny tsy nananany solika tao amin’ny fitondrany. Nohazavain’i Jesosy ny fomba nifohazan’ireo virijina talohan’ny nahatongavan’ny mpampakatra:
“Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indrỳ ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany. Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.”
Mampiseho izay mahatonga ny kristiana marina hamirapiratra toy ny fahazavana hatrany ny solika, dia ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry izay ifikirany mafy hatrany, miaraka amin’ny fanahy masina izay manampy amin’ny fahatakarana an’io Teny io. Ny solika ara-panahy no mahatonga ny virijina hendry ho afaka hampiely fahazavana ho fandraisana ny mpampakatra mandritra ny filaharana hatrany amin’ny fampakaram-bady. Tsy nanana tao aminy, tao amin’ny fitondrany, ilay solika nilaina anefa ny kilasin’ny virijina adala. Nilazalaza izay nitranga àry i Jesosy:
“Fa raha mbola lasa nividy [solika] izy [ireo virijina adala], dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.”
Taorian’ny nahatongavan’i Kristy tao amin’ny Fanjakany any an-danitra, ny kilasin’ny virijina hendry voaforon’ny tena kristiana voahosotra dia nifoha tamin’ny tombontsoa nananany, dia ny fampielezana fahazavana eto amin’ity izao tontolo izao rakotry ny haizina ity ho fiderana ny fiverenan’ny Mpampakatra. Tsy voaomana mba hanome izany fandraisana feno fiderana izany kosa anefa ireo izay asehon’ireo virijina adala. Noho izany, rehefa tonga ny fotoana, dia tsy novohan’i Kristy ho azy ireo ny varavaran’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady tany an-danitra. Namela azy tany ivelany izy, tao amin’ny haizim-piton’ny alina eo amin’izao tontolo izao, mba ho faty miaraka amin’ireo tsy mpankatò lalàna hafa rehetra. Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Koa amin’izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” Matio 25:1-13.
◆ Iza no asehon’ireo virijina folo?
◆ Oviana no natao ny fifamofoan’ny Mpampakatra, nefa oviana izy no tonga naka ny ampakarina ho amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady?
◆ Mampiseho inona ny solika, ary mahatonga ny virijina hendry hahavita inona ny fananana azy?
◆ Aiza no atao ny fanasana amin’ny fampakaram-bady?
◆ Valisoa kanto inona no nafoin’ireo virijina adala, ary inona no anjarany?