“Aza mitsahatra mandini-tena, na mitoetra ao amin’ny finoana ianareo, na tsia”
Hevi-dehibe avy ao amin’ny Korintiana faharoa
FENO ahiahy momba ireo kristiana tany Korinto ny apostoly Paoly. Ahoana ho hiheveran’izy ireo ny torohevitra nomeny tao amin’ny taratasiny voalohany ho azy ireo? Tany Makedonia izy rehefa tonga i Titosy nitondra ilay tatitra nahafinaritra hoe niteraka alahelo ho amin’ny fibebahana ho an’ireo Korintiana ny taratasiny. Endrey ny hafaliana nentin’izany ho an’i Paoly! — 2 Korintiana 7:8-13.
Nanoratra ny Korintiana faharoa avy tany Makedonia i Paoly, azo inoana fa taorian’ny tapany voalohany tamin’ny taona 55 am. fan. ir. Ao amin’io taratasy io izy dia niresaka ny amin’ireo dingana tokony hatao mba hihazonana ny kongregasiona hadio, nampiorina ny faniriana hanao fanomezana ho an’ireo mpino nahantra tany Jodia ary niaro ny naha-apostoly azy. Betsaka tamin’izay nolazain’i Paoly no afaka manampy antsika ‘tsy hitsahatra ny handini-tena na mitoetra ao amin’ny finoana isika, na tsia.’ (13:5) Koa, inona avy àry ireo hevitra azontsika tsoahina tsirairay avy amin’io taratasy io?
Minisitra ho an’ilay Andriamanitry ny fampiononana
Nasehon’ilay apostoly fa toy ny ampiononan’Andriamanitra antsika amin’ny fahoriantsika rehetra no tokony hampiononantsika ny hafa sy hivavahantsika ho azy ireny. (1:1–2:11, MN ) Na dia tao anatin’ny fanerena faran’izay mafy aza i Paoly sy ny namany, dia nafahan’Andriamanitra. Na dia izany aza anefa, ireo Korintiana dia afaka nanampy azy ireo tamin’ny fivavahana ho azy, dia toy ny tokony hivavahantsika koa ho an’ireo izay manaraka ny finoana marina. Ahoana anefa ny amin’ilay lehilahy naloto fitondrantena voalaza ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-5? Toa noroahina izy, kanefa nibebaka. Toy inona moa ny fampiononana tsy maintsy ho tsapany rehefa nampiseho famelan-keloka ireo Korintiana ka namerina azy indray tamim-pitiavana teo anivony.
Afaka mampitombo ny fankasitrahantsika ny fanompoana kristiana ny tenin’i Paoly, ka manamafy ny fitoerantsika ao amin’ny finoana marina. (2:12–6:10, MN ) Ireo mpanompo ao amin’ilay fanekena vaovao tokoa dia manana tombontsoa ny ho ao amin’ny “filaharan’ny mpandresy” tarihin’Andriamanitra! Tao amin’io fanompoana noraisiny ho sarobidy io i Paoly sy ireo mpiara-niasa taminy noho ny famindrampo naseho azy ireo. Tahaka azy ireo, ny voahosotra amin’izao andro izao dia manana fanompoana fampihavanana. Kanefa, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra no mampanan-karena ny hafa amin’ny alalan’ny fanompoany.
Tanteraho ny fahamasinana ary manehoa fahalalahan-tanana
Asehon’i Paoly fa tsy maintsy manatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’i Jehovah ireo minisitra kristiana. (6:11–7:16, MN ) Raha tiantsika ny hiorina mafy ao amin’ny finoana, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanjary hiray zioga amin’ny tsy mino isika, ary mila ny hodiovina amin’ny fahalotoan’ny nofo sy ny saina isika. Nanao dingana ho amin’ny fanadiovana ireo Korintiana tamin’ny fandroahana ilay mpanao ratsy naloto fitondrantena, ary nifaly i Paoly fa niteraka alahelo ho amin’ny fibebahana hahavonjy azy ireo ny taratasiny voalohany.
Ianarantsika koa fa valian-tsoa noho ny fahalalahan-tanany ireo mpanompo matahotra an’Andriamanitra. (8:1–9:15, MN ) Momba ny fanomezana ho an’ireo “olona masina” nahantra, dia nanonona ny ohatra tsara dia tsaran’ireo Makedoniana i Paoly. Nalala-tanana nihoatra noho ny fahafahany izy ireo, ary nanantena ny hahita fahalalahan-tanana toy izany teo amin’ireo Korintiana izy. Tokony ho avy amin’ny fo ny fanomezany — sy ny antsika koa — satria “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”, ary mampanan-karena ny vahoakany noho ny fahalalahan-tanana rehetra asehony izy.
Paoly — Apostoly iray mahay miahy
Rehefa mahatanteraka na inona na inona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika mpanompony, dia aoka izy no ho reharehantsika fa tsy ny tenantsika. (10:1–12:13, fanamarihana ambany pejy sy MN ) Rehefa dinihina tokoa, dia amin’ny alalan’ny fiadiana ara-panahy “mahery noho Andriamanitra” no ahafahantsika mandrava ireo fanjohian-kevitra diso. Tsy afaka nifampitaha mihitsy tamin’i Paoly araka ny hita amin’ny fitantarana ny fiaretany tamin’ny naha-apostolin’i Kristy azy, ireo “apostoly fatratra loatra” mpirehareha teo amin’ny Korintiana. Kanefa, mba tsy hireharehany tamin’ny fomba tafahoatra, dia tsy nesorin’Andriamanitra ny “tsilo tamin’ny nofo” teo aminy — nety ho ny tsy fahitana tsara na ireo apostoly sandoka ireo. Na ahoana na ahoana dia naleon’i Paoly aza nirehareha noho ny fahalemeny mba hitoeran’ny “herin’i Kristy” teo aminy toy ny tabernakely. Raha ny amin’ny naha-lehilahy niorina tsara tamin’ny finoana azy, dia noporofoiny fa tsy latsaka noho ireo apostoly fatratra loatra izy. Hitan’ireo Korintiana ireo porofon’ny naha-apostoly an’i Paoly nasehony azy ireo “tamin’ny fiaretana rehetra, tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe.”
