Manomeza voninahitra ny Zanaka, ilay Irak’i Jehovah lehibe indrindra
“Izay tsy manome voninahitra ny Zanaka dia tsy manome voninahitra ny Ray”. — JAONA 5:23, MN.
1. Amin’ny ahoana no maha-fanalam-baraka an’i Jesosy ny finoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny Trinite?
AMIN’IZAO andro izao, dia maro ireo olona ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana milaza fa manome voninahitra an’i Jesosy Kristy, kanefa manao ny mifanipaka amin’izany indrindra. Amin’ny fomba ahoana? Maro ireo milaza fa i Jesosy dia ilay Andriamanitra Tsitoha, ary koa fa Andriamanitra, ilay Mpamorona ny zavatra rehetra, dia tonga teto an-tany ary niaina sy maty tamin’ny naha-olona. Izany filazana izany dia voaray ao anatin’ny fampianarana momba ny Trinite, izay ny foto-pampianaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Kanefa raha toa ka diso ny Trinite, raha toa i Jesosy, raha ny tena izy, ka ambany noho Andriamanitra sy eo ambany fahefany, moa ve tsy hampalahelo azy izany fomba fampiseho diso ny fifandraisany amin’Andriamanitra izany? Izany tokoa, hoheveriny ho toy ny fanalam-baraka ny tenany sy izay rehetra nampianariny izany fomba fampiseho diso izany.
2. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny Soratra masina mazava tsara fa ambany kokoa noho Andriamanitra i Jesosy ary manaiky ny fahefany?
2 Raha ny marina, i Jesosy dia tsy nilaza na oviana na oviana fa Andriamanitra izy, fa niresaka tsy an-kijanona momba ny tenany ho toy ny “Zanak’Andriamanitra” kosa izy. Na ireo fahavalony aza dia nanaiky izany. (Jaona 10:36; 19:7). Niahy lalandava ny hanandratra ny Ray sy ny hanaiky ny fahefany i Jesosy, araka ny fiekeny hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Raha izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona (...) fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” Hoy indray izy: “Izy no nihaviako [Izaho dia solontena avy aminy, MN], ka Izy no naniraka Ahy.” Hoy ihany koa izy: “Avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ”. (Jaona 5:19, 30; 7:28, 29; 8:42). Tsy nanipy hevitra mihitsy akory aza i Jesosy fa hoe Andriamanitra izy na hoe nitovy taminy. Ny fampianarana zavatra toy izany àry dia manala baraka an’i Jesosy.
Fomba maro hafa analan’ny sasany baraka an’i Jesosy
3. a) Amin’ny fandavana inona momba an’i Jesosy moa no analan’ny sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana baraka azy? b) Fanamarinana inona moa no nomen’i Jesosy raha ny amin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy?
3 Mahagaga ihany fa misy olona sasany koa ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao izay manala baraka an’i Jesosy amin’ny fandavana fa nanana fisiana talohan’ny naha-olombelona azy izy. Kanefa, amin’ny fanekentsika fa i Jesosy dia tena nidina ara-bakiteny avy tany an-danitra ho etỳ an-tany ihany vao afaka ny hanomboka ny hanome voninahitra azy amin’ny fomba mety isika. Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia namerimberina fa nanana fisiana talohan’ny naha-olombelona azy izy. “Tsy nisy niakatra ho any an-danitra”, hoy izy, “afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona”. Tatỳ aoriana, dia hoy ny nambarany: “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra. (...) Mainka raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha hianareo.” Ary hoy indray koa izy: “Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony. (...) Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.” (Jaona 3:13; 6:51, 62; 8:23, 58). Nanisy firesahana ny amin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy koa i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy any an-danitra ny alina namadihana azy. — Jaona 17:5.
4. a) Amin’ny fomba hafa inona koa no analan’ny olona maro baraka an’i Jesosy? b) Porofo inona no tokony ho ampy mba hanamarinana fa tena niaina tokoa i Jesosy, ary nahoana?
4 Misy olona ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza lasa lavitra dia lavitra amin’ny fandavana ny hoe tena olona nisy teo amin’ny tantara i Jesosy ka niaina tamin’ny naha-olombelona azy. Raha tsy tena niaina tokoa i Jesosy, dia tsy hisy hilàna hiresahana ny amin’ny antony sy ny fomba tokony hanomezana voninahitra azy. Kanefa ny fanamarinana maro dia maro avy amin’ireo vavolombelona nahita maso voarakitra ao amin’ny Soratra masina dia tokony ho porofo ampy mba tsy hampisy fisalasalana mihitsy fa tena niaina teto an-tany tokoa i Jesosy. (Jaona 21:25). Marina indrindra izany satria ireo kristiana voalohany dia nampianatra matetika momba an’i Jesosy tamin’ny fanaovana vy very ny ainy sy ny fahafahany mihitsy aza. (Asan’ny apostoly 12:1-4; Apokalypsy 1:9). Kanefa, ankoatra izay nosoratan’ny mpanara-dia azy momba azy, dia azo porofoina ve ny fisian’i Jesosy?
5, 6. Inona no asehon’ny porofo ara-tantara, ivelan’ny Soratra masina, raha ny amin’ny tena fisian’i Jesosy Kristy?
5 Ny Firaketana vaovao britanika (1987, anglisy) dia nanambara toy izao: “Misy fitantarana mitokana maro manaporofo fa tamin’ny andro fahiny, na dia ireo mpanohitra ny kristianisma aza dia tsy nisalasala velively ny amin’ny maha-olona ara-tantara an’i Jesosy.” Inona avy no sasany amin’ireny fitantarana mitokana ireny? Araka ilay manam-pahaizana jiosy atao hoe Joseph Klausner, dia eo ny fanamarinan’ireo soratry ny Talmoda voalohany. (Jesosy avy any Nazareta, anglisy, pejy faha-20). Eo koa ny fanamarinan’ilay mpanoratra tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany atao hoe Josèphe. Ohatra, milazalaza ny amin’ny nitoraham-bato an’i Jakoba izy io ary nampahafantatra azy ho “ny rahalahin’i Jesosy ilay antsoina hoe Kristy.” — Jewish Antiquities, (Rakitry ny ela jiosy), XX, [ix, 1].
6 Ambonin’izany, dia eo koa ny fanamarinan’ireo mpanoratra tantara romana tany am-boalohany, indrindra fa ny an’i Tacite, izay nohajaina indrindra. Nanoratra tany am-piandohan’ny taonjato faharoa izy io momba “ny kilasin’olona iray nankahalaina noho ny zavatra naharikoriko nataony, ary nantsoin’ny vahoaka hoe Kristiana. I Christus [Kristy], izay niavian’ilay anarana [kristiana], dia niharan’ny famaizana fara tampony, nandritra ny andro nanjakan’i Tiberio, teo an-tanan’ny iray tamin’ireo nanam-pahefana teo amintsika.” (Tantara voalahatra, XV, XLIV). Noho ny fahitany fa tondraka aoka izany ny porofo fa tena olona ara-tantara tokoa i Jesosy, dia nanamarina toy izao i Jean-Jacques Rousseau, ilay filôzôfa frantsay mpampianatra fitsipi-pitondrantena tamin’ny taonjato faha-18: “Ny tantaran’i Socrate, izay tsy misy na iray aza sahy misalasala ny aminy, dia tsy voamarina tsara toy ny an’i Jesosy Kristy akory.”
Antony tokony hanomezam-boninahitra ny Zanaka
7. a) Fanamarinana ao amin’ny Soratra masina inona no mampiseho fa manana adidy hanome voninahitra an’i Jesosy Kristy isika? b) Tamin’ny fomba hafa ahoana koa no nanomezan’i Jehovah voninahitra ny Zanany?
7 Izao isika dia tonga eo amin’ny foto-kevitra momba ny fanomezam-boninahitra an’i Jesosy Kristy. Hita amin’ny teniny ao amin’ny Jaona 5:22, 23 ny antony tsy maintsy nanomezan’ny mpanara-dia an’i Jesosy voninahitra azy: “Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, mba hanajan’ny olona rehetra [hanomezan’ny olona rehetra voninahitra, MN] ny Zanaka, tahaka ny fanajany [anomezany voninahitra, MN] ny Ray. Izay tsy manaja [manome voninahitra, MN] ny Zanaka dia tsy manaja [manome voninahitra, MN] ny Ray, Izay naniraka Azy.” Hatramin’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, dia nanome voninahitra bebe kokoa ihany ny Zanany i Jehovah, ka ‘nosatrohany voninahitra aman-daza noho ny fitondrany fahafatesana izy’. (Hebreo 2:9; 1 Petera 3:22). Raha lazaina amin’ny teny fohy, dia manana antony hanomezana voninahitra an’i Jesosy isika noho ny maha-izy azy ary koa noho ny nataony.
8. Noho ny zavatra tsy hita afa-tsy amin’i Jesosy Kristy inona avy no maha-mendrika ny hahazoany voninahitra?
8 Mendrika ny homena voninahitra i Jesosy Kristy satria, amin’ny maha-Logos, na ny Teny, azy, dia ny mpitondra tenin’i Jehovah lehibe indrindra sy tsara indrindra izy. Avy amin’ny Soratra masina, dia hita fa ny anarana hoe “ny Teny” dia ampiharina amin’i Jesosy talohan’ny nahatongavany teto an-tany ary koa taorian’ny niakarany ho any an-danitra. (Jaona 1:1; Apokalypsy 19:13). Ao amin’ny Apokalypsy 3:14 izy dia miantso ny tenany hoe “Ilay (...) niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao”. Tsy “ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” fotsiny izy fa, amin’ny maha-‘Zanakalahy tokana’ azy, dia izy irery ihany koa no noforonin’i Jehovah Andriamanitra nivantana. (Kolosiana 1:15; Jaona 3:16). Ambonin’izany, dia “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.” (Jaona 1:3). Noho izany àry, rehefa mamaky isika ao amin’ny Genesisy 1:26 fa nilaza Andriamanitra hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika”, dia tafiditra ao amin’ilay hoe “isika” ny Logos, na ny Teny. Azo antoka fa ny nahazoan’i Jesosy ny tombontsoa mahatalanjona handray anjara tamin’ny asa famoronana niaraka tamin’i Jehovah Andriamanitra nandritra ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy dia mahatonga azy ho mendrika ny homena voninahitra tokoa.
9. Nahoana isika no manatsoaka hevitra fa i Jesosy no ilay Mikaela arikanjely, ary tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’i Mikaela voninahitra an’i Jehovah raha ny amin’ny fatin’i Mosesy?
9 Mbola mendrika ny homena voninahitra ihany koa i Jesosy Kristy satria ny anjelin’i Jehovah lehibe indrindra izy, na arikanjeliny. Inona no fototr’izany fanatsoahan-kevitra izany? Ilay tovona hoe “arik-”, midika hoe “lehibe na voalohany indrindra”, dia milaza fa tsy misy afa-tsy arikanjely iray ihany. Ny Tenin’Andriamanitra dia miresaka momba azy io rehefa manisy fitenenana momba an’i Jesosy Kristy Tompo tafatsangana amin’ny maty. Izao no vakintsika: “Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha.” (1 Tesaloniana 4:16). Manana anarana io arikanjely io, araka ny vakintsika ao amin’ny Joda 9 manao hoe: “Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ny devoly ka nifanditra ny amin’ny fatin’i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: ‘Hananatra anao anie Jehovah’.” Tsy nialoha an’i Jehovah i Jesosy tamin’ny fahasahiana hitsara ny Devoly, ka nanome voninahitra ny Rainy any an-danitra tamin’izany.
10. a) Amin’ny ahoana no itarihan’i Mikaela ny ady ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no anjara asan’i Mikaela teo amin’ny firenen’ny Isiraely?
10 Miady ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra i Mikaela arikanjely, ka mitarika ny asa fanadiovana ny lanitra amin’ny fisian’i Satana sy ny andiana demoniany. (Apokalypsy 12:7-10). Ary milaza ny mpaminany Daniela fa ‘mitsangana hiaro ny zanaky ny firenen’Andriamanitra izy’. (Daniela 12:1). Hita àry fa i Mikaela dia “Ilay Anjelin’Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Isiraely”, ary koa fa izy ilay nampiasain’Andriamanitra mba hitondra ny vahoakany ho any amin’ny Tany nampanantenaina. “Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony”, hoy ny baikon’Andriamanitra. “Aza mampahatezitra Azy (...) fa ny anarako no ao aminy.” (Eksodosy 14:19; 23:20, 21). Tsy misy isalasalana fa tsy maintsy nampiseho fahalianana lehibe tamin’ny vahoakan’Andriamanitra tandindona nitondra ny anarany ilay arikanjelin’ i Jehovah. Tena nety indrindra ny nahatongavany hanampy anjely hafa iray nirahina mba hampionona ny mpaminany Daniela nefa nosakanan’ny demonia nahery iray. (Daniela 10:13). Mety ho ara-drariny àry ny manatsoaka hevitra fa ilay anjely nandringana ireo mpiadin’i Sankeriba 185 000 dia tsy iza fa i Mikaela arikanjely. — Isaia 37:36.
11. Noho ny fanarahan’i Jesosy fomba fiaina nanao ahoana teto an-tany no maha-mendrika ny hahazoany voninahitra avy amintsika?
11 Tsy mendrika ny homem-boninahitra noho ny maha-izy azy ihany i Jesosy fa noho ny nataony koa. Ohatra, izy irery no hany olombelona nanana fiainana tanteraka. Noharìna tanteraka i Adama sy i Eva, nefa tsy naharitra ela ny fahatanterahany. I Jesosy Kristy anefa dia nitoetra ‘tsy nisy tsiny, tsy nisy loto, voasaraka tamin’ny mpanota’ na dia teo aza ny fakam-panahy na fanenjehana rehetra nentin’ny Devoly teo aminy. Teo anatrehan’izany rehetra izany izy dia “tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”. Afaka nanontany ara-drariny tsara ireo mpanohitra azy ara-pivavahana toy izao izy: “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota?” Tsy nisy na dia iray aza! (Hebreo 7:26; 1 Petera 2:22; Jaona 8:46). Ary noho izy nitana tsy fivadihana sady tsy nanota, i Jesosy dia nanamarina ny Rainy any an-danitra ho ilay manana ny zo ho Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao sady nanaporofo fa ny Devoly dia mpandainga ratsy an-kitsirano. — Ohabolana 27:11.
12. a) Karazan’olona nanao ahoana moa i Jesosy, ary inona no nataony sy niaretany ho an’ny hafa? b) Nahoana ianao no hilaza fa mendrika ny hahazo voninahitra avy amintsika i Jesosy noho ny nataony sy noho ny niaretany?
12 Mendrika ny homem-boninahitra i Jesosy Kristy, tsy noho izy nanana fiainana tanteraka tsy nisy ota fotsiny fa satria koa izy olona tsara, olona tsy tia tena fa vonona ny hanao sorona ny tenany. (Ampitahao amin’ny Romana 5:7.) Tsy reraka mihitsy izy nanompo ny hafa ka nanome izay nilainy teo amin’ny ara-panahy sy ara-batana. Zotom-po toy inona moa no nasehony ho an’ny tranon’ny Rainy, ary faharetana toy inona moa no nasehony teo amin’ny fifandraisany tamin’ny mpianany! Fahoriana toy inona moa no naha-vonona azy ny hiaritra izany teo am-panaovana ny sitrapon’ny Rainy! Raha ny amin’ilay fitsapana mafy nahazo azy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia hoy ny Baiboly: “Fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.” Eny, “nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be” izy. (Lioka 22:44; Hebreo 5:7). Endrey ny fahamarinan’ny fanambarana nataon’i Isaia mpaminany mialoha ny amin’ny fitsapana mafy hahazo azy ao amin’ny Isaia 53:3-7!
13. Ohatra tsara dia tsara inona no nomen’i Jesosy ho antsika raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra ny Rainy any an-danitra?
13 Mendrika ny homentsika voninahitra koa i Jesosy noho ny ohatra tsara dia tsara nomeny antsika raha ny amin’ny tokony hanomezana voninahitra ny Rainy any an-danitra. Afaka niteny tsara toy izao izy: “Mankalaza [manome voninahitra, MN] ny Raiko [aho]”. (Jaona 8:49). Tamin’ny fotoana rehetra izy dia nanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny teniny sy ny nataony. Araka izany, rehefa nanasitrana lehilahy iray izy, dia tsy milaza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa hoe nankalaza an’i Jesosy ny olona, fa hoe “nankalaza an’Andriamanitra” izy ireo. (Marka 2:12). Noho izany, tany amin’ny faran’ny fanompoany teto an-tany, i Jesosy dia afaka nilaza ara-drariny tsara tao amin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy any an-danitra hoe: “Izaho efa nankalaza [nanome voninahitra, MN] Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” — Jaona 17:4.
Izay nataony ho antsika
14. Inona no notanterahin’ny fahafatesan’i Jesosy ho antsika ka mahatonga azy ho mendrika ny hahazo voninahitra avy amintsika?
14 Ary toy inona moa ny maha-mendrika an’i Jesosy Kristy hahazo voninahitra avy amintsika noho izay rehetra notanterahiny ho antsika! Maty noho ny fahotantsika izy mba hahafahantsika hihavana amin’i Jehovah Andriamanitra indray. Hoy i Jesosy momba ny tenany: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Araka izany, ny fahafatesany dia nahatonga hety izay rehetra hotanterahin’ilay Fanjakana ho antsika olombelona: fiainana tsy mety maty any an-danitra ho an’ireo 144 000 izay hahaforona ny ampakariny, ary fiainana mandrakizay eto an-tany tonga paradisa ho an’olona an-tapitrisany maro hafa izay nanaporofo ny finoany sy ny fankatoavany tao anatin’ny fitsapana. — Salamo 37:29; Apokalypsy 14:1-3; 21:3, 4.
15. Inona no ohatra iray ny amin’ny fampihariharian’i Jesosy ny toetry ny Rainy amintsika?
15 Mendrika ny homentsika voninahitra koa i Jesosy satria, amin’ny maha-Mpiampianatra lehibe azy, dia nampiharihary tamin’ny fomba tanteraka ny sitrapon’ny Rainy sy ny toetrany tamintsika izy. Ohatra, tao amin’ny Toriteniny teny an-tendrombohitra izy dia nisintona ny sain’ny olona ho amin’ny fahalalahan-tanan’ny Rainy izay manome masoandro sy ranonorana ho an’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary avy eo dia nanamarika hoe: “Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 5:44-48.
16. Tamin’ny ahoana no namintinan’ny apostoly Paoly ny fomba fiaina mendrika ny homena voninahitra narahin’i Jesosy?
16 Namintina tsara ny fomba fiaina mendrika ny homem-boninahitra narahin’i Jesosy ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza [izy], dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” — Filipiana 2:5-8.
Ny fomba hahafahantsika manome voninahitra ny Zanaka
17, 18. Amin’ny fomba samihafa inona avy no hahafahantsika manome voninahitra an’i Jesosy Kristy?
17 Koa satria tsy misy isalasalana fa mendrika ny homentsika voninahitra i Jesosy Kristy, dia tonga amin’izao fanontaniana izao isika: Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika manome voninahitra ny Zanaka? Amin’ny fanehoana finoana ny sorom-panavotany, ary manome porofo izany finoana izany isika amin’ny fanaovana ireo dingana ilaina, dia ny fibebahana, ny fiovana, ny fanoloran-tena ary ny batisa. Amin’ny fanatonana an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny anaran’i Jesosy, dia manome voninahitra an’i Jesosy isika. Mbola manome voninahitra azy ihany koa isika rehefa manaraka ireto teniny ireto: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24). Manome voninahitra an’i Jesosy Kristy isika rehefa manaraka ny toromarika nomeny momba ny tsy tokony hitsaharana ny hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha, ary manome voninahitra azy isika rehefa manaraka ny baiko nomeny momba ny tokony handraisana anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra. Ary manome voninahitra an’i Jesosy ihany koa isika rehefa maneho fifankatiavan’ny mpirahalahy izay nolazainy fa hahafantarana ny mpanara-dia azy marina. — Matio 6:33; 28:19, 20; Jaona 13:34, 35.
18 Fanampin’izany, manome voninahitra ny Zanaka isika amin’ny fakana ny anarany, amin’ny fiantsoana ny tenantsika hoe kristiana, ary avy eo dia amin’ny fiainana mifanaraka amin’izany anarana izany amin’ny alalan’ny fitondrantenantsika tsara dia tsara. (Asan’ny apostoly 11:26; 1 Petera 2:11, 12, MN). Nilaza ny apostoly Petera fa tokony hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika. (1 Petera 2:21, MN). Amin’ny fanahafana azy toy izany amin’ny fitondrantenantsika rehetra koa, dia manome voninahitra azy isika. Ary azo antoka fa, rehefa mankalaza isan-taona ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy isika, dia manome voninahitra azy amin’ny fomba manokana. — 1 Korintiana 11:23-26.
19, 20. a) Valisoa inona avy, ankehitriny sy amin’ny hoavy, no atolotr’i Jesosy ireo mpanara-dia azy noho ny anomezan’izy ireo voninahitra azy? b) Afaka matoky inona isika raha ny amin’ny Zanaka?
19 Valisoa inona avy no atolotr’i Jesosy ireo mpianany noho ny fanarahan’izy ireo fomba fiaina izay manome voninahitra azy? Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara [vaovao tsara, MN], ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” — Marka 10:29, 30.
20 Hita avy amin’izany fa raha manao sorona noho ny amin’i Jesosy isika, dia hataony izay hahazoantsika valisoa noho izany. Manome toky antsika toy izao i Jesosy: “Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.” (Matio 10:32). Koa toy ny anomezan’ny Ray any an-danitra voninahitra izay manome voninahitra azy àry, dia matoky isika fa hanahaka ny Rainy amin’io lafiny io koa ny Zanaka lahitokan’i Jehovah, toy ny ataon’io Zanaka io amin’ny lafiny maro hafa.
Ahoana no havalinao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no analan’ny olona maro ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana baraka an’i Jesosy?
◻ Fanamarinana inona no nomen’i Jesosy raha ny amin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy?
◻ Antony sasantsasany inona avy no ananantsika mba hanomezana voninahitra an’i Jesosy?
◻ Fomba sasantsasany inona avy no hahafahantsika manome voninahitra an’i Jesosy?
◻ Mitondra soa inona avy ny fanomezana voninahitra an’i Jesosy Kristy?