Ny fomba fijerin’ny kristiana ireo manam-pahefana ambony
“Aoka ny fanahy rehetra samy hanaiky ireo manam-pahefana ambony, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia napetrak’Andriamanitra ho eo amin’ny toerany voafetra.” — ROMANA 13:1, MN.
1, 2. a) Nahoana i Paoly no nigadra tany Roma? b) Fanontaniana inona avy no napoitran’ny fangatahan’i Paoly handahatra teo anatrehan’i Kaisara?
NANORATRA ireo teny eo ambony ireo ho an’ny Romana tany amin’ny 56 am.fan.ir. tany ho any ny apostoly Paoly. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana izy dia hita nigadra tany Roma. Fa nahoana? Notafihin’ny vahoaka mpitabataba tany Jerosalema izy nefa novonjena miaramila romana. Rehefa nentina tany Kaisaria izy dia niatrika fiampangana lainga, nefa afaka niaro tena tsara teo anoloan’ilay governora romana, Feliksa. Nanantena ny hahazo tsolotra i Feliksa ka nihazona azy an-tranomaizina nandritra ny roa taona. Rehefa ela ny ela, dia nangataka tamin’ilay governora nanaraka, tamin’i Festosy, mba handahatra teo anatrehan’i Kaisara, i Paoly. — Asan’ny apostoly 21:27-32; 24:1–25:12.
2 Zony tamin’ny naha-olom-pirenena romana azy izany. Nifanaraka tamin’ny tokony hataony ve anefa ny fangatahan’i Paoly handahatra eo anatrehan’izany fahefan’ny emperora izany nefa i Jesosy efa nilaza an’i Satana ho ny tena “andrianan’izao tontolo izao”, ary i Paoly mihitsy aza dia niantso an’i Satana ho “ny andriamanitr’izao tontolo izao”? (Jaona 14:30; 2 Korintiana 4:4) Sa ny fahefana romana nitana ‘toerana voafetra’ ka izany dia nahatonga hety ny hianteheran’i Paoly tamin’izany fahefana izany mba hiarovana ny zony? Eny tokoa, moa ve ny tenin’ireo apostoly teo aloha nanao hoe “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona” mamela ny fankatoavan’ny kristiana ireo mpanapaka olombelona rehefa tsy mangataka ny tsy hankatoavana an’Andriamanitra izany? — Asan’ny apostoly 5:29.
3. Fomba fijery matotra inona no ahariharin’i Paoly, ary amin’ny ahoana no maha-tafiditra ny fieritreretana amin’izany?
3 Manampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana, izay ampiharihariany ny fomba fijery matotra momba ny fanapahan’olombelona. Ao amin’ny Romana 13:1-7 i Paoly dia mampiseho mazava tsara ny anjara tsy maintsy raisin’ny fieritreretan’ny kristiana iray rehefa mampifandanja ny fankatoavana amin’ny fomba feno ilay Fahefana Tampony, dia i Jehovah Andriamanitra, amin’ny fankatoavana amin’ny fomba voafetra “ny fahefana lehibe [manam-pahefana ambony, MN]” izy.
Fantarina ny manam-pahefana ambony
4. Fanitsiana inona momba ny fomba fijery iray no natao tamin’ny 1962, ary mampitranga fanontaniana inona avy izany?
4 Nandritra ny taona maromaro, hatreo amin’ny 1962, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nihevitra fa i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy no ireo manam-pahefana ambony ireo. Mifanaraka amin’ny voalaza ao amin’ny Ohabolana 4:18 anefa, dia nihanitombo ny fahazavana, ka nahitsy izany fomba fijery izany, fanaovan-javatra izay mety hampitranga fanontaniana ao an-tsain’ny sasany. Araka ny izy ve ny finoantsika ankehitriny fa ireo manam-pahefana ireo dia ireo mpanjaka, prezidà, praiminisitra, ben’ny tanàna, mpitsara ary ny hafa izay mampihatra fahefana tsy ara-pivavahana fa ara-politika eo amin’izao tontolo izao, ary koa, fa manana adidy ny hanaiky azy ireo amin’ny fomba voafetra isika?
5. Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny teny manodidina ny Romana 13:1 antsika mba hahafantatra hoe iza ny manam-pahefana ambony, ary ahoana no anohanan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa izany?
5 Nilaza i Irénée, mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa am.fan.ir., fa, araka ny fihevitry ny sasany tamin’ny androny, ao amin’ny Romana 13:1 i Paoly dia niresaka “momba ireo herin’ireo anjely [na] ireo mpanapaka tsy hita maso”. Ny tenan’i Irénée anefa dia nihevitra fa “tena manam-pahefana olombelona” ireo manam-pahefana ambony ireo. Ny teny manodidina ireo tenin’i Paoly ireo dia mampiseho fa araka ny izy ny ninoan’i Irénée. Ao amin’ireo andininy farany ao amin’ny Romana toko faha-12 i Paoly dia manazava ny fomba tokony hitondran’ny kristiana tena eo anoloan’ny “olona rehetra”, ka hitondrany, na dia ny ‘fahavalony’ aza, amim-pitiavana sy fiheverana. (Romana 12:17-21) Mazava fa ny teny hoe “ny olona rehetra” dia mihatra amin’ny olona any ivelan’ny kongregasiona kristiana. “Ny manam-pahefana ambony”, izay resahin’i Paoly manaraka, àry dia tsy maintsy any ivelan’ny kongregasiona kristiana koa. Mifanaraka amin’izany, dia mariho ny fomba ilazan’ny fandikan-teny samihafa ny tapany voalohany amin’ny Romana 13:1: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana” (Fandikan-teny katolika); “tsy maintsy mankatò ny manam-pahefan’ny fanjakana ny olona tsirairay” (Today’s English Version); “tsy maintsy manaiky ireo manam-pahefana manapaka ny olona tsirairay” (New International Version).
6. Amin’ny ahoana no ampisehoan’ireo tenin’i Paoly momba ny fandoavana vola hetra sy fadin-tseranana fa tsy maintsy manam-pahefana tsy ara-pivavahana ny manam-pahefana ambony?
6 Nanohy ny teniny i Paoly ka nilaza fa mitaky vola hetra sy fadin-tseranana ireo manam-pahefana ireo. (Romana 13:6, 7) Ny kongregasiona kristiana tsy mitaky vola hetra na fadin-tseranana; toy izany koa i Jehovah na i Jesosy na izay “fahefana tsy hita maso”. (2 Korintiana 9:7) Ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana ihany no andoavana vola hetra. Mifanaraka amin’izany, ireo teny grika milaza ny hoe “vola hetra” sy ny hoe “fadin-tseranana” nampiasain’i Paoly ao amin’ny Romana 13:7 dia manondro indrindra ny vola aloa amin’ny fanjakana.a
7, 8. a) Amin’ny ahoana no ifanarahan’ny andinin-teny samihafa amin’ny fomba fihevitra fa tokony hanaiky ireo manam-pahefana ara-politika eo amin’ity izao tontolo izao ity ny kristiana? b) Rahoviana ihany ny kristiana no tsy hanoa ireo baikon’ny “fahefana”?
7 Fanampin’izany, ny fampirisihan’i Paoly ny amin’ny tokony hanekena ny manam-pahefana ambony dia mifanaraka amin’ny baikon’i Jesosy mba handoavana ‘ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’, ka i “Kaisara” eto dia mampiseho ny fahefana tsy ara-pivavahana. (Matio 22:21) Izany koa dia mifanaraka amin’ny tenin’i Paoly tamin’i Titosy tatỳ aoriana manao hoe: “Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.” (Titosy 3:1) Noho izany, rehefa asain’ny fitondram-panjakana mandray anjara amin’ny asa ataon’ny manodidina azy koa ny kristiana, dia mety indrindra ny hanoavany izany, raha mbola tsy solon’ny fanaovana asa mifanipaka amin’ny Baiboly izany asa izany na mandika amin’ny fomba hafa fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra masina, toy izay hita ao amin’ny Isaia 2:4.
8 I Petera koa dia nanantitrantitra fa tokony hanaiky ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana eo amin’izao tontolo izao isika rehefa nilaza izy hoe: “Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.” (1 Petera 2:13, 14) Mifanaraka amin’izany, dia tokony hankatò izao fananaran’i Paoly ho an’i Timoty izao koa ny kristiana: “Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana [toerana ambony, MN], mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay”.b — 1 Timoty 2:1, 2.
9. Nahoana no tsy mampihena vidy ny voninahitr’i Jehovah ny fiantsoana ireo manam-pahefana olombelona hoe “ambony”?
9 Rehefa miantso ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana hoe “ambony” isika, moa ve isika mampihena vidy ny voninahitra tokony ho an’i Jehovah? Tsia, satria Jehovah lehibe lavitra noho ny hoe ambony fotsiny. Izy no “Tompom-piandrianana”, “ny Avo Indrindra”. (Salamo 73:28, MN; Daniela 7:18, 22, 25, 27; Apokalypsy 4:11; 6:10, MN) Tsy mampihena vidy ny fanompoam-pivavahantsika amin’ilay Fahefana Tampony, Jehovah Tompom-piandrianana, mihitsy ny fanekentsika ireo manam-pahefana olombelona amin’ny fomba mety. Hatraiza àry ny maha-ambony ireo manam-pahefana ireo? Izany dia raha oharina amin’ny olombelona hafa ary ao anatin’ny faritra ahafahany manao zavatra fotsiny. Manana andraikitra hanapaka eo amin’ny fitambaran’olona sy hiaro azy izy ireo, ary ho amin’izany no anorenany fitsipika hitondrana ny raharaham-bahoaka.
“Napetrak’Andriamanitra ho eo amin’ny toerany voafetra”
10. a) Ny tenin’i Paoly momba ny ‘fametrahana’ ireo manam-pahefana ambony ‘ho eo amin’ny toerany’ dia manaporofo inona momba ny fahefan’ny tenan’i Jehovah manokana? b) Inona no navelan’i Jehovah hisy raha ny amin’ny ‘fametrahana’ mpanapaka sasany ‘ho eo amin’ny toerany’, ary amin’ny ahoana no maha-fitsapana ny mpanompony an’izany?
10 Ny fahefana tampony ananan’i Jehovah Andriamanitra na dia eo amin’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana aza dia miharihary satria ireo manam-pahefana ireo dia “napetrak’Andriamanitra ho eo amin’ny toerany voafetra”. Mampitranga fanontaniana anefa io fitenenana io. Taona vitsivitsy taorian’ny nanoratan’i Paoly ireo teny ireo, ilay emperora romana natao hoe Néron dia nampihatra fanenjehana feno habibiana tamin’ny kristiana. Moa ve Andriamanitra mihitsy no nametraka an’i Néron teo amin’io toerany io? Tsy izany velively! Tsy hoe nofidin’Andriamanitra akory ny tsirairay avy amin’ireo mpanapaka ka hoe napetraka teo amin’ny toerany ‘noho ny fahasoavan’Andriamanitra’ izy ireo. Tsia, fa i Satana kosa indraindray dia mitari-javatra mba hametrahana olombelona tsy mifaditrovana eo amin’ny toeran’ny mpanapaka, ary avelan’i Jehovah hisy izany miaraka amin’ireo fitsapana ampiharin’ny mpanapaka toy izany amin’ny mpanompony mitana tsy fivadihana. — Ampitahao amin’ny Joba 2:2-10.
11, 12. Fisehoan-javatra inona avy, noraisina an-tsoratra, no nitarihan’i Jehovah nivantana ireo fahefana tsy ara-pivavahana ho eo amin’ny toerany na hiala avy teo amin’ny toerany?
11 Kanefa i Jehovah dia nandray anjara nivantana teo amin’ny raharahan’ny mpanapaka na fitondram-panjakana sasany mba hanatanterahana ny fikasany be voninahitra. Ohatra, tamin’ny andron’i Abrahama, ny Kananita dia navela hijanona teo amin’ny tany Kanana. Tatỳ aoriana anefa dia nofongoran’i Jehovah izy ireo ary nomeny ny taranak’i Abrahama ilay tany. Nandritra ny fivahinian’ny Isiraelita tany an’efitra, dia tsy navelan’i Jehovah hanafika an’i Edoma, sy Moaba ary ny tendrombohitra Seïra izy ireo. Nomeny baiko handringana ny fanjakan’i Sihona sy Oga kosa anefa izy. — Genesisy 15:18-21; 24:37; Eksodosy 34:11; Deoteronomia 2:4, 5, 9, 19, 24; 3:1, 2.
12 Rehefa avy niorim-ponenana tao Kanana ny Isiraely, dia nanohy nampiseho fiheverana nivantana ireo manam-pahefana izay nanana fifandraisana tamin’ny vahoakany i Jehovah. Indraindray, rehefa nanota ny Isiraely, dia navelan’i Jehovah hianjera teo ambany fahefan’ny mpanompo sampy. Rehefa nibebaka izy ireo, dia nesoriny teo amin’ilay tany izany fahefana izany. (Mpitsara 2:11-23) Tamin’ny farany, dia navelany hianjera teo ambany fifehezan’i Babylona i Joda sy ny firenena maro hafa. (Isaia 14:28–19:17; 23:1-12; 39:5-7) Rehefa lasa sesitany tany Babylona ny Isiraely, i Jehovah dia nilaza mialoha ny amin’ny hisondrotana sy ny hianjeran’ireo herim-panjakana izay hanana fifandraisana amin’ny vahoakany nanomboka tamin’ny andron’i Babylona ka hatramin’izao androntsika izao. — Daniela, toko faha-2, 7, 8 ary 11.
13. a) Araka ny hiran’i Mosesy, nahoana i Jehovah no nanendry ny faritra nampisaraka ireo firenena? b) Nahoana Andriamanitra tatỳ aoriana no namerina indray ny Isiraely tany amin’ny taniny?
13 Nihira toy izao momba an’i Jehovah i Mosesy: “Fony nomen’ny Avo Indrindra zaratany ny jentilisa, ka samy natokantokany ny zanak’olombelona, dia notendreny ny fari-tanin’ireo firenena araka ny isan’ny Zanak’Isiraely. Fa anjaran’i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.” (Deoteronomia 32:8, 9; ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 17:26.) Eny, mba hanatanterahana ny fikasany, eto Andriamanitra dia nanendry izay manam-pahefana tokony hijanona ary izay tokony horinganina. Araka izany no nanendreny tany iray ho lovan’ny taranak’i Abrahama ary tatỳ aoriana, namerenany azy ireo indray tany amin’izany tany izany, mba hahafahan’ilay Taranaka nampanantenaina hiseho tao tamin’ny farany, dia araka ny naminaniana azy indrindra. — Daniela 9:25, 26; Mika 5:1.
14. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, amin’ny heviny ahoana i Jehovah no mametraka ireo manam-pahefana olombelona eo amin’ny toerany voafetra?
14 Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, Andriamanitra dia mametraka ireo mpanapaka eo amin’ny toerany voafetra amin’ny heviny hoe mamela olombelona handray toeram-pahefana voafetra raha oharina amin’ny hafa izy, nefa ambany noho ny azy foana. Noho izany, rehefa nitsangana teo anatrehan’i Pontio Pilato i Jesosy dia nilaza tamin’io mpanapaka io hoe: “Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony”. (Jaona 19:11) Izany akory tsy nidika fa napetrak’Andriamanitra nivantana teo amin’ny toerany i Pilato, fa nidika kosa izany fa tsy nanana fahefana hanapaka ny amin’ny hiainan’i Jesosy na ny hahafatesany izy raha tsy noho ny famelan’Andriamanitra.
“Ny Andriamanitr’ity fandehan-javatra ity”
15. Amin’ny fomba ahoana no ampiharan’i Satana fahefana eo amin’ity izao tontolo izao ity?
15 Ahoana anefa ny amin’ny filazan’ny Baiboly fa i Satana no andriamanitra, na mpanapak’ity izao tontolo izao ity? (Jaona 12:31; 2 Korintiana 4:4, MN) Ahoana tokoa ny amin’ny fireharehan’i Satana tamin’i Jesosy rehefa nasehony an’i Jesosy ny fanjakana rehetra teo amin’izao tontolo izao ka nilaza izy hoe: “Izao fanapahana rehetra izao (...) efa natolotra ahy (...), ka izay tiako no homeko azy”. (Lioka 4:6) Tsy nanipaka ny fireharehan’i Satana i Jesosy. Ary ny tenin’i Satana dia mifanaraka amin’izay nosoratan’i Paoly tatỳ aoriana ho an’ny Efesiana manao hoe: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” (Efesiana 6:12) Ambonin’izany, ny bokin’ny Apokalypsy dia milazalaza an’i Satana ho toy ny dragona lehibe iray izay manome ho an’ny fandehan-javatra ara-politikan’izao tontolo izao asehon’ny biby dia ara-panoharana “ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.” — Apokalypsy 13:2.
16. a) Ahoana no ahitana fa voafetra ny fahefan’i Satana? b) Nahoana i Jehovah no nanome lalana an’i Satana hanana fahefana eo amin’ny taranak’olombelona?
16 Mariho anefa fa ny tenin’i Satana tamin’i Jesosy manao hoe “Izao fanapahana rehetra izao (...) dia efa natolotra ahy” dia mampiseho fa izy koa dia tsy mampihatra fahefana raha tsy nomena lalana hanao izany. Nahoana Andriamanitra no manome izany lalana izany? Nanomboka tany Edena ny toerana tanan’i Satana amin’ny maha-mpanapaka izao tontolo izao azy, fony izy niampanga ampahibemaso an’Andriamanitra ho nandainga sy ho nampihatra ny Fiandrianany tsy araka ny rariny. (Genesisy 3:1-6) Nanaraka an’i Satana i Adama sy i Eva ary tsy nankatò an’i Jehovah Andriamanitra. Tamin’izay i Jehovah dia afaka nampihatra ny rariny tanteraka ka namono ho faty an’i Satana sy ireo mpanara-dia azy vaovao roa ireo. (Genesisy 2:16, 17) Raha ny tena marina, anefa, ny tenin’i Satana dia fihaikana manokana an’i Jehovah. Noho ny fahendreny àry, dia namela an’i Satana hanohy hiaina mandritra ny fotoana kelikely Andriamanitra, ary i Adama sy i Eva dia navela hanan-janaka maro alohan’ny hahafatesany. Tamin’izany fomba izany, Andriamanitra dia namela fotoana sy fahafahana mba hanaporofoana ny tsy maha-marina ny fihaikan’i Satana. — Genesisy 3:15-19.
17, 18. a) Nahoana isika no afaka miteny fa i Satana no andriamanitr’ity izao tontolo izao ity? b) Amin’ny fomba ahoana no “tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra” eo amin’ity izao tontolo izao ity?
17 Ireo zava-nitranga hatrany Edena dia nampiseho fa ireo fiampangan’i Satana dia tsy inona fa lainga fotsiny. Tsy nahita fahasambarana ny taranak’i Adama, na teo ambany fanapahan’i Satana na teo ambany fanapahan’ny olombelona. (Mpitoriteny 8:9) Etsy an-daniny kosa, ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany dia nanome porofo ny amin’ny maha-ambony kokoa ny fanapahan’Andriamanitra. (Isaia 33:22) Koa satria tsy manaiky ny fiandrianan’i Jehovah anefa ny ankamaroan’ny taranak’i Adama, izy ireo dia manompo an’i Satana ho andriamaniny, na fantany izany na tsia. — Salamo 14:1; 1 Jaona 5:19.
18 Tsy ho ela dia hahazoana valiny ireo fanontaniana napoitra tany Edena. Handray amin’ny fomba feno ny fitondrana ny raharahan’ny taranak’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Satana dia hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. (Isaia 11:1-5; Apokalypsy 20:1-6) Mandra-pahatongan’izany fotoana izany anefa, dia nisy karazam-pandaharana na rafitra tsy maintsy narahina teo amin’ny taranak’olombelona mba hisian’ny fiainana milamina. I Jehovah dia “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana [fikorontanana, MN], fa tompon’ny fiadanana.” (1 Korintiana 14:33) Noho izany, dia namela ny hisian’ny rafi-pahefana eo anivon’ny fitambaran’olona miara-miaina izay nitombo tany ivelan’i Edena izy ary namela olombelona hampihatra fahefana tao anatin’izany fandaharana izany. Amin’izany fomba izany no hoe “Tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra”.
Manam-pahefana tia ny rariny
19. Eo ambany fifehezan’i Satana mivantana ve ny mpanapaka olombelona tsirairay?
19 Hatrany Edena, i Satana dia nanana fahalalahana lehibe teo amin’ny olombelona ary nampiasa izany fahalalahana izany mba hitarihana ireo zava-miseho teto an-tany, mifanaraka amin’ny fireharehana nasehony tamin’i Jesosy. (Joba 1:7; Matio 4:1-10) Izany anefa akory tsy midika fa ny mpanapaka tsirairay eo amin’ity izao tontolo izao ity dia manaiky mivantana ny fifehezan’i Satana. Ny sasany — toa an’i Néron tamin’ny taonjato voalohany sy i Adolphe Hitler tamin’ity taonjato misy antsika ity — dia tena nampiseho toe-tsain’i Satana mihitsy. Tsy toy izany anefa ny hafa. I Sergio Paolo, governoran’i Kyprosy, dia “lehilahy hendry” izay “naniry mba hahare ny tenin’Andriamanitra”. (Asan’ny apostoly 13:7) I Galio, governoran’i Akaia, dia tsy nanaiky hoteren’ireo mpiampanga jiosy an’i Paoly. (Asan’ny apostoly 18:12-17) Mpanapaka maro hafa no nampihatra tsara ny fahefany tamin’ny fomba mendrika hoderaina. — Ampitahao amin’ny Romana 2:15.
20, 21. Zava-mitranga inona avy amin’ny taonjato faharoapolo no mampiseho fa tsy manao ny sitrapon’i Satana daholo akory ny mpanapaka olombelona?
20 Nanambara mialoha ny bokin’ny Apokalypsy fa mandritra “ny Andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny 1914, i Jehovah dia hitarika mihitsy ireo manam-pahefana olombelona mba tsy hahombiazan’ny fikasan’i Satana. Ny Apokalypsy dia milazalaza ny amin’ny onjam-panenjehana hatondrak’i Satana amin’ireo kristiana voahosotra ka hatelin’ilay “tany”. (Apokalypsy 1:10; 12:16) Hisy olona mahaforona ilay “tany”, ny fitambaran’ny olombelona miaina eto an-tany ankehitriny, izay hiaro ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fanenjehan’i Satana.
21 Tena nitranga tokoa ve izany? Eny. Nandritra ireo taona 1930 sy ireo taona 1940, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia dia teo ambany fanerena mafy ary nijaly noho ny famelezan’ny mpanakorontana sy ny fisamborana tsy ara-drariny matetika. Afaka tamin’izany izy ireo rehefa nanolotra fanapahan-kevitra sasantsasany nanaiky ny naha-ara-dalàna ny asany ny Fitsarana Tampony amerikana. Any amin’ny toerana hafa koa, ireo manam-pahefana dia nanampy ny vahoakan’Andriamanitra. Efapolo taona lasa izay, tany Irlande, dia notafihin’ny vahoaka mpanakorontana katolika ny Vavolombelona roa tany amin’ny tanànan’i Cork. Nanampy ireo Vavolombelona ny polisy teo an-toerana iray, ary nanafay ireo mpanafika ny fitsarana iray. Vao tamin’ny herintaona, tany Fidji, nandritra ny fivoriana nataon’ireo filoha lehibe indrindra, dia nisy nanolo-kevitra mba handrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandray ny fitenenana tamim-pahasahiana mba hiaro ny Vavolombelona ny filoha iray, ary tsy lany mora foana ilay fanoloran-kevitra.
22. Fanontaniana inona avy no hodinihina manaraka?
22 Tsia, tsy manatanteraka ny fikasan’i Satana daholo akory ireo fahefana tsy ara-pivavahana. Afaka manaiky ireo manam-pahefana ambony ny kristiana nefa tsy hanaiky ny tenan’i Satana amin’ny fanaovana toy izany. Eny tokoa, hanaiky ireny manam-pahefana ireny izy raha mbola avelan’Andriamanitra hisy izy ireny. Midika ho inona anefa izany fanekena izany? Ary inona no azon’ny kristiana andrasana avy amin’ny manam-pahefana ambony? Hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra natao hianarana manomboka eo amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny pejy faha-23 ato amin’ity gazety ity ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo, ohatra, ny fampiasana ny teny hoe “vola hetra” (phoʹros) ao amin’ny Lioka 20:22. Jereo koa ny fampiasana ny teny grika hoe teʹlos, adika eto hoe “fadin-tseranana”, ao amin’ny Matio 17:25.
b Ny anarana grika hoe hy·pe·ro·kheʹ, nadika hoe “fahefana” na “toerana ambony”, dia manana ifandraisana amin’ilay matoanteny hoe hy·pe·reʹkho. Ny teny hoe “ambony” ao amin’ny hoe “manam-pahefana ambony”, dia avy amin’io matoanteny grika io ihany, ary izany dia manome porofo fanampiny fa ny manam-pahefana ambony dia ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana. Ny nandikana ny Romana 13:1 ao amin’ny The New English Bible, manao hoe “Tsy maintsy manaiky ireo fahefana tampony ny olona tsirairay”, dia tsy araka ny izy. Tsy tampony akory ireo olombelona “manana fahefana”, na dia ambony noho ny olombelona hafa aza izy ireo.
Inona no havalinao?
◻ Iza moa no manam-pahefana ambony?
◻ Amin’ny heviny ahoana isika no afaka miteny fa “tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra”?
◻ Nahoana i Jehovah no mamela izao tontolo izao ho eo ambany fahefan’i Satana?
◻ Amin’ny fomba ahoana Andriamanitra no mametraka ireo fahefana olombelona ho “eo amin’ny toerany voafetra”?
[Sary, pejy 13]
Taorian’ny nandoroana an’i Roma, i Néron dia nampiseho tena toe-tsain’i Satana
[Sary, pejy 15]
Naniry mba hahare ny tenin’Andriamanitra i Sergio Paolo, governoran’i Kyprosy