Tamin’ny naha-minisitra sady apostoly azy, dia tao am-pon’i Paoly ny tombontsoa ara-panahin’ireo mpiray finoana taminy, toy ny tokony hataontsika koa. (12:14–13:14) ‘Ho faly indrindra izy handany sy holanina hahasoa ny fanahin’izy ireo.’ Natahotra anefa i Paoly sao rehefa tonga any Korinto izy dia hahita ny sasany tsy nibebaka tamin’ny asan’ny nofo. Noho izany dia nanome torohevitra azy rehetra izy mba ‘tsy hitsahatra ny handini-tena na nitoetra tao amin’ny finoana izy ireo na tsia’ ary nivavaka mba ‘tsy hanaovany ratsy.’ Ho famaranana, dia nampirisika azy ireo izy mba hifaly, mba hanaiky ny fanarenana sy fampiononana, mba hiray saina ary hiaina amim-pihavanana. Torohevitra tsara dia tsara ho antsika koa re izany!
Aza mitsahatra mandini-tena!
Ny taratasin’i Paoly faharoa ho an’ireo kristiana tany Korinto àry, araka izany, dia manolotra fomba maro samy hafa ny amin’ny tsy fitsaharana ny mandini-tena raha mitoetra ao amin’ny finoana isika na tsia. Ny teniny dia azo antoka fa hanosika antsika hampionona ny hafa, toy ny nampiononan’Andriamanitra antsika tamin’ny fahoriantsika. Izay nolazain’ilay apostoly momba ny fanompoana kristiana dia tokony hanosika antsika hanatontosa izany amim-pahatokiana eo am-panatanterahantsika ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’i Jehovah.
Mety hahatonga antsika marina halala-tanana kokoa sy hahay hanampy kokoa ny fampiharantsika ny torohevitr’i Paoly. Kanefa, ny teniny dia tokony hanosika antsika hanao an’i Jehovah ho reharehantsika fa tsy ny tenantsika. Tokony hampitombo ny fiahiantsika feno fitiavana ireo mpiray finoana amintsika izany. Ary marina tokoa fa ireo hevitra ireo sy ny hafa koa hita ao amin’ny Korintiana faharoa dia afaka ny hanampy antsika mba ‘tsy hitsahatra ny handini-tena raha mitoetra ao amin’ny finoana isika na tsia.’
[Efajoro/Sary, pejy 24]
MANOMEZA TARATRY NY VONINAHITR’I JEHOVAH: Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra Sinay i Mosesy nitondra ireo vato nisy ny Vavolombelona, dia namirapiratra ny tavany satria avy niresaka taminy Andriamanitra. (Eksodosy 34:29, 30) Niresaka ny amin’izany i Paoly ka nanao hoe: “Isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia manome taratry ny voninahitr’i Jehovah, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, dia toy ny ataon’i Jehovah, ilay Fanahy mihitsy.” (2 Korintiana 3:7-18, MN ) Ireo fitaratra noraisin-tanana fahiny dia natao tamin’ny metaly toy ny halimo na ny varahina ary natao malama tsara mba hanome taratra tsara. Toy ny fitaratra, ireo voahosotra dia manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra izay mazava eo aminy avy any amin’i Jesosy Kristy, ary ‘manova azy ireo tsikelikely hahazo ilay endrika’ nampahafantarin’ilay Zanaka manome ny taratry ny voninahitr’i Jehovah azy. (2 Korintiana 4:6; Efesiana 5:1) Amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny Soratra masina, Andriamanitra dia mamorona ao amin’izy ireo “ny toetra vaovao”, izay taratry ny toetrany manokana. (Efesiana 4:24; Kolosiana 3:10) Na ho any an-danitra na ho eto an-tany ny fanantenantsika, dia aoka isika haneho izany toetra izany ka hankamamy ny tombontsoa hanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fanompoantsika.
[Efajoro/Sary, pejy 25]
“NY FIADIAN’NY FAHAMARINANA”: Ny fomba iray nampisehoan’i Paoly sy ny mpitory namany ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra dia tamin’ny “fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana, na amin’ny ankavia.” (2 Korintiana 6:3-7) Ny tanana havanana dia nampiasaina mba hitana sy hampiasa ny sabatra ary ny havia mba hitana ny ampinga. Na dia nisy namely avy teo amin’ny lafiny rehetra aza i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy, dia nanana fiadiana mba hanao ady ara-panahy. Ireo mpampianatra sandoka sy “apostoly fatratra loatra” no niadiany mba tsy ho voasarika hiala tamin’ny fifikirana tamin’i Kristy ny kongregasiona tany Korinto. Tsy nifidy ny hampiasa fiadiana ara-nofo, dia hafetsena, fanambakana na famitahana, akory i Paoly. (2 Korintiana 10:8-10; 11:3, 12-14; 12:11, 16) Ny “fiadiana” nampiasaina kosa dia fomba marina, na araka ny rariny, mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana marina sy hiarovana azy tamin’ny fanafihana rehetra. Mampiasa ny “fiadian’ny fahamarinana” toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny noho izany zava-kendrena izany koa